Zofima
(Zôfìma).
Saha teo an-tampon’i Pisga. Teo no nasain’i Balama nanorenana alitara fito sy nanaovana sorona. Teo koa ilay mpaminany no nanonona ny iray tamin’ireo tsodrano ho an’ny Israely. (No 23:14-24) Mbola ahitana ny anaran’i Zofima ao amin’ny hoe Telaʽat es-Safa, anaran-toerana iray any akaikin’ny faritra voalaza fa nisy an’i Pisga, eo atsinanan’ny tendrony avaratry ny Ranomasina Maty. Nadikan’ny manam-pahaizana sasany hoe ‘sahan’ny mpitily’ anefa ny teny hoe tsôhfim fa tsy noheverin’izy ireo hoe anaran-tsamirery.—Kat., JB.