Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Fampiasana An’ity Boky Ity?

Ahoana no Fampiasana An’ity Boky Ity?

I Jesosy Kristy sy ny apostoliny no modelintsika, raha ny amin’ny fomba anampiana ny olona hahazo ny hevitry ny Baiboly. Nanonona andinin-teny, ohatra, i Jesosy rehefa nisy nanontany azy. Nampiasa fanoharana mety tsara koa izy indraindray, mba hanampiana ny olona tso-po hanaiky ny Baiboly. (Mat. 12:1-12) Ny apostoly Paoly kosa zatra ‘nandresy lahatra niorina tamin’ny Soratra Masina.’ “Nohazavainy sy noporofoiny tamin’ny alalan’izay voasoratra” ny zavatra nampianariny. (Asa. 17:2, 3) Hanampy anao hanao toy izany koa ity boky ity.

Tsy manazava amin’ny ankapobeny ny loha hevitra tsirairay akory izy ity, fa mifantoka kosa amin’ireo fanontaniana fametraky ny olona.

Tsy natao handresena amin’ny adihevitra ifanaovana amin’ireo tsy tia ny fahamarinana koa ity boky ity, fa natao hanampiana an’ireo vonona hihaino. Mety hisy amin’izy ireny mantsy tena te hahafantatra ny valin’ny fanontaniana apetrany aminao. Mety hisy koa hilaza aminao fotsiny ny zavatra inoany, saingy mafana fo izy rehefa milaza izany. Vonona hihaino fomba fihevitra hafa anefa ve izy ireo? Resaho aminy àry izay voalazan’ny Baiboly. Matokia fa hanohina ny fony izany, raha tiany ny fahamarinana.

Aiza no ahitanao ny fanazavana tadiavinao? Azonao jerena avy hatrany ny loha hevitra miresaka momba izany. Misy fanontaniana eo ambanin’ny loha hevitra tsirairay. Mora hita izy ireny satria natao sora-matevina. Raha mbola tsy hitanao ihany izay tadiavinao, dia jereo ny Fanondroana any amin’ny faran’ity boky ity.

Tsara foana ny manomana alohan’ny hiaraha-midinika amin’ny olona iray. Azonao ampiasaina ihany anefa ity boky ity, na dia mbola tsy voajerinao mialoha aza ny foto-kevitra tianao hohazavaina. Rehefa hitanao ny fanontaniana mifandray amin’io foto-kevitra io, dia jereo ireo lohatenikely eo ambanin’ilay fanontaniana. Natao sora-mandry matevina izy ireny. Raha efa fantapantatrao kosa ilay foto-kevitra, dia mety hila hanao topy maso an’ireo lohatenikely sy fanazavana fotsiny ianao. Misy hevitra azonao ampiasaina handresena lahatra mantsy ao amin’izy ireny, ary azonao lazaina amin’ny fomba fiteninao izany.

Ahoana anefa raha te hampiasa andinin-teny sy te hanazava izany ianao? Na te hampiasa fanoharana mba hampisehoana fa mitombina tsara izay voalazan’ny Baiboly? Azonao aseho amin’ilay olona ity boky ity, ary iaraho mamaky aminy ny fanazavana mifandray amin’ilay fanontaniany. Afaka manome valiny mahafa-po ianao, na dia tsy voaomanao mialoha aza ilay izy. Efa ato daholo mantsy ny fanazavana rehetra ilaina, ary natao fohy sy tsotra izany.

Tadidio anefa fa natao hanampiana anao fotsiny ity boky ity, fa tsy mahasolo ny Baiboly akory. Ny Baiboly no Tenin’Andriamanitra. Raha mamaky andinin-teny avy ato ianao, dia asongadino amin’ilay olona fa nalaina avy tao amin’ny Baiboly izany. Raha mety, dia asaivo maka Baiboly sy mijery ilay andininy izy, mba ho hitany fa ao amin’ny Baiboliny mihitsy ny fanazavana omenao. Mety ho hafa ny fomba nandikan’ny Baiboly sasany ny hevitra na teny ao amin’ny andinin-teny iray. Nampidirina ato koa izany, mba hanaovana fampitahana.

Niresaka momba ny alitara “Ho An’Andriamanitra Tsy Fantatra” sy nanonona tenin’olona be mpahalala tamin’ny androny, ny apostoly Paoly tamin’izy nitory tamin’ny Atenianina. (Asa. 17:22-28) Manonona fanazavana avy amin’ny bokin-tantara, rakipahalalana, boky ara-pivavahana, ary diksionera momba ny Baiboly koa ity boky ity. Manazava fotsiny ny antony ilazany zavatra sasany anefa izy ity, fa tsy manome tsipiriany be momba ny niandohan’ny fombafomba na fety fanaon’ny fivavahan-diso, na ny fomba nielezan’ny foto-pinoana sasany. Tsy mamelabelatra ny hevitry ny teny hebreo sy grika koa izy ity. Asongadiny kosa fa ao amin’ny Baiboly no tena misy ny fahamarinana.

Hanampy anao hanombo-dresaka ireo fizarana voalohany hoe “Fampidiran-dresaka Azo Ampiasaina eny Am-pitoriana” sy ny hoe “Fomba Hamaliana Fanoherana.” Matetika koa ny zavatra inoan’ny olona iray no mahatonga azy hanohitra. Jereo àry aloha ny loha hevitra momba an’ilay zavatra inoany, fa any amin’ny faran’izy io no ahitanao ny fomba hamaliana azy. Diniho hoe nahoana no nahomby ireny valin-teny ireny. Lazao amin’ny fomba fiteninao izy ireny avy eo, fa aza atao tsianjery.

Hanampy anao hahay handresy lahatra miorina amin’ny Soratra Masina ity boky ity. Ho hainao koa ny hanampy ny olona hahafantatra “ny asa lehibe nataon’Andriamanitra.”—Asa. 2:11.