Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Andriamanitra Telo Izay Iray

Andriamanitra Telo Izay Iray

Famaritana: Foto-pinoan’ireo fivavahana milaza azy ho Kristianina. Lazain’ny Fanekem-pinoan’i Athanase fa Andriamanitra ny Ray, Andriamanitra ny Zanaka, ary Andriamanitra ny Fanahy Masina. Samy mandrakizay, hono, izy ireo, samy mahery indrindra, tsy misy ambony sy ambany, ary samy Andriamanitra nefa iray ihany. Lazaina koa fa tsy Andriamanitra telo samy hafa izy ireo, fa endrika telo isehoan’Andriamanitra fotsiny. Koa misy manizingizina hoe Andriamanitra i Jesosy Kristy, na hoe Jesosy sy ny Fanahy Masina ihany no Jehovah. Tsy mampianatra izany ny Baiboly.

 Ahoana no niandohan’io foto-pinoana io?

Hoy ny Diksionera Amin’ny Baiboly navoakan’ny FJKM: “Ny hoe ... ‘Trinité’ (Telo Izay Iray) dia tsy hita ao amin’ny Filazantsara.” (fan. faha-3, p. 52) Hoy koa Ny Rakipahalalana Britannica Vaovao: “Tsy hita ao amin’ny Testamenta Vaovao ny teny hoe Trinite, na io foto-pinoana io. Tsy notoherin’i Jesosy sy ny mpanara-dia azy ilay Fanekem-pinoana ao amin’ny Testamenta Taloha hoe: ‘Mihainoa, ry Israely ô: Ilay Tompo Andriamanitsika dia Tompo iray ihany’ (Deot. 6:4). ... Nipoitra tsikelikely tao anatin’ny taonjato maromaro ilay foto-pinoana sady niadian-kevitra be. ... Tamin’ny faran’ny taonjato faha-4 izy io vao tena nahazo laka.”—(anglisy, 1976), Micropædia, Boky Faha-10, p. 126.

Hoy ny Rakipahalalana Katolika Vaovao: ‘Efa tamin’ny faran’ny taonjato faha-4 vao voafaritra tsara sy tena neken’ny Kristianina ary lasa foto-pinoany ny hoe ‘Andriamanitra tokana olona telo.’ Tsy mba tao an-tsain’ireo Ray Apostolika mihitsy anefa izy io.’—(1967), Boky Faha-14, p. 299.

Hoy koa Ny Rakipahalalana Amerikanina: ‘Avy tamin’ny Fivavahana Jiosy ny Fivavahana Kristianina, ary tsy nino afa-tsy Andriamanitra tokana ny Jiosy. Tsy avy tany Jerosalema àry ilay foto-pinoana niforona tany Nicée tamin’ny taonjato fahefatra. Tsy nifanaraka tamin’ny fampianaran’ireo Kristianina voalohany momba an’Andriamanitra izy io.’—(1956), Boky Faha-27, p. 294L.

Nilaza toy izao ny Diksionera Iombonana Vaovao: ‘Nino andriamanitra telo izay iray ireo firenena fahiny, ary izany finoana izany ihany no namboamboarin’i Platon ho filozofia. Izany indray avy eo no lasa fampianaran’ny fiangonana kristianina. Efa hita tany amin’ireo fivavahana rehetra [mpanompo sampy] fahiny ny fomba fihevitr’io filozofa grika io [Platon, taonjato fahefatra T.K.] momba ny andriamanitra telo izay iray.’—(frantsay, Paris, 1865-1870), natontan’i M. Lachâtre, Boky Faha-2, p. 1467.

Hoy i John McKenzie, ao amin’ny Diksioneran’ny Baiboly: ‘Teny fampiasan’ny filozofa grika no amaritana ny hoe telo izay iray. Tsy hita ao amin’ny Baiboly anefa izany teny izany. Efa nisy adihevitra ela be vao hita ny teny amaritana ny hoe Andriamanitra telo izay iray.’—(anglisy, New York, 1965), p. 899.

Tsy hita ao amin’ny Baiboly ny teny hoe “Andriamanitra telo izay iray”, ary miaiky an’izany koa ireo mino azy io. Kanefa sao mba hita ao ihany ny hevitra fonosin’izy io?

Mampianatra ve ny Baiboly fa olona ny “Fanahy Masina”?

Resahina ho toy ny olona ny fanahy masina, ao amin’ny andininy sasany. Antsoina hoe mpanampy (grika: parakletôs; “Mpananatra”, Prot.; “Mpampionona”, DIEM), ohatra, izy io, ary lazaina fa ‘mampianatra’, ‘manome porofo’, ‘miteny’, ary ‘mandre.’ (Jaona 14:16, 17, 26; 15:26; 16:13) Lazain’ny andininy hafa koa anefa fa nisy olona “feno” fanahy masina, ary ‘natao batisa’ sy ‘nohosorana’ tamin’izy io. (Lioka 1:41; Mat. 3:11; Asa. 10:38) Ahoana no hampety an’izany raha olona ny fanahy masina? Tsy maintsy mijery an’ireo andininy rehetra ireo isika, raha te hahazo an’izay ampianarin’ny Baiboly. Inona àry no hevitra azontsika tsoahana? Mampiasa teny an’ohatra ireo andininy ao amin’ny Jaona ka ohariny amin’ny olona ny fanahy masin’Andriamanitra, na ny hery ampiasainy. Oharin’ny Baiboly amin’ny olona koa, ohatra, ny fahendrena, ny ota, fahafatesana, rano, ary ra. (Jereo koa ny pejy 159, 160, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Fanahy.”)

Resahin’ny Baiboly fa Jehovah no anaran’ny Ray, ary Jesosy Kristy no anaran’ny Zanaka. Tsy misy andininy mihitsy anefa milaza hoe manana anarana ny fanahy masina.

Tantarain’ny Asan’ny Apostoly 7:55, 56 fa nahazo fahitana i Stefana, ka nahita an’i “Jesosy nijoro teo ankavanan’Andriamanitra” tany an-danitra. Tsy nilaza ho nahita ny fanahy masina anefa izy. (Jereo koa ny Apokalypsy 7:10; 22:1, 3.)

Niaiky toy izao ny Rakipahalalana Katolika Vaovao: ‘Asehon’ny ankamaroan’ny andinin-teny ao amin’ny Testamenta Vaovao fa tsy olona ny fanahin’Andriamanitra, fa zavatra; ary hita indrindra izany rehefa ampitoviny amin’ny herin’Andriamanitra izy io.’—1967, Boky Faha-13, p. 575.

Mifanaraka amin’ny Baiboly ve ny hoe Andriamanitra iray ihany ny Ray sy ny Zanaka?

Mat. 26:39, Prot.: “Nony nandroso kelikely Izy [Jesosy Kristy], dia niankohoka ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.” (Tsy misy dikany io vavaka io, raha Andriamanitra iray ihany ny Ray sy ny Zanaka. Ho nivavaka tamin’ny tenany ihany mantsy i Jesosy, ary tsy maintsy ho ny sitrapon’ny Ray ihany no sitrapony.)

Jaona 8:17, 18, Prot.: “[Hoy i Jesosy tamin’ireo Fariseo:] Voasoratra ao amin’ny lalànareo fa marina ny fanambaran’ny olona roa lahy. Izaho no manambara ny tenako, ary ny Ray Izay naniraka Ahy dia manambara Ahy koa.” (Resahin’i Jesosy mazava tsara fa samy hafa izy sy ny Ray.)

Jereo koa ny pejy 288, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Jehovah.”

 Mampianatra ve ny Baiboly fa samy mandrakizay ny Ray sy ny Zanaka ary ny fanahy masina, ary samy tsy nanam-piandohana?

Kol. 1:15, 16, TV: “Izy [Jesosy Kristy] no endrik’ilay Andriamanitra tsy hita maso, ary izy koa no lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra, satria izy no nampiasaina tamin’ny famoronana ny zavatra hafa rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.” Inona no dikan’ny hoe “lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra” i Jesosy Kristy? 1) Lazain’ireo mino ny Andriamanitra telo izay iray fa ny dikan’ny hoe “lahimatoa” eto dia hoe lehibe indrindra, tsara indrindra, ary miavaka indrindra. Tsy anisan’ireo zavaboary, hono, i Kristy fa miavaka indrindra raha mitaha amin’ireo zavaboary. Raha izany no izy, ary raha marina fa telo izay iray Andriamanitra, nahoana no tsy lazaina koa hoe lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra ny Ray sy ny fanahy masina? Ny Zanaka ihany anefa no antsoin’ny Baiboly hoe lahimatoa. Midika izany fa izy no voalohany indrindra amin’ireo zanak’i Jehovah, satria izany no hevitry ny hoe “lahimatoa.” 2) Hita imbetsaka ao amin’ireo boky any alohan’ny Kolosianina 1:15 ny hoe “lahimatoa amin’ny”, “lahimatoan’ny”, na “voalohan-teraka amin’ny”, ary mitovy foana ny heviny. Anisan’ny zanak’Israely, ohatra, ny “lahimatoan’i Israely”, anisan’ny ankohonan’i Farao ny “lahimatoan’i Farao”, ary biby ny ‘voalohan-teraka amin’ny biby.’ Nahoana àry no omen’ny olona sasany heviny hafa ny hoe “lahimatoa” ao amin’ny Kolosianina 1:15? Izany ve no lazain’ny Baiboly, sa izany no efa inoan’izy ireo ka itadiavany porofo? 3) Tsy anisan’ny zavatra noforonina ve i Jesosy, raha jerena ny Kolosianina 1:16, 17 (Prot.)? Izao no voalaza ao: “Tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra ..., Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany.” Ny teny grika hoe panta, avy amin’ny fototeny hoe pas, no nadika hoe “zavatra rehetra” eto. Adika hoe “hafa rehetra” io teny grika io ao amin’ny Filipianina 2:21 (DIEM). Mifanaraka amin’ny andininy rehetra momba ny Zanaka ny nandikan’ny TV azy io, ao amin’ny Kolosianina 1:16, 17 hoe: “Izy no nampiasaina tamin’ny famoronana ny zavatra hafa rehetra ... Tamin’ny alalany, ary ho azy, no namoronana ny zavatra hafa rehetra.” Anisan’ny zavaboary noforonin’Andriamanitra koa àry izy.

Apok. 1:1; 3:14, Prot.: “Ny fanambaran’i Jesosy Kristy, izay nomen’Andriamanitra Azy ... Ary soraty ho amin’ny anjelin’ny fiangonana any Laodikia: Izao no lazain’ny Amena, dia Ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, Izay niandohan’izao [grika: arke] zavatra noharìn’Andriamanitra izao.” (Mitovitovy amin’izany koa ny DIEM sy TV.) Marina ve izany dikan-teny izany? Misy mihevitra fa ny tiana holazaina eo dia hoe ny Zanaka no namorona na fototry ny “zavatra noharìn’Andriamanitra.” Asehon’ny Diksionera Grika-Anglisy nataon’i Liddell sy Scott anefa fa ‘fiandohana’ no hevitra voalohan’ny hoe arke. (Oxford, 1968, p. 252) Zavaboary àry ilay voalazan’ny Apokalypsy 3:14, ary izy no voalohany noforonin’Andriamanitra. Midika izany fa nanam-piandohana izy. Ampitahao amin’ny Ohabolana 8:22, izay iresahana ny Zanaka ho fahendrena oharina amin’ny olona, araka ny eken’ny mpivaofy teny maro. (Voalazan’ny Prot. ao fa ‘noharìna’ izy io.)

Milaza ny faminaniana iray momba ny Mesia ao amin’ny Mika 5:1 (Kat.) fa “ny niandohany dia efa hatramin’ny andro fahagola, hatramin’ny andro mandrakizay.” Midika ve izany fa izy ihany no Andriamanitra? Tsara homarihina fa tsy milaza hoe “andro mandrakizay” ny Prot. fa hoe “hatrizay hatrizay”, ny DIEM kosa hoe “andro taloha elabe”, ary ny TV (5:2) hoe “andro fahiny.” Raha jerena anefa ny Apokalypsy 3:14, dia tsy manaporofo ny Mika 5:1 (5:2, TV ) hoe tsy nanam-piandohana i Jesosy.

Mampianatra ve ny Baiboly fa tsy misy ambony sy ambany ny Ray sy ny Zanaka ary ny fanahy masina, ary samy mahery indrindra?

Mar. 13:32, Prot.: “Fa ny amin’izany andro na ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjely any an-danitra, ary na dia ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany.” (Marina ve izany raha mitovy ihany ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina? Ary raha misy milaza fa mbola olombelona ny Zanaka tamin’izay, nahoana no tsy nahalala koa ny Fanahy Masina?)

Mat. 20:20-23, Prot.: “Nanatona an’i Jesosy ny renin’ny zanak’i Zebedio ... Dia hoy ravehivavy taminy: Mandidia mba hipetrahan’ireto zanako roa lahy ireto, ny anankiray ho eo amin’ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin’ny ankavianao, ao amin’ny fanjakanao. Fa Jesosy namaly ka nanao hoe: ... Hisotro amin’ny kapoakako tokoa hianareo; fa ny hipetraka eo an-tànako ankavanana sy eo an-tànako ankavia, dia tsy Ahy ny hanome izany; fa izay nanamboaran’ny Raiko izany no homena.” (Mahagaga izany raha Andriamanitra i Jesosy! Sa hoe noho izy olombelona no nahatonga azy hamaly toy izany? Raha marina izany, dia mitombina ve ny filazan’ny sasany hoe sady Andriamanitra izy no olombelona? Asehon’io Matio 20:23 io anefa fa tsy mitovy amin’ny Ray ny Zanaka, satria ny Ray ihany no manan-jo hanapa-kevitra amin-javatra sasany.)

Mat. 12:31, 32, Prot.: “Hahazo famelan-keloka ny olona amin’ny ota sy fitenenan-dratsy samy hafa rehetra; fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin’ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina. Ary na iza na iza no manao teny hanohitra ny Zanak’olona, dia hahazo famelan-keloka ihany; fa na iza na iza no miteny hanohitra ny Fanahy Masina, dia tsy mba hahazo famelan-keloka, na amin’izao fiainana izao, na amin’ny ho avy.” (Raha Andriamanitra ny Fanahy Masina, dia tsy ho marina ny hoe telo izay iray Andriamanitra, satria toa lehibe noho ny Zanaka eto ny Fanahy Masina. Ny tian’i Jesosy holazaina anefa eto dia hoe lehibe noho ny Zanak’olona ny Ray, izay niavian’ny “Fanahy Masina.”)

Jaona 14:28, Prot.: “[Hoy i Jesosy:] Raha tia Ahy hianareo, dia ho faly, satria mankany amin’ny Ray Aho; fa ny Ray dia lehibe noho Izaho.”

1 Kor. 11:3, Prot.: “Tiako ho fantatrareo fa Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra; ary ny lehilahy kosa no lohan’ny vehivavy; ary Andriamanitra no lohan’i Kristy.” (Tsy Andriamanitra àry i Kristy, ary ambony noho izy Andriamanitra. Nosoratana tamin’ny taona 55 tany ho any io andininy io, izany hoe 22 taona taorian’ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra. Mazava àry fa tsy mitovy amin’Andriamanitra i Kristy na dia any an-danitra aza.)

1 Kor. 15:27, 28, Prot.: “ ‘Ny zavatra rehetra efa [nampaneken’Andriamanitra] ho eo ambanin’ny tongony [Jesosy].’ Fa na dia hataony hoe aza: ‘Ny zavatra rehetra no nampanekena,’ dia fantatra marina fa tsy mba isan’izany Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy. Ary rehefa nampanekena Azy ny zavatra rehetra, dia ny tenan’ny Zanaka koa aza no hanaiky izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy, mba tsy hisy fototra sy antony afa-tsy Andriamanitra ihany.”

Samy adika hoe “Mahery Indrindra” ny teny hebreo Shaddai sy ny teny grika Pantôkratôr, ary samy ilazana an’i Jehovah Ray. (Eks. 6:3; Apok. 19:6) Tsy ilazana ny Zanaka na ny fanahy masina mihitsy anefa ireo teny ireo.

Mampianatra ve ny Baiboly fa samy Andriamanitra ny Ray sy ny Zanaka ary ny fanahy masina?

Nivavaka toy izao i Jesosy: “Ray ô, ... izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” (Jaona 17:1-3, Prot.; izahay no manao sora-mandry.) (Ny Ray no resahin’ny ankamaroan’ny Baiboly hoe “Andriamanitra tokana sady marina” eto. Milaza ny Kat. hoe “hàny Andriamanitra marina.” Mitombina ve izany raha misy roa hafa koa mitovy aminy? Azo antoka fa “andriamanitra” diso na maka tahaka azy fotsiny ny hafa.)

1 Kor. 8:5, 6, Prot.: “Na dia misy aza atao hoe andriamanitra, na any an-danitra, na etỳ an-tany (toy ny misy andriamanitra maro sy tompo maro); nefa amintsika kosa dia Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray, Izay nihavian’ny zavatra rehetra, ary ho Azy isika; ary iray ihany, ny Tompo, dia Jesosy Kristy, Izay nahariana ny zavatra rehetra sady nahariana antsika koa.” (Amin’ny Kristianina àry, dia tsy iza ilay “Andriamanitra iray ihany” fa ny Ray, ary tsy mitovy amin’i Jesosy Kristy izy.)

1 Pet. 1:3, Prot.: “Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika.” (Imbetsaka ny Baiboly no milaza fa ‘Andriamanitr’i’ Jesosy Kristy ny Ray, na dia taorian’ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra aza. I Jesosy mihitsy koa no niantso ny Ray hoe “Andriamanitro” ao amin’ny Jaona 20:17, taoriana kelin’ny nitsanganany. Izany koa no nolazainy ao amin’ny Apokalypsy 3:12, ary efa tany an-danitra izy tamin’izay. Tsy misy andininy mihitsy anefa milaza fa nantsoin’ny Ray hoe “Andriamanitro” ny Zanaka, na nantsoin’ny Ray sy ny Zanaka hoe “Andriamanitro” ny fanahy masina.)

Jereo ny pejy 292-296, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Jesosy Kristy”, izay ahitana ny fanazavana an’ireo andininy ampiasain’ny olona mba hanaporofoana fa Andriamanitra i Kristy.

Niaiky toy izao i Karl Rahner: “Mbola tsy nampiasaina mihitsy hilazana ny Fanahy Masina ny hoe Θεός [Andriamanitra].” Hoy koa izy: “Tsy ampiasaina mihitsy ao amin’ny Testamenta Vaovao ny hoe ὁ θεός [ara-bakiteny: ilay Andriamanitra], mba hilazana ny πνεῦμα ἅγιον [fanahy masina].”—Famakafakana Finoana (anglisy, Baltimore, Md.; 1961), Boky I, p. 138, 143.

Tena manaporofo an’ilay foto-pinoana ve ireo andininy ampiasain’ireo mino azy io?

Raha tena te hahalala ny marina momba an’Andriamanitra ny olona iray, dia tsy hikaroka andininy ho azony ampifanarahana amin’izay efa inoany fotsiny. Tiany ho fantatra kosa izay tena lazain’ny Tenin’Andriamanitra. Mety ho azo hazavaina amin’ny fomba samy hafa ny andininy iray, kanefa hazava kokoa ny heviny rehefa ampitahaina amin’ny andininy hafa miresaka momba ilay foto-kevitra. Tsara homarihina koa fa olona roa monja, fa tsy telo, no resahin’ny ankamaroan’ny andinin-teny ampiasaina ho “porofo” fa telo izay iray Andriamanitra. Koa na marina aza ny fanazavana an’ireo andininy ireo, dia tsy porofo izany hoe marina ilay foto-pinoana. Diniho ireto manaraka ireto:

(Raha tsy misy fanamarihana manokana, dia avy amin’ny Prot. ny andinin-teny rehetra manomboka eto.)

Anaram-boninahitr’i Jehovah, nefa iantsoana an’i Jesosy Kristy koa, na lazaina fa iantsoana azy

Alfa sy Omega: Iza izy io, raha ny marina? 1) Resahin’ny Apokalypsy 1:8 fa ilay Andriamanitra Tsitoha (Mahery Indrindra) izy io. Ny andininy faha-11 ao amin’ny JM kosa, dia mahatonga hieritreritra fa i Jesosy Kristy izy io. Eken’ny manam-pahaizana anefa fa tsy nisy hoe Alfa sy Omega teo amin’ny andininy faha-11 tany am-boalohany. Tsy hita ao amin’ny Prot., Kat., DIEM àry izany. 2) Eken’ny mpandika teny maro amin’ny teny hebreo fa i Jehovah ilay voalazan’ny andininy faha-8, ka naveriny ao io anaran’Andriamanitra io. Jereo ny TV. 3) Milaza ny Apokalypsy 21:6, 7 fa ho ‘zanak’ilay’ Alfa sy Omega ireo Kristianina mandresy. Tsy antsoina mihitsy hoe ‘zanak’i’ Jesosy Kristy anefa ny Kristianina voahosotra, fa nantsoiny hoe ‘rahalahy.’ (Heb. 2:11; Mat. 12:50; 25:40) Antsoina kosa hoe “zanak’Andriamanitra” izy ireny. (Gal. 3:26; 4:6) 4) Nasian’ny DIEM hoe “Jesoa” ao amin’ny Apokalypsy 22:12, ka toy ny hoe izy ilay Alfa sy Omega resahin’ny andininy faha-13. Tsy nisy hoe Jesosy anefa tao amin’io andininy io tany am-boalohany, ka tsy hita ao amin’ny Baiboly hafa izany. 5) Marina fa antsoin’ny Apokalypsy 22:13 hoe “ny Voalohany sy ny Farany” ilay Alfa sy Omega, ary lazain’ny Apokalypsy 1:17, 18 koa hoe “Voalohany sy Farany” i Jesosy. Samy antsoina hoe “apostoly” koa anefa i Jesosy Kristy sy ny mpianany sasany. Midika ve izany fa iray ihany izy ireo ary mitovy ny toerana tanany? (Heb. 3:1) Mazava àry fa ilay Andriamanitra Mahery Indrindra, dia ny Ray, no antsoina hoe “Alfa sy Omega”, fa tsy ny Zanaka.

Mpamonjy: Imbetsaka ny Baiboly no miantso an’Andriamanitra hoe Mpamonjy. Hoy izy ao amin’ny Isaia 43:11: “Tsy misy Mpamonjy afa-tsy Izaho.” Koa satria antsoina hoe Mpamonjy koa i Jesosy, midika ve izany fa iray ihany izy ireo? Tsia! Hita ao amin’ny Titosy 1:3, 4 ny hoe “Andriamanitra, Mpamonjy antsika” sy hoe “Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika.” Samy mpamonjy àry izy ireo. Amin’ny fomba ahoana? Hoy ny Joda 25: “Andriamanitra ... Mpamonjy antsika, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika.” (Izahay no manao sora-mandry.) (Jereo koa ny Asan’ny Apostoly 13:23.) Mitovy ihany ny teny hebreo (môhshiaʽ, midika hoe “mpamonjy”) ampiasaina ao amin’ny Isaia 43:11 sy ny Mpitsara 3:9, izay miresaka ny amin’i Otniela, mpitsara teo amin’ny Israely. Midika ve izany fa i Otniela ihany no Jehovah? Asehon’ny Isaia 43:1-12 kosa fa ny tian’ny Isaia 43:11 holazaina dia hoe i Jehovah irery ihany no namonjy ny Israely, fa tsy ny andriamanitry ny firenena nanodidina azy.

Andriamanitra: Hoy i Jehovah ao amin’ny Isaia 43:10: “Talohako dia tsy nisy andriamanitra voaforona, sady tsy hisy handimby Ahy.” Antsoina koa hoe “Andriamanitra Mahery” i Jesosy Kristy ao amin’ny Isaia 9:5 (9:6, TV ). Midika ve izany fa izy ihany no Jehovah? Tsia! Resahin’ny teny manodidina ny Isaia 43:10 fa tsy nisy firenena mpanompo sampy nahaforona andriamanitra talohan’i Jehovah, satria tsy nisy talohany. Ary tsy hisy mihitsy koa hahaforona andriamanitra velona mahay maminany toa an’i Jehovah, amin’ny hoavy. (Isaia 46:9, 10) Tsy midika anefa izany hoe tsy navelan’i Jehovah hisy mihitsy ny atao hoe andriamanitra. (Sal. 82:1, 6; Jaona 1:1, TV ) Marina fa antsoina hoe “Andriamanitra Mahery” i Jehovah ao amin’ny Isaia 10:21, toy ny iantsoana an’i Jesosy ao amin’ny Isaia 9:5 (9:6, TV ). I Jehovah irery anefa no antsoina hoe “Andriamanitra Tsitoha” na Mahery Indrindra.—Gen. 17:1.

Raha mahita anaram-boninahitra na filazalazana mitovy isika ao amin’ny andininy maromaro, dia tsy voatery hoe olona iray ihany no tian’izy ireny horesahina. Raha izany mantsy, dia i Nebokadnezara ihany no Jesosy Kristy, satria samy antsoina hoe “mpanjakan’ny mpanjaka” izy ireo (Dan. 2:37; Apok. 17:14); ary ny mpianatr’i Jesosy ihany no Jesosy Kristy, satria samy antsoina hoe “fahazavan’izao tontolo izao” izy ireo. (Mat. 5:14; Jaona 8:12) Tokony hodinihina foana àry ny teny manodidina sy ny andininy hafa misy an’ilay anaram-boninahitra.

Andinin-teny miresaka an’i Jehovah ao amin’ny Soratra Hebreo, nefa ampiharina amin’i Jesosy Kristy

Miresaka momba ny fanomanana ny lalana ho an’i Jehovah ny Isaia 40:3. Nahoana àry izy io no ampiharin’ny Jaona 1:23 amin’ny fanomanan’i Jaona Mpanao Batisa ny lalana ho an’i Jesosy Kristy? Satria solontenan’ny Rainy i Jesosy. Tonga tamin’ny anaran’ny Rainy izy, ary natoky fa nomba azy foana ny Rainy satria nanao izay sitrany foana izy.—Jaona 5:43; 8:29.

Nahoana no ampiharin’ny Hebreo 1:10-12 amin’ny Zanaka ny Salamo 102:25-27, izay miresaka momba an’Andriamanitra? Satria tamin’ny alalan’ny Zanaka no nanaovan’Andriamanitra ny asa famoronana resahin’ilay salamo. (Jereo ny Kolosianina 1:15, 16; Ohabolana 8:22, 27-30.) Mariho fa nampiharin’ny Hebreo 1:5b amin’ny Zanak’Andriamanitra ny 2 Samoela 7:14, izay miresaka momba an’i Solomona. Tsy midika anefa izany hoe i Solomona ihany no Jesosy. “Lehibe noho Solomona” mantsy izy, ary hanao asa toy ny nataony saingy lehibe kokoa.—Lioka 11:31.

Andinin-teny miresaka momba ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina

Anisan’izany ny Matio 28:19 sy ny 2 Korintianina 13:14. Tsy milaza anefa ireo andininy ireo hoe mitovy ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, na hoe samy mandrakizay sy samy Andriamanitra izy ireo. Jereo ny porofon’izany eo amin’ny  pejy 46-50.

Nino Andriamanitra telo izay iray i McClintock sy Strong, nefa niaiky toy izao koa tao amin’ny rakipahalalana nataony: “Raha ireo andininy [Matio 28:18-20] ireo fotsiny no jerena, dia tsy manaporofo hoe ... mitovy izy telo ireo na samy Andriamanitra.” (fanontana 1981, Boky Faha-10, p. 552) Nilaza koa io boky io fa na ny andininy hafa miresaka momba ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina aza, dia “tsy ampy” hanaporofoana fa telo izay iray Andriamanitra. (Ampitahao amin’ny 1 Timoty 5:21, izay miresaka momba an’Andriamanitra sy Kristy ary ny anjely.)

Andinin-teny ao amin’ny Soratra Hebreo mampiasa teny milaza maro mba hilazana an’Andriamanitra

Ilay teny hebreo milaza maro hoe ’Elôhim no nadika hoe “Andriamanitra”, ao amin’ny Genesisy 1:1. Misy milaza hoe porofo izany fa telo izay iray Andriamanitra. Porofo hafa koa, hono, ny Deoteronomia 6:4 (DIEM) izay milaza hoe: “Ny TOMPO Andriamanitsika [’Elôhim] no TOMPO tokana.”

Ilazana fahamboniana sy fahatsarana anefa io teny milaza maro io. (Jereo ny Rakipahalalana Katolika Vaovao, 1967, Boky Faha-5, p. 287.) Tsy ilazana andriamanitra maromaro izay iray ihany izy io. ’Elôhim koa, ohatra, no ilazana ny andriamani-diso Dagona ao amin’ny Mpitsara 16:23, nefa amin’ny endriny milaza tokana ny matoanteny miaraka aminy. Midika izany fa andriamanitra iray ihany izy. Lazain’ny Genesisy 42:30 hoe ‘tompo’ i Josefa, kanefa ilay hoe ‘tompo’ dia avy amin’ny hoe ’adôneh, teny hebreo milaza maro enti-manondro fahatsarana.

Tsy manana ‘teny milaza maro enti-manondro fahamboniana na fahatsarana’ ny teny grika. Koa nataon’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo hoe hô Teôs (Andriamanitra, milaza tokana) ny ’Elôhim ao amin’ny Genesisy 1:1. Io teny grika milaza tokana io koa no nampiasain’i Jesosy ao amin’ny Marka 12:29, rehefa namerina ny Deoteronomia 6:4 izy.

Hita indroa ao amin’ny Deoteronomia 6:4 amin’ny teny hebreo ny Litera Efatra. Tokony hadika toy izao àry io andininy io: “Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany.” Tsy nino Andriamanitra telo izay iray ny firenen’ny Israely nilazana ireo teny ireo. Ny Babylonianina sy ny Ejipsianina no nivavaka tamin’andriamanitra telo izay iray. Nasongadina tamin’ny Israely kosa fa hafa i Jehovah.

Andinin-teny omen’ny olona heviny samy hafa, arakaraka ny Baiboly ampiasainy

Mety ho azo adika amin’ny fomba samy hafa ny andininy iray, raha jerena ny fitsipi-pitenenana. Iza àry no dikan-teny marina? Ilay mifanaraka amin’ny Baiboly manontolo. Raha andininy iray ao amin’izay dikan-teny tiany no ifikiran’ny olona iray fa tsy miraharaha andininy hafa izy, dia tsy mino ny Tenin’Andriamanitra izy, raha ny marina, fa mino ny heviny manokana sy ny an’ny olon-kafa tsy lavorary.

Jaona 1:1, 2:

Hoy ny Prot.: “Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. Izy dia tao amin’Andriamanitra tamin’ny voalohany.” (Mitovitovy amin’izany koa ny Kat. sy DIEM.) Hoy anefa ny TV: “Tany am-piandohana ny Teny, ary ny Teny dia niaraka tamin’Andriamanitra, ary ny Teny dia andriamanitra. Niaraka tamin’Andriamanitra izy tany am-piandohana.”

Manampy antsika hahazo ny hevitry ny Jaona 1:1, 2 ny teny manodidina. Hoy ny Jaona 1:18: “Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana.” Milaza mazava anefa ny andininy faha-14 hoe: “Ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny.” Milaza koa ny andininy 1, 2 fa “tao amin’Andriamanitra” izy tamin’ny voalohany. Azo inoana ve ny hoe tao amin’ny olona iray ianao no sady ianao ihany io olona io? Nantsoin’i Jesosy hoe “Andriamanitra tokana sady marina” ny Ray, ao amin’ny Jaona 17:3. Atao hoe “andriamanitra” àry i Jesosy noho izy maneho taratry ny toetran’ny Rainy fotsiny.—Heb. 1:3.

Ao amin’ilay fehezanteny hoe ‘ny Teny tao amin’Andriamanitra’, dia misy mpanoritra () eo alohan’ilay teny hoe ‘Andriamanitra’ (teôs), ao amin’ny soratra grika tany am-boalohany. Ilay Andriamanitra Mahery Indrindra àry no resahina eo. Tsy misy mpanoritra kosa eo alohan’ilay hoe “Andriamanitra” (teôs), ao amin’ilay hoe “ny Teny dia Andriamanitra.” Eo alohan’ny matoanteny koa no misy an’io teôs io, ka mpamari-toetra izy io eo. Nanazava ny Jaona 1:1 i Philip Harner, mpahay fitsipi-pitenenana grika, ka hoy izy: “Mpamari-toetra ilay teny tsy misy mpanoritra eo alohan’ilay matoanteny. Midika izany fa manana toetra itovizana amin’ny teôs ilay lôgôs.” Hoy koa izy: “Angamba azo adika toy izao ilay andininy: ‘Ny Teny dia manana toetra itovizana amin’Andriamanitra.’ ”—Gazetin’ny Haisoratra Ara-baiboly (anglisy), 1973, p. 85, 87.

Hoy i John McKenzie, ao amin’ny Diksioneran’ny Baiboly: “Ny Jn 1:1 dia tokony hadika hoe ‘ny teny dia niaraka tamin’Andriamanitra [= ny Ray], ary ny teny dia andriamanitra.’ ”—(Izy no nanao ny fononteny mahitsy. Nahazoany alalana tamin’ny mpitondra fivavahana katolika ny fanontana io diksionera io.) (New York, 1965), p. 317. Toy izany koa no nandikana io andininy io ao amin’ny Baiboly sasany.

Tsy ny Teny (na Jesosy Kristy) ihany no antsoina hoe “andriamanitra” ao amin’ny Baiboly. Lazaina koa hoe “andriamanitra” (hebreo: ’elôhim; grika: teôi ao amin’ny Jaona 10:34) ireo mpitsara teo amin’ny Israely, ao amin’ny Salamo 82:1-6, satria solontenan’i Jehovah sy nanambara ny lalàny izy ireo.

Jereo koa ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, p. 202, 203.

Jaona 8:58:

Hoy ny Prot.: “Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho [grika: egô eimi].” (Misy te hampifandray azy io amin’ny Eksodosy 3:14, satria ao Andriamanitra milaza ny tenany hoe “Izaho Izay Izy.”) Hoy anefa ny TV eo amin’ny tapany farany amin’ny Jaona 8:58: “Mbola tsy ary akory i Abrahama, dia efa nisy aho.” (Mitovitovy amin’izany ny Kat.)

Iza amin’ireo dikan-teny ireo no mifanaraka amin’ny teny manodidina? Asehon’ny andininy faha-57 fa ny taonan’i Jesosy no nanontanian’ny Jiosy, fa tsy hoe iza izy. Namaly àry i Jesosy hoe efa nisy hatry ny ela izy. Mahaliana koa fa tsy nampiasaina tamin’ny fanahy masina mihitsy ny hoe egô eimi.

Nanazava toy izao i A. Robertson, ao amin’ny boky iray momba ny fitsipi-pitenenana ao amin’ny Testamenta Vaovao grika: ‘Ny matoanteny [eimi]: Milaza fisiana izy io indraindray toy ilay ao amin’ny hoe [egô eimi] (Jao. 8:58).’—Nashville, Tenn.; 1934, p. 394.

Asan’ny Apostoly 20:28:

Hoy ny Prot.: “Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan’ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina, hiandrasanareo ny fiangonan’Andriamanitra, izay novidiny tamin’ny rany.” (Mitovitovy amin’izany koa ny JM.) Milaza anefa ny TV eo amin’ilay tapany farany hoe “ran’ny Zanany.” (Mitovitovy amin’izany koa ny DIEM.)

Iza amin’ireo dikan-teny ireo no mifanaraka amin’ny 1 Jaona 1:7, izay milaza hoe: “Ny ran’i Jesosy [Zanak’Andriamanitra] no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra”? (Jereo koa ny Apokalypsy 1:4-6.) Araka ny Jaona 3:16, naniraka ny Zanany lahitokana ve Andriamanitra, sa ny tenany mihitsy no lasa olombelona? Tsy ny ran’Andriamanitra àry, fa ny ran’ny Zanany no nalatsaka, mba hahazoantsika fiainana.

Romanina 9:5:

Hoy ny Kat.: “Azy koa ny Patriarka, sady avy aminy araka ny nofo ny Kristy, izay ambonin’ny zavatra rehetra, Andriamanitra isaorana mandrakizay. Amena.” (Mitovitovy amin’izany koa ny Prot., DIEM, JM.) Hoy anefa ny TV eo amin’ilay tapany farany: “Avy amin’izy ireo no nipoiran’i Kristy araka ny nofo. Hisaorana mandrakizay anie Andriamanitra, izay ambonin’ny rehetra! Amena.”

Tian’io andininy io holazaina ve fa “ambonin’ny zavatra rehetra” i Kristy ka izy ihany no Andriamanitra? Sa hoe samy hafa Andriamanitra sy Kristy, ary “ambonin’ny zavatra rehetra” Andriamanitra? Iza amin’ireo dikan-teny ireo no mifanaraka amin’ny Romanina 15:5, 6? Asehon’io andininy io fa samy hafa Andriamanitra sy Kristy Jesosy, ka ampirisihiny isika ‘hankalaza an’Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika.’ (Jereo koa ny 2 Korintianina 1:3 sy Efesianina 1:3.) Asehon’ny andininy faha-6-13 amin’ny Romanina toko faha-9, fa tsy miankina amin’izay “zanaky ny nofo” ny fahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra, fa miankina amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Resahin’ny andininy faha-14-18 ny tenin’Andriamanitra tamin’i Farao ao amin’ny Eksodosy 9:16, mba hanasongadinana fa ambonin’ny zava-drehetra Andriamanitra. Milaza fanoharana momba ny mpanefy vilany sy ny tanimanga koa ny andininy faha-19-24, mba hampisehoana fa ambony Andriamanitra. Mety tsara àry ny nandikana ilay andininy faha-5 hoe: “Hisaorana mandrakizay anie Andriamanitra, izay ambonin’ny rehetra! Amena.”—TV.

Hoy Ny Diksionera Iraisam-pirenena Momba ny Testamenta Vaovao: “Iadian-kevitra ny Rom. 9:5. ... Ho azo atao mora foana ny milaza fa i Kristy no resahina eo, ary tsy mifanipaka amin’ny fitsipi-pitenenana izany. Koa ho azo adika toy izao ilay andininy: ‘Hisaorana mandrakizay anie i Kristy, izay Andriamanitra ambonin’ny zava-drehetra. Amena.’ Tsy midika anefa izany hoe mitovy tanteraka amin’Andriamanitra i Kristy, fa hoe manana toetra misy itovizana aminy fotsiny izy, satria tsy misy mpanoritra ilay teny hoe teôs eto. ... Mitombina kokoa àry ny hoe teny fiderana an’Andriamanitra ilay andininy.”—(anglisy, Grand Rapids, Mich.; 1976), Boky Faha-2, p. 80.

Filipianina 2:5, 6:

Hoy ny Kat.: “Manàna izao saina amam-po hita tao amin’ny Kristy Jeso izao: na dia tao amin’ny fomban’Andriamanitra aza izy, dia tsy nihevitra ny fitoviany saranga amin’Andriamanitra ho zavatra nobaboiny.” (Hoy ny Prot.: “Tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin’Andriamanitra.”) Hoy anefa ny TV eo amin’ilay tapany farany: “Na dia fanahy tahaka an’Andriamanitra aza izy, dia tsy nieritreritra mihitsy ny handrombaka [grika: harpagmôn] fahefana, izany hoe ny hitovy amin’Andriamanitra.”

Iza amin’ireo hevitra ireo no mifanaraka amin’ny teny manodidina? Asain’ny andininy faha-5 hanahaka an’i Jesosy ny Kristianina. Ampirisihina ve izy ireo hihevitra ny ‘fitoviana amin’Andriamanitra’ ho zony, fa tsy ho “zavatra nobaboiny”? Mazava ho azy fa tsia! Azon’izy ireo tahafina kosa i Jesosy, izay “tsy nieritreritra mihitsy ny handrombaka fahefana, izany hoe ny hitovy amin’Andriamanitra.” (TV ) (Ampitahao amin’ny Genesisy 3:5.) Mifanaraka amin’izao tenin’i Jesosy Kristy izao koa izany: “Ny Ray dia lehibe noho Izaho.”—Jaona 14:28.

Hoy Ny Fanazavana ny Testamenta Grika: “Tsy misy mihitsy andininy mampiasa ny [harpazô] na ny teny avy amin’izy io [toy ny hoe harpagmôn], amin’ny heviny hoe ‘manana’, na ‘mihazona.’ Toa midika foana izy io hoe ‘mandrombaka’, ‘maka an-keriny.’ Tsy azo atao àry ny manova ilay tena heviny hoe ‘mandrombaka’, mba ho lasa hoe ‘mifikitra’, izay heviny hafa tanteraka.”—(anglisy, Grand Rapids, Mich.; 1967), natontan’i Robertson Nicoll, Boky Faha-III, p. 436, 437.

Kolosianina 2:9:

Hoy ny Prot.: “Ao amin’ny tenany [Kristy] no itoeran’ny fahafenoan’ny fomban’Andriamanitra [grika: teôtetôs] rehetra.” (Mitovitovy amin’izany koa ny Kat., DIEM, JM.) Hoy koa ny TV: “Ao aminy no itoeran’ny fahafenoan’ny toetran’Andriamanitra.” (Ampitahao amin’ny 2 Petera 1:4, JM.)

Tsy mitovy ny fanazavan’ny olona ny Kolosianina 2:9. Inona anefa no mifanaraka amin’ny bokin’ny Kolosianina manontolo? Efa ao amin’i Kristy ve ilay ‘fahafenoana’, satria anisan’ny Andriamanitra telo izay iray izy? Ny tenany ihany ve no nahatonga ilay ‘fahafenoana’ hitoetra ao aminy? Tsia! Milaza ny Kolosianina 1:19 (Prot., Kat.) fa “sitraky ny Ray ho ao aminy” izany.

Jereo ny teny manodidina ny Kolosianina 2:9: Ampitandreman’ny andininy faha-8 isika mba tsy ho voafitaky ny mpampianatra filozofia sy fampianarana voatolotry ny razana. Voalaza koa fa ao amin’i Kristy no “iafenan’ny rakitry ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra.” Koa tokony ‘handeha ao aminy’ isika ary ‘hamaka tsara sy hiorina mafy ao aminy ary ho tafatoetra amin’ny finoana.’ (Andininy faha-3, 6, 7) Ao aminy àry no itoeran’ny ‘fahafenoana’ sarobidy, fa tsy ao amin’ireo olona namorona na nampianatra filozofia. Tian’ny apostoly Paoly holazaina ve fa lasa Andriamanitra i Kristy satria ao aminy ilay ‘fahafenoana’? Tsia, satria milaza ny Kolosianina 3:1 fa “mipetraka eo an-tànana ankavanan’Andriamanitra” izy.—Jereo ny Kat., DIEM.

Hazavain’ny Rakibolana Grika-Anglisy nataon’i Liddell sy Scott, fa midika hoe “ny maha Andriamanitra, toetran’Andriamanitra” ilay teny hoe teôtes (anarana niavian’ny hoe teôtetôs). (Oxford, 1968, p. 792) Na manana izany toetra izany aza anefa i Jesosy, dia tsy midika akory izany fa mitovy amin’ny Ray ny Zanaka sady mandrakizay toa Azy koa. Ohatra: Samy manana toetra “maha olona” ny olona isika rehetra, nefa tsy midika izany hoe mitovy isika rehetra sady mitovy taona daholo.

Titosy 2:13:

Hoy ny Prot.: “Miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy.” (Mitovitovy amin’izany koa ny Kat., DIEM.) Hoy anefa ny TV: “Eo am-piandrasana an’ilay zavatra mahafaly antenaintsika sy ny fisehoana be voninahitr’ilay Andriamanitra lehibe sy Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika.” (Mitovitovy amin’izany koa ny JM.)

Iza amin’ireo no mifanaraka amin’ny Titosy 1:4, izay ahitana hoe “Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika”? Marina fa lazain’ny Baiboly hoe Mpamonjy koa Andriamanitra, saingy avahan’io andininy io tsara izy sy Kristy Jesosy, izay ampiasainy mba hamonjena antsika.

Misy milaza fa manaporofo ny maha Andriamanitra sady Mpamonjy an’i Kristy ny Titosy 2:13. Toa manome heviny toy izany ny fomba nandikan’ny Prot., Kat., DIEM an’io andininy io, na dia tsy toy izany aza ny fomba nandikany ny 2 Tesalonianina 1:12, izay tokony hitovy firafitra amin’ny Titosy 2:13. Hoy i Henry Alford ao amin’ny Testamenta Grika: “Amiko dia [ny dikan-teny manavaka tsara an’Andriamanitra amin’i Kristy, ao amin’ny Titosy 2:13] no mifanaraka tsara amin’ny fitsipi-pitenenana: Mitombina kokoa izany raha jerena ny firafitry ny fehezanteny sy ny teny manodidina, ary mifanaraka kokoa amin’ny fomba fanoratr’ilay Apostoly.”—(anglisy, Boston, 1877), Boky Faha-III, p. 421.

Hebreo 1:8:

Hoy ny Prot.: “Ny Zanaka kosa dia nilazany hoe: ‘Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria.’ ” (Mitovitovy amin’izany koa ny Kat., DIEM, JM.) Hoy anefa ny TV: “Fa hoy kosa izy ny amin’ny Zanaka: ‘Andriamanitra no seza fiandriananao mandrakizay mandrakizay.’ ”

Iza amin’ireo dikan-teny ireo no mifanaraka amin’ny teny manodidina? Asehon’ireo andininy eo aloha fa Andriamanitra no miteny, fa tsy izy no iresahana. Hita eo amin’ny andininy faha-9 koa ny hoe “Andriamanitra, dia Andriamanitrao”, ka midika izany fa tsy ilay Andriamanitra Avo Indrindra no iresahana eo, fa ny mpivavaka aminy. Averin’ny Hebreo 1:8 ny Salamo 45:6, izay teny nolazaina tamin’ny mpanjaka iray teo amin’ny Israely. Azo antoka fa tsy noheverin’ilay mpanao salamo hoe Andriamanitra Mahery Indrindra io mpanjaka olombelona io. Toy izao kosa no ilazan’ny dikan-teny hafa an’io salamo io: “Ny sezafiandriananao dia tahaka ny an’Andriamanitra.” (45:7, DIEM) I Solomona angamba ilay mpanjaka noresahina ao amin’ny Salamo 45, ary voalaza fa nipetraka “tamin’ny seza fiandrianan’i Jehovah” izy. (1 Tan. 29:23) Azo lazaina koa fa Andriamanitra no ‘seza fiandrianan’i Kristy’ satria avy aminy ny fanjakan’i Kristy sady manohana azy io Izy. Izany no antony ilazan’ny Daniela 7:13, 14 sy Lioka 1:32 fa Andriamanitra no manome azy izany fahefana izany.

Averin’ny Hebreo 1:8, 9 ny Salamo 45:6, 7, izay nohazavain’i B. Westcott, manam-pahaizana momba ny Baiboly, toy izao: “Asehon’ny LXX. fa azo adika amin’ny fomba roa ireo andininy ireo: Mety ho samy firesahana amin’Andriamanitra ireo teny hoe [ho teôs] (Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, ... koa Andriamanitrao, Andriamanitra ô...). Na koa mety ho filazana momba azy ny [ho teôs] voalohany (Andriamanitra no seza fiandriananao na ny seza fiandriananao dia Andriamanitra...), ary fanamafisana ny teny hoe [hô teôs so] ny [ho teôs] faharoa (Koa Andriamanitra, izay Andriamanitrao, dia...). ... Tsy ho ilay mpanjaka mihitsy no nantsoina hoe [’Elôhim]. Koa tsy azo inoana ny hoe firesahana amin’Andriamanitra ilay hoe [hô teôs] ao amin’ny LXX. Tsara àry raha adika toy izao ilay tapany voalohany: Andriamanitra no seza fiandriananao (na Ny seza fiandriananao dia Andriamanitra), izany hoe ‘Andriamanitra, ilay Vatolampy mafy orina, no iorenan’ny fanjakanao.’ ”—Ny Epistily ho An’ny Hebreo (anglisy, Londres, 1889), p. 25, 26.

1 Jaona 5:7, 8:

Hoy ny Kat.: “Misy telo no manambara [any an-danitra, dia ny Ray sy ny Teny sy ny Fanahy Masina; ary izy telo ireo dia mifanaraka. Misy telo koa no manambara ety an-tany], dia ny fanahy sy ny rano sy ny ra; ary mifanaraka tsara izy telo ireo.” (Mitovitovy amin’izany koa ny JM.) Tsy hita ao amin’ny TV anefa ny hoe “any an-danitra, dia ny Ray sy ny Teny sy ny Fanahy Masina; ary izy telo ireo dia mifanaraka. Misy telo koa no manambara ety an-tany.” (Tsy hita ao amin’ny Prot. sy DIEM koa izany.)

Hoy ny fanamarihana ambany pejy eo amin’ny andininy faha-7 ao amin’ny Kat.: “Ny teny anatin’ny [] dia tsy hita amin’ny teny greka sady tsy fantatry ny Ray masina, ka tokony ho teny tafasisika.”

Hoy i F. Scrivener, mpanao tsikera, ao amin’ny boky fitsikerana ny Testamenta Vaovao: “Tsy tokony hisalasala isika hilaza fa ekentsika hoe tsy nosoratan’ny Md. Joany ireo teny iadian-kevitra ireo: Fanazavana an-tsisim-pejy ... momba ny and. 8 izy ireo no natsofoka tao amin’ny Baiboly latinina tany Afrika, ary avy eo indray natsofoka tao amin’ny kôdeksa grika roa na telo, ka tafiditra tao amin’ny soratra grika vita pirinty, na dia tsy tokony ho ao mihitsy aza.”—(Cambridge, 1883, fan. faha-3), p. 654.

Andinin-teny hafa ampiasain’ireo mino fa telo izay iray Andriamanitra

Mariho fa ny Zanaka ihany no resahin’ilay voalohany, ary ny faharoa kosa miresaka momba ny Ray sy ny Zanaka. Samy tsy ahitana hoe Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina anefa izy ireo, sady tsy milaza hoe telo izay iray Andriamanitra.

Jaona 2:19-22:

Te hilaza ve i Jesosy eo fa izy ihany no hanangana ny tenany amin’ny maty? Izy ihany ve no Andriamanitra, satria hoy ny Asan’ny Apostoly 2:32: “Izany Jesosy izany dia efa natsangan’Andriamanitra”? Tsia! Milaza kosa ny Galatianina 1:1 hoe ny Ray, fa tsy ny Zanaka, no nanangana an’i Jesosy tamin’ny maty. Nilaza tamin’ny vehivavy iray toy izao, ohatra, i Jesosy ao amin’ny Lioka 8:48: “Ny finoanao no nahasitrana anao.” Midika ve izany fa ilay vehivavy ihany no nanasitrana ny tenany? Tsia! Ny herin’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Kristy no nahasitrana azy, satria nanam-pinoana izy. (Lioka 8:46; Asa. 10:38) Nankatò tanteraka koa i Jesosy teto an-tany. Natsangan’ny Ray tamin’ny maty àry izy, ka porofo izany fa Zanak’Andriamanitra i Jesosy. Tsy nivadika mihitsy izy, ka azo lazaina fa izy no nahatonga ny tenany hatsangana tamin’ny maty.

Hoy i A. Robertson ao amin’ny boky hoe Ireo Sarin-teny ao Amin’ny Testamenta Vaovao: “Tadidio ny tenin’i Jesosy ao amin’ny [Jaona] 2:19 hoe: ‘Hatsangako izy ity ao anatin’ny telo andro.’ Tsy te hilaza akory izy hoe izy ihany dia mahavita manangana ny tenany, fa mila ny Ray izy. (Rom. 8:11).”—(anglisy, New York, 1932), Boky Faha-5, p. 183.

Jaona 10:30:

Rehefa niteny i Jesosy hoe “Izaho sy ny Ray dia iray ihany”, te hilaza ve izy fa mitovy izy mianaka? Misy milaza an’izany. Nangataka ho an’ny mpanara-dia azy anefa i Jesosy ao amin’ny Jaona 17:21, 22 “mba ho iray ihany izy rehetra” sy “mba ho iray izy, tahaka ny mahiray Antsika.” Teny grika mitovy hoe hen no nadika hoe “iray” ao amin’ireo andininy rehetra ireo. Tsy lasa anisan’ny Andriamanitra telo izay iray anefa ny mpianatr’i Jesosy. Lasa iray zava-kendrena amin’ny Ray sy ny Zanaka kosa izy ireo, toy ny maha iray zava-kendrena an’Andriamanitra sy Kristy.

Hanao ahoana ireo mifikitra amin’ny finoana hoe telo izay iray Andriamanitra?

Mazava àry fa tsy ao amin’ny Baiboly ny foto-pinoana momba ny Andriamanitra telo izay iray, sady tsy mifanaraka amin’ny fampianaran’ny Baiboly. (Jereo ireo pejy eo aloha.) Lasa diso tanteraka ny hevitry ny olona momba an’ilay tena Andriamanitra, noho io foto-pinoana io. Hoy anefa i Jesosy Kristy: “Avy ny andro, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy ny fahamarinana.” (Jaona 4:23, 24, Prot.) Nilaza àry i Jesosy fa tsy “tena mpivavaka” ireo tsy mivavaka ‘amin’ny fahamarinana’, izany hoe tsy manaraka ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Hoy koa izy tamin’ny mpitondra fivavahana tamin’ny androny: “Foananareo ny tenin’Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo. Ry mpihatsaravelatsihy, marina ny naminanian’Isaia anareo hoe: ‘Ity firenena ity manaja Ahy amin’ny molony; fa ny fony kosa lavitra Ahy. Koa foana ny ivavahan’ireo amiko, raha mampianatra ny didin’olombelona ho fampianarana izy.’ ” (Mat. 15:6-9, Prot.) Marina koa izany ny amin’ireo olona ao amin’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina ankehitriny, izay mampianatra lovantsofina fa tsy ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly.

Lazain’ny Fanekem-pinoan’i Athanase (amin’ny teny anglisy) fa “tsy takatry ny saina” ny hoe telo izay iray Andriamanitra. Milaza koa ireo mampianatra azy io fa “mistery” izy io. Tsy Andriamanitra toy izany mihitsy anefa ilay tian’i Jesosy holazaina tamin’ny hoe: “Izahay kosa mivavaka amin’izay fantatray.” (Jaona 4:22, Prot.) Fantatrao tsara àry ve ilay Andriamanitra ivavahanao?

Tokony hisaintsaina àry isika tsirairay hoe: Tena tia ny fahamarinana ve aho? Tena iriko ve ny hahazo sitraka amin’Andriamanitra? Tsy ny rehetra no tena tia ny fahamarinana. Tsy tena tia an’Andriamanitra sy ny fahamarinana mantsy ny olona maro, fa aleony mahazo sitraka amin’ny havany aman-tsakaizany. (2 Tes. 2:9-12; Jaona 5:39-44) Hoy anefa i Jesosy rehefa nivavaka tamin’ny Rainy: “Koa mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany tena Andriamanitra, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.” (Jaona 17:3, TV ) Marina tokoa ny voalazan’ny Salamo 144:15 hoe: “Sambatra ny olona manana an’i Jehovah ho Andriamaniny!”—TV.

Rehefa misy milaza hoe:

‘Mino Andriamanitra telo izay iray ve ianareo?’

Azonao valiana hoe: ‘Maro ny olona mino an’izany. Fantatrao anefa ve fa tsy nampianatra an’izany i Jesosy sy ny mpianany? Ilay nasain’i Jesosy hivavahana àry no ivavahanay.’ Azonao ampiana hoe: 1) ‘Izao no nolazain’i Jesosy fa didy lehibe indrindra... (Mar. 12:28-30).’ 2) ‘Tsy nilaza mihitsy i Jesosy hoe nitovy tamin’Andriamanitra izy. Hoy kosa izy... (Jaona 14:28).’ 3) ‘Ahoana àry no niandohan’ilay foto-pinoana momba ny Andriamanitra telo izay iray? Jereo izay nolazain’ny rakipahalalana malaza momba izany. (Jereo ny  pejy 43, 44.)’

Na hoe: ‘Tsia, tsy mino an’izany izahay. Hitanay mantsy fa tsy mifanaraka amin’ny andininy ao amin’ny Baiboly izany, toy ny ao amin’ny... (Mat. 24:36) Mba azonao hazavaina amiko ve io andininy io?’ Azonao ampiana hoe: 1) ‘Raha mitovy amin’ny Ray ny Zanaka, nahoana ny Ray no mahalala zavatra tsy fantatry ny Zanaka?’ Raha mamaly ilay olona hoe satria mbola olombelona i Jesosy tamin’izay, dia anontanio izy hoe: 2) ‘Nahoana koa anefa no tsy mahalala izany ny fanahy masina?’ (Raha hita fa tena te hahafantatra ny marina ilay olona, dia asehoy azy izay lazain’ny Baiboly momba an’Andriamanitra. [Sal. 83:18; Jaona 4:23, 24])

Na hoe: ‘Mino an’i Jesosy Kristy izahay, fa tsy mino Andriamanitra telo izay iray. Izay ninoan’ny apostoly Petera momba an’i Kristy mantsy no inoanay. Hoy izy... (Mat. 16:15-17).’

Na hoe: ‘Tsy mitovy ny hevitry ny olona momba ny hoe Andriamanitra telo izay iray. Alohan’ny hamaliako ny fanontanianao anefa, azonao lazaina ve ny hevitrao?’ Azonao ampiana hoe: ‘Azoko ny tianao holazaina. Izay ampianarin’ny Baiboly ihany anefa no inoanay. Efa hitanao tao amin’ny Baiboly ve ny teny hoe “Andriamanitra telo izay iray”?... (Asehoy ny fanondroana teny ao amin’ny Baibolinao.) Ary efa hitanao tao ve ny hoe “Kristy”?... Hita ao tokoa ny hoe “Kristy”, ary mino azy izahay. Raha jerentsika ny hoe “Kristy” eto amin’ity fanondroana teny ity, dia misy hoe Matio 16:16. (Vakio.) Izany no inoanay.’

Na hoe (raha manonona ny Jaona 1:1 ilay olona): ‘Fantatro io andininy io.’ 1) ‘Araka ny hevitrao, nahoana izy io no milaza hoe “tao amin’Andriamanitra” i Jesosy?’ 2) ‘Ary ahoana no anazavanao ny Jaona 1:18?’ 3) ‘Efa fantatrao ve fa na i Jesosy aza nivavaka tamin’Andriamanitra? (Jaona 20:17)’

‘Mino ve ianareo fa Andriamanitra i Kristy?’

Azonao valiana hoe: ‘Ie, mino an’izany izahay. Mety tsy hitovy anefa ny hevitsika momba izany.’ Azonao ampiana hoe: 1) ‘Lazain’ny Isaia 9:6 (9:5, Prot.) mantsy hoe “Andriamanitra Mahery” i Jesosy Kristy, kanefa ny Rainy ihany no resahin’ny Baiboly hoe Andriamanitra Mahery Indrindra.’ 2) ‘Mariho koa fa nilaza i Jesosy ao amin’ny Jaona 17:3 hoe ny Rainy no “hany tena Andriamanitra.” Tsy i Jesosy àry ilay tena Andriamanitra, fa naneho taratry ny toetrany fotsiny izy.’ 3) ‘Inona kosa no tokony hataontsika raha tiantsika ny hahazo sitraka amin’Andriamanitra? (Jaona 4:23, 24)’