Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ateraka Indray

Ateraka Indray

Famaritana: Ateraka indray ny olona iray rehefa atao batisa ao anaty rano (“ateraky ny rano”) sy mahazo ny fanahin’Andriamanitra (‘ateraky ny fanahy’), ka lasa zanak’Andriamanitra ary manantena ny hitondra ao amin’ny Fanjakany. (Jaona 3:3-5) I Jesosy sy ireo 144 000 hiara-manjaka aminy any an-danitra no nateraka indray.

Nahoana no misy Kristianina tsy maintsy “ateraka indray”?

Fikasan’Andriamanitra ny hisian’ny olona hiara-manjaka amin’i Jesosy Kristy any an-danitra. Efa noferany ny isan’izy ireo

Lioka 12:32: “Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.”

Apok. 14:1-3: “Hitako ny Zanak’ondry [Jesosy Kristy] nitsangana teo amin’ny Tendrombohitra Ziona, ary nisy efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy niaraka taminy, ... izay novidina avy teto an-tany.” (Jereo ny pejy 331, 332, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Lanitra.”)

Tsy afaka miakatra any an-danitra ny nofo aman-dra

1 Kor. 15:50: “Izao anefa no lazaiko, ry rahalahy: Tsy afaka mandova ny fanjakan’Andriamanitra ny nofo aman-dra, ary izay mety lo tsy mandova ny tsy mety lo.”

Jaona 3:6: “Izay nateraky ny nofo dia nofo, ary izay nateraky ny fanahy dia fanahy.”

Ireo ‘nateraka indray’ ihany no lasa zanak’Andriamanitra, ka ho mpanjaka any an-danitra

Jaona 1:12, 13: “Izay rehetra tena nandray azy [Jesosy Kristy] dia nomeny fahafahana ho tonga zanak’Andriamanitra, satria nino ny anarany. Ary nateraka izy ireo, nefa tsy nateraky ny ra na ny sitrapon’ny nofo na koa ny sitrapon’ny olona, fa naterak’Andriamanitra.” (Tsy ny olona rehetra mino an’i Kristy akory no tiana holazaina amin’ilay hoe “izay rehetra tena nandray azy.” Ny Jiosy kosa no voaresaka eto, araka ny andininy faha-11 [‘ny olona tany amin’ny taniny’]. Misy olon-kafa koa ateraka indray. “Ondry vitsy” ihany anefa izy ireny.)

Rom. 8:16, 17: “Ny fanahin’Andriamanitra sy ny saintsika dia miara-manaporofo fa zanak’Andriamanitra isika. Raha zanaka àry isika, dia mpandova koa: Eny tokoa, mpandova an’Andriamanitra, fa mpiara-mandova amin’i Kristy kosa, raha miara-mijaly aminy isika mba homem-boninahitra miaraka aminy koa.”

1 Pet. 1:3, 4: “Hisaorana anie Andriamanitra Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, satria araka ny haben’ny famindram-pony, dia naterany indray ho amin’ny fanantenana velona isika, tamin’ny nananganana an’i Jesosy Kristy tamin’ny maty, eny, naterany indray ho amin’ny lova tsy mety simba sy tsy misy loto ary maharitra, izay voatahiry any an-danitra ho anareo.”

Inona no hataon’izy ireo any an-danitra?

Apok. 20:6: “Ho mpisoron’Andriamanitra sy Kristy ireo, ka hiara-manjaka aminy mandritra ny arivo taona.”

1 Kor. 6:2: “Sa tsy fantatrareo fa hitsara an’izao tontolo izao ny olona masina?”

Ho voavonjy koa ve ny olona tsy ‘nateraka indray’?

Apok. 7:9, 10, 17: “Taorian’izany [taorian’ny nandrenesan’ny apostoly Jaona ny isan’ireo “ateraka indray”, izany hoe ny Israely ara-panahy hiaraka amin’i Kristy any an-danitra; ampitahao amin’ny Romanina 2:28, 29 sy ny Galatianina 3:26-29], dia nahita aho, ary nisy vahoaka be tsy tambo isaina, avy tamin’ny firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra, nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry, nanao akanjo fotsy lava, ary nisy sampana palmie teny an-tanany. Niantsoantso mafy tsy an-kijanona izy ireo, nanao hoe: ‘Ny famonjena dia azontsika avy amin’Andriamanitsika, izay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana, sy avy amin’ny Zanak’ondry.’ ... ‘Ny Zanak’ondry [Jesosy Kristy], izay eo akaikin’ny seza fiandrianana, dia hiandry azy ireo toy ny ataon’ny mpiandry ondry, ka hitarika azy ho any amin’ny loharanon’ny ranon’aina.’ ”

Rehefa avy notanisaina ny anaran’ireo olona nanam-pinoana talohan’ny andron’i Jesosy, dia hoy ny Heb. 11:39, 40: “Tsy nahita ny fahatanterahan’ny fampanantenana anefa izy rehetra ireo, na dia nahazo porofo aza fa nankasitrahana satria nanam-pinoana. Fa Andriamanitra efa nanomana zavatra tsara kokoa ho antsika, mba tsy hatao lavorary izy ireo raha tsy eo isika.” (Iza ilay “isika” eto? Ireo “nahazo fiantsoana ho any an-danitra”, araka ny Hebreo 3:1. Tsy anisan’ireo nahazo fiantsoana ho any an-danitra àry ny olona nanam-pinoana talohan’ny andron’i Jesosy, fa hafa ny fanantenany.)

Sal. 37:29: “Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.”

Apok. 21:3, 4: “Eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra, ary izy hiara-mitoetra amin’izy ireo, ary ireo ho olony, ka Andriamanitra mihitsy no ho eo aminy. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.”

Mety hahazo ny fanahin’Andriamanitra koa ve ny olona tsy ‘nateraka indray’?

Hoy ny anjelin’i Jehovah momba an’i Jaona Mpanao Batisa: “Ho feno fanahy masina hatrany an-kibon-dreniny izy.” (Lioka 1:15) Hoy anefa i Jesosy tatỳ aoriana: “Amin’izay natera-behivavy, dia mbola tsy nisy lehibe noho i Jaona Mpanao Batisa. Izay kely indrindra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra anefa dia lehibe noho izy [Nahoana? Satria tsy ho any an-danitra i Jaona, ka tsy mila ny ‘hateraka indray’]. Hatramin’ny andron’i Jaona Mpanao Batisa ka hatramin’izao [ny fotoana nilazan’i Jesosy an’ireo teny ireo], dia ny fanjakan’ny lanitra no tanjona isesehan’ny olona.”—Mat. 11:11, 12.

“Niasa” tamin’i Davida koa ny fanahin’i Jehovah, ary ‘niteny tamin’ny alalany.’ (1 Sam. 16:13; 2 Sam. 23:2) Tsy milaza mihitsy anefa ny Baiboly hoe ‘nateraka indray’ izy. Nahoana? Satria “tsy niakatra tany an-danitra i Davida”, hoy ny Asan’ny Apostoly 2:34.

Ahoana no amantarana an’ireo manana ny fanahin’Andriamanitra ankehitriny?

Jereo ny pejy 160, 161, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Fanahy.”

Raha misy milaza hoe:

‘Nateraka indray aho’

Azonao valiana hoe: ‘Manantena ny hiaraka amin’i Kristy any an-danitra izany ianao?... Efa noeritreretinao ve hoe inona no hataon’ny olona rehefa tonga any an-danitra?’ Azonao ampiana hoe: 1) ‘Ho mpanjaka sy mpisorona miaraka amin’i Kristy izy ireo. (Apok. 20:6; 5:9, 10) Nantsoin’i Jesosy hoe “ondry vitsy” anefa izy ireo. (Lioka 12:32)’ 2) ‘Raha ho mpanjaka izy ireo, dia tsy maintsy hisy vahoaka hanjakany. Iza àry izany vahoaka izany?... Ireto misy hevitra tena nahaliana ahy rehefa noresahina tamiko. (Sal. 37:11, 29; Ohab. 2:21, 22)’

‘Efa nateraka indray ve ianao?’

Azonao valiana hoe: ‘Tsy mitovy ny fahazoan’ny olona ny hoe ‘nateraka indray.’ Koa inona, tompoko, no tianao holazaina amin’izany?’

Na hoe: ‘Tianao ho fantatra ve raha nanaiky an’i Jesosy ho Mpamonjy aho, ary nahazo ny fanahy masina?... Izay mihitsy matoa aho tonga hiresaka aminao momba an’i Jesosy.’ Azonao ampiana hoe: 1) ‘Voamariko anefa fa maro amin’ireo Kristianina milaza azy ho manana ny fanahy masina, no tsy manana ny vokatr’io fanahy io. (Gal. 5:22, 23)’ 2) ‘Ho tianao ve ny hiaina eto an-tany raha hoatran’ireo voalaza ireo daholo ny toetran’ny olona? (Sal. 37:10, 11)’

Na hoe: ‘Raha te hanontany ianao hoe “Efa nanaiky an’i Kristy ho Mpamonjy ve aho?”, dia Eny ny valiny. Efa nanaiky azy daholo ny Vavolombelon’i Jehovah. Aminay anefa, dia tsy izany fotsiny no atao hoe ateraka indray.’ Azonao ampiana hoe: 1) ‘Nilaza i Jesosy fa tsy maintsy ateraka indray ny olona iray, vao afaka hiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, izany hoe ho mpanjaka any an-danitra. (Jaona 3:5)’ 2) ‘Milaza koa ny Baiboly fa ho vahoakan’io Fanjakana io ny olona maro manao ny sitrapon’Andriamanitra, ary ho sambatra izy ireo eto an-tany. (Mat. 6:10; Sal. 37:29)’

Afaka mamaly toy izao ny voahosotra: ‘Eny. Mampitandrina antsika anefa ny Baiboly mba tsy hatoky tena loatra. Mila mandini-tena foana isika hoe tena manao izay takin’Andriamanitra sy Kristy amintsika tokoa ve isika? (1 Kor. 10:12)’ Azonao ampiana hoe: ‘Inona no nasain’i Jesosy hataon’ireo tena mpianany? (Mat. 28:19, 20; 1 Kor. 9:16)’