Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Babylona Lehibe

Babylona Lehibe

Famaritana: Ny fivavahan-diso eran-tany, izay mampianatra na manao zavatra mifanohitra amin’ny fivavahana marina amin’i Jehovah, ilay hany tena Andriamanitra. Niandoha tao Babela (na Babylona) ny fivavahan-diso, taorian’ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa. (Gen. 10:8-10; 11:4-9) Niely tany amin’ny firenena maro izany avy eo. Mety tsara àry ny iantsoana ny fivavahan-diso rehetra hoe Babylona Lehibe.

Inona ilay Babylona Lehibe resahin’ny Apokalypsy?

Tsy ilay tanànan’i Babylona fahiny izy io. Nosoratana tany amin’ny faramparan’ny taonjato voalohany mantsy ny Apokalypsy, ary mipaka hatratỳ amin’ny androntsika izay voalaza ao. Hoy Ny Rakipahalalana Amerikanina: “Resin’ny Persianina notarihin’i Kyrosy Lehibe ilay tanàna [Babylona] tamin’ny 539 T.K. Saika nataon’i Aleksandra Lehibe renivohitry ny fanjakany tany atsinanana izy io, tatỳ aoriana, saingy maty izy, ka nihalefy ny lazan’i Babylona.” (1956, Boky Faha-III, p. 7) Tanàna aolo izy io ankehitriny.

Oharin’ny Apokalypsy amin’ny ‘tanàna lehibe mifehy an’ireo mpanjaka’ i Babylona Lehibe. (Apok. 17:18) Misy fikambanana maro ao anatiny, toy ny hita ao amin’ny tanàna iray. Maneran-tany koa ny fahefany, satria mifehy an’ireo mpanjakan’ny tany izy. Voalaza fa mifandray amin’ny mpitondra izy, ary mampanan-karena an’ireo mpanao raharaham-barotra. “Tonga fonenan’ny demonia” koa izy sady mpanenjika ny “mpaminany sy ny olona masina.”—Apok. 18:2, 9-17, 24.

Nampiavaka an’i Babylona fahiny ny fivavahany, sy ny fikomiany tamin’i Jehovah

Gen. 10:8-10: “ ‘Mpihaza mahery nanohitra an’i Jehovah [i Nimroda].’ Ary ny niandohan’ny fanjakany dia i Babela [na Babylona].”

Dan. 5:22, 23: “Ary ianao, ry Belsazara [mpanjakan’i Babylona] ... nanandra-tena hanohitra ny Tompon’ny lanitra kosa ianao ... Nidera andriamanitra volafotsy sy volamena sy varahina sy vy sy hazo ary vato ianao. Tsy mahita na mandre na mahalala na inona na inona anefa ireny. Fa ilay Andriamanitra iankinan’ny ainao sy tompon’ny lalanao rehetra kosa tsy mba nomenao voninahitra.”

Hoy ny soratra tranainy iray: “Manana tempoly 53 ho an’ireo andriamanitra lehibe indrindra i Babylona, trano fivavahana 55 ho an’i Mardoka, 300 ho an’ireo andriamanitra etỳ an-tany ary 600 ho an’ireo any an-danitra, alitara 180 ho an’ny andriamanibavy Ishtar, 180 ho an’ireo andriamanitra Nergala sy Adada, ary 12 ho an’ireo andriamanitra samy hafa.”—Voaresaka ao amin’ny BaibolyBokin-tantara (anglisy, New York, 1964), W. Keller, p. 301.

Hoy koa Ny Rakipahalalana Amerikanina: “Nanana fahefana be ny mpisorona tany Somera [any Babylonia]. Ny lugal (ara-bakiteny hoe ‘olona ambony’), izay solontenan’ireo andriamanitra, no mpitondra.”—(1977), Boky Faha-3, p. 9.

Fivavahana àry ilay Babylona Lehibe resahin’ny Apokalypsy. Tsy fivavahana iray monja anefa izy io, fa ny fivavahana rehetra manohitra an’i Jehovah, matoa oharina amin’ny tanàna sy fanjakana.

Hita ao amin’ireo fivavahana eran-tany ny finoana sy fombafomba tany Babylona fahiny

“Nisy heriny tany Ejipta sy Persa ary Gresy ny fivavahana babylonianina ... Miaiky ny ankamaroan’ny manam-pahaizana ankehitriny fa hita be ao amin’ireo angano grika fahiny sy fivavahana grika ny finoana sy fombafomba ... izay avy any Babylonia indrindra indrindra.”—Ny Fivavahan’i Babylonia sy Asyria (Boston, 1898), M. Jastrow, p. 699, 700.

Ny andriamaniny: Nino andriamanitra telo izay iray izy ireo, ary nataony andriamanitra ireo herin’ny natiora. Nino koa izy ireo fa misy andriamanitra manan-kery manokana eo amin’izay ataon’ny olona. (Fivavahana Babylonianina sy Asyrianina, anglisy, Norman, Okla.; 1963, S. Hooke, p. 14-40) ‘Nino andriamanitra telo izay iray ireo firenena fahiny, ary izany finoana izany ihany no namboamboarin’i Platon ho filozofia. Izany indray avy eo no lasa fampianaran’ny fiangonana kristianina. Efa hita tany amin’ireo fivavahana rehetra [mpanompo sampy] fahiny ny fomba fihevitr’io filozofa grika io [Platon] momba ny andriamanitra telo izay iray.’—Diksionera Iombonana Vaovao (frantsay, Paris, 1865-1870), natontan’i M. Lachâtre, Boky Faha-2, p. 1467.

Fampiasana sarivongana: “Zava-dehibe [teo amin’ny fivavahana tany Mezopotamia] ny sarivongana, na tany an-tempoly na tao an-trano. Porofon’izany ireo sarivongana hita hatraiza hatraiza. Noheverina fa tao amin’ny sarivongana iray ny andriamanitra iray, raha toa izy io ka ahitana an’izay rehetra mampiavaka an’ilay andriamanitra sady voakarakara tsara.”—Mezopotamia Fahiny: Firenena Iray Efa Nanjavona (anglisy, Chicago, 1964), A. Oppenheim, p. 184.

Finoana momba ny maty: “Tsy ninoan’ny vahoaka sy ny mpitondra fivavahana [tao Babylona] hoe lasa tsy misy intsony ny olona iray efa nisy teo. Fifindrana ho amin’ny fiainana hafa fotsiny mantsy amin’izy ireo ny fahafatesana.”—Ny Fivavahan’i Babylonia sy Asyria, p. 556.

Ny mpisorona: “Niavaka tsara ny mpisorona sy ny lahika tao amin’ny fivavahana [babylonianina].”—Ny Rakipahalalana Britannica (anglisy, 1948), Boky Faha-2, p. 861.

Fanandroana, sikidy, filalaovana ody, ary famosaviana: Hoy i A. Sayce, mpahay tantara: “Nino ny Babylonianina fahiny fa ... nanana fanahy na zi daholo ny zavatra sy ny herin’ny natiora. Afaka nifehy an’io fanahy io anefa ... ilay lehiben’ny mpisorona sady mpilalao ody, noho izy mahay mamoaka demonia.” (Ny Tantaran’ireo Firenena, anglisy, New York, 1928, Boky I, p. 96) “Efa lasa lavitra ny Kaldeanina [Babylonianina] teo amin’ny fandinihana ny kintana, noho izy ireo te hahalala ny hoavy. Io ilay antsointsika hoe ‘fanandroana.’ ”—Ny Fiandohan’ny Kolontsaina sy ny Fiainana Tany Atsinanana Fahiny (anglisy, Chicago, 1938), R. Engberg, p. 230.

Toy ny mpivaro-tena miaina ao anatin’ny renty i Babylona Lehibe

Hoy ny Apokalypsy 17:1-5: “ ‘Avia fa hasehoko anao ny fitsarana an’ilay mpivaro-tena lehibe izay mipetraka eo ambonin’ny rano maro [vahoaka]. Ireo mpanjakan’ny tany dia nijangajanga taminy, ary ny mponin’ny tany kosa natao mamon’ny divain’ny fijangajangany.’ ... Ary voasoratra teo amin’ny handriny izao anarana izao, izay zava-miafina: ‘Babylona Lehibe, renin’ny mpivaro-tena sy ny zava-maharikoriko amin’ny tany.’ ” Hoy koa ny Apokalypsy 18:7: ‘Nankalaza tena sy niaina tao anatin’ny renty izay efa tsy nahamenatra azy intsony’ izy.

Tsy marina ve fa fanaon’ireo fivavahana lehibe ny mila ranondranony amin’ny mpitondra, mba hahazoana fahefana sy harena, na dia mahatonga ny vahoaka hijaly aza izany? Tsy marina koa ve fa miaina ao anatin’ny renty ireo mpitondra fivavahana, nefa maro amin’ireo mpiangona no mihamahantra?

Nahoana no lazaina fa anisan’i Babylona Lehibe koa ny fivavahana milaza azy ho Kristianina, toy ireo tsy mahalala an’ilay Andriamanitry ny Baiboly ihany?

Jak. 4:4: “Ry mpanitsakitsa-bady, tsy fantatrareo ve fa fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa na iza na iza te ho naman’izao tontolo izao, dia mitsangan-ko fahavalon’Andriamanitra izy.” (Na dia mahalala an’ilay Andriamanitry ny Baiboly aza izy ireo, dia manao ny tenany ho fahavalon’Andriamanitra raha minamana amin’ity tontolo ity, ka manahaka ny fanaony.)

2 Kor. 4:4; 11:14, 15: “Ny andriamanitr’ity tontolo ity no manajamba ny sain’ny tsy mino, mba tsy hamirapiratra amin’izy ireo ny fahazavan’ny vaovao tsara be voninahitra, dia ilay vaovao tsara momba an’i Kristy, izay endrik’Andriamanitra.” “I Satana aza miseho foana ho toy ny anjelin’ny mazava. Koa tsy dia zavatra lehibe àry raha miseho foana ho toy ny mpanompon’ny fahamarinana koa ny mpanompony, nefa araka izay ataon’izy ireo ihany no hiafarany.” (I Satana Devoly, ilay fahavalon’i Jehovah lehibe indrindra, àry no mahazo voninahitra, rehefa tsy mivavaka amin’ilay tena Andriamanitra amin’ny fomba ankasitrahany ireo mihambo ho Kristianina. Jereo koa ny 1 Korintianina 10:20.)

Mat. 7:21-23: “Tsy izay rehetra milaza amiko [Jesosy Kristy] hoe: ‘Tompo ô, Tompo ô’, no hiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra. Maro no hilaza amiko amin’izany andro izany hoe: ‘Tompo ô, Tompo ô, moa ve izahay tsy efa naminany tamin’ny anaranao, sy efa namoaka demonia tamin’ny anaranao, ary efa nanao fahagagana maro tamin’ny anaranao?’ Hotsoriko aminy anefa amin’izay fotoana izay hoe: Tsy fantatro mihitsy ianareo! Mialà amiko, ianareo mpandika lalàna.”

Nahoana no ilaina maika ny mivoaka avy ao amin’i Babylona Lehibe?

Apok. 18:4: “Mivoaha avy ao aminy, ry oloko, raha tsy tianareo ny hiombona ota aminy, ary raha tsy tianareo hisy hanjo anareo ny loza hanjo azy.”

Apok. 18:21: “Nisy anjely mahery iray nanainga vato tahaka ny vato lehibe fikosoham-bary, ka nanipy mafy izany tany an-dranomasina, sady niteny hoe: ‘Hatsipy haingana toy izao i Babylona, ilay tanàna lehibe, ka tsy ho hita intsony.’ ”

Lioka 21:36: “Koa miambena hatrany, ary mitalahoa mandrakariva mba ho afa-mandositra izany zava-drehetra tsy maintsy ho tonga izany ianareo, ka ho afaka hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona.”

Hanao ahoana ireo olona tsy nahalala ny fahamarinana ara-baiboly, ka tao amin’i Babylona Lehibe foana mandra-pahafatiny?

Asa. 17:30: ‘Tsy nijery ny andron’ny tsy fahalalana toy izany Andriamanitra, fa ankehitriny kosa izy milaza fa tokony hibebaka ny olombelona rehetra, na aiza na aiza.’

Asa. 24:15: “Hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.” (Andriamanitra no hanapaka hoe iza amin’ireo “tsy marina” no hatsangany.)

Joba 34:12: “Eny tokoa, tsy mba manao ratsy Andriamanitra, ary tsy mba mamadika ny rariny ilay Mahery Indrindra.”