Daty
Famaritana: Fotoana itrangan’ny zavatra iray. Resahin’ny Baiboly ny fotoana niainan’ny olona sasany, ny fe-potoana nanjakan’ny mpanjaka sasany, na ny fotoana nisehoan’ny zavatra miavaka. Ny Baiboly irery no manampy antsika hamantatra hoe firy taona no lasa hatramin’ny namoronana an’i Adama. Resahiny mialoha koa ny fotoana hitrangan’ny fisehoan-javatra lehibe sasany, izay anisan’ny fahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra. Tamin’ny 1582 vao nampiasaina ny kalandrie gregorianina fampiasan’ny ankamaroan’ny olona eran-tany. Tsy mitovy hevitra ireo mpahay tantara momba ny datin’ny zava-nitranga fahiny. Eken’izy rehetra anefa fa tamin’ny 539 T.K. i Babylona no resy, ary tamin’ny 537 T.K. ny Jiosy babo no niverina tany an-tanindrazany. (Ezra 1:1-3) Azo atao daty iaingana àry ireo daty manan-tantara ireo, mba hamantarana ny datin’ny fisehoan-javatra fahiny resahin’ny Baiboly.
Voaporofon’ny siansa ve fa efa an-tapitrisany taona no nisian’ny olombelona, fa tsy an’arivony taona monja araka ny lazain’ny Baiboly?
Manombantombana fotsiny ireo mpahay siansa rehefa mamaritra daty, ka matetika no tsy mitovy ny daty lazain’izy ireo. Voatery ahitsy foana àry ny daty omeny.
Nilaza toy izao ny Mpahay Siansa Vaovao tamin’ny 18 Martsa 1982: ‘Hoy i Richard Leakey tamin’ireo olo-manan-kaja tonga nihaino ny fanazavany ny zoma hariva lasa teo: “Tsy mampino ahy ny zavatra nolazaiko herintaona lasa izay.” Nanazava mantsy izy tamin’izay tao amin’ny televiziona BBC fa 15-20 tapitrisa taona ny razamben’ny olona. Niaiky anefa izy fa “angamba nisy diso be” ny zavatra nolazainy, satria izao vao fantany fa vao haingana kokoa noho izany ny razamben’ny olona.’—P. 695.
Mahita fomba vaovao famaritana daty ny manam-pahaizana indraindray. Anisan’izany, ohatra, ny hoe hafanaina ny zavatra iray fahiny ary jerena ny taratra avoakany, mba hahafantarana hoe oviana izy io no efa nisy. Azo itokisana anefa ve izany? Hoy Ny Rakipahalalana Britannica Vaovao (1976, Macropædia, Boky Faha-5, p. 509): ‘Mbola tsy nahafahana namaritra daty marina izany hatramin’izao.’ Noresahin’ny gazety Siansa (anglisy, 28 Aogositra 1981, p. 1003) koa fa noheverina ho 70 000 taona ny taolam-paty iray, araka ny fomba iray famaritana daty. Vao 8 300 na 9 000 taona monja anefa ilay izy, rehefa nojerena tamin’ny alalan’ny taratra radiôaktifa.
Noresahin’ny gazety Siansa ho An’ny Vahoaka (anglisy, Novambra 1979, p. 81) ny tenin’i Robert Gentry, mpahay fizika, hoe: ‘Mety ho diso be ny daty rehetra nofaritana tamin’ny alalan’ny taratra radiôaktifa, satria mihoatra taona maro be amin’ny tena izy.’ Mety ho azo atao àry ny manatsoaka hevitra, hoy ilay gazety, fa “vao an’arivony taona monja no nisian’ny olombelona teto an-tany, fa tsy 3,6 tapitrisa [3 600 000] taona.”
Tsara homarihina anefa fa inoan’ny mpahay siansa hoe efa nisy ela be talohan’ny olombelona ny tany, ary tsy manohitra an’izany ny Baiboly.
Mitovy halava amin’ny taona ankehitriny ve ny taona talohan’ny Safodrano?
Raha lazaina fa mitovy halava amin’ny volana ankehitriny ny “taona” resahin’ny Baiboly, dia midika izany fa vao fito taona i Enosa dia niteraka, ary vao dimy taona i Kenana dia nanan-janaka. (Gen. 5:9, 12) Tsy mitombina mihitsy anefa izany.
Ahitana ny halavan’ny volana sy taona fahiny ny fitantarana momba ny Safodrano. Rehefa ampitahaina ny Genesisy 7:11, 24 sy 8:3, 4, dia hita fa 150 andro ny dimy volana (ny faha-17-n’ny volana faha-2 ka hatramin’ny faha-17-n’ny volana faha-7), izany hoe nisy 30 andro ny volana tsirairay. Voaresaka koa ny “volana fahafolo”, ary niampy andro maro izany vao tonga ny taona nanaraka. (Gen. 8:5, 6, 8, 10, 12-14) Nisy 12 volana na 360 andro àry ny herintaona tamin’izany kalandrie manaraka ny fihodinan’ny volana izany. Fohy kokoa noho ny taona manaraka ny fihodinan’ny tany amin’ny masoandro ny taona amin’izy io. Nahitsy tsindraindray izy io mba hitovy halava amin’ny taona manaraka ny fihodinan’ny tany amin’ny masoandro. Porofon’izany ny hoe tsy niovaova mihitsy ny fotoam-pijinjan’ny Israelita, ka tsy niovaova koa ny daty nanaovany fety isan-taona, toy ny fetin’ny fanangonam-bokatra. Tao anatin’ny vanim-potoana nety foana àry no nanaovany fety.—Lev. 23:39.
Tadidio fa noforonin’Andriamanitra hiaina mandrakizay ny olona, saingy nanota i Adama ka maty izy sy ny taranany. (Gen. 2:17; 3:17-19; Rom. 5:12) Ela velona kokoa ny olona talohan’ny Safodrano satria akaiky kokoa ny fahalavorariana izy ireo, raha oharina amintsika ankehitriny. Tsy nisy velona mihoatra ny arivo taona anefa izy ireo.
Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no milaza fa niorina tamin’ny 1914 ny Fanjakan’Andriamanitra?
Misy porofo roa: 1) Ny fotoana voalazan’ny Baiboly; 2) ireo zava-nitranga nanomboka tamin’ny 1914 izay “Andro Farany” mba hahitana ny fahatanterahan’ireo faminaniana.
mampiseho fa tanteraka ny faminaniana. Hodinihintsika eto ilay porofo voalohany. Jereo kosa ilay loha hevitra hoeVakio ny Daniela 4:1-17. Asehon’ny andininy faha-20-37 fa tanteraka tamin’i Nebokadnezara io faminaniana io. Mbola misy fahatanterahany hafa anefa izy io. Asehon’ny andininy faha-3 sy 17 mantsy fa misy ifandraisany amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ilay nofin’i Nebokadnezara Mpanjaka. Nampanantena koa Andriamanitra hoe “izay tiany homena azy no omeny” an’ilay Fanjakana, ary tsy iza izany fa “ilay ambany indrindra amin’ny olombelona.” Lazain’ny Baiboly fa tian’i Jehovah hanjaka eo amin’ny olombelona i Jesosy Kristy Zanany ka hisolo tena azy. (Sal. 2:1-8; Dan. 7:13, 14; 1 Kor. 15:23-25; Apok. 11:15; 12:10) Hita ao amin’ny Baiboly fa i Jesosy tokoa “ilay ambany indrindra amin’ny olombelona.” (Fil. 2:7, 8; Mat. 11:28-30) Manondro ny fotoana hanomezan’i Jehovah fahefana ny Zanany ho Mpanjaka àry ilay faminaniana.
Inona no hitranga mandra-pahatongan’izany? Hanana “fom-biby” ny fitondran’olombelona, izay oharina amin’ilay hazo sy ny fotony. (Dan. 4:16) Midika izany fa fanjakana manana toetram-bibidia no hitondra ny olombelona. Sary amantarana an’i Etazonia tokoa, ohatra, ny voromahery, amantarana an’i Grande-Bretagne ny liona, ary amantarana an’i Chine ny dragona. Ampitahain’ny Baiboly amin’ny bibidia koa ny fitondrana ara-politika rehetra eran-tany eo ambany fahefan’i Satana. (Dan. 7:2-8, 17, 23; 8:20-22; Apok. 13:1, 2) Rehefa naminany momba ny fifaranan’ity tontolo ity i Jesosy, dia nilaza fa “hohitsahin’ny hafa firenena i Jerosalema mandra-pahatapitry ny fe-potoana voatondro ho an’ny hafa firenena.” (Lioka 21:24) Ny Fanjakan’Andriamanitra ilay atao hoe “Jerosalema”, satria nipetraka teo amin’ny “seza fiandrianan’ny fanjakan’i Jehovah” ireo mpanjaka tao. (1 Tan. 28:4, 5; Mat. 5:34, 35) ‘Nohitsakitsahin’ny’ fanjakan’ny hafa firenena àry ny zon’ny Fanjakan’Andriamanitra hitondra ny olombelona, ka izy ireo indray no nitondra. Eo ambany fahefan’i Satana anefa izy ireo.—Ampitahao amin’ny Lioka 4:5, 6.
Havela hitondra hafiriana ny fanjakan’olombelona, vao homen’i Jehovah an’i Jesosy Kristy ilay Fanjakana? Milaza Daniela 4:16 hoe mandritra ny “fe-potoana fito” (“fito taona” hoy ny Daniela 4:13, DIEM). Isaina ho taona iray ny andro iray ara-paminaniana, ao amin’ny Baiboly. (Ezek. 4:6; Nom. 14:34) Lazain’ny Apokalypsy 11:2, 3 koa fa 1 260 andro ny 42 volana na 3 1⁄2 taona. Ampitomboina roa ny 3 1⁄2 taona dia manome 7 taona na 2 520 andro. Raha isaina ho ‘taona iray ny andro iray’, dia lasa 2 520 taona izany.
nyOviana no nanomboka ny “fe-potoana fito”? Taorian’ny nanesoran’ny Babylonianina an’i Zedekia tsy ho mpanjaka tao Jerosalema. Izy mantsy no mpanjaka farany nisolo tena ny Fanjakan’Andriamanitra. (Ezek. 21:25-27) Rava tanteraka ny fanjakana jiosy tamin’ny voalohandohan’ny Oktobra 607 T.K. Nisy namono mantsy i Gedalia, governora jiosy notendren’ny Babylonianina, ka nandositra nankany Ejipta ny Jiosy sisa tavela tao Jerosalema. (Jeremia, toko 40-43) Asehon’ny Baiboly fa nitranga izany 70 taona talohan’ny 537 T.K., taona niverenan’ny Jiosy tany an-tanindrazany. Tamin’ny voalohandohan’ny Oktobra 607 T.K. àry izany no nitranga.—Jer. 29:10; Dan. 9:2.
Ahoana no ahazoana ny taona 1914? Manisa 2 520 taona isika miainga avy eo amin’ny voalohandohan’ny Oktobra 607 T.K., dia tonga amin’ny voalohandohan’ny Oktobra 1914, araka ny hita eo amin’ny tabilao.
NY “FE-POTOANA FITO”
“Fe-potoana fito” = 7 X 360 = 2 520 taona
“Fe-potoana” iray, na taona iray = 12 X 30 andro = 360. (Apok. 11:2, 3; 12:6, 14)
Ny iray andro mira iray taona. (Ezek. 4:6; Nom. 14:34)
Voalohandohan’ny Oktobra 607 T.K.–31 Desambra 607 T.K. = 3 volana
1 Janoary 606 T.K.–31 Desambra taona 1 T.K. = 606 taona
1 Janoary taona 1–31 Desambra 1913 = 1 913 taona
1 Janoary 1914–voalohandohan’ny Oktobra 1914 = 9 volana
Tontaliny: 2 520 taona
Inona no nitranga tamin’ny 1914? Nomen’i Jehovah an’i Jesosy Kristy Zanany tany an-danitra ny fitondrana ny olombelona.—Dan. 7:13, 14.
Apok. 12:12) Tsy noringanin’i Kristy avy hatrany anefa ny olona tsy nanaiky ny zon’i Jehovah hitondra sy tsy nanaiky azy ho Mesia. Tsy maintsy hatao maneran-tany aloha ny asa fitoriana, araka ny efa nambarany mialoha. (Mat. 24:14) Mahatonga ny olona eran-tany hizara roa izany, ka ao ireo olo-marina izay afaka manantena ny hiaina mandrakizay, ary ao kosa ireo ratsy fanahy izay haringana mandrakizay. (Mat. 25:31-46) Mbola miatrika fotoan-tsarotra anefa isika izao satria ao anatin’ny “andro farany.” Hita miharihary izany nanomboka tamin’ny 1914, araka ny hazavaina ao amin’ilay loha hevitra hoe “Andro Farany.” Hiseho daholo ny zava-drehetra nambaran’i Jesosy mialoha, anisan’izany ny “fahoriana lehibe” izay hiafara amin’ny fandravana ity tontolo ratsy ity.—Mat. 24:21, 22.
Nahoana anefa no mbola be ny faharatsiana eto an-tany? Noroahina avy any an-danitra i Satana sy ny demoniany ka natsipy tetỳ an-tany, rehefa lasa Mpanjaka i Kristy. (Rahoviana no hifarana ity tontolo ratsy ity?
Hoy i Jesosy: “Fa tsy misy mahalala ny amin’izany andro sy ora izany, na ny anjely any an-danitra, na ny Zanaka, afa-tsy ny Ray ihany.” Hoy koa anefa izy: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho lany mihitsy ity taranaka ity, mandra-pisehon’izany rehetra izany.”—Mat. 24:36, 34.
Nilaza izay hitranga taorian’ny niorenan’ilay Fanjakana tamin’ny 1914 ny Apokalypsy 12:12. Hoy izy io: “Mifalia ry lanitra sy ianareo izay monina ao aminy! Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina, fa nidina any aminareo ny Devoly sady tezitra mafy, satria fantany fa fohy ny fotoana ananany.”