Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Evolisiona

Evolisiona

Famaritana: Fampianarana hoe nisy zavatra tsy mananaina niova miandalana ho zavamiaina voalohany. Niteraka, hono, izy io, ary niova miandalana ho zavamiaina hafa indray ny zanany, dia toy izany hatrany mandra-pisin’ny karazan-javamaniry sy biby rehetra eto an-tany. Tsy nisy namorona, hono, izany rehetra izany fa avy amin’ny kisendrasendra fotsiny. Ny olona sasany indray sady mino an’Andriamanitra no mino ny evolisiona, ka milaza fa nampiasa ny evolisiona Andriamanitra rehefa namorona. Noforoniny, hono, aloha ireo zavamiaina voalohany faran’izay tsotra, ary ireny no niova miandalana ho zavamiaina hafa, anisan’izany ny olona. Tsy mampianatra izany ny Baiboly.

 Tena mifanaraka amin’ny siansa ve ny evolisiona?

Izao no ataon’ny mpahay siansa: Mandinika zavatra iray izy, ary manombantombana momba izay hitany. Manao fandinihana sy fanandramana maromaro izy avy eo mba hahitana raha marina ilay tombantombana na tsia, sy hahitana raha mitranga tokoa izay noeritreretiny fa tokony hitranga. Toy izany koa ve no ataon’ireo mino sy mampianatra ny evolisiona?

Hoy i Robert Jastrow, astronoma, tao amin’ny boky iray nosoratany, tamin’ny 1981: ‘Sorena [ny mpahay siansa] fa tsy afaka manome valin-teny mazava, satria tsy vitan’ny mpahay simia mihitsy ny mamerina izay nataon’ny natiora, dia ny manao zavamiaina avy amin’ny zavatra tsy mananaina. Tsy fantatry ny mpahay siansa ny fomba nitrangan’izany.’

Niaiky toy izao i Loren Eiseley, mpino ny evolisiona: “Nokianin’ny mpahay siansa ny teolojianina satria, hono, mino angano sy fahagagana. Na ny siansa koa aza anefa izao voatery mamorona angano hoe efa nitranga fahiny ela be, hono, ny fisehoan-javatra iray tsy voaporofon’izy ireo mihitsy na dia efa nanaovany ezaka hatry ny ela aza.”—Ilay Dia Lavitra (anglisy, New York, 1957), p. 199.

Hoy ny gazety Mpahay Siansa Vaovao: ‘Mihamaro ny mpahay siansa, indrindra fa ny mpino ny evolisiona, no milaza fa tsy mifanaraka amin’ny siansa mihitsy ny fampianaran’i Darwin momba ny evolisiona. Manam-pahaizana anefa ny ankamaroan’ireo mitsikera toy izany.’—25 Jona 1981, p. 828.

Hoy i H. Lipson, mpahay fizika: “Ny hany fanazavana mitombina dia hoe nisy ny famoronana. Fantatro fa tsy tian’ny mpahay fizika mihitsy izany, ary izaho koa aza tsy tia an’izany, saingy tsy azontsika lavina izany raha voaporofon’ny siansa.” (Izahay no manao sora-mandry.)—Gazety Momba ny Fizika (anglisy), 1980, Boky Faha-31, p. 138.

  Mifanara-kevitra ve ireo mpino ny evolisiona? Tokony hanaiky ny fampianaran’izy ireo àry ve ianao?

Izao no teny fampidirana ny bokin’i Darwin Ny Fiandohan’ny Karazan-javamananaina (anglisy), fanontana manokana tamin’ny 1956: “Fantatsika fa mifanipaka be ny hevitr’ireo biolojista, momba ny nampisy ny evolisiona sy ny fizotran’izy io. Tsy mahafa-po mantsy ireo porofo, ka tsy afaka milaza zavatra hentitra izy ireo. Ara-drariny àry raha ampahafantarina ny besinimaro izany tsy fitovian-kevitra izany.”—W. Thompson, talen’ny Ivon-toerana Momba ny Biolojia, Ottawa, Kanada.

“Zato taona atỳ aorian’ny nahafatesan’i Darwin, dia mbola tsy fantatsika foana hoe ahoana marina no nitrangan’ny evolisiona. Niteraka adihevitra be izany tato ho ato. ... Mila hiady mihitsy ireo mpino ny evolisiona, ka samy mamorona ny sektany sy mivoy hevi-baovao.”—C. Booker (mpanao gazety), Ny Kintana (anglisy, Johannesburg), 20 Aprily 1982, p. 19.

Hoy ny gazetiboky iray ara-tsiansa tamin’ny Oktobra 1980: ‘Tsy ny Kristianina ihany no manohitra ny fampianarana momba ny evolisiona, fa ny mpahay siansa malaza koa. Mihamaro ny manam-pahaizana momba ny fôsily tsy manaiky azy io.’

 Inona no asehon’ny fôsily (sisan-javamaniry sy taolam-biby fahiny lasa vato)?

Niaiky toy izao i Darwin: “Hirodana tanteraka ny fampianarana momba ny evolisiona, raha toa ka niara-nipoitra ny zavamananaina isan-karazany.” (Ny Fiandohan’ny Karazan-javamananaina, New York, 1902, Fizarana Faharoa, p. 83) Inona àry no asehon’ny porofo? Niara-nipoitra ve ireo “zavamananaina isan-karazany”, sa niova miandalana?

Ampy ve ireo fôsily hita hatramin’izao mba hahafantarana ny tena marina?

Hoy i Porter Kier, mpahay siansa ao amin’ny Fikambanana Smithsonian: “Zato tapitrisa ny fôsily hita ka natao lisitra, ary napetraka any amin’ireo tranombakoka eran-tany.” (Mpahay Siansa Vaovao, 15 Janoary 1981, p. 129) Hoy koa ilay boky hoe Tantaran’ny Tany: “Azon’ny manam-pahaizana hazavaina tsara izao ny fiainana nisy fahiny, amin’ny alalan’ireo fôsily.”—(anglisy, New York, 1956), Richard Carrington, fanontana Mentor, p. 48.

Inona no porofoin’ireny fôsily ireny?

Hoy ny Gazety navoakan’ny Tranombakoka Momba ny Fandinihana Zavaboary, any Chicago: ‘Ampifandraisina foana amin’ny porofo asehon’ireo fôsily ny fampianaran’i Darwin momba ny [evolisiona], ary saika ny olona rehetra angamba no mihevitra fa manaporofo izy ireny hoe marina ny hevitr’i Darwin. Mampalahelo anefa fa tsy tena marina izany, satria tsy nanome porofo ary mbola tsy manome porofo ny amin’ny fiovana miandalana ireo zavatra hita tany ambanin’ny tany.’—anglisy, Janoary 1979, Boky Faha-50, No. 1, p. 22, 23.

Hoy koa ny boky Fiainana: ‘Teo am-piandohan’ilay fe-potoana atao hoe Cambrien, ary nandritra ny 10 tapitrisa taona teo ho eo taorian’izay, dia nipoitra tampoka tamin’ny fomba mahagaga ny karazam-biby misy akorany rehetra’, toy ny sifodranomasina sy masaja ary akorandriaka.—(anglisy, Kalifornia, 1981), Salvador Luria, Stephen Gould, Sam Singer, p. 649.

Hoy i Alfred Romer, manam-pahaizana momba ny fôsily: “Misy antsanga matevim-be eo ambanin’ny soson-tany niforona tamin’io [fe-potoana Cambrien io]. Tokony ho hita tao ny razamben’ireo zavamiaina velona tamin’io fe-potoana io. Tsy nahita anefa izahay. Zara raha nisy porofo hoe nisy zavamiaina talohan’io fe-potoana io. Toa marina kokoa àry ny filazana fa nisy famoronana teo am-piandohan’ny fe-potoana Cambrien.”—Tantaran’ny Zavaboary (anglisy), Oktobra 1959, p. 467.

Hoy i Harold Coffin, manam-pahaizana momba ny biby: “Raha marina fa niova miandalana ny zavamiaina, dia tokony ho hita ny razamben’ireo zavamiaina tamin’ny fe-potoana Cambrien. Tsy hita anefa izy ireny, ary miaiky ny mpahay siansa fa mety tsy ho hita mihitsy. Raha jerena àry ny zava-misy sy ireo zavatra hita any anaty tany, dia izao no mitombina indrindra: Noforonina sy nipoitra tampoka ireo zavamiaina.”—Fahafahana (anglisy), Septambra/Oktobra 1975, p. 12.

Niaiky toy izao i Carl Sagan: “Toa hita porofo avy amin’ny fôsily fa misy ny Mpamolavola Lehibe iray.”—Izao Rehetra Izao (anglisy, New York, 1980), p. 29.

Ny fiovan’ny fototarazo tampoka ve no nampisy ny evolisiona?

Hoy ny gazetiboky iray momba ny siansa, tamin’ny Febroary 1982: “Heverin’ireo mpino ny evolisiona ... fa ny fiovan’ny fototarazo mibaiko ny fototarazo hafa, dia mety ho ampy hanaporofoana ny evolisiona.” Noresahin’io gazetiboky io koa anefa ny tenin’i Colin Patterson, manam-pahaizana momba ny biby, hoe: “Manombantombana fotsiny isika, fa tsy misy na inona na inona fantatsika momba izany fototarazo mibaiko izany.” Raha tsorina, dia tsy misy porofo manamarina ny evolisiona.

Hoy koa Ny Rakipahalalana Amerikanina: ‘Ny fiovan’ny fototarazo no heverina fa fototry ny fiovana miandalana ho tsara kokoa. Asehon’ny zava-misy anefa fa mihasimba ny zavamiaina, raha miova ny fototarazony. Hita amin’ireo sary anaty boky tokoa fa hafahafa sy sampontsampona ny zavamiaina toy izany. Toa mihasimba aza izy ireny fa tsy mihatsara.’—(1977), Boky Faha-10, p. 742.

Ahoana ny amin’ireny sarina “olona rajako” anaty boky sy rakipahalalana ary tranombakoka ireny?

‘Noforonin’ny saina fotsiny ireny sary ireny. Tsy misy zavatra fantatsika mihitsy momba ny volon-koditry ny olona fahiny, ny bikabikany, ny tarehiny, ary hoe faritra aiza tamin’ny vatany no nisy volo.’—Ny Razan’ny Olombelona (anglisy, New York, 1971), James King, p. 135, 151.

Hoy ny gazetiboky iray momba ny siansa, tamin’ny Aprily 1981: “Noforomporonin’ny mpanao sary fotsiny izy ireny, fa tsy misy porofo akory. ... Voatery manao sarina olona rajako izy ireo, ka raha tiany haseho hoe efa taloha kokoa ilay izy, dia ataony mitovy kokoa amin’ny rajako.”

‘Mihamahafantatra isika izao fa hay tsy olon-dia ireo olona voalohany. Tokony hekentsika koa fa tsy toy ny bibidia na olona rajako na dondrina be ireo olona fahiny. Hadalana be mihitsy àry ny fiezahana hanao ny sarin’ny razamben’ny olona ho toy ny rajako.’—Olona, Andriamanitra ary ny Herin’ny Maizina (anglisy, New York, 1961), Ivar Lissner, p. 304.

Tsy efa hazavain’ireo boky fianarana ve fa tena nisy ny evolisiona?

‘Miziriziry amin’ny heviny ny mpahay siansa maro, sady milaza foana hoe tsy iadian-kevitra intsony ny momba ny niandohan’ireo zavamananaina. Tsy marina velively anefa izany. Mbola miziriziry amin’ny heviny ihany ireo mpahay siansa, ary tsy mampandroso ny siansa izany.’—Ilay Mpiambina (anglisy), Londres, 4 Desambra 1980, p. 15.

Azo inoana anefa ve hoe noforonina tao anatin’ny enina andro ny zava-drehetra eto an-tany?

Mampianatra ny fivavahana sasany hoe tao anatin’ny enina andro misy 24 ora avy, no namoronan’Andriamanitra ny zava-drehetra. Tsy milaza izany anefa ny Baiboly.

Tsy ny namoronana ny tany no tantarain’ny Genesisy 1:3-31, fa ny nanomanan’Andriamanitra azy io mba honenan’ny olona. Lazain’ireo andininy ireo fa enina andro no nanomanany azy io, kanefa tsy voalaza ao hoe 24 ora ny andro tsirairay tamin’izay. Fitenin’ny olona, ohatra, ny hoe tamin’ny “andron’ny dadabenay”, mba hilazany ny andro rehetra niainan’ilay dadabe. Matetika koa ny Baiboly no mampiasa ny hoe “andro” mba hilazana fe-potoana lava kokoa. (Ampitahao amin’ny 2 Petera 3:8.) Nety ho naharitra an’arivony taona àry ireo “andro” resahin’ny Genesisy toko 1.

Jereo ny pejy 154, mba hahitana fanazavana fanampiny.

Raha misy milaza hoe:

‘Mino ny evolisiona aho’

Azonao valiana hoe: ‘Mino ve ianao fa namorona ny zava-drehetra tamin’ny alalan’ny evolisiona Andriamanitra, sa kosa avy amin’ny kisendrasendra fotsiny ny fiainana? (Tohizo ny resaka, arakaraka izay lazain’ilay olona.)’

Na hoe: ‘Tsy handa zavatra voaporofo tsara ara-tsiansa angamba isika e?... Tena mahaliana ireto tenin’ny mpahay siansa ireto momba izany. (Jereo ny lohatenikely hoe  “Tena mifanaraka amin’ny siansa ve ny evolisiona?” pejy 112, 113, na ny hoe  “Mifanara-kevitra ve ireo mpino ny evolisiona?...” pejy 113.)’

Na hoe: ‘Raha voaporofo mazava tsara ny zavatra iray, dia izay no tokony hinoantsika rehetra, sa tsy izany?... Tsaroako fa nisy sarina fôsily nanaporofoana ny evolisiona ny bokinay tany am-pianarana. Nisy tenin’ny mpahay siansa tena mahaliana anefa novakiko tatỳ aoriana, toy ireto voalaza ireto. (Jereo ny lohatenikely hoe  “Inona no asehon’ny fôsily...?”, pejy 113-115.)’

Na hoe: ‘Tsy mino befahatany angamba ianao fa mijery ny zava-misy e?... Toy izany koa izahay.’ Azonao ampiana hoe: ‘Raha mitsangantsangana any ambanivohitra aho, ohatra, ka mahita trano vita amin’ny hazo sy vato, dia tsy hieritreritra mihitsy hoe tsy nisy nanao izy io. Ahoana anefa raha mihevitra aho hoe nisy ho azy teo fotsiny ny voninkazo maniry eo akaikin’ilay trano?... Raha mandinika akaiky an’ilay voninkazo anefa aho, dia ho hitako fa tena be pitsiny ilay izy. Tsy maintsy nisy nanao àry izy io. Izany no lazain’ny Baiboly ao amin’ny Hebreo 3:4.’

Na hoe (raha efa zokinjokiny ilay olona): ‘Lazaina fa niova miandalana ho tsara kokoa ny olona matoa tonga amin’izao fandrosoany ankehitriny izao, sa tsy izany?’ Azonao ampiana hoe: 1) ‘Efa ela niainana ianao, tompoko. Tsaroanao ve hoe nanao ahoana ny fiainana tamin’ianao mbola kely? Betsaka toy ny amin’izao ve ny halatra sy vonoan’olona tamin’izany?... Natahotra ny ho voaroba ve ny olona?... Sa kosa tsara fanahy kokoa tamin’ny mpiara-monina sy ny be taona ny olona tamin’izany?... Marina fa mandroso be ny siansa ankehitriny, saingy tsy toy izany kosa ny toetran’ny olona. Fa nahoana?’ 2) ‘Hitanay fa mifanaraka amin’izao voalazan’ny Romanina 5:12 izao izany. ... Tena miharatsy àry ny toetran’ny olona.’ 3) ‘Asehon’ny Baiboly anefa fa hiova izany. (Dan. 2:44; Apok. 21:3, 4)’

‘Nampiasa ny evolisiona Andriamanitra rehefa namorona’

Azonao valiana hoe: ‘Efa niresaka tamin’olona mitovy hevitra aminao aho. Olona tena mino an’Andriamanitra ianao e?... Zava-dehibe aminao àry ny finoanao, sa tsy izany?... Toy izany koa ny aminay.’ Azonao ampiana hoe: 1) ‘Fantatro fa raha tena marina ny zavatra inoako, dia tsy tokony hifanohitra amin’izay voaporofon’ny siansa izany. Fantatro koa anefa fa hadalana ny tsy miraharaha izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra, satria mahafantatra kokoa ny zavatra noforoniny Izy, raha oharina amintsika. Mahaliana ny voalazan’ny Genesisy 1:21 hoe (asongadino ilay hoe “araka ny karazany avy”).’ 2) ‘Resahin’ny Genesisy 2:7 koa fa avy tamin’ny vovoka no namoronan’Andriamanitra ny olona, fa tsy avy tamin’ny biby.’ 3) ‘Ary resahin’ny andininy faha-21, 22 fa avy tamin’ny taolan-tehezan’i Adama no nanaovana an’i Eva, fa tsy avy tamin’ny biby.’

Na hoe: ‘(Rehefa nahita marimaritra iraisana toy ny etsy aloha...) Misy milaza fa angano fotsiny ny tantaran’i Adama ao amin’ny Baiboly. Raha marina izany, dia eritrereto ange ny dikan’izany e!’ 1) ‘Mariho ny voalazan’ny Romanina 5:19 hoe: “Tahaka ny nahatongavan’ny maro ho mpanota noho ny tsy nankatoavan’ny olona iray [Adama], no hahatongavan’ny maro ho marina noho ny nankatoavan’ny olona iray [Jesosy Kristy].” Hoy koa ny 1 Korintianina 15:22: “Tahaka ny ahafatesan’ny rehetra ao amin’i Adama, no hamelomana ny rehetra koa ao amin’i Kristy.” Raha tsy tena nisy anefa ilay “olona iray” atao hoe Adama, dia ho afaka nanota ve izy? Raha tsy nanota izy ka tsy namindra ota tamin’ny taranany, dia tsy nilain’i Kristy ny nanome ny ainy hanavotana ny olombelona. Ary raha tsy maty ho antsika i Kristy, dia izao fiainana izao ihany no azontsika antenaina. Ny zavatra inoan’ny Fivavahana Kristianina mihitsy no ho foana, raha izany.’ 2) ‘Manana ny fitsipi-pitondran-tena tsara indrindra anefa ny Fivavahana Kristianina. Mety hifototra amin’ny angano àry ve ny fahamarinana ampianariny?’ (Jereo koa ny loha hevitra hoe “Adama sy Eva”, pejy 25-27.)

‘Mino ny evolisiona ange ireo avara-pianarana e!’

Azonao valiana hoe: ‘Marina izany, kanefa na ry zareo samy mino ny evolisiona aza mety tsy hitovy hevitra mihitsy. (Milazà ohatra eo amin’ny  pejy 113.) Mila mandinika tsara ny porofo àry isika tsirairay mba hahitana hoe inona no tokony hinoantsika: Ny evolisiona sa ny famoronana.’

Na hoe: ‘Marina izany, nefa misy koa avara-pianarana tsy mino ny evolisiona.’ Azonao ampiana hoe: 1) ‘Nahoana no mino azy io ny sasany ary ny hafa tsy mino, nefa mitovy ihany ny porofo fantatr’izy ireo?’ 2) ‘Iza amin’izy ireo no hinoanao? Raha mandinika amin’ny saina tsy miangatra ianao, iza no hitanao kokoa fa milaza ny marina: Ireo mino fa noforonin’Andriamanitra ny olona ka mbola hotsarainy, sa ireo milaza fa kisendrasendra no nampisy ny olona ka afaka manao izay tiany hatao izy ireo?’ 3) ‘Mila mandinika ny porofo àry isika tsirairay, mba hahitana hoe iza no mahafa-po indrindra: Ny fampianarana momba ny famoronana sa ny evolisiona.’