Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fahafatesana

Fahafatesana

Famaritana: Maty ny olona rehefa tsy miaina intsony, tsy mitepo intsony ny fony, ary tsy miasa intsony ny atidohany. Miala tsikelikely ny hery mamelona any anaty selany. Mifanohitra amin’ny fiainana ny fahafatesana.

Noforonin’Andriamanitra ho faty ve ny olona?

Tsia! I Jehovah aza nampitandrina an’i Adama mba tsy handika ny didiny sao izy ho faty. (Gen. 2:17) Nampitandrina ny Israelita koa Izy mba hiala amin’ny fanao sasany sao izy ireo ho faty. (Ezek. 18:31) Nirahiny ho faty hamonjy ny olombelona ny Zanany, mba ho afaka ny hiaina mandrakizay ireo mino azy.—Jaona 3:16, 36.

Lazain’ny Salamo 90:10 fa velona 70 na 80 taona ny olona, amin’ny ankapobeny. Tsy mba toy izany anefa tamin’ny voalohany. (Ampitahao amin’ny Genesisy 5:3-32.) Hoy koa ny Hebreo 9:27: “Natao ho faty indray mandeha monja ny olona.” Marina izany, nefa tsy mba toy izany talohan’ny nanamelohan’Andriamanitra an’i Adama.

Nahoana isika no mihantitra sy maty?

Nataon’i Jehovah lavorary ny mpivady voalohany, ka afaka ny hiaina mandrakizay. Nomena safidy koa izy ireo. Hankatò ny Mpamorona àry ve izy ireo satria tia sy mankasitraka Azy noho izay rehetra nataony? Azon’izy ireo natao tsara izany. Hoy Andriamanitra tamin’i Adama: ‘Aza ihinananao ny voan’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, fa amin’ny andro ihinananao azy, dia ho faty tokoa ianao.’ Nitaona an’i Eva handika izany anefa i Satana, rehefa mody nampiteny bibilava. Nihinana an’ilay voankazoi Eva, ary tsy nibedy azy i Adama fa nihinana koa. Nitana ny teniny i Jehovah ka nanameloka an’i Adama ho faty. Navelany hiteraka anefa izy mivady, talohan’ny hahafatesany.—Gen. 2:17; 3:1-19; 5:3-5; ampitahao amin’ny Deoteronomia 32:4 sy Apokalypsy 12:9.

Rom. 5:12, 17, 19: “Tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray [Adama] ho amin’izao tontolo izao, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra ... Noho ny heloky ny olona iray no nanjakan’ny fahafatesana ... tahaka ny nahatongavan’ny maro ho mpanota noho ny tsy nankatoavan’ny olona iray.”

1 Kor. 15:22: “Tahaka ny ahafatesan’ny rehetra ao amin’i Adama.”

Jereo koa ny loha hevitra hoe “Lahatra.”

Nahoana no misy zaza maty?

Sal. 51:5: “Efa nanam-pahadisoana aho rehefa nateraky ny reniko ... Efa mpanota aho raha vao niforona tao an-kibon-dreniko.” (Jereo koa ny Joba 14:4; Genesisy 8:21.)

Rom. 3:23; 6:23: “Samy efa nanota ny rehetra ka tsy mahatratra ny voninahitr’Andriamanitra ... Fahafatesana no tambin’ny ota.”

Tsy ‘alain’Andriamanitra’ ho any aminy akory ny ankizy. Misy ankizy maty satria tsy ampy sakafo. Na ampy aza mantsy ny sakafo vokarin’ny tany, dia tsy zaraina amin’ny olona tena sahirana izany, noho ny fitiavan-tenan’ireo mpanao politika sy mpanao raharaham-barotra. Misy koa ankizy maty noho ny voina, toy ny olon-dehibe ihany. Nandova ota anefa isika rehetra ka tsy lavorary, ary ho faty amin’ny farany, na tsara isika na ratsy. (Mpito. 9:5) ‘Maniry mafy’ hanangana ny ankizy efa maty i Jehovah, mba ho tafaraka indray amin’ny ray aman-dreniny izy ireny.—Jaona 5:28, 29; Joba 14:14, 15; ampitahao amin’ny Jeremia 31:15, 16; Marka 5:40-42.

Aiza no misy ny maty?

Gen. 3:19: “Amin’ny hatsembohan’ny tavanao no hihinananao hanina, mandra-piverinao amin’ny tany, fa avy tamin’ny tany no nakana anao. Fa vovoka ianao ary hiverina ho vovoka indray ianao.”

Mpito. 9:10: “Izay rehetra azon’ny tananao atao dia ataovy amin’ny herinao manontolo, fa tsy misy asa na eritreritra na fahalalana na fahendrena ao amin’ny Fasana [“toeran’ny maty”, DIEM], izay toerana halehanao.”

Manao ahoana ny olona rehefa maty?

Mpito. 9:5: “Fantatry ny velona fa ho faty izy, fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona.”

Sal. 146:4: “Miala ny ainy, ary miverina amin’ny tany nakana azy izy, ka androtr’iny ihany, dia foana ny eritreriny [“hevitra kasainy”, Kat.; “fikasany”, Prot., DIEM].”

Jaona 11:11-14: “ ‘Matory i Lazarosy namantsika, fa handeha ho any aho hamoha azy.’ ... Tamin’izay, dia notsorin’i Jesosy hoe: ‘Maty i Lazarosy.’ ” (Jereo koa ny Salamo 13:3.)

Misy zavatra misaraka amin’ny vatana ve, ka mbola velona aorian’ny fahafatesan’ilay olona?

Sal. 6:4, 5: “Avoty aho, Jehovah ô! ... Fa tsy afaka miresaka momba anao ny maty. Iza amin’izay ao amin’ny Fasana no hidera anao?”

Isaia 38:16-19: “Nanjary niraiki-po tamiko ... ianao, ka nisakana ahy tsy ho any amin’ny lavaky ny fahalevonana. ... Tsy afaka miandrandra ny fahamarinanao ireo midina any an-davaka.”

Adikan’ny Baiboly malagasy sasany hoe “fanahy” indraindray ny teny hebreo nefesh sy ny teny grika psykè, nefa tsy marina izany dikan-teny izany. Jereo koa ny loha hevitra hoe “Zavamananaina” sy “Fanahy.”

Afaka mitahy na manisy ratsy ny velona ve ny maty?

Mpito. 9:6: “Efa foana koa ny fitiavany sy ny fankahalany ary ny fialonany. Tsy misy anjarany intsony amin’izay rehetra atao etỳ ambanin’ny masoandro.”

Isaia 26:14: “Maty izy ireo ka tsy ho velona intsony. Maty tsy mahefa na inona na inona izy ireo ka tsy ho tafatsangana intsony.”

Ahoana ny amin’ireo nolazaina fa efa maty nefa velona indray, ary mitantara fa tany ankoatra?

Rehefa tsy miaina intsony ny olona iray ary tsy mitepo intsony ny fony, dia afaka minitra vitsivitsy vao miala tsikelikely ao anaty selany ny hery mamelona. Mety ho afaka ora maro mihitsy aza vao hitranga izany, raha atao faran’izay mangatsiaka ny vatany. Azo atao àry indraindray ny mampiverina ny fitepon’ny fony sy ny fisefoany satria mbola velona ny selany, na dia nolazaina aza hoe “maty” izy.

Maro ny olona toy izany no tsy mahatadidy na inona na inona, rehefa velona indray. Misy kosa mitantara hoe nahatsiaro ho toy ny nitsingevana, na hoe nahita zavatra tsara tarehy na zavatra mampahatahotra.

Ahoana no anazavan’ny dokotera an’izany?

Hoy ilay dokotera nanonta ny gazety Ny Repoblikan’i Arizona: “Tsy miasa tsara ireo taova, rehefa tsy afaka manao na inona na inona ny vatana, toy ny rehefa toranina, na marary na maratra. Lasa be loatra àry ny hormonina ... vokarin’ny rafi-pitatitra, ka mety hahita zavatra tsy tena misy ilay olona. Rehefa mahatsiaro tena izy dia mihevitra hoe efa maty fa velona indray.”—anglisy, 28 Mey 1977, p. C-1; ary ny Fortschritte der Medizin (gazety ara-pitsaboana alemà) No. 41, 1979; Psikolojia Ankehitriny (anglisy), Janoary 1981.

Tsy efa nisy nilaza koa ve hoe niseho sy niresaka taminy ny havany efa maty?

Vakio indray ireo andininy etsy aloha momba ny maty. Inona no lazain’ny Baiboly?

Iza no te hampino ny olona fa tsy tena maty ny maty? Nampitandrina an’i Adama sy Eva i Jehovah fa ho faty izy ireo raha tsy mankatò. Iza anefa no nanohitra ny teniny? “Hoy ny menarana [nampiasain’i Satana; jereo ny Apokalypsy 12:9] tamin-dravehivavy: ‘Tsy ho faty velively ianareo.’ ” (Gen. 3:4) Maty tokoa anefa izy mivady tatỳ aoriana. Iza àry no namorona ilay hevitra hoe misy fanahy misaraka amin’ny vatana ka mbola velona aorian’ny fahafatesana? Efa hitantsika fa tsy ao amin’ny Baiboly izany hevitra izany. Voalazan’ny lalàn’Andriamanitra ho an’ny Israely fahiny fa ‘mandoto’ sy “maharikoriko” ny manontany amin’ny maty. (Lev. 19:31; Deot. 18:10-12; Isaia 8:19) Ho nomelohin’ilay Andriamanitra fitiavana ve izany, raha mifandray fotsiny amin’ny havan-tiany nodimandry ny velona? Raha ny demonia kosa anefa no mody miseho ho havana efa maty ka mamitaka sy mampiely lainga, tsy maneho fitiavana ve Andriamanitra rehefa miaro ny mpanompony tsy ho voafitaka?—Efes. 6:11, 12.

Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no tsy manao fombafomba fisaonana?

Ara-dalàna raha maneho ny alahelony ireo nidonam-pahoriana

“Nirotsaka ny ranomason’i Jesosy” rehefa maty i Lazarosy namany akaiky. (Jaona 11:35) Nalahelo mafy koa ny mpanompon’Andriamanitra sasany rehefa nisy maty.—2 Sam. 1:11, 12.

Manantena anefa ny Kristianina fa hitsangana ny maty. Hoy ny Baiboly: “Tsy tianay tsy ho fantatrareo koa, ry rahalahy, ny amin’ireo nodimandry, mba tsy halahelovanareo tahaka ny hafa izay tsy manana fanantenana.”—1 Tes. 4:13.

Tsy ny fombafomba rehetra no lavin’ny mpanompon’i Jehovah

Gen. 50:2, 3: “Nasain’i Josefa nokarakarain’ny mpitsabo mpanompony ny fatin-drainy. ... Efapolo andro katroka no nanaovany izany, satria izany no faharetan’ny fotoana fikarakarany faty.”

Jaona 19:40: “Nalain’izy roa lahy ny fatin’i Jesosy, ka nofonosiny fehim-paty niaraka tamin’ny zavamaniry mani-pofona, araka ny fanaon’ny Jiosy rehefa mikarakara faty halevina.”

Ny fombafomba mifanohitra amin’ny Baiboly kosa no tsy ataon’ireo te hampifaly an’Andriamanitra

Natao hisehosehoana fotsiny ny fombafomba sasany. Hoy anefa i Jesosy: “Rehefa mifady hanina ianareo [satria malahelo], dia aza malahelo tarehy intsony toy ny mpihatsaravelatsihy, fa tsy karakarainy ny tarehiny mba hahitan’ny olona fa mifady hanina izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valisoany rehetra. Fa ianao kosa rehefa mifady hanina, dia hosory menaka ny lohanao ary sasao ny tarehinao, mba ho ny Rainao izay ao amin’ny miafina, fa tsy ny olona, no hahita fa mifady hanina ianao. Ary hamaly soa anao ny Rainao izay mijery ao amin’ny miafina.”—Mat. 6:16-18.

Misy mifototra amin’ny finoana hoe mbola velona ny fanahin’ny maty, ka mahita izay ataon’ny velona. Hoy anefa ny Baiboly: “Ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona.”—Mpito. 9:5.

Ny ankamaroany koa mifototra amin’ny finoana hoe mila ny fanampian’ny velona ny maty, na mila hampitonena sao manangatra. Asehon’ny Baiboly anefa fa tsy mijaly na faly ny maty. “Miala ny ainy, ary miverina amin’ny tany nakana azy izy, ka androtr’iny ihany, dia foana ny eritreriny.” (Sal. 146:4; jereo koa ny 2 Samoela 12:22, 23.) “Efa foana koa ny fitiavany sy ny fankahalany ary ny fialonany. Tsy misy anjarany intsony amin’izay rehetra atao etỳ ambanin’ny masoandro.”—Mpito. 9:6.

Raha misy milaza hoe:

‘Izany no sitrapon’Andriamanitra’

Azonao valiana hoe: ‘Maro ny olona mino an’izany. Tsara anefa ny mijery izay lazain’Andriamanitra momba izany.’ Azonao ampiana hoe: 1) ‘(Vakio ny Genesisy 2:17.) Raha ampitandreman’ny lehilahy iray ny zanany fa ho faty izy raha manao zavatra iray, midika ve izany fa tiany hanao an’ilay zavatra ny zanany?’ 2) ‘Inona marina àry no sitrapon’Andriamanitra momba antsika? Hoy i Jesosy: “Izao no sitrapon’ny Raiko: Tokony hahazo fiainana mandrakizay izay rehetra mijery ny Zanaka [manaiky fa i Jesosy no Zanak’Andriamanitra] ka mino azy, ary izaho hanangana azy amin’ny maty amin’ny andro farany.” (Jaona 6:40)’

‘Tsy maintsy ho faty foana ny olona’

Azonao valiana hoe: ‘Izany tokoa no manjo ny olona hatramin’izao.’ Azonao ampiana hoe: ‘Jereo anefa ity fampanantenan’Andriamanitra ao amin’ny Apokalypsy 21:3, 4 (na Isaia 25:8) ity.’

‘Tsy maintsy maty ny olona rehefa tonga ny androny’

Azonao valiana hoe: ‘Olona maro no mihevitra toy izany. Maro ny Malagasy sy ny hafa firenena mino fa efa voalahatra ny fiainan’ny olona sy ny andro hahafatesany. Fantatrao anefa ve fa tsy milaza izany ny Baiboly?’ Azonao ampiana hoe: 1) ‘(Vakio ny Mpitoriteny 9:11.) Raha ohatra misy mpandalo ianjeran’ny biriky avy amin’ny trano iray, Andriamanitra ve no nahatonga izany? Raha izany no izy, rariny ve raha melohina ho nanao tsirambina ny tompon’ilay trano?... Resahin’ny Baiboly fa tsy voalahatra ary tsy nampoizina ny naha teo an’ilay olona rehefa nianjera ilay biriky.’ 2) ‘Milaza ny Baiboly fa miaro ny aintsika isika raha tsy manao ratsy. (Ohab. 16:17) Raha manan-janaka ianao, dia azo antoka fa ampitandremanao izy ireo mba tsy hanao zava-dratsy mety hahafaty azy. Toy izany koa no ataon’i Jehovah amin’ny olona rehetra ankehitriny.’ 3) ‘Mahalala ny hoavy i Jehovah. Lazainy amintsika ao amin’ny Baiboly àry izay tokony hataontsika mba ho ela velona, fa tsy ho toy ireo olona tsy miraharaha ny fitsipiny. (Jaona 17:3; Ohab. 12:28)’ (Jereo koa ny loha hevitra hoe “Lahatra.”)