Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fahaleovan-tena

Fahaleovan-tena

Famaritana: Mahaleo tena ny olona tsy miankina amin’ny hafa, na mihambo ho toy izany, sy tsy manaiky ny toromariky ny hafa na ny fahefany. Voajanahary ny faniriana hahaleo tena satria natao hanan-tsafidy ny olona. Mety tsy hankatò na hikomy mihitsy anefa izy, raha mafy loatra ny faniriany hahaleo tena.

Tena olona afaka ve izay tsy miraharaha ny fitsipiky ny Baiboly?

Rom. 6:16, 23: “Tsy fantatrareo angaha fa raha manolo-tena ho mpanompon’ny olona iray ianareo ka mankatò azy, dia lasa mpanompony satria mankatò azy, izany hoe, na mpanompon’ny ota izay mitarika ho amin’ny fahafatesana, na mpanompon’ny fankatoavana izay mitarika ho amin’ny fahamarinana? Fa fahafatesana no tambin’ny ota, ary fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Kristy Jesosy Tompontsika kosa no fanomezana omen’Andriamanitra.”

Gal. 6:7-9: “Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy. Izay mamafy ho an’ny nofony mantsy dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofony. Fa izay mamafy ho an’ny fanahy kosa dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin’ny fanahy. Koa aoka isika tsy ho sasatry ny manao ny tsara.”

Fitondran-tena: ‘Ny mpijangajanga manota amin’ny vatany ihany.’ (1 Kor. 6:18) “Manimba tena izay lehilahy [manitsakitsa-bady].” (Ohab. 6:32) (Jereo ny Romanina 1:24-27 momba ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy.) (Mety hahafinaritra eo no ho eo ny manao firaisana toy izany, nefa inona no ho vokany? Aretina mahatsiravina, fananana anaka tsy nirina, fanalan-jaza, fahasarotam-piaro, feon’ny fieritreretana tsy milamina, ary ratram-po. Azo antoka koa fa tsy hankasitrahan’Andriamanitra ilay olona ka tsy hahazo fiainana mandrakizay.)

Fikatsahana harena: “Izay tapa-kevitra ny ho tonga mpanankarena dia latsaka ao amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny faniriana maro tsy misy antony sady manimba, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fanimban-tena. Fitiavam-bola mantsy no anisan’ny fototr’izao karazan-javatra ratsy rehetra izao. Ary nikely aina ho amin’izany ny sasany, ka voavily niala tamin’ny finoana, sy nanindrona ny tenany tamin-javatra maro mampanaintaina.” (1 Tim. 6:9, 10) “Hilaza amin’ny tenako aho hoe: ‘Ralehilahy ô, manana zava-tsoa maro voatahiry ho amin’ny taona maro ianao. Mialà sasatra, mihinàna, misotroa, mifalia.’ Fa hoy Andriamanitra taminy: ‘Ry tsy misaina, anio alina no hisy hanapitra ny ainao, koa ho an’iza ireto zavatra nangoninao?’ Izany koa no hanjo ny olona mihary harena ho an’ny tenany, nefa tsy mba manankarena eo imason’Andriamanitra.” (Lioka 12:19-21) (Tsy tena mahasambatra ny harena. Matetika no tsy sambatra ny fianakavian’ny olona mikatsaka harena. Mety ho simba koa ny fahasalamany sy ny fifandraisany amin’Andriamanitra.)

Fibobohan-toaka: “Iza no iharan-doza? Iza no mahatsapa ho tsy metimety? Iza no tia mifanditra? Iza no be tebiteby? Iza no maratra tsy amin’antony? Iza no manana maso mivoaramena? Tsy iza izany fa izay tsy mety miala eo am-pototry ny divay, sy izay miditra mba hitady divay misy fangarony. Fa amin’ny farany, dia hanaikitra tahaka ny menarana izy, ary hamoaka poizina tahaka ny bibilava.” (Ohab. 23:29, 30, 32) (Mety hanadino vetivety ny olana mahazo azy ny olona rehefa misotro. Rehefa misava anefa ny toakany, dia mbola eo ihany ilay olana, ary vao mainka miampy aza. Tsy manana ny hajany intsony ny mamo lava, sady mahazo aretina. Mikorontana ny tokantranony, ary simba ny fifandraisany amin’Andriamanitra.)

Fidorohana zava-mahadomelina: Jereo ny hoe “Zava-mahadomelina”, pejy 427-433.

Naman-dratsy: Raha misy andian-jiolahy milaza aminao hoe mahita fomba hahazoam-bola be nefa tsy mila miasa firy, hiaraka aminy ve ianao? “Aza miara-dalana aminy. Ampanalaviro ny lalany ny tongotrao. Fa mihazakazaka hanao ratsy ny tongony, ary maika handatsa-dra izy.” (Ohab. 1:10-19) Ho namana tsara ve ny olona iray toa mahafinaritra nefa tsy manompo an’i Jehovah? Zanakalahin’ny mpiadidy tany Kanana i Sekema, ary lazain’ny Baiboly fa izy no “mendri-kaja indrindra tao amin’ny ankohonan-drainy manontolo.” “Nametaveta” an’i Dina anefa izy. (Gen. 34:1, 2, 19) Tokony hataonao namana ve ireo tsy mino ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly? “Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.” (1 Kor. 15:33) Ahoana, hoy i Jehovah, raha olona tsy tia azy no fidinao ho namana? Nanao toy izany ny mpanjaka iray tany Joda ka nilazana hoe: “Tezitra aminao i Jehovah.”—2 Tan. 19:1, 2.

Iza no nampirisika ny olona hanao izay tiany fotsiny fa tsy hiraharaha ny didin’Andriamanitra?

Gen. 3:1-5: “Hoy izy io [ny menarana, izay mody nampitenenin’i Satana; jereo ny Apokalypsy 12:9] tamin-dravehivavy: ‘Marina tokoa ve fa niteny taminareo Andriamanitra hoe tsy tokony hihinananareo ny voan’ny hazo rehetra ato amin’ny zaridaina?’ Dia hoy ravehivavy tamin’ilay menarana: ‘Mahazo mihinana ny voan’ireo hazo ato amin’ny zaridaina izahay. Fa hoy kosa Andriamanitra taminay momba ny voan’ilay hazo eo afovoan’ny zaridaina: “Aza ihinananareo io, ary aza kasihinareo mba tsy ho faty ianareo.” ’ Dia hoy ny menarana tamin-dravehivavy: ‘Tsy ho faty velively ianareo. Fa fantatr’Andriamanitra fa amin’ny andro hihinananareo azy io, dia hahiratra ny masonareo, ary ho tahaka an’Andriamanitra ianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy.’ ”

Inona no toe-tsaina mahatonga ny olona tsy hiraharaha ny sitrapon’Andriamanitra, ka hanao izay tiany fotsiny?

Efes. 2:1-3: “Ianareo no novelomin’Andriamanitra na dia fony mbola maty tao amin’ny helokareo sy ny fahotanareo aza. Tao amin’izany mantsy no nandehananareo taloha, araka an’ity tontolo [fehezin’i Satana] ity sy araka an’ilay mpitondra ny fahefan’ny rivotra, dia ny toe-tsaina izay miasa ankehitriny ao amin’ny zanaky ny tsy fankatoavana. Tamintsika teo amin’izy ireo, dia nitondra tena araka ny fanirian’ny nofontsika isika rehetra taloha, ka nanao izay danin’ny nofontsika sy ny saintsika. Ary efa zanaky ny fahatezerana toy ny hafa rehetra isika hatramin’ny nahaterahantsika.”

Inona avy no toetran’ireo te hahaleo tena nefa tsy tokony hananantsika?

Ohab. 16:18: “Ny fireharehana mialoha ny fahalavoana, ary ny fieboeboana mialoha ny fianjerana.”

Ohab. 5:12: “Hiteny ianao hoe: ‘Fa naninona re aho no nankahala anatra e? Naninona re ny foko no tsy niraharaha fananarana e?’ ” (Asehon’ny teny manodidina fa hahita olana lehibe izay tsy miraharaha fananarana.)

Nom. 16:3: “Dia niangona hanohitra an’i Mosesy sy Arona [izay notendren’i Jehovah hitarika ny vahoakany] izy ireo, ka nilaza hoe: ‘Efa tofoka aminareo izahay, fa masina avokoa ny vahoaka manontolo, ary i Jehovah no eo aminy. Koa nahoana ianareo no manandra-tena ho ambony noho ny fiangonan’i Jehovah?’ ”

Joda 16: “Mpimenomenona ireny, be taraina ny amin’ny toe-piainana misy azy, mandeha araka ny faniriany. Ny vavany mamoaka teny fireharehana, rehefa mandoka olona mba hahazoana tombony.”

3 Jaona 9: “Te ho voalohany eo amin’izy ireo i Diotrefa, ka tsy nety nandray tamim-panajana na inona na inona avy taminay.”

Ohab. 18:1: “Izay mitokantokana dia tsy mitady afa-tsy izay mahafinaritra ny tenany, ka toheriny daholo rehefa mety ho hevitra feno fahendrena.”

Jak. 4:13-15: “Ianareo manao hoe: ‘Hankany an-tanàna hafa izahay anio na rahampitso, ka hitoetra any herintaona, ary hanao raharaham-barotra ka hahazo tombony.’ Tsy fantatrareo akory anefa izay hitranga aminareo rahampitso. Zavona miserana vetivety ianareo, ary levona rehefa avy eo. Fa tokony hilaza kosa ianareo hoe: ‘Raha sitrapon’i Jehovah ka velona izahay, dia hanao izao na izao.’ ”

Lasa eo ambany fahefan’iza ny olona iray te hahaleo tena sy manahaka an’ity tontolo ity? Ahoana no fiheveran’Andriamanitra azy?

1 Jaona 2:15; 5:19: “Aza tia an’izao tontolo izao na ny zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy tia an’izao tontolo izao, dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray.” “Izao tontolo izao manontolo kosa eo ambany fahefan’ilay ratsy.”

Jak. 4:4: “Koa na iza na iza te ho naman’izao tontolo izao, dia mitsangan-ko fahavalon’Andriamanitra izy.”