Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Faharatsiana

Faharatsiana

Famaritana: Zavatra na toetra tena ratsy, izay matetika no manimba na mitondra fahavoazana.

Nahoana no be dia be ny faharatsiana?

Tsy avy amin’Andriamanitra ny faharatsiana. Nataony lavorary ny olombelona, saingy nifidy ny tsy hiraharaha ny didiny izy ireo, ka nanapa-kevitra samirery ny amin’izay tsara sy ratsy. (Deot. 32:4, 5; Mpito. 7:29; Gen. 3:5, 6) Lasa nofehezin’ny fanahy ratsy àry izy ireo.—Efes. 6:11, 12.

1 Jaona 5:19: “Izao tontolo izao manontolo kosa eo ambany fahefan’ilay ratsy.”

Apok. 12:7-12: “Nisy ady nipoaka tany an-danitra: ... Niady koa ilay dragona sy ny anjeliny nefa tsy naharesy, sady tsy nisy toerana ho azy ireo intsony tany an-danitra. Koa natsipy mafy ilay dragona lehibe, ilay menarana tany am-boalohany, ilay antsoina hoe Devoly sy Satana, izay mamitaka ny tany rehetra misy mponina. Natsipy mafy tamin’ny tany izy, ary ny anjeliny koa niara-natsipy taminy. ... ‘Noho izany, dia mifalia ry lanitra sy ianareo izay monina ao aminy! Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina, fa nidina any aminareo ny Devoly sady tezitra mafy, satria fantany fa fohy ny fotoana ananany.’ ” (Nitombo izany loza izany taorian’ny nandroahana an’i Satana avy any an-danitra, rehefa lasa mpanjaka i Jesosy. Jereo ny andininy faha-10.)

2 Tim. 3:1-5: “Aoka ho fantatrao izao: Amin’ny andro farany, dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho matin-kambo, hanambony tena, ho mpanevateva, tsy hankatò ray aman-dreny, tsy hisaotra, tsy ho mena-mivadika, tsy ho tia ny mpianakaviny, tsy ho azo ifanarahana, ho mpanendrikendrika, tsy hahafehy tena, ho masiaka be, tsy ho tia ny tsara, ho mpamadika, ho be di-doha, ho mpieboebo, ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra, jerena toa mpivavaka be nefa tsy misy heriny eo amin’ny fiainany ny maha mpivavaka azy.” (Izany no vokatry ny fivadiham-pinoana nisy hatry ny ela. Tsy miraharaha izay lazain’ny Baiboly mantsy ireo mihambo ho mpivavaka. Tsy misy heriny eo amin’ny fiainan’izy ireo ny maha mpivavaka azy.)

  Nahoana no avelan’Andriamanitra hisy ny faharatsiana?

 Mety hieritreritra isika fa ny fandringanana ny ratsy fanahy no vahaolana tsara indrindra. Tsy andrintsika tokoa ny hifaranan’ny faharatsiana, na dia vao taona vitsivitsy monja aza isika no nizaka izany. Efa hatry ny ela be anefa no nisian’ny faharatsiana. Inona no tsapan’i Jehovah Andriamanitra manoloana izany? Efa an’arivony taona izao ny olona no manome tsiny sy manozona azy mihitsy aza, noho ny zava-dratsy iainan’izy ireo. Tsy avy aminy anefa izany, fa avy amin’i Satana sy ny olona ratsy fanahy. Vitan’i Jehovah ny mandringana ny ratsy fanahy. Tsy maintsy misy antony àry matoa izy mbola tsy manao izany. Tokony ho gaga ve isika raha hafa noho izay eritreretintsika ny fomba amahan’i Jehovah olana? Hendry lavitra noho ny olombelona Izy, ary mahalala zavatra be lavitra noho izy ireo.—Ampitahao amin’ny Isaia 55:8, 9; Ezekiela 33:17.

Tsy ho nisy ny faharatsiana raha tsy nomen’Andriamanitra safidy ny zavaboary manan-tsaina. Nomeny ilay safidy, satria tiany ho hita raha hankatò azy noho ny fitiavana isika, na tsia. (Deot. 30:19, 20; Jos. 24:15) Aleontsika ve izy tsy nanao izany? Inona no mahafaly kokoa ny ray aman-dreny: Mankatò azy ny zanany satria tia azy, sa satria terena fotsiny? Tokony ho noteren’Andriamanitra hankatò azy ve i Adama? Ho sambatra kokoa ve isika raha terena hankatò Azy? Horinganin’Andriamanitra ny ratsy fanahy amin’ny fotoana voatondrony, kanefa omeny fotoana aloha ny olona hanaporofoana raha tena tian’izy ireo ny hanaraka ny lalàny na tsia.—2 Tes. 1:9, 10.

Hendry izy ka namela fotoana handaminana an’ireto adihevitra lehibe ireto: 1) Notoherina ny zon’i Jehovah hitondra sy ny maha ara-drariny izany, tany Edena. (Gen. 2:16, 17; 3:1-5) 2) Nolazaina fa hivadika daholo ny mpanompony any an-danitra sy eto an-tany. (Joba 1:6-11; 2:1-5; Lioka 22:31) Azon’Andriamanitra natao ny nandringana avy hatrany an’ireo mpikomy (Satana, Adama sy Eva), kanefa tsy ho nandamina an’ireo adihevitra izany. Tsy voatery hanana ny rariny mantsy izay mampiasa hery. Tsy resaka hery no niadian-kevitra fa hoe iza no manana ny rariny. Fantatr’Andriamanitra hoe izy no manana ny rariny, nefa namela fotoana izy mba hahitan’ny zavaboary rehetra ny voka-dratsin’ny fikomiana amin’ny fitondrany. Tiany hasehon’izy ireo koa hoe iza no iandaniany. Rehefa ho voalamina ireo adihevitra ireo, dia tsy hisy zavaboary havela hampisy korontana intsony. Ho sambatra sy hilamina ary hirindra tsara izao rehetra izao, rehefa hohamasinina ny anaran’i Jehovah sy hohajain’ny zavaboary manan-tsaina rehetra izy. (Jereo koa ny pejy 381, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Satana Devoly.”)

Fanoharana: Aoka hatao hoe manan-janaka ianao, ary misy olona miampanga anao eo anatrehan’ny hafa ho ray manampatra fahefana. Ho sambatra kokoa, hono, ny zanakao raha tsy miantehitra aminao fa manapa-kevitra samirery. Milaza koa ilay olona fa tsy noho ny fitiavana no ankatoavan’izy rehetra anao, fa noho ianao mamelona azy fotsiny. Inona no fomba tsara indrindra handaminana an’ilay olana? Hino ve ny olona fa diso ilay mpiampanga, raha vonoinao izy? Tsy aleo ve ny zanakao mihitsy no avela hanaporofo fa ray be fitiavana sy manao ny rariny ianao, ary miara-mipetraka aminao izy ireo satria tia anao? Ahoana anefa raha mino ny tenin’ilay mpiampanga ny zanakao sasany, ka miala ao an-trano ary mahita olana satria nanao izay tiany fotsiny? Hiaiky ny olona fa ho sambatra kokoa ireo zanakao ireo, raha nanaraka ny tari-dalanao.

Mba mahasoa antsika ihany ve ny namelan’Andriamanitra ny ratsy hisy hatramin’izao?

2 Pet. 3:9: “Tsy mba ela i Jehovah raha ny amin’ny fampanantenany, araka izay heverin’ny sasany ho fahelana, fa manam-paharetana aminareo izy, satria tsy tiany hisy ho ringana fa mba ho tonga amin’ny fibebahana kosa ny rehetra.” (Afaka mibebaka isika satria maneho faharetana i Jehovah hatramin’izao. Afaka mifidy ny hanaiky ny fitondrany ara-drariny koa isika, ka tsy hanapa-kevitra samirery ny amin’izay tsara sy ratsy.)

Rom. 9:14-24: “Inona àry no holazaintsika? Misy tsy rariny ve amin’Andriamanitra? Sanatria izany! ... Ahoana raha toa Andriamanitra ka nandefitra sy be fahari-po tamin’ny fanaky ny fahatezerana izay mendrika haringana [izany hoe navelany hisy mandritra ny fotoana kelikely aloha ny ratsy fanahy], na dia te hampiseho ny fahatezerany sy hampahafantatra ny heriny aza izy? Ahoana raha nanao izany izy mba hampahafantarany ny harenan’ny voninahiny amin’ny fanaky ny famindram-po, izay nomaniny mialoha hahazo voninahitra [izany hoe hararaotiny ilay fotoana mba hanehoana famindram-po amin’ny olona sasany], dia isika izay nantsoiny, tsy avy tamin’ny Jiosy ihany, fa avy tamin’ny hafa firenena koa?” (Mbola tsy nandringana an’ireo ratsy fanahy àry Andriamanitra, mba hifidianany an’ireo hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra. Nahoana izany no ara-drariny? Nanao izany Izy mba hitahiana ny karazan’olona rehetra, ka hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa an-tany. Ampitahao amin’ny Salamo 37:10, 11.)

Raha misy milaza hoe:

‘Nahoana no avelan’Andriamanitra hisy ny faharatsiana?’

Azonao valiana hoe: ‘Tsara ny fanontanianao. Maro koa ny mpanompon’Andriamanitra sahiran-tsaina noho ny faharatsiana tamin’ny androny. (Hab. 1:3, 13)’ Azonao ampiana hoe: 1) ‘Tsy hoe tsy miraharaha antsika akory Andriamanitra. Manome toky antsika kosa izy fa efa nanendry fotoana handringanany an’ireo ratsy fanahy. (Hab. 2:3)’ 2) ‘Inona àry no tokony hataontsika raha tiantsika ny ho tafavoaka velona amin’izany? (Hab. 2:4b; Zef. 2:3)’

Na hoe: ‘Tsara ny nametrahanao an’izany fanontaniana izany. Maro koa ny olona tso-po sahiran-tsaina amin’izany. Ato misy fanazavana mamaly ny fanontanianao. (Iaraho vakina ny fanazavana sasany ao amin’ny  pejy 131-133.)’

‘Efa ela ihany izay nisian’ny faharatsiana izay, ka tsy mino aho hoe hanao zavatra Andriamanitra’

Azonao valiana hoe: ‘Faly aho fa mino an’Andriamanitra ianao. Marina tokoa fa be dia be ny faharatsiana sady efa nisy hatry ny ela be. Efa noeritreretinao anefa ve ny hoe...? (Resaho ny hevitra eo amin’ny  fehintsoratra 1, pejy 131, izay milaza fa efa ela be Andriamanitra no niaritra izany.)’

Na hoe: ‘Iarahantsika manaiky angamba fa raha vitan’ny olona iray ny manao trano, dia ho vitany koa ny manadio azy io. ... Andriamanitra no nanao ny tany, ka tsy ho sarotra aminy ny hanadio azy io. Nahoana àry izy no miandry ela be toy izao? Hitako fa tena mahafa-po ity valiny ato ity. Ahoana no fahitanao azy ity? (Iaraho mamaky ny fanazavana ao amin’ny  pejy 131-133.)’