Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Faminaniana

Faminaniana

Famaritana: Hafatra avy amin’Andriamanitra momba ny sitrapony sy ny fikasany. Mety ho filazana mialoha ny hoavy ny faminaniana, na fampianarana avy amin’Andriamanitra, na fanambarana ny didiny sy ny didim-pitsarany.

Inona avy ireo faminanian’ny Baiboly efa tanteraka?

Jereo ny loha hevitra hoe “Baiboly”, “Andro Farany”, “Daty”, ary ny boky “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”, pejy 343-346.

Inona no faminaniana miavaka ao amin’ny Baiboly mbola ho tanteraka?

1 Tes. 5:3: “Rehefa milaza izy ireo hoe: ‘Fandriampahalemana sy filaminana!’, dia hanjo azy avy hatrany ny fandringanana tampoka, toy ny fitrangan’ny fanaintainana eo amin’ny vehivavy mihetsi-jaza. Ary tsy ho afa-mandositra mihitsy izy ireo.”

Apok. 17:16: “Ny tandroka folo efa hitanao, sy ilay bibidia, dia hankahala an’ilay mpivaro-tena [Babylona Lehibe] ka handroba izay ananany rehetra sy hampitanjaka azy, ary hanapitra ny nofony sy handoro azy tanteraka amin’ny afo.”

Ezek. 38:14-19: “Lazao amin’i Goga hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Amin’izany andro izany, dia azo antoka fa ho fantatrao hoe hitoetra tsy amin’ahiahy ny Israely [ara-panahy] oloko. Dia ho tonga avy any amin’izay misy anao ianao, eny, ho tonga avy any amin’ny farany avaratra, hiaraka amin’ny firenena maro...” “Amin’izany andro izany, amin’ilay andro hamelezan’i Goga ny tanin’ny Israely”, hoy i Jehovah Tompo Fara Tampony, “dia ho tezitra mafy aho. Ary hiteny amin-kafanam-po sy amin-katezerana mafy aho.” ’ ”

Dan. 2:44: “[Hotorotoroin’ny Fanjakan’Andriamanitra] sy hofoanany ireo fanjakana rehetra [an’olombelona] ireo, fa izy kosa haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra.”

Ezek. 38:23: “Izao no hataoko eo imason’ny firenena maro: Hasehoko ny fahalehibeazako sy ny fahamasinako ary hataoko izay hahafantaran’izy ireo ahy. Dia tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehov.”

Apok. 20:1-3: “Hitako fa nisy anjely nidina avy any an-danitra, ary teny an-tanany ny lakilen’ny lavaka mangitsokitsoka sy rojo vy lehibe. Ary nosamboriny ilay dragona, ilay menarana tany am-boalohany, dia ny Devoly sy Satana, ka nofatorany arivo taona, dia natsipiny mafy tao amin’ny lavaka mangitsokitsoka. Ary nohidian’ilay anjely sy nasiany tombo-kase ilay lavaka, mba tsy hahafahan’ilay dragona hamitaka ny firenena intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona. Aorian’izany, dia hovahana vetivety izy.”

Jaona 5:28, 29: “Aza gaga amin’izany fa ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny feony, dia hivoaka izy ireo. Koa izay nanao ny tsara dia hatsangana ho amin’ny fiainana, fa izay zatra nanao ratsy kosa hatsangana ho amin’ny fanamelohana.”

Apok. 21:3, 4: “Tamin’izay aho dia nahare feo mafy avy teo amin’ny seza fiandrianana, nanao hoe: ‘Eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra, ary izy hiara-mitoetra amin’izy ireo, ary ireo ho olony, ka Andriamanitra mihitsy no ho eo aminy. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.’ ”

1 Kor. 15:24-28: “Amin’ny farany, dia hanolotra ny fanjakana amin’Andriamanitra Rainy izy ... Fa rehefa nasaina nanaiky ny Zanaka ny zava-drehetra, dia ny Zanaka mihitsy koa no hanaiky an’Ilay nahatonga ny zava-drehetra hanaiky azy, mba ho Andriamanitra no zava-drehetra ho an’ny rehetra.”

Nahoana no tokony hahaliana ny Kristianina ireo faminanian’ny Baiboly?

Mat. 24:42: “Miambena hatrany àry ianareo, satria tsy fantatrareo ny andro hiavian’ny Tomponareo.”

2 Pet. 1:19-21: “Manana ny teny faminaniana isika, ary natao azo antoka kokoa izy io [noho i Jesosy niova tarehy]. Tsara àry ny ataonareo raha mandinika azy io ianareo, ... satria tsy avy tamin’ny sitrapon’olombelona na oviana na oviana ny faminaniana, fa avy tamin’Andriamanitra kosa no nitenenan’ny olona, araka izay nitarihan’ny fanahy masina azy.”

Ohab. 4:18: “Ny lalan’ny marina kosa dia tahaka ny hazavan’ny maraina izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ny andro.”

Mat. 4:4: “Tsy ny mofo ihany no tsy maintsy iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’ny vavan’i Jehovah koa.” (Anisan’izany ireo faminaniany.)

2 Tim. 3:16: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso, hanafaizana araka ny fahamarinana.” (Ny Tenin’Andriamanitra manontolo mihitsy àry no tokony hianarantsika.)

Raha misy milaza hoe:

‘Ny anareo faminaniana foana! Rehefa manaiky an’i Kristy ho Mpamonjy sy manana toetra kristianina, dia efa ampy izay!’

Azonao valiana hoe: ‘Zava-dehibe tokoa ny manaiky ny anjara asan’i Jesosy Kristy. Fantatrao angamba anefa fa tsy nanaiky an’i Jesosy ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany. Fa nahoana? Satria tsy nandinika tsara ny faminaniana izy ireo.’ Azonao ampiana hoe: 1) ‘Efa nambaran’ny faminaniana ao amin’ny Soratra Hebreo hoe oviana no ho avy ny Mesia (Kristy) ary inona no hataony. Tsy niraharaha an’ireny faminaniana ireny anefa ny ankamaroan’ny Jiosy. Nanana ny heviny manokana momba ny Mesia izy ireo, ka nolaviny ny Zanak’Andriamanitra. (Jereo ny pejy 291, 292, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Jesosy Kristy.”)’ 2) ‘Efa Mpanjaka any an-danitra izao i Kristy, ary misy hafatra asainy torina amin’ny firenena rehetra. (Mat. 24:14) Mila manaiky an’izany koa àry izay manaiky azy ho Mpamonjy.’

Na hoe: ‘Ekeko hoe zava-dehibe ny manana toetra kristianina. Kanefa mety ve raha ny zavatra sasany nampianarin’i Jesosy ihany no arahiko, fa tsy raharahaiko kosa izay nolazainy fa tokony ho loha laharana eo amin’ny fiainana?... Mariho izay nolazainy ato amin’ny Matio 6:33.’ Azonao ampiana hoe: ‘Moa ve i Jesosy tsy nampianatra antsika mba hivavaka ny hahatongavan’io Fanjakana io? Io mihitsy aza no nasainy nangatahina, alohan’ny hangatahana famelan-keloka noho ny finoana azy ho Mpamonjy. (Mat. 6:9-12)’