Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Famonjena

Famonjena

Famaritana: Fiarovana sy fanafahana amin’ny loza na fandringanana. Mety ho olona ampahorina na enjehina no vonjena. Vonjen’i Jehovah amin’ny alalan’ny Zanany ho afaka amin’ity tontolo ratsy ity ny tena Kristianina, ary hafahany amin’ny ota sy ny fahafatesana. Harovana mandritra ny fahoriana lehibe ny vahoaka be, izay anisan’ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika amin’izao “andro farany” izao.

Hovonjen’Andriamanitra ve ny olona rehetra, noho izy be famindram-po?

Te hilaza ve ny 2 Petera 3:9 fa hovonjena ny olona rehetra? Hoy izy io: “Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon’ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very [“ringana”, TV ], fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra.” (Prot.) Mamindra fo Andriamanitra ka tiany hibebaka ny taranak’i Adama rehetra. Efa nanome ny vidim-panavotana izy mba hahazoan’izay mibebaka famelan-keloka. Tsy manery na iza na iza hino an’ilay vidim-panavotana anefa izy. (Ampitahao amin’ny Deoteronomia 30:15-20.) Maro no tsy mino azy io, ka toy ny olona efa ho faty an-drano nefa manilika ny tady atsipin’izay te hamonjy azy. Tsy hampijalina mandrakizay any amin’ny afobe anefa izay tsy mibebaka. Ho very, na “ho ringana” kosa izy ireo, araka ny 2 Petera 3:9. Miresaka ny amin’ny “fandringanana ny ratsy fanahy” koa ny andininy faha-7 (Prot.). Tsy ny olona rehetra àry no hovonjena.—Jereo koa ny loha hevitra hoe “Afobe.”

Porofoin’ny 1 Korintianina 15:22 ve fa ho voavonjy ny olona rehetra? Hoy izy io: “Tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy.” (Prot.) Miresaka momba ny fitsanganana amin’ny maty io toko io. Iza no hatsangana? Izay rehetra maty noho ny ota nolovana tamin’i Adama (andininy faha-21), nefa tsy ninia nanao an’ireo fahotana voalazan’ny Hebreo 10:26-29. Natsangana avy tao amin’ny Fasana i Jesosy (Asa. 2:31). ‘Hovelomina’ na hatsangana amin’ny maty koa àry ireo rehetra ao amin’ny Fasana. (Apok. 1:18; 20:13) Ho voavonjy mandrakizay ve izy rehetra ireo? Tsia, satria lazain’ny Jaona 5:28, 29 fa hisy hahazo “fanamelohana.”

Tsy miresaka ny amin’ny “famonjena ny olona rehetra” ve, ohatra, ny Titosy 2:11 (Prot.)? Mitovitovy amin’izany koa ny hevitra ampitain’ny Jaona 12:32, Romanina 5:18, ary 1 Timoty 2:3, 4, ao amin’ny Prot., Kat., DIEM, JM. Teny grika avy amin’ny fototeny hoe pas no nadika hoe “rehetra” ao amin’ireo andininy ireo. Midika koa hoe “isan-karazany na karazany rehetra” anefa ny hoe pas, araka ny Diksionera Manazava ny Testamenta Vaovao (anglisy, Londres, 1962, Boky I, p. 46) nataon’i Vine. Izany no nahatonga ny TV hanao hoe “karazan’olona rehetra” ao amin’ireo andininy ireo. Iza àry no marina: Ny hoe “olona rehetra” sa “karazan’olona rehetra”? Iza amin’ireo no mifanaraka amin’ny Baiboly manontolo? Ilay hoe “karazan’olona rehetra”, raha jerena ny Asan’ny Apostoly 10:34, 35; Apokalypsy 7:9, 10; 2 Tesalonianina 1:9. (Fanamarihana: Misy mpandika teny hafa koa nandika ny pas hoe “isan-karazany”, toy ny ao amin’ny Matio 5:11, DIEM.)

Misy andininy milaza ve hoe tsy ho voavonjy mihitsy ny olona sasany?

2 Tes. 1:9: “Hiharan’ny sazy vokatry ny didim-pitsarana ireo, dia fandringanana mandrakizay tsy ho eo anoloan’ny Tompo sy ny voninahitry ny heriny.”

Apok. 21:8, Prot.: “Ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin’ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa.”

Mat. 7:13, 14, Prot.: “Midira amin’ny vavahady èty hianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny làlana izay mankany amin’ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. Fa èty ny vavahady, ary tèry ny làlana izay mankany amin’ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy.”

Rehefa voavonjy indray mandeha ve dia voavonjy mandrakizay?

Joda 5, Prot.: “Ta-hampahatsiaro anareo aho, na dia efa fantatrareo rahateo aza ny zavatra rehetra, fa rehefa novonjen’ny Tompo ho afaka tany Egypta ny olona, dia naringany ihany tao aorian’izany izay tsy nino.” (Izahay no manao sora-mandry.)

Mat. 24:13, Prot.: “Izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena.” (Tsy hoe vao mino an’i Jesosy àry ny olona iray dia ho voavonjy mandrakizay.)

Fil. 2:12, Prot.: “Tahaka ny nanekenareo mandrakariva, tsy fony teo aminareo ihany aho, fa ankehitriny dia bebe kokoa aza raha tsy eo aho, miasà amin’ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo.” (Izany no nolazain’i Paoly tamin’ny “olona masina” tany Filipy, araka ny Filipianina 1:1. Nampitandremany izy ireo mba tsy hatoky tena loatra, satria mbola tsy azo antoka hoe ho voavonjy mandrakizay izy ireo.)

Heb. 10:26, 27, Prot.: “Raha minia manota isika rehefa nahazo ny fahalalana tsara ny marina, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony, fa fiandrasana mahatahotra amin’ny fitsarana ary fahatezerana mirehitra izay handany ny fahavalo rehetra kosa.” (Tsy mampianatra àry ny Baiboly hoe rehefa “voavonjy” ny olona iray, dia ho voavonjy foana izy, na inona na inona fahotana ataony atỳ aoriana. Tokony tsy hivadika kosa izy. Jereo koa ny Hebreo 6:4-6, izay milaza fa na ny olona efa voahosotry ny fanahy masina aza dia mety tsy ho voavonjy indray.)

Inona koa no ilaina ankoatra ny finoana, mba ho voavonjy?

Efes. 2:8, 9, Prot.: “Fa fahasoavana [“hatsaram-panahy tsy manam-paharoa”, TV ] no namonjena anareo amin’ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra; tsy avy amin’ny asa, fandrao hisy hirehareha.” (Hatsaram-panahy tsy manam-paharoa avy amin’Andriamanitra ny zava-drehetra nataony hamonjena ny olona. Tsy misy taranak’i Adama hahazo famonjena noho ny ezaka ataony fotsiny. Fanomezan’Andriamanitra kosa ny famonjena, ka homeny an’izay mino ny sorom-panavotan’ny Zanany.)

Heb. 5:9: “Izy [Jesosy], dia nahatonga an’izay rehetra mankatò azy hahazo famonjena mandrakizay.” (Moa ve izany mifanohitra amin’izay voalaza tetsy aloha hoe ‘ny finoana no hamonjena’ ny Kristianina? Tsia. Midika fotsiny izany hoe mankatò an’i Jesosy izay tena mino azy.)

Jak. 2:14, 26, Prot.: “Inona moa no soa azo, ry rahalahiko, raha misy milaza fa manam-pinoana izy, nefa tsy manana asa? Ny finoana va mahavonjy azy? Fa maty ny tena, raha tsy misy fanahy, ary maty toy izany koa ny finoana, raha tsy misy asa.” (Tsy ho tambin’ny ezaka ataon’ny olona iray ny famonjena azy. Hiezaka hankatò ny didin’Andriamanitra sy Kristy anefa izy, mba hampisehoany fa manam-pinoana sy fitiavana izy. Ho faty ny finoany, raha tsy izany.)

Asa. 16:30, 31, Prot.: “Tompoko, inona no mety hataoko, mba hovonjena aho? Dia hoy izy roa lahy [Paoly sy Silasy]: Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena hianao sy ny ankohonanao.” (Raha tena nino io lehilahy io sy ny ankohonany, dia azo antoka fa nanao zavatra nifanaraka tamin’izay ninoany izy ireo.)

Raha misy milaza hoe:

‘Efa voavonjy aho’

Azonao valiana hoe: ‘Faly aho mandre an’izany satria midika izany fa mino an’i Jesosy Kristy ianao. I Jesosy mihitsy no nandidy ny mpianany hitory ilay Fanjakana, toy izao ataonay izao. (Mat. 24:14)’ Azonao ampiana hoe: 1) ‘Inona moa io Fanjakana io, ary inona no hataony? (Dan. 2:44)’ 2) ‘Hanao ahoana ny fiainana eto an-tany rehefa hitondra izy io? (Sal. 37:11; Apok. 21:3, 4)’

Na hoe: ‘Azo antoka fa ekenao ny voalazan’ny apostoly Petera ato amin’ny Asan’ny Apostoly 4:12 ... Iza anefa no nanome anarana an’i Jesosy mba hinoantsika azy?’ Azonao ampiana hoe: 1) ‘Mariho izay nolazain’i Jesosy momba izany. (Jaona 17:3)’ 2) ‘Nilaza koa i Jesosy fa nampahafantatra ny anaran’ny Rainy izy. (Jaona 17:6) Iza izany anarana izany? Toetrany inona avy no tonga ao an-tsainao rehefa mandre ny anarany ianao? (Eks. 3:15; 34:5-7)’

‘Efa voavonjy ve ianao?’

Azonao valiana hoe: ‘Ie, hatramin’izao aloha. Mampitandrina antsika mantsy ny Baiboly mba tsy hatoky tena loatra. Efa novakinao ve ny andininy milaza izany? (1 Kor. 10:12)’ Azonao ampiana hoe: ‘Nahoana isika no mila mitandrina? Nisy mantsy olona efa nateraka indray sy nanantena ny ho any an-danitra (Heb. 3:1), nefa nilazan’ny apostoly Paoly hoe... (Heb. 3:12-14) Mila mampitombo ny fahalalantsika ny Tenin’Andriamanitra àry isika mba hanatanjahana ny finoantsika.’

Na hoe: ‘Ie. Fantatrao anefa ve ity karazana famonjena voalazan’ny Apokalypsy 7:9, 10, 14 ity?... Hisy àry olona ho voavonjy amin’ny fahoriana lehibe ho avy, ary hiaina eto an-tany izy ireo. (Mat. 5:5)’

‘Manaiky an’i Jesosy ho Mpamonjy ve ianareo?’

Jereo ny pejy 300, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Jesosy Kristy.

‘Milaza ianareo fa 144 000 monja no ho voavonjy’

Azonao valiana hoe: ‘Misaotra anao niresaka momba izany, satria afaka manazava aminao izay tena inoanay aho izao. Afaka ny ho voavonjy izay rehetra mino ny soron’i Jesosy. Milaza anefa ny Baiboly fa 144 000 monja no hiaraka amin’i Kristy any an-danitra. Efa namaky an’izany tao amin’ny Baiboly ve ianao?... Ato amin’ny Apokalypsy 14:1, 3 izany.’ Azonao ampiana hoe: 1) ‘Inona no hataon’izy ireo any an-danitra? (Apok. 20:6)’ 2) ‘Midika izany fa tsy maintsy hisy olona hanjakany. Iza moa izy ireo?... (Mat. 5:5; 6:10)’