Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fampaherezana

Fampaherezana

Famaritana: Fanomezana herim-po sy fanantenana. Mila fampaherezana daholo ny rehetra. Anisan’ny fampaherezana ny manao teny fiderana, na manampy olona hahita ny fomba hiatrehana olana, na manazava aminy fa misy antony anantenana hoavy tsara kokoa. Ny Baiboly no fitaovana tsara indrindra azo ampaherezana olona, na inona na inona toe-javatra misy azy, ary azo ampiasaina ireo andinin-teny etsy ambany. Ampy fotsiny anefa indraindray ny miara-miory aminy.—Rom. 12:15.

Ho an’izay MARARY

Apok. 21:4, 5: “ ‘[Hofafan’Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.’ Ary hoy Ilay nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana: ‘Ataoko vaovao ny zava-drehetra.’ Hoy koa izy: ‘Soraty fa azo antoka sady marina ireo teny ireo.’ ”

Mat. 9:35: “Ary i Jesosy nandeha nitety ny tanàna rehetra, na kely na lehibe, ka nampianatra ... sy nitory ny vaovao tsaran’ilay fanjakana ary nanasitrana ny karazan’aretina rehetra sy ny karazana kilema rehetra.” (Sady nitory momba ilay Fanjakana i Jesosy no nanasitrana. Nasehony tamin’izany fa hanasitrana ny olombelona izy mandritra ny Fanjakany Arivo Taona.)

2 Kor. 4:13, 16: “Mino koa izahay ... Koa tsy kivy izahay, fa na mihaosa aza ny tenanay ivelany [ny vatana], dia azo antoka fa havaozina [na omena hery vao] isan’andro kosa ny tenanay anaty.” (Mety hihaosa ny vatantsika, nefa mahazo hery indray hanompoana an’Andriamanitra isika rehefa misaintsaina ny fampanantenany.)

Jereo koa ny Lioka 7:20-23.

Ho an’izay MATY havana

Isaia 25:8, 9: “Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana. Hofafan’i Jehovah Tompo Fara Tampony koa ny ranomaso amin’ny tarehy rehetra ... Amin’izany andro izany, dia hisy hilaza hoe: ‘Izy no Andriamanitsika, ary manantena azy isika, ka hamonjy antsika izy. Izy no Jehovah, ary manantena azy isika. Koa aoka isika hifaly sy hiravoravo noho ny famonjeny.’ ”

Jaona 5:28, 29: “Aza gaga amin’izany fa ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny feony, dia hivoaka izy ireo. Koa izay nanao ny tsara dia hatsangana ho amin’ny fiainana, fa izay zatra nanao ratsy kosa hatsangana ho amin’ny fanamelohana.”

Jaona 11:25, 26: “Koa hoy i Jesosy: ‘Izaho no fananganana ny maty sy fiainana. Izay maneho finoana ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka maneho finoana ahy dia tsy ho faty mihitsy. Mino izany ve ianao?’ ”

Sal. 146:5, 9: “Sambatra izay ... manantena an’i Jehovah Andriamaniny ... Manao izay hahamaivana ny fahorian’ny kamboty ray sy ny mpitondratena [Izy].” (Dieny izao Andriamanitra dia efa miahy an’ireo nidonam-pahoriana.)

Jereo koa ny Lioka 7:11-16; 8:49-56.

Ho an’izay ENJEHINA noho izy manao ny sitrapon’Andriamanitra

Sal. 27:10: “Na mandao ahy aza ny raiko sy ny reniko, dia handray ahy kosa i Jehovah.”

1 Pet. 4:16: “Raha misy mijaly satria Kristianina, dia aoka tsy ho menatra izy, fa aoka kosa hankalaza hatrany an’Andriamanitra amin’izany anarana izany.”

Ohab. 27:11: “Hendre, anaka, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako an’ilay manaratsy ahy.” (Rehefa tsy mivadika isika, dia manaporofo fa diso ilay fiampangan’i Satana hoe tsy hanompo an’Andriamanitra intsony izay mijaly mafy.)

Mat. 5:10-12: “Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana, fa azy ny fanjakan’ny lanitra. Sambatra ianareo raha tevatevain’ny olona sy enjehiny ary amoronany lainga ka lazainy fa nanao izao zava-dratsy rehetra izao, noho ny amiko. Mifalia sy miravoravoa fatratra, satria lehibe ny valisoanareo any an-danitra. Fa toy izany no nanenjehany ny mpaminany talohanareo.”

Asa. 5:41, 42: “Koa niala teo anatrehan’ny Fitsarana Avo Jiosy [ireo apostoly], sady faly satria natao mendrika ny ho afa-baraka noho izany anarany izany. Tsy nitsahatra nampianatra sy nitory ny vaovao tsara momba an’i Kristy, izany hoe i Jesosy, izy ireo isan’andro, na tao amin’ny tempoly na isan-trano.”

Fil. 1:27-29: “Ny hany teniko dia izao: Aoka ianareo hitondra tena mendrika ny vaovao tsara momba an’i Kristy, ... ary tsy manaiky hampitahorin’ireo mpanohitra anareo mihitsy. Izany tsy fahatahoranareo izany indrindra mantsy no porofon’ny handringanana azy ireny, fa porofon’ny hamonjena anareo kosa. Ary avy amin’Andriamanitra izany, satria ianareo no nomena voninahitra noho ny amin’i Kristy, tsy voninahitra haneho finoana azy ihany, fa hijaly noho ny aminy koa.”

Ho an’izay kivy noho ny TSY RARINY

Sal. 37:10, 11: “Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy intsony ny ratsy fanahy. Handinika an’izay nisy azy ianao, nefa tsy ho eo intsony izy. Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany, ka tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be.”

Isaia 9:6, 7: “Misy zaza teraka ho antsika, zazalahy no homena antsika, ary ho eo an-tsorony ny fahefan’andriana. Ny anarany dia hatao hoe Mpanolo-tsaina Mahagaga, Andriamanitra Mahery, Ray Mandrakizay, Andrianan’ny Fiadanana. Tsy hanam-pahataperana izany fahefana lehibe ananany izany ary tsy hisy farany koa ny fiadanana, eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida sy ny fanjakany. Ho mafy orina izy io, ary ny rariny sy ny hitsiny no hampitoetra azy, manomboka izao ka hatramin’ny fotoana tsy voafetra. Ny hafanam-pon’i Jehovah Tompon’ny tafika no hanatanteraka izany.”

Dan. 2:44: “Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo, dia hanorina fanjakana tsy ho rava mandrakizay ilay Andriamanitry ny lanitra, ary tsy ho lasan’olon-kafa izany fanjakana izany. Hotorotoroin’izy io sy hofoanany ireo fanjakana rehetra ireo, fa izy kosa haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra.”

Jereo koa ny Isaia 32:1, 2; 2 Petera 3:13.

Ho an’izay MAHANTRA na SAHIRANA ARA-BOLA

Isaia 65:21, 22: “Hanao trano ny olona ka honina ao, ary hanao tanimboaloboka ka hihinana ny vokatra avy amin’izany. Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’ny olon-kafa. ... Hanaram-po amin’ny asan’ny tanany ny olom-boafidiko.”

Sal. 72:8, 16: “Hisy [olom-pehezin’i Mesia Mpanjaka] hatrany amin’ny ranomasina ka hatrany amin’ny ranomasina, ary hatrany amin’ny Renirano ka hatrany amin’ny faran’ny tany. Hahavokatra be ny tany, ary na eny an-tampon-tendrombohitra aza dia ho be ny vokatra.”

Mat. 6:33: “Katsaho foana àry aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia homena anareo koa izany [zavatra ilaina andavanandro] rehetra izany.”

Rom. 8:35, 38, 39: “Inona no hampisaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy? Fahoriana ve, sa fijaliana, sa fanenjehana, sa hanoanana, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra? Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na fitondram-panjakana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na zavaboary hafa, dia tsy hisy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra, izay aseho amin’ny alalan’i Kristy Jesosy Tompontsika.”

Jereo koa ny Hebreo 13:5, 6.

Ho an’izay kivy noho ny FAHADISOANA nataony

Sal. 34:18: “Akaikin’izay torotoro fo i Jehovah, ary mamonjy an’izay ketraka.”

Sal. 103:13, 14: “Toy ny iantran’ny ray ny zanany no iantran’i Jehovah an’izay matahotra azy. Fa fantany tsara ny nanaovana antsika, ary tsaroany fa vovoka ihany isika.”

Neh. 9:17: “Andriamanitra mamela heloka anefa ianao, sady tsara fanahy, mamindra fo, tsy mora tezitra ary be hatsaram-panahy feno fitiavana.”

2 Pet. 3:9, 15: “Tsy mba ela i Jehovah raha ny amin’ny fampanantenany, araka izay heverin’ny sasany ho fahelana, fa manam-paharetana aminareo izy, satria tsy tiany hisy ho ringana fa mba ho tonga amin’ny fibebahana kosa ny rehetra. Ankoatra izany, dia hevero ho famonjena ny faharetan’ny Tompontsika.”