Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fampidiran-dresaka Azo Ampiasaina eny Am-pitoriana

Fampidiran-dresaka Azo Ampiasaina eny Am-pitoriana

Fanamarihana: Diniho tsara aloha ireto zavatra telo ireto, alohan’ny hifidiananao izay fampidiran-dresaka ampiasainao: 1) Ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana” no asaina torintsika. (Mat. 24:14) Na dia tsy miresaka mivantana momba ny vaovao tsara aza anefa isika, dia tokony hotadiavintsika foana izay fomba hanampiana ny olona hahatsapa hoe ilainy ny mandre izany. Ilaintsika koa angamba indraindray ny manampy ny olona mba hahatonga azy ho vonona hihaino. 2) Hanohina ny fon’ny olona iresahantsika isika raha tena miahy azy ireny, toy ny nataon’i Jesosy. (Mar. 6:34) Azontsika atao, ohatra, ny mitsiky sy misariaka aminy, mihaino ny teniny ka mampifanaraka izay lazaintsika amin’izany, ary mametraka fanontaniana mba hahalalana ny heviny. Milaza, ohatra, ny 1 Korintianina 9:19-23 fa nampifanarahin’ny apostoly Paoly tamin’ny olona niresahany ny fomba fitoriny. 3) Mila manaraka ny fomba eo an-toerana ny mpitory any amin’ny faritra sasany, vao afaka milaza ny anton-diany. Any amin’ny faritra hafa kosa, dia antenaina hilaza avy hatrany ny anton-diany ny vahiny tsy nampoizina.—Ampitahao amin’ny Lioka 10:5.

Hijery fampidiran-dresaka nampiasain’ny Vavolombelona sasany efa za-draharaha isika izao. Azonao andramana ny sasany amin’izy ireo, raha tsy dia nahomby loatra ny fampidiran-dresaka nampiasainao. Ataovy amin’ny fomba fiteninao izany. Azonao atao koa ny mangataka soso-kevitra amin’ireo Vavolombelona mahay manombo-dresaka, izay iray fiangonana aminao.

ADY/FANDRIAMPAHALEMANA

● ‘Atahoran’ny olona ankehitriny ny hisian’ny ady niokleary (na fampihorohoroana). Araka ny hevitrao, mbola hisy ve ny tena fandriampahalemana indray andro any?... (Sal. 46:8, 9; Isaia 9:6, 7)’

● ‘Maniry hiresaka amin’ireo olona te hiaina ao amin’ny tontolo iray tsy misy ady izahay. Nisy ady an-jatony tamin’iny taonjato faha-20 iny, anisan’izany ireo ady lehibe roa. Atahorana indray izao ny hisian’ny ady niokleary. Araka ny hevitrao, inona no tokony hatao mba tsy hisian’ny ady toy izany?... Iza no afaka mitondra ny tena fandriampahalemana?... (Mika 4:2-4)’

● ‘Saika ny rehetra no maniry ny hisian’ny fandriampahalemana, ary na ny mpitondra eran-tany koa aza maniry izany. Nahoana àry izany no mbola tsy tanteraka foana?... (Apok. 12:7-12)’

ANDRO FARANY

● ‘Mitsidika anao izahay mba hanazava ny anton’ireo zava-mitranga ankehitriny. Mihamaro ny olona tsy miraharaha an’Andriamanitra sy ny fitsipiny, ka misy fiantraikany eo amin’ny fifampitondran’izy ireo izany. Andao ange isika hamaky ny 2 Timoty 3:1-5 e, ary diniho raha izany tokoa no hitantsika ankehitriny. (Vakio) ... Azo antenaina anefa ve fa mbola hisy fiainana tsara kokoa amin’ny hoavy? (2 Pet. 3:13)’

● ‘Maro ny olona mino fa hifarana tsy ho ela ity tontolo ity. Fantatrao anefa ve fa milaza ny Baiboly hoe mety ho tafavoaka velona amin’izany isika, ka hiaina ao amin’ny tany lasa paradisa? (Zef. 2:2, 3)’ (Jereo koa ny loha hevitra hoe “Andro Farany”, pejy 65-74.)

Jereo koa ilay hoe  “Vaovao Farany” ato amin’ity fizarana ity.

ASA/TRANO

● ‘Niresaka tamin’ny olona izahay androany momba ny tsy fananana asa sy trano. Araka ny hevitrao, hisy fanjakan’olombelona hahavita hanome asa sy trano ho an’ny rehetra ve?... Afaka mamaha an’izany olana izany anefa ilay Mpamorona ny olombelona. (Isaia 65:21-23)’

● ‘Miresaka amin’ny olona izahay momba ny atao hoe fanjakana tsara tantana. Ny ankamaroan’ny olona no maniry ny hisian’ny fitondram-panjakana tsy manao kolikoly, sy manome asa sy trano tsara ho an’ny rehetra. Mety hisy fitondram-panjakana hahavita izany ve?... (Sal. 97:1, 2; Isaia 65:21-23)’ (Jereo koa ny loha hevitra hoe “Fitondram-panjakana”, pejy 235-239.)

BAIBOLY/ANDRIAMANITRA

● ‘Manahoana tompoko! Mitsidika vetivety anao izahay mba hilaza hafatra lehibe avy ao amin’ny Baiboly. Mariho ange ity voalaza ity e! (Vakio, ohatra, ny Apokalypsy 21:3, 4.) Ahoana no fahitanao izany? Tsy mahafinaritra ve?’

● ‘Miresaka amin’ny olona izahay hoe aiza no ahitana torohevitra iatrehana ny olana eo amin’ny fiainana. Nitady vahaolana tao amin’ny Baiboly ny olona taloha, nefa vitsy ny manao izany ankehitriny. Ahoana no fahitanao izany? Tenin’Andriamanitra ve ny Baiboly aminao, sa boky nosoratan’olombelona fotsiny?... Raha avy amin’Andriamanitra izy io, ahoana no ahazoantsika antoka ny amin’izany?’ (Jereo ny loha hevitra hoe “Baiboly”, pejy 85-94.)

● ‘Faly izahay mahita anao. Misy hevitra mampahery avy ao amin’ny Baiboly (na ny Soratra Masina) resahinay amin’ny olona. Efa nanontany tena ve ianao hoe...? (Mametraha fanontaniana mampiditra ilay resaka efa nomaninao.)’

● ‘Mampirisika ny olona hamaky Baiboly izahay. Matetika no gaga ny olona mahita fa voavaly ao ny fanontaniana lehibe, toy ny hoe... (Sal. 104:5; na Dan. 2:44; na andinin-teny hafa).’

● ‘Mitsidika ny olona amin’ity faritra ity izahay androany. Nisy tamin’ireo olona niresahanay matoky an’Andriamanitra, fa ny hafa kosa tsy mino Azy. Ahoana ny hevitrao?... Mampirisika antsika handinika ny zavatra eny amin’ny lanitra ny Baiboly. (Sal. 19:1) Misy lalàna mampirindra tsara an’ireny. Ilay nanao an’izany lalàna izany no manome tari-dalana antsika. (Sal. 19:7-9)’ (Jereo koa ny loha hevitra hoe “Andriamanitra” sy “Famoronana”, pejy 36-43, 150-154.)

FAHANTERANA/FAHAFATESANA

● ‘Efa nieritreritra ve ianao hoe nahoana isika no mihantitra sy maty? Misy soka-dranomasina velona zato taona mahery, ary misy hazo velona arivo taona mahery. Ny olombelona anefa velona 70 na 80 taona monja dia maty. Efa nieritreritra ve ianao hoe nahoana?... (Rom. 5:12) Hiova ve izany indray andro any?... (Apok. 21:3, 4)’

● ‘Araka ny hevitrao, tsy misy na inona na inona azo antenaina intsony ve aorian’ny fahafatesana, sa mbola misy ihany?... Voavalin’ny Baiboly daholo izay mety ho fanontaniantsika momba ny fahafatesana. (Mpito. 9:5, 10) Resahiny koa fa misy ny tena fanantenana ho an’ireo olona manam-pinoana. (Jaona 11:25)’ (Jereo koa ny pejy 119-126 sy 155, 156 eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Fahafatesana” sy “Fampaherezana.”)

FAMPIANARANA BAIBOLY ANY AN-TRANO

● ‘Mampirisika ny olona hianatra Baiboly izahay. Maimaim-poana izany sady azo atao atỳ an-tranonao. Fianakaviana maro no efa manao izany any amin’ny tany 200 mahery. Raha tsy mampaninona anao, dia asehoko anao vetivety ny fomba fianarana Baiboly. Afaka mifidy iray amin’ireto loha hevitra ireto ianao. (Asehoy azy ny loha hevitra ao amin’ilay boky fianarana Baiboly.) Iza amin’ireo no tena mahaliana anao?’

● ‘Mampiseho an’ity boky fianarana Baiboly ity amin’ny olona izahay. (Asehoy ilay izy.) Efa nahita hoatran’ity ve ianao?... Raha manam-potoana kely ianao, dia asehoko anao vetivety ny fomba fianarana Baiboly amin’ny alalan’izy ity.’

FANJAKANA

● ‘Tsy misy fandriampahalemana ankehitriny, sady misondrotra ny vidim-piainana (na milazà zavatra hafa mampanahy ny maro). Irin’ny olona maro àry ny hisian’ny fitondram-panjakana afaka hamaha ireo olana ireo. Tena hahafinaritra tokoa raha misy izany e?... Misy fitondram-panjakana mahavita izany anefa ve, araka ny hevitrao?... Olona maro, raha ny marina, no efa nivavaka ny hiavian’ny fitondram-panjakana toy izany. Mino aho fa na ianao koa aza efa nivavaka ny hahatongavan’izy io. Vitsy anefa no mieritreritra hoe tena fitondram-panjakana izy io. (Dan. 2:44; Sal. 67:6, 7; Mika 4:4)’ (Jereo koa ny loha hevitra hoe “Fanjakan’Andriamanitra” sy “Fitondram-panjakana”, pejy 184-193 sy 235-239.)

● ‘Misy fanontaniana napetrakay tamin’ny olona notsidihinay, ka mba tianay ho fantatra koa ny hevitrao. Hainao tsara angamba ilay vavaka nampianarin’ny Tompo. Mangataka isika amin’izy iny hoe “ho tonga anie ny Fanjakanao ary hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” Araka ny hevitrao, mbola ho voavaly ve iny vavaka iny, ka hatao etỳ an-tany tokoa ny sitrapon’Andriamanitra indray andro any?... (Isaia 55:10, 11; Apok. 21:3-5)’

● ‘Miresaka momba ny safidy tsy maintsy ataontsika rehetra izahay. Iza no tiantsika kokoa: Ny Fanjakan’Andriamanitra sa ny fitondran’olombelona? Raha jerena ny zava-misy eran-tany, mila fitondram-panjakana hafa noho ny an’ny olombelona ve isika?... (Mat. 6:9, 10; Sal. 146:3-5)’

FIAINANA/FAHASAMBARANA

● ‘Tianay ny hiresaka amin’ny olona te hahafantatra hoe inona marina no zava-kendren’ny fiainana. Misy olona azo lazaina hoe sambatra ihany, kanefa mbola miatrika olana maro izy ireo. Rehefa mihalehibe isika, dia hitantsika fa tena fohy ny fiainana. Tsy natao hiaina afa-tsy taona vitsivitsy toy izany ve isika? Ahoana ny hevitrao?... (Resaho ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany, tany Edena. Vakio avy eo ny Jaona 17:3 sy ny Apokalypsy 21:3, 4.)’ (Jereo koa ny loha hevitra hoe “Fiainana”, pejy 202-207.)

● ‘Manontany ny olona izahay hoe ahoana no fahazoan’izy ireo ilay teny hoe “fiainana mandrakizay” ao amin’ny Baiboly. Miverimberina in-40 eo ho eo mantsy io teny io ao. Mety hanao ahoana izany fiainana mandrakizay izany?... Ahoana no ahazoantsika izany? (Jaona 17:3; Apok. 21:4)’

● ‘Miresaka amin’ny olona momba ny fiainana izahay androany. Faly ny ankamaroantsika fa mbola velona, kanefa maro no manontany tena raha hisy izany hoe tena fahasambarana izany. Ahoana ny hevitrao?... Inona no heverinao hoe sakana iray lehibe mahatonga ny olona tsy ho sambatra?... (Sal. 1:1, 2; na andinin-teny hafa mifanaraka amin’izay resahin’ilay olona)’

FIANAKAVIANA/ZANAKA

● ‘Olona maro no te hahafantatra hoe ahoana no iatrehana ny olana ao an-tokantrano. Azo inoana fa efa samy miezaka daholo isika, kanefa tsy hahafinaritra ve raha misy torohevitra hanampy antsika hahomby kokoa?... (Kol. 3:12, 18-21) Mampanantena hoavy tena tsara ho an’ny fianakaviantsika koa ny Baiboly. (Apok. 21:3, 4)’

● ‘Tiantsika ho sambatra ny zanatsika, nefa maro be ny olana eo amin’ny fiainana. Mety mbola ho voalamina ve izy rehetra ireny?... Raha izany no izy, karazam-piainana manao ahoana no ho hitan’ny zanatsika rehefa ho lehibe izy ireo?... Milaza ny Baiboly fa hovan’Andriamanitra ho toerana mahafinaritra ity tanintsika ity. (Sal. 37:10, 11) Miankina amin’ny safidy ataontsika dieny izao anefa no hahitan’ny zanatsika izany na tsia. (Deot. 30:19)’

FITIAVANA/HATSARAM-PANAHY

● ‘Maro no manahy satria tsy tena misy fitiavana intsony eo amin’ny fiaraha-monina. Izany koa ve no tsapanao?... Inona no mety ho anton’izany tsy fisian’ny fitiavana izany?... Fantatrao ve fa efa nilaza izany ny Baiboly? (2 Tim. 3:1-4) Hazavainy koa ny antony mahatonga izany. (1 Jaona 4:8)’

● ‘—— no anarako. Mipetraka etỳ akaiky etỳ aho. Mitsidika vetivety anao izahay mba hiresaka momba ny zavatra iray tena mampanahy, izay mety ho efa tsikaritrao koa. Vitsy ny olona tsara fanahy amin’izao fotoana izao, nefa tsy sarotra ny maneho izany toetra izany. Efa nanontany tena ve ianao hoe nahoana no lasa toy izany ny olona?... (Mat. 24:12; 1 Jaona 4:8)’

HARA-MAGEDONA

● ‘Maro ny olona matahotra an’izany hoe “faran’izao tontolo izao” izany. Misy mihevitra fa ady niokleary izy io. Fantatrao anefa ve fa hafa mihitsy ny zavatra hitranga rehefa hifarana ity tontolo ity, araka ny voalazan’ny Baiboly?... Antsoin’ny Baiboly hoe “Hara-magedona” izany. (Apok. 16:14, 16) Voalaza ao koa izay azontsika atao raha tiantsika ny ho tafavoaka velona amin’izany. (Zef. 2:2, 3)’ (Jereo koa ny loha hevitra hoe “Hara-magedona”, pejy 268-273.)

HELOKA BEVAVA/TSY FILAMINANA

● ‘Manahoana tompoko! Voamarikao angamba fa nitombo ny halatra sy ny vonoan’olona tato ho ato. Ary na isika aza tsy voaro amin’izany. Azo antenaina ve fa ho foana izany rehetra izany indray andro any, ka tsy hatahotra intsony isika? (Na: Heverinao ve fa misy olona mahavaha an’izany olana izany?) ... (Ohab. 15:3; Sal. 37:10, 11)’

● ‘—— no anarako. Mipetraka etỳ amin’ny manodidina etỳ ihany aho. Voamarikao angamba fa lasa resa-be teto an-tanàna ilay (miresaha heloka bevava nitranga vao haingana, na zavatra hafa mampanahy ny olona). Ahoana no fahitanao an’iny zava-nitranga iny?... Inona no heverinao fa azo atao mba hahatonga antsika tsy hanana ahiahy be loatra?... (Ohab. 1:33; 3:5, 6)’

HOAVY/FIADANANA

● ‘Manahoana tompoko! Manahoana ny fahasalamana?... Miezaka manampy ny olona hibanjina ny hoavy amim-pifaliana izahay. Ianao koa ve manantena fa ho tsara ny fiainana amin’ny hoavy, sa hitanao hoe sarotra inoana izany indraindray?... Hitanay fa tena manampy ny Baiboly. Ny zava-misy amin’izao fotoana izao mihitsy mantsy no resahiny. Hazavainy koa anefa hoe nahoana no toy izao ny fiainana, ary inona no hitranga amin’ny hoavy. (Lioka 21:10, 11, 31)’

● ‘Manahoana ianao! —— no anarako, ary ny anao?... Mampirisika an’ireo tanora toa anao izahay mba hieritreritra an’ilay hoavy tsara ampanantenain’ny Baiboly. (Vakio, ohatra, ny Apokalypsy 21:3, 4.) Tsy hitanao hoe mahafinaritra ve izany?’

TSY RARINY/FIJALIANA

● ‘Efa mba nieritreritra ve ianao raha hitan’Andriamanitra ihany ny tsy rariny sy ny fijaliana mahazo ny olombelona?... (Mpito. 4:1; Sal. 72:12-14)’ (Jereo koa ny loha hevitra hoe “Fijaliana” sy “Fampaherezana.”)

 VAOVAO FARANY

● ‘Manahoana tompoko! —— no anarako. Hitanao ve ilay vaovao tao amin’ny tele momba ny (resaho ilay vaovao mampanahy)? Ahoana ny hevitrao momba an’iny?... Matetika ny olona no manontany tena hoe: Hanao ahoana ihany ny hiafaran’ny olombelona? Mino izahay Vavolombelon’i Jehovah fa “andro farany” izao iainantsika izao, araka ny voalazan’ny Baiboly, ato amin’ny 2 Timoty 3:1-5.’ (Jereo koa ny pejy 65-74.)

● ‘Novakinao ve ity vaovao noresahin’ny gazety ity? (Asehoy azy ilay gazety.) Ahoana ny hevitrao momba azy io?’

● ‘Mba te hanontany kely anao aho hoe: Raha afaka mifidy ianao, dia inona amin’ireo olana maro be ankehitriny no tianao ho voalamina voalohany? (Rehefa fantatrao hoe inona no tena mampanahy azy, dia ampifanaraho amin’izany ny resakao.)’

RAHA MARO NO MILAZA HOE: ‘EFA MANANA NY FIVAVAHAKO AHO’

● ‘Manahoana tompoko! Voamarikay fa saika manana ny fivavahany daholo ny olona amin’ity toerana (na faritra) ity. Toy izany koa angamba ianao e?... Na inona na inona anefa fivavahantsika, dia tsy hitanao ve fa mitovy ihany ny olana atrehintsika, toy ny fisondrotry ny vidim-piainana, heloka bevava, ary aretina?... Heverinao ve fa mbola ho voavaha ireo olana ireo?... (2 Pet. 3:13; sns.)’

RAHA MARO NO MILAZA HOE: ‘SAHIRANA AHO’

● ‘Manahoana tompoko! Misy hafatra lehibe ampitainay amin’ny olona amin’ity faritra ity, nefa sahirana angamba ianao izao. Ho vetivety ihany àry izahay.’

● ‘Manahoana tompoko! —— no anarako. Saika hiresaka aminao momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fitahiana hoentin’izy io aho. Hitako anefa fa sahirana ianao (na efa handeha hivoaka), ka aleo àry izahay handeha. Misy hevitra iray monja anefa tianay haseho anao.’

RAHA FARITANY VOASA MATETIKA

● ‘Faly izahay mahita anao. Mitsidika an’ity faritra ity indray izahay, toy ny efa fanaonay isan-kerinandro. Te hiresaka aminao momba ireo fitahiana hafa hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra izahay.’

● ‘Manahoana tompoko! Faly izahay mahita anao indray! Salama tsara ve ny fianakaviana?... Nandalo izahay androany mba hiresaka aminao momba ny...’

● ‘Manahoana tompoko! Manao ahoana ny fahasalamana?... Naniry ny hihaona aminao indray izahay mba hiresaka momba ny... (Lazao ilay foto-kevitra tianao horesahina.)’