Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanahy

Fanahy

Famaritana: Ny teny hebreo roah sy ny teny grika pneoma no nadika matetika hoe “fanahy.” Manana heviny maro ireo teny ireo, nefa ny iombonan’ireo heviny ireo dia hoe: Hery na zavatra tsy hita maso izay misy heriny. Ireto avy no hevitr’ireo teny hebreo sy grika ireo: 1) Rivotra, 2) hery mamelona ny zavaboary eto an-tany, 3) toe-tsaina na fihetseham-po mandrisika ny olona hilaza na hanao zavatra, 4) fanambarana avy amin’ny fanahy, 5) Andriamanitra sy ireo anjely, ary 6) hery ampiasain’Andriamanitra na fanahy masina. Hodinihintsika ato ny sasany amin’ireo hevitra ireo. Mety hametraka fanontaniana mifandray amin’izany mantsy ny olona itoriantsika.

Inona no atao hoe fanahy masina?

Asehon’ireo andinin-teny miresaka momba ny fanahy masina fa mety ho “feno” fanahy masina ny olona, na ‘atao batisa’ amin’izy io, na ‘hosorana’ amin’izy io. (Lioka 1:41; Mat. 3:11; Asa. 10:38) Tsy hety ny filazana toy izany raha olona ny fanahy masina.

Nantsoin’i Jesosy koa hoe “mpanampy” (grika: parakletôs) ny fanahy masina, ary nolazainy fa “hampianatra” izy io, “hanome porofo”, ‘hiteny’ ary ‘mandre.’ (Jaona 14:16, 17, 26; 15:26; 16:13) Tsy mahagaga izany, satria oharin’ny Baiboly amin’ny olona ny zavatra sasany indraindray. Lazaina, ohatra, fa manana ‘zanaka’ ny fahendrena. (Lioka 7:35) Ampitahaina amin’ny mpanjaka koa ny ota sy ny fahafatesana. (Rom. 5:14, 21) Na dia misy andininy aza milaza fa ‘miteny’ ny fanahy masina, dia matetika amin’ny alalan’ny anjely na olona no itenenany. (Asa. 4:24, 25; 28:25; Mat. 10:19, 20; ampitahao ny Asan’ny Apostoly 20:23 sy ny 21:10, 11.) Milaza ny 1 Jaona 5:6-8 fa tsy ny fanahy ihany no “vavolombelona manambara”, fa ny “rano sy ny ra” koa. Tsy misy amin’ireo andininy ireo àry manaporofo fa olona ny fanahy masina.

Inona marina àry ny fanahy masina? Tsy maintsy mifanaraka amin’ny andininy rehetra miresaka momba ny fanahy masina ny famaritana azy io. Ny hery ampiasain’Andriamanitra àry no atao hoe fanahy masina. Tsy olona izy io fa hery lehibe avy amin’Andriamanitra, ary ampiasainy mba hanatanterahana ny sitrapony.—Sal. 104:30; 2 Pet. 1:21; Asa. 4:31.

Jereo koa ny pejy 44, 45, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Andriamanitra Telo Izay Iray.”

Ahoana no ahalalana fa efa nahazo ny fanahy masina ny olona iray?

Lioka 4:18, 31-35: “[Izao no novakin’i Jesosy tao amin’ny horonam-bokin’i Isaia:] ‘Ny fanahin’i Jehovah no ato amiko, satria nanosotra ahy hilaza vaovao tsara ... izy.’ ... Dia nidina tany Kapernaomy, tanàna any Galilia izy, ary nampianatra ny olona tamin’ny sabata, ka nitolagaga ireo noho ny fomba fampianany, satria feno fahefana ny teniny. Ary nisy lehilahy nipetrahan’ny fanahy, na demonia maloto, tao amin’ny synagoga. Nikiakiaka mafy izy ... Niteny mafy azy anefa i Jesosy hoe: ‘Mangìna, ary mivoaha aminy!’ Dia nivoaka ilay demonia rehefa avy nanjera an’ilay lehilahy teo afovoan’ny olona, nefa tsy nandratra azy.” (Ahoana no ahalalana fa nahazo ny fanahin’Andriamanitra i Jesosy? Tsy voalaza hoe nangovitra izy, na nikiakiaka, na nientanentana be. Feno fahefana kosa ny teniny. Mariho koa fa demonia no nahatonga an’ilay lehilahy hikiakiaka mafy sy hianjera.)

Milaza ny Asan’ny Apostoly 1:8 fa ho vavolombelon’i Jesosy ny mpianany, rehefa hahazo ny fanahy masina. Nahazo izany tokoa izy ireo, araka ny Asan’ny Apostoly 2:1-11. Gaga ny olona tamin’izay satria Galilianina daholo ireo mpianatra, nefa lasa nahay ny fitenin’ireo vahiny maro nanatrika teo, rehefa niresaka momba ny asa lehibe nataon’Andriamanitra. Tsy misy filazana mihitsy anefa hoe nientanentana be ireo nahazo ny fanahy masina.

Voalaza fa “niantsoantso mafy” i Elizabeta rehefa nahazo ny fanahy masina. Mariho anefa fa tsy nanatrika fotoam-pivavahana izy tamin’izay, fa niarahaba ny havany tonga nitsidika azy fotsiny izy. (Lioka 1:41, 42) Milaza koa ny Asan’ny Apostoly 4:31 fa nilatsahan’ny fanahy masina ireo mpianatra. Ilay toerana nivoriany anefa no nihovotrovotra, fa tsy izy ireo no nangovitra na nihinjitrinjitra. “Nitory ny tenin’Andriamanitra tamim-pahasahiana” kosa izy ireo tamin’izay. Toy izany koa no ahalalana fa nahazo ny fanahy masina ny olona iray ankehitriny. Sahy mampahafantatra ny tenin’Andriamanitra izy sady mazoto mitory.

Gal. 5:22, 23: “Ny vokatry ny fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, hatsaran-toetra, finoana, fahalemem-panahy, fifehezan-tena.” (Ireo vokatry ny fanahy ireo, fa tsy ny hafanam-po tafahoatra, no tokony hojerena mba hahalalana hoe iza marina no manana ny fanahin’Andriamanitra.)

Nahazo ny fanahin’Andriamanitra ve ny olona iray mahay miteny amin’ny fiteny tsy fantatra?

Jereo ny loha hevitra hoe “Miteny Amin’ny Fiteny Tsy Fantatra.”

Ny fanahin’Andriamanitra ve no ahafahana manao fanasitranana mahagaga ankehitriny?

Jereo ny loha hevitra hoe “Fanasitranana.”

Iza no atao batisa amin’ny fanahy masina?

Jereo ny pejy 97, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Batisa”, sy ny loha hevitra hoe “Ateraka Indray.”

Manana fanahy tsy mety maty ve ny olona?

Ezek. 18:4: “Izay manota no ho faty.” (Ny Prot. sy Kat. kosa milaza fa ‘ny fanahy izay manota no ho faty.’ Ny teny hebreo hoe nefesh no nadikan’izy ireo hoe “fanahy” eto, kanefa nadikany hoe “olona” na “izy” io teny io any amin’ny andininy hafa. [Ampitahao amin’ny Eksodosy 1:5, Prot., Kat.] Tsy zavatra tsy hita maso àry ilay lazaina hoe “fanahy” eo amin’io andininy io, fa ilay olona mihitsy, ary mety maty izy io.) (Jereo koa ny loha hevitra hoe “Zavamananaina.”)

Sal. 146:4, Prot.: “Miala ny fofonainy, ka miverina ho amin’ny taniny izy; ary amin’izay indrindra no hahafoanan’ny fikasany.” (Tsy afaka ny mikasa hanao na inona na inona intsony àry ny olona iray, rehefa miala ny fofonainy.)

Mpito. 3:19-21, Prot.: “Zavatra sendrasendra foana ny zanak’olombelona, ary zavatra sendrasendra foana koa ny biby,—mitovy ihany ny mihatra amin’izy roa tonta; fa toy ny ahafatesan’ny iray no ahafatesan’ny iray koa; eny, iray ihany no fofonaina [hebreo: roah] ananan’izy rehetra; ary tsy misy ihoaran’ny olona noho ny biby; fa samy zava-poana izy rehetra. Izy rehetra samy mankamin’ny fitoerana iray: avy tamin’ny vovoka izy rehetra, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray izy rehetra. Iza no mahalala ny fanahin’ny [roah] olombelona, na miakatra any ambony izy, na tsia, ary ny fanahin’ny [roah] biby, na midina amin’ny tany izy, na tsia?” (Nandova ota sy fahafatesana avy tamin’i Adama ny olona rehetra, ka maty ary miverina amin’ny vovoka, toy ny biby ihany. Mariho fa teny hebreo (roah) iray ihany no nadikan’ny Prot. hoe “fofonaina” eo amin’ny andininy faha-19, sy hoe “fanahy” eo amin’ny andininy faha-21. Midika izany fa “iray ihany no fofonaina” na fanahy ananan’ny olona sy ny biby, araka ny andininy faha-19. Tsy misy olona àry afaka hamaly an’ilay fanontaniana eo amin’ny andininy faha-21. Manana fanahy mbola afaka misaina anefa ve ny olona rehefa maty izy? Tsia. Lazain’ny Baiboly kosa fa tsy misy maha ambony ny olona amin’ny biby rehefa maty izy ireo. Noho ny nanomezan’Andriamanitra an’i Kristy anefa, dia afaka manantena ny hiaina mandrakizay ny olona mino azy. Tsy afaka manantena izany kosa ny biby. Olona maro no hatsangana amin’ny maty, izany hoe homen’Andriamanitra hery mamelona indray, mba ho afaka hiaina mandrakizay.)

Lioka 23:46, Prot.: “Niantso tamin’ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Raiko ô, eo an-tànanao no atolotro ny fanahiko [grika: pneoma]; ary rehefa niteny izany Izy, dia afaka ny ainy.” (Mariho fa afaka ny ain’i Jesosy, rehefa avy nanolotra ny fanahiny izy. Tsy hoe nankany an-danitra akory izy. Tsy natsangana tamin’ny maty mantsy izy, raha tsy tamin’ny andro fahatelo. Ary 40 andro taorian’izay izy vao niakatra tany an-danitra, araka ny Asan’ny apostoly 1:3, 9. Inona àry no tian’i Jesosy holazaina eto? Te hilaza izy fa fantany hoe miankina tanteraka amin’Andriamanitra ny hahavelomany indray. Manazava bebe kokoa momba ilay hoe ‘miverina any amin’Andriamanitra ny fanahy’ ny pejy 437, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Zavamananaina.”)

Raha misy milaza hoe:

‘Efa nahazo ny fanahy masina ve ianao?’

Azonao valiana hoe: ‘Ie! Izany indrindra no mahatonga ahy hitsidika anao. (Asa. 2:17, 18)’

Na hoe: ‘Ny fanahy masina mihitsy no ahafahako mitory toy izao. Samy manana ny heviny anefa ny olona momba ny hoe ahoana no ahalalana fa manana ny fanahin’Andriamanitra ny olona iray. Ahoana no hevitrao?’ Azonao ampiana hoe: (Diniho ny fanazavana sasany eo amin’ny pejy 160, 161.)