Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanalan-jaza

Fanalan-jaza

Famaritana: Fanesorana zaza ao am-bohoka, izay tsy afaka ny ho velona raha alana ao. Mety ho afa-jaza anefa ny vehivavy noho ny tsy fahalavorariana na ny loza. Mamono olona an-tsitrapo kosa izay minia manala zaza noho izy tsy te hiteraka.

Ahoana no tokony hiheverantsika ny aina?

Asa. 17:28: “Izy [Andriamanitra] no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary isiantsika.”

Sal. 36:9: “Ianao [Jehovah Andriamanitra] no loharanon’aina.”

Rom. 14:12: “Samy hataon’Andriamanitra ampamoaka isika tsirairay avy.”

Sarobidy amin’i Jehovah ve ny ain’ny zaza vao miforona ao an-kibo?

Sal. 139:13-16: “Notakonanao [Jehovah] tao an-kibon’i Neny aho. ... Nahita ahy ny masonao na dia mbola vao niforona aza aho. Ary voasoratra tao amin’ny bokinao ny faritra rehetra amin’izay ho vatako.”

Ahoana no fiheveran’Andriamanitra an’ireo manao zavatra mety hanimba zaza mbola ao am-bohoka?

Eks. 21:22, 23: “Raha misy olona miady ka mahavoa vehivavy bevohoka, ary teraka tsy tonga volana ny zanany, nefa tsy misy maty vokatr’izany, dia hampandoavina onitra ilay olona, araka izay takin’ny vadin-dravehivavy. Ary handoa izany amin’ny alalan’ny mpitsara izy. Fa raha misy maty kosa vokatr’izany, dia tsy maintsy manome aina ho solon’ny aina ianao.” (Toa milaza ny Baiboly sasany hoe ny fahavoazan’ilay vehivavy, fa tsy ny an’ilay zaza, no tiana horesahina eo. Araka ny teny hebreo tany am-boalohany anefa, dia mihatra io lalàna io na ilay reny no maty na ilay zaza.)

Tena ratsy ve ny minia mamono olona noho ny antony tsy eken’Andriamanitra?

Gen. 9:6: “Izay mandatsaka ran’olona, dia mba halatsak’olona koa ny rany, satria nataon’Andriamanitra araka ny endriny ny olona.”

1 Jaona 3:15: “Tsy misy mpamono olona manana fiainana mandrakizay mitoetra ao aminy.”

Eks. 20:13: “Aza mamono olona.”

Mety ve ny manala zaza, raha mihevitra ny dokotera fa hanimba ny fahasalaman’ilay reny ny fitondrany vohoka?

Mety ho diso hevitra ny dokotera. Ara-drariny ve ny hamonoana olona iray satria hoe mety hanimba ny fahasalaman’ny hafa izy? Raha amin’ny fotoana iterahana kosa no tsy maintsy misafidy hoe ilay reny sa ilay zaza no hovonjena, dia anjaran’ireo olona voakasika ny misafidy izany. Mahalana anefa izany vao mitranga, satria efa mandroso be ny fitsaboana any amin’ny tany maro.

Raha misy milaza hoe:

‘Manan-jo hanao izay tiako amin’ny vatako aho.’

Azonao valiana hoe: ‘Azoko ny tianao holazaina. Matetika mantsy no hitsakitsahina ny zontsika, ary olona maro no tsy miraharaha izay manjo ny hafa. Manome toro lalana miaro antsika anefa ny Baiboly, ary mahasoa antsika ny manaraka izany.’ Azonao ampiana hoe: 1) ‘Maro ny vehivavy ilaozan’ny rain-janany. Raha manaraka ny fitsipiky ny Baiboly anefa ny mpivady, dia ho tena tia ny vady aman-janany ny lehilahy ka hamelona azy, fa tsy handao azy mihitsy. (1 Tim. 5:8; Efes. 5:28-31)’ 2) ‘Tokony hanaraka ny fitsipiky ny Baiboly koa isika ao an-tokantrano, raha tiantsika ny hotiavina sy hohajaina toy izany. Ahoana àry no tokony hiheverantsika ny zanatsika? (Sal. 127:3; fa tsy hanao sahala amin’izay voalazan’ny Isaia 49:15.)’