Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanasitranana

Fanasitranana

Famaritana: Manao izay hahasalama olona marary ara-batana, ara-tsaina na ara-panahy. Nisy mpaminany hebreo fahiny nahavita nanasitrana, noho ny fanampian’ny fanahin’Andriamanitra. Nahavita izany koa i Jesosy Kristy sy ny Kristianina voalohany sasany.

Ny fanahin’Andriamanitra ve no ahafahana manao fanasitranana mahagaga ankehitriny?

Avy amin’ilay tena Andriamanitra foana ve ny fahaizana manao fahagagana?

Nangataka an’i Faraon’i Ejipta i Mosesy sy Arona, mba hamela ny Israelita hanao sorona ho an’i Jehovah tany an-tany efitra. Mba hanaporofoana fa Andriamanitra no naniraka azy mirahalahy, dia nasain’i Mosesy natsipin’i Arona tamin’ny tany ny tehiny, ka niova ho bibilava ngezabe. Ny herin’Andriamanitra no nahavitany izany. Natsipin’ireo mpisorona ejipsianina koa anefa ny tehiny, ka niova ho bibilava ngezabe. (Eks. 7:8-12) Hery avy aiza no nahavitan’izy ireo izany?—Ampitahao amin’ny Deoteronomia 18:10-12.

Manao fanasitrana mahagaga ny mpitondra fivavahana sasany mihambo ho Kristianina, ankehitriny. Misy manao toy izany koa ny mpisorona eo anivon’ny fivavahana tsy kristianina, sy ny mpimasy, ny mpitaiza, ary ny mpanasitrana. Matetika izy ireo no mampiasa sikidy sy herin’ny maizina. Misy olon-kafa koa milaza ho mahay manasitrana, nefa tsy misy resaka fivavahana mihitsy, hono, ilay izy. Hery avy amin’ilay tena Andriamanitra ve no ahavitan’izy rehetra izany?

Mat. 24:24: “Hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka hanao famantarana lehibe sy fahagagana mba hamitahana hatramin’ny olom-boafidy aza, raha azony atao.”

Mat. 7:15-23: “Mitandrema amin’ny mpaminany sandoka ... Maro no hilaza amiko amin’izany andro izany hoe: ‘Tompo ô, Tompo ô, moa ve izahay tsy efa naminany tamin’ny anaranao, sy efa namoaka demonia tamin’ny anaranao, ary efa nanao fahagagana maro tamin’ny anaranao?’ Hotsoriko aminy anefa amin’izay fotoana izay hoe: Tsy fantatro mihitsy ianareo! Mialà amiko, ianareo mpandika lalàna.”

Mitovy ve ny fanasitranana mahagaga ankehitriny sy izay nataon’i Jesosy sy ny mpianany?

Vola aloa: “Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia. Efa nahazo maimaim-poana ianareo, ka manomeza maimaim-poana.” (Mat. 10:8) (Maimaim-poana ve ny fanasitranana mahagaga atao ankehitriny?)

Olona sitrana: “Nitady hikasika azy [an’i Jesosy] ny vahoaka rehetra, satria nisy hery niala taminy ka nahasitrana azy rehetra.” (Lioka 6:19) “Nentin’ny olona teny an-dalambe mihitsy aza ny marary ka napetrany teny, teo ambony farafara kely sy fandriana. Amin’izay mantsy dia mba azon’ny alok’i Petera, fara faharatsiny, ny sasany amin’izy ireo, rehefa mandalo izy. Ary nisy olona maro be tonga foana avy tamin’ireo tanàna manodidina an’i Jerosalema. Nitondra ny marary sy ny nampahorin’ny fanahy maloto izy ireo, ary sitrana daholo izy rehetra.” (Asa. 5:15, 16) (Sitrana daholo ve ankehitriny ireo mankany amin’ny mpanao fanasitranana na toerana fanasinana?)

Miharihary ve fa tena manana ny fanahin’Andriamanitra ny mpiara-mivavaka amin’ireo ‘mpanao fanasitranana’?

Maneho ny vokatry ny fanahy ve izy ireo, toy ny fitiavana, fahari-po, fahalemem-panahy, ary fifehezan-tena?—Gal. 5:22, 23.

“Tsy anisan’izao tontolo izao” tokoa ve izy ireo, ka tsy manao politika mihitsy? Tsy mandatsa-dra ve izy ireo rehefa misy ady? Malaza ho tsara fitondran-tena ve izy ireo?—Jaona 17:16; Isaia 2:4; 1 Tes. 4:3-8.

Ny fahaiza-manasitrana ve no amantarana ny tena Kristianina ankehitriny?

Jaona 13:35: “Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.” (I Jesosy no nilaza izany. Raha tena mino azy àry ianao, dia ny fifankatiavana fa tsy ny fahaiza-manasitrana no hojerenao mba hahafantarana ny tena Kristianina.)

Asa. 1:8: “Hahazo hery ... ianareo rehefa tonga aminareo ny fanahy masina, ka ho vavolombeloko ... any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany ianareo.” (Io asa lehibe io no nasain’i Jesosy nataon’ny apostoliny, fa tsy ny fanasitranana mahagaga. Jereo koa ny Matio 24:14; 28:19, 20.)

1 Kor. 12:28-30: “Napetrak’Andriamanitra ao amin’ny fiangonana ireo rantsambatana samihafa: Voalohany, apostoly; faharoa, mpaminany; fahatelo, mpampianatra; avy eo, fahagagana, fahaiza-manasitrana, fanampiana, fahaiza-mitarika, ary fitenenana amin’ny fiteny samihafa. Fa angaha izy rehetra no apostoly? Angaha izy rehetra no mpaminany? Angaha izy rehetra no mpampianatra? Angaha izy rehetra no manao fahagagana? Angaha izy rehetra no mahay manasitrana?” (Tsy ny Kristianina rehetra àry no mahay manasitrana.)

Tsy milaza ve ny Marka 16:17, 18 fa ny fahaiza-manasitrana no amantarana ny mpino?

Mar. 16:17, 18, Prot.: “Izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin’ny anarako izy; hiteny amin’ny fiteny izay tsy mbola hainy izy; handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tànana amin’ny marary izy, dia ho sitrana ireny.”

Ahitana an’ireo andininy ireo ny Baiboly sora-tanana sy ny dikanteny sasany tamin’ny taonjato fahadimy sy fahenina. Tsy hita ao amin’ireo sora-tanana grika tranainy kokoa anefa izy ireo, toy ny Sora-tanana Sinaiticus sy Vaticanus No. 1209 tamin’ny taonjato fahefatra. Nilaza toy izao tao amin’ny boky iray nivoaka tamin’ny 1881, ny Pr. B. Westcott, manam-pahaizana momba ny Baiboly sora-tanana: “Tsy ao amin’ny fitantarana tany am-boalohany ireo andininy ... ireo, fa nampiana.” Hoy koa i Jérôme, mpandika Baiboly, tamin’ny taonjato fahadimy: “Saika ny kôdeksa grika rehetra no tsy ahitana an’ireo andininy ireo.” (Ireo Andininy Roa Ambin’ny Folo Farany ao Amin’ny Filazantsaran’i Marka, anglisy, Londres 1871, J. Burgon, p. 53) Hoy koa ny Rakipahalalana Katolika Vaovao (1967): “Samy hafa tanteraka amin’ny voambolana sy ny fomba fanoratra ao amin’ilay Filazantsara io tapany io [ny andininy faha-9-20], ka sarotra inoana hoe i Marka no nanoratra azy.” (Boky Faha-9, p. 240) Tsy misy filazana mihitsy hoe nisotro poizina na nandray menarana ny Kristianina voalohany, mba hanaporofoana fa mpino izy ireo.

Nahoana ny Kristianina voalohany no nomena fahaiza-manasitrana?

Heb. 2:3, 4: “Ataontsika ahoana no fandositra raha famonjena lehibe toy izao no ataontsika tsirambina? Ny Tompontsika mantsy no voalohany nilaza an’io famonjena io. Ary nanamafy azy io tamintsika ireo nandre azy io. Efa nanome porofo momba azy io koa Andriamanitra tamin’ny alalan’ny famantarana sy ny fambara ary ny fahagagana maro samihafa sady nizara fanahy masina araka ny sitrapony.” (Ireo no porofo fa ny fiangonana kristianina, izay vao niforona, no nampiasain’Andriamanitra. Mbola ho nilaina ve ireo porofo ireo, rehefa hita fa nankasitrahan’Andriamanitra tokoa izy io?)

1 Kor. 12:29, 30; 13:8, 13: “Angaha izy rehetra no mpaminany? ... Angaha izy rehetra no mahay manasitrana? Angaha izy rehetra no miteny amin’ny fiteny samihafa? ... Tsy ho levona mandrakizay ny fitiavana. Fa na misy aza ny fahaiza-maminany, dia hofoanana izany, ary na misy aza ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa, dia hitsahatra izany ... Fa mitoetra ireto telo ireto ankehitriny: Finoana sy fanantenana ary fitiavana. Ny fitiavana anefa no lehibe indrindra amin’ireo.” (Hitsahatra ireo fahaizana mahagaga ireo rehefa hita fa nankasitrahan’Andriamanitra tokoa ny fiangonana. Mbola haneho foana an’ireo vokatry ny fanahy anefa ny tena Kristianina.)

Tsy izay hahasitrana ny olona fotsiny ve no zava-dehibe, na inona na inona atao aminy?

2 Tes. 2:9, 10: “Ny fanatrehan’ilay tsy tan-dalàna dia araka ny asan’i Satana, miaraka amin’ny fahagagana rehetra, mbamin’ny famantarana sy fambara mandainga rehetra, ary amin’ny famitahana tsy marina rehetra ho an’ireo ho ringana. Izany dia ho valin’ny tsy naneken’izy ireo ny fitiavana ny fahamarinana mba hahavoavonjy azy.”

Lioka 9:24, 25: “Izay te hamonjy ny ainy dia hamoy azy, ary izay mamoy ny ainy noho ny amiko kosa dia hamonjy azy. Inona tokoa moa no soa azon’ny olona raha mahazo an’izao tontolo izao izy nefa afoiny ny ainy, na hamoy ny zava-drehetra izy?”

Mbola hisy ve ny tena fanasitranana, ka ho foana ny aretina rehetra?

Apok. 21:1-4: “Nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho, fa efa lasa ny lanitra taloha sy ny tany taloha ... ‘Ary [hofafan’Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.’ ”

Isaia 25:8: “Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana. Hofafan’i Jehovah Tompo Fara Tampony koa ny ranomaso amin’ny tarehy rehetra.” (Jereo koa ny Apokalypsy 22:1, 2.)

Isaia 33:24: “Tsy hisy mponina hilaza hoe: ‘Marary aho.’ ”

Raha misy milaza hoe:

‘Mino ny fanasitranana mahagaga ve ianareo?’

Azonao valiana hoe: ‘Tsy mino ny Baiboly ireo tsy mino fa manana hery hanasitranana Andriamanitra. Mampieritreritra ihany anefa ny ataon’ireo milaza ho mahay manasitrana ankehitriny.’ Azonao ampiana hoe: 1) ‘Misy andininy hovakiko aminao ity, ary mariho fa tsy tena mitovy amin’izay voalaza ato ny ataon’izy ireo. (Mat. 10:7, 8) ... Voamarikao koa ve fa tsy vitan’izy ireo ny zavatra iray nolazain’i Jesosy fa ho vitan’ny mpianany? (Tsy mahavita manangana ny maty izy ireo.)’ 2) ‘Tsy hoe mitsara olona isika, kanefa misy zavatra tokony hitandremantsika, araka ny Matio 24:24.’

Na hoe: ‘Mino an’izay lazain’ny Baiboly momba ny fanasitranana aho. Mihelina anefa ny soa entin’ny fanasitranana ankehitriny. Tsy maintsy ho faty ihany mantsy isika rehetra. Mbola ho salama tsara anefa ve ny rehetra indray andro any, ka tsy ho faty intsony? (Apok. 21:3, 4)’