Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fandaminana

Fandaminana

Famaritana: Fikambanana na vondron’olona voalamina mba hiara-manatanteraka asa na hanatratra tanjona iray. Misy mpiandraikitra eo amin’izy ireo, ary misy fepetra takina amin’izy ireo sy fitsipika mifehy azy. Lasa anisan’ny fandaminan’i Jehovah ireo Vavolombelona nanokan-tena ho azy sy natao batisa. Safidy ilay izy, fa tsy an-tery na nolovaina avy amin’ny ray aman-dreny. Ny fampianaran’io fandaminana io sy ny zavatra ataony no nahasarika azy ireo. Te handray anjara amin’ny asa ataony koa izy ireo.

Manana fandaminana eto an-tany tokoa ve i Jehovah?

Diniho izao:

Voalamina ve ireo anjely any an-danitra?

Dan. 7:9, 10: “Mbola nijery ihany aho mandra-pametraka seza fiandrianana, ary nipetraka teo Ilay Efa Nisy Hatry ny Ela Be. Fotsy mangatsakatsaka ny fitafiany, ary toy ny volonondry madio ny volon-dohany. Afo miredareda ny seza fiandrianany, ary afo mandoro ny kodiaran’ilay izy. Renirano afo no nikoriana sy nivoaka avy teo anatrehany. Arivoarivo no nanompo azy, ary iray alina ampitomboina iray alina no nijoro teo anatrehany. Nanomboka ny Fitsarana, ka nisy boky nosokafana.”

Sal. 103:20, 21: “Derao i Jehovah, ry anjeliny mahery dia mahery, izay manatanteraka ny baikony sy mihaino ny feony. Derao i Jehovah, ry tafiny rehetra, dia ianareo mpanompony izay manao ny sitrapony.” (Azo antoka fa voalamina izany hoe ‘tafika’ izany.)

Ahoana no nampitan’Andriamanitra ny toromariny tamin’ny mpanompony tetỳ an-tany taloha?

Nanome toromarika an’ireo filoham-pianakaviana toa an’i Noa sy Abrahama i Jehovah, tamin’ny mbola vitsy ny mpanompony. Ireo indray avy eo no nampita izany tamin’ny fianakaviany. (Gen. 7:1, 7; 12:1-5) I Mosesy kosa no nampiasain’i Jehovah hanome toromarika ny Israelita nafahany avy tany Ejipta. (Eks. 3:10) Nalamin’Andriamanitra ho firenena izy ireo teo an-tendrombohitra Sinay, ka nomeny lalàna sy didy momba ny fanompoana azy sy ny fifandraisana amin’olona. (Eks. 24:12) Nanendry mpisorona izy mba hitarika ny fanompoana sy ny fivavahana aminy, sy mba hampianatra azy ireo izay zavatra takiny. Naniraka mpaminany koa izy indraindray mba handrisika ny vahoaka na hampitandrina azy. (Deot. 33:8, 10; Jer. 7:24, 25) Marina fa nihaino ny vavaky ny mpanompony tsirairay i Jehovah, kanefa nampiasa rafitra efa voalamina tsara izy mba hampitana toromarika tamin’ny mpanompony.

Nandefa an’i Jesosy Kristy mba ho mpitondra teniny tetỳ an-tany i Jehovah, rehefa ho tonga ny fotoana hanangonana ny tena mpanompony mba ho tafaray aminy amin’ny alalan’i Jesosy. (Heb. 1:1, 2) Niforona avy eo ny fiangonana kristianina, rehefa nilatsaka ny fanahy masina tamin’ny Pentekosta taona 33. Tamin’ny alalan’io fiangonana io i Jehovah no nampianatra ny Kristianina sy nandrindra ny asan’izy ireo, rehefa lasa tany an-danitra i Jesosy. Nisy filan-kevi-pitantanana nandray fanapahan-kevitra sy nandrindra ny asan’ireo fiangonana isan-tanàna, ary nisy mpiandraikitra isaky ny fiangonana. Nataon’i Jehovah àry izay hisian’ny fandaminana iray teto an-tany, ary tena Kristianina daholo no anisan’izy io.—Asa. 14:23; 16:4, 5; Gal. 2:7-10.

Hita hoe mahay mandamin-javatra ve i Jehovah rehefa dinihina ny zavatra noforoniny?

Isaia 40:26: “Asandrato ny masonareo, ka mijere! Iza no nahary ireny zavatra ireny? Tsy iza fa Ilay toy ny mpitari-tafika izay mibaiko an’ireny araka ny isany, sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy. Noho Izy manana tanjaka sy hery lehibe, dia tsy misy banga ireny.” (Mitambatambatra ho vahindanitra ireo kintana, ary mihetsika daholo izy ireo sady mirindra tsara izany, na dia samy manana ny mampiavaka azy aza izy ireo. Mihetsika koa ny planeta, ary tsy miova mihitsy ny lalana arahiny sy ny faharetan’ny fotoana anaovany izany. Na ny zavatra bitika [elektrôna] anaty ataoma aza mihetsika koa, sady amin’ny fomba milamina tsara. Porofoin’izany rehetra izany fa tena voalamina tsara ny zavaboary.)

Milaza ve ny Baiboly fa ho vahoaka voalamina ny tena Kristianina?

Mat. 24:14; 28:19, 20: “Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.” “Koa mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, ka ataovy batisa ... Ampianaro izy.” (Ahoana no hahavitana izany raha tsy misy fandaminana? Tamin’i Jesosy nampiofana an’ireo mpianany hanao io asa io, dia tsy nasainy nandeha tany amin’izay tiany haleha fotsiny izy ireo, na nitory izay tiany. Nomeny toromarika kosa izy ireo, ary nalaminy tsara ny fomba fiasan’izy ireo. Jereo ny Lioka 8:1; 9:1-6; 10:1-16.)

Heb. 10:24, 25: “Aoka koa isika hifampihevitra mba handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara, ka tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory, toy ny sasany izay efa zatra tsy mivory, fa hifampahery kosa, indrindra fa hitanareo hoe manakaiky ny andro.” (Ahoana no hanampiana ny olona liana hampihatra an’io didy io, raha tsy misy fandaminana manao fivoriana tsy tapaka?)

1 Kor. 14:33, 40: “Andriamanitra tsy Andriamanitry ny fikorontanana, fa Andriamanitry ny filaminana. ... Aoka ny zava-drehetra hatao amim-pahamendrehana sy amim-pilaminana.” (Ny fandaminana ny fivorian’ny fiangonana no resahina eto. Tokony hohajaina àry izany lamina izany.)

1 Pet. 2:9, 17: “Ianareo kosa dia ‘firazanana voafidy, sady mpisorona no mpanjaka, firenena masina, olona nataon’Andriamanitra ho fananany manokana, mba hanambaranareo hatraiza hatraiza ny hatsaran-toetran’ilay’ niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga. ... Tiavo ny rahalahy rehetra ao amin’ny finoana.” (Vahoaka voalamina ireo tena Kristianina matoa afaka miara-miezaka mba hanatanteraka izany asa izany.)

Miparitaka any amin’ireo fivavahana samy hafa mihambo ho Kristianina ve ireo tena mpanompon’Andriamanitra?

2 Kor. 6:15-18: “Inona no zavatra iombonan’ny mino amin’ny tsy mpino? ... ‘Koa mivoaha eo aminy ianareo, ary misaraha aminy’, hoy i Jehovah, ‘ary aza mikasika intsony izay maloto’, ‘dia handray anareo aho.’ ‘Ary ho rainareo aho, ary ianareo ho zanako lahy sy zanako vavy’, hoy i Jehovah, ilay Mahery Indrindra.” (Mpivavaka ny olona sasany, nefa hita amin’ny fomba fiainany hoe tsy mpino izy, raha ny marina. Tena mpanompon’Andriamanitra àry ve izay mbola miara-mivavaka amin’ny olona toy izany? Jereo ny loha hevitra hoe “Babylona Lehibe.”)

1 Kor. 1:10: “Mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hifanaraka tsara ianareo rehetra amin’izay lazainareo, ary mba tsy hisy fisaratsarahana eo aminareo, fa mba ho tafaray tsara ianareo ka hiray saina sy hiray hevitra.” (Tsy miray saina toy izany ireo fivavahana mihambo ho Kristianina.)

Jaona 10:16: “Manana ondry hafa tsy ao amin’ity vala ity aho. Ireny koa tsy maintsy hoentiko, ary hihaino ny feoko izy, ka ho tonga andiany iray ireo sady ho iray ihany ny mpiandry.” (Tsy hiparitaka any amin’ireo fivavahana mihambo ho Kristianina àry ny tena mpanompon’Andriamanitra, matoa hangonin’i Jesosy ho “andiany iray.”)

Ahoana no amantarana ny fandaminan’i Jehovah ankehitriny?

1) Manandratra an’i Jehovah ka manaiky azy ho hany tena Andriamanitra, sy mankalaza ny anarany.—Mat. 4:10; Jaona 17:3.

2) Manaiky fa anisan’ny anjara asan’i Jesosy Kristy eo amin’ny fikasan’i Jehovah ireto: Mpanamarina ny zon’i Jehovah hitondra, Mpitarika Lehibe Indrindra izay manome fiainana, lohan’ny fiangonana kristianina, ary Mesia Mpanjaka.—Apok. 19:11-13; 12:10; Asa. 5:31; Efes. 1:22, 23.

3) Manaraka akaiky an’izay lazain’ny Baiboly, ka avy ao daholo ny fampianarany sy ny fitsipi-pitondran-tena arahiny.—2 Tim. 3:16, 17.

4) Tsy naman’izao tontolo izao.—Jak. 1:27; 4:4.

5) Madio fitondran-tena ireo olona anisan’izy io, satria masina i Jehovah.—1 Pet. 1:15, 16; 1 Kor. 5:9-13.

6) Miezaka manatontosa an’ilay asa voalazan’ny Baiboly fa hatao amin’izao andro izao, dia ny fitoriana eran-tany ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra.—Mat. 24:14.

7) Miavaka amin’ity tontolo ity ireo olona anisan’izy io na dia tsy lavorary aza, satria miezaka maneho ny vokatry ny fanahy, dia ny fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, hatsaran-toetra, finoana, fahalemem-panahy, ary fifehezan-tena.—Gal. 5:22, 23; Jaona 13:35.

Ahoana no anajantsika ny fandaminan’i Jehovah?

1 Kor. 10:31: “Ataovy ho voninahitr’Andriamanitra ny zava-drehetra.”

Heb. 13:17: “Aoka ianareo hankatò sy hanaiky an’ireo mitarika eo aminareo, fa izy ireny miaro anareo hatrany toy ny olona mbola hatao ampamoaka.”

Jak. 1:22: ‘Aoka ianareo ho mpankatò ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny ihany.’

Tit. 2:11, 12: “Efa naseho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra, dia hatsaram-panahy mitondra famonjena ho an’ny karazan’olona rehetra, sady mampianatra antsika handa izay mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fanirian’izao tontolo izao, ary mampianatra antsika koa mba hisaina tsara sy hanao izay mahitsy ary hahafoy tena ho an’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika.”

1 Pet. 2:17: “Tiavo ny rahalahy rehetra ao amin’ny finoana.”