Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Famaritana: Fandikan-tenin’ny Baiboly maoderina nadika avy tamin’ny teny hebreo sy aramianina ary grika. Vavolombelon’i Jehovah voahosotra vitsivitsy no nandika azy io tamin’ny teny anglisy. Hoy izy ireo: “Tia sy matahotra an’ilay Andriamanitra Niavian’ny Soratra Masina ireo olona nandika an’ity Baiboly ity. Tsapan’izy ireo fa andraikitra lehibe ny mampita ny hevitr’Andriamanitra sy ny teniny amin’ny fomba marina tsara araka izay azo atao. Tsapany koa fa manana andraikitra izy eo anatrehan’ireo mpamaky tia mandalina, izay miantehitra amin’ny fandikana ny Tenin’ilay Andriamanitra Avo Indrindra mba hahazoana famonjena mandrakizay.” Tsy tonga dia vita manontolo ilay Baiboly, fa navoaka tsikelikely tamin’ny 1950-1960. Avy amin’ny teny anglisy no nandikana ireo Baiboly Fandikan-Tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny hafa.

Avy amin’inona no nandikana ny “Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao” (anglisy)?

Ny Biblia Hebraica nataon’i Rudolf Kittel, natonta tamin’ny 1951-1955, no nampiasaina tamin’ny fandikana ny Soratra Hebreo. Nohavaozina ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao tamin’ny 1984, ka nampifanarahana tamin’ny Biblia Hebraica Stuttgartensia (1977). Nakana hevitra koa ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty sy ireo dikan-teny tranainy tamin’ny fiteny hafa. Ny Testamenta Vaovao amin’ny teny grika nataon’i Westcott sy Hort tamin’ny 1881 kosa no tena nampiasaina tamin’ny Soratra Grika Kristianina. Nakana hevitra koa ny Soratra Grika Kristianina tamin’ny teny grika nataon’olon-kafa sy ny dikan-teny tranainy tamin’ny fiteny hafa.

Iza no nandika azy io?

Komity iray no nandika an’ilay Baiboly, ary nomeny ho an’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania ny zo hanonta azy io. Niangavy anefa ireo anisan’io komity io mba tsy holazaina ny anarany, ary nekena ny fiangaviany. Tsy nitady laza mantsy izy ireo, fa naniry hanome voninahitra an’ilay Andriamanitra Niavian’ny Soratra Masina kosa.

Nisy mpandika Baiboly hafa koa nitovy hevitra tamin’izy ireo. Izao, ohatra, no hita eo amin’ny fonon’ny Baiboly Amerikanina Vaovao (1971): ‘Mino izahay fa ny Tenin’Andriamanitra mihitsy no efa tsara, ka tsy ilaina ny manonona ny anaran’ireo manam-pahaizana nandika azy ity mba hanomezan-danja azy.’

Manam-pahaizana ve no nandika azy io?

Sarotra ny hamaly izany, satria nifidy ny tsy hitonona anarana ireo olona nandika an’ilay Baiboly. Ny fomba nandikana azy io kosa no ahitana raha tsara izy io na tsia.

Manao ahoana ilay dikan-teny? Marina tsara izy io, ary nadika ara-bakiteny avy tamin’ny fiteny tany am-boalohany, amin’ny ankapobeny. Tsy nanampy hevitra noheveriny fa ilaina ireo nandika azy io, na nanala tsipiriany noheveriny fa tsy dia zava-dehibe loatra. Mba hanampiana an’ireo mpianatra Baiboly, dia misy fanamarihana ambany pejy ny fanontana sasany, izay mampiseho ny fomba hafa azo andikana ny teny iray.

Mety tsy hitovy amin’ny fomba nandikana ny andininy sasany mahazatra antsika ny andininy ao amin’izy io. Iza àry no tena marina? Azo dinihina ny fanamarihana ambany pejy sy ny “Fanazavana Fanampiny.” Azo atao koa ny mampitaha azy io amin’ny dikan-teny hafa. Ho hita fa matetika no mitovy amin’ilay andininy ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao no nandikan’ny mpandika teny hafa azy.

Nahoana no hita ao amin’ny Soratra Grika Kristianina ny hoe Jehovah?

Tsy ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ihany no Baiboly ahitana izany. Hita ao amin’ny Soratra Grika Kristianina amin’ny teny hebreo koa ny anaran’Andriamanitra, ao amin’ireo andininy nalaina avy tany amin’ny Soratra Hebreo. Miseho in-72, ohatra, ny anarana hoe Jehovah ao amin’ny Fandikan-teny Protestanta. Soratra Grika Kristianina amin’ny fiteny 38, fara fahakeliny, no ahitana ny anaran’Andriamanitra.

Nampiasa ny anaran-dRainy foana i Jesosy Kristy, matoa izy nanasongadina azy io. (Mat. 6:9; Jaona 17:6, 26) Nilaza i Jérôme, manam-pahaizana momba ny Baiboly, tamin’ny taonjato fahefatra, fa tamin’ny teny hebreo aloha no nanoratan’ny apostoly Matio ny Filazantsarany. Naka andininy maro ahitana ny anaran’Andriamanitra avy tao amin’ny Soratra Hebreo i Matio. Ary ahoana ny amin’ireo olon-kafa nanoratra ny Soratra Grika Kristianina? Nisy tamin’izy ireo naka teny avy tao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo (Soratra Hebreo nadika tamin’ny teny grika tamin’ny 280 T.K. tany ho any). Misy ny anaran’Andriamanitra amin’ny teny hebreo anefa ao amin’io dikan-teny io, araka ny hita amin’ireo ampahany mbola voatahiry ankehitriny.

Hoy i George Howard, mpampianatra ao amin’ny Oniversiten’i Géorgie: ‘Mbola hita tao amin’ilay Baiboly grika nampiasain’ny fiangonana voalohany [ireo litera hebreo efatra nanoratana ny anaran’Andriamanitra]. Azo inoana àry fa nampiasa an’ilay anarana ireo mpanoratra ny Testamenta Vaovao, rehefa naka andininy avy tao amin’ny Testamenta Taloha.’—Gazetin’ny Haisoratra Ara-baiboly, Martsa 1977, p. 77.

Nahoana no toa tsy hita ao ny andininy sasany?

Satria tsy hita ao amin’ireo Baiboly sora-tanana tranainy ireny andininy ireny. Tsy hita ao amin’ny dikan-teny maoderina sasany koa izy ireny, toy ny Fandikan-teny Protestanta. Ny Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara kosa manao azy ireny anaty fononteny mahitsy, ary hazavain’ny sasin-teniny fa tsy hita ao amin’ny sora-tanana tranainy maromaro izy ireny. Andininy nalain’ny mpanao dika soratra avy amin’ny boky hafa ao amin’ny Baiboly izy ireny indraindray.

Raha misy milaza hoe:

‘Manana ny Baibolinareo ianareo’

Azonao valiana hoe: ‘Inona no fandikan-tenin’ny Baiboly ampiasainao?... (Tanisao izay misy amin’ny teny malagasy.) Betsaka ny fandikan-teny azo ampiasaina.’ Azonao ampiana hoe: ‘Azontsika ampiasaina izay Baiboly tianao. Nahoana anefa no tianay kokoa ny mampiasa ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao? Satria fiteny fampiasa ankehitriny sady mora azo no hita ao. Mandika tsara ny hevitry ny teny tany am-boalohany koa izy io.’

Na hoe: ‘Mino aho fa manana Baiboly ianao matoa milaza izany. Inona no Baiboly ampiasainao?... Tsy mampaninona anao ve raha ampiasaintsika ilay izy?’ Azonao ampiana hoe: ‘Na inona na inona Baiboly ampiasaintsika, dia tsara ny hitadidiana ny tenin’i Jesosy ato amin’ny Jaona 17:3. Andao hojerentsika ao amin’ny Baibolinao izy io.’

Na hoe: ‘Maro ny fandikan-tenin’ny Baiboly. Mampirisika ny olona hampiasa dikan-teny maromaro izahay, mba hahafahany hanao fampitahana sy hahazoany tsara ny hevitry ny Baiboly. Fantatrao angamba fa nosoratana tamin’ny teny hebreo sy aramianina ary grika ny Baiboly, tany am-boalohany. Soa ihany àry fa nadika tamin’ny tenintsika izy io. Inona no Baiboly ampiasainao?’

Na hoe: ‘Hita hoe tia ny Tenin’Andriamanitra ianao. Mino aho fa ho tianao ny hahafantatra hoe inona no tena tsy itovizan’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny Baiboly hafa. Izany dia momba ny anaran’ilay Mpanjakan’izao rehetra izao. Fantatrao ve hoe iza izany?’ Azonao ampiana hoe: 1) ‘Fantatrao ve fa miseho im-7 000 eo ho eo ny anarany ao amin’ny Baiboly, amin’ny teny hebreo? Ny anarany no miverimberina indrindra ao.’ 2) ‘Zava-dehibe ve ny ampiasantsika ny anaran’Andriamanitra? Misy olona namanao be ve, ohatra, nefa tsy fantatrao ny anarany?... Raha tiantsika àry ny hifandray akaiky amin’Andriamanitra, dia ilaintsika fantarina aloha ny anarany. Mariho izay nolazain’i Jesosy ato amin’ny Jaona 17:3, 6. (Sal. 83:18)’