Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanjakan’Andriamanitra

Fanjakan’Andriamanitra

Famaritana: Ny Fanjakan’Andriamanitra no fomba ampiharan’i Jehovah ny fahefany amin’ny zavaboariny. Nasainy hitondra fanjakana iray misolo tena an’io Fanjakana io i Jesosy Kristy Zanany. Samy azo antsoina hoe “Fanjakana” ny fitondran’ilay voahosotra ho Mpanjaka, sy ny tany manontolo fehezin’io fitondram-panjakana any an-danitra io.

Tena fitondram-panjakana ve ny Fanjakan’Andriamanitra?

Sa ao am-pon’olona fotsiny izy io?

Lioka 17:21, Prot.: “Ny olona tsy hanao hoe: Indro, etỳ! na erỳ! fa, indro ny fanjakan’Andriamanitra dia ao anatinareo [Kat., JM; “eo afovoanareo”, TV ].” (Asehon’ny andininy faha-20 fa niresaka tamin’ny Fariseo i Jesosy. Nolazainy hoe mpihatsaravelatsihy anefa izy ireo, ka azo antoka fa tsy tao am-pon’izy ireo ilay Fanjakana. Teo afovoan’izy ireo kosa izy io satria teo i Kristy, ilay solontenan’izy io. Hoy àry ny DIEM: “Indro efa eo afovoanareo ny Fanjakàn’Andriamanitra.”)

Milaza ve ny Baiboly fa fitondram-panjakana ny Fanjakan’Andriamanitra?

Isaia 9:5, 6, Prot.: “Zaza no teraka ho antsika, zazalahy no omena antsika; ary ny fanapahana [“fanjakana”, Kat.; “mari-piandrianany”, DIEM; “fahefan’andriana”, TV ] dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain’ny mandrakizay, Andrian’ny fiadanana. Ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana.”

Iza no mpitondra ao amin’ilay Fanjakana?

Apok. 15:3: “Lehibe sady mahagaga ny asanao, Jehovah Andriamanitra ô, ilay Mahery Indrindra. Mahitsy sy marina ny lalanao, ry Mpanjakan’ny mandrakizay.”

Dan. 7:13, 14: “Teny amin’ny rahon’ny lanitra, dia nisy toy ny zanak’olona [Jesosy Kristy; jereo ny Marka 14:61, 62] nihananatona. Ary nahazo alalana hankeo amin’Ilay Efa Nisy Hatry ny Ela Be [Jehovah Andriamanitra] izy, ka nentina ho eo anatrehany. Ary nomena azy [an’i Jesosy Kristy] ny fitondrana sy ny voninahitra ary ny fanjakana, mba hanompo azy avokoa ny vahoaka sy ny firenena ary ny olona samy hafa fiteny.”

Apok. 5:9, 10: “Ianao [Jesosy Kristy], ... efa novonoina ho faty, ary ny ranao no nividiananao ho an’Andriamanitra, olona avy tamin’ny foko sy fiteny sy vahoaka ary firenena rehetra. Ary nataonao fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitsika ireo, ka ho mpanjaka hitondra ny tany.” (Resahin’ny Apokalypsy 14:1-3 fa 144 000 ireo “novidina avy teto an-tany”, mba hiara-manjaka amin’ny Zanak’ondry eo amin’ny Tendrombohitra Ziona any an-danitra.)

Hataon’ilay Fanjakana ahoana ireo fanjakan’olombelona?

Dan. 2:44: “Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo, dia hanorina fanjakana tsy ho rava mandrakizay ilay Andriamanitry ny lanitra, ary tsy ho lasan’olon-kafa izany fanjakana izany. Hotorotoroin’izy io sy hofoanany ireo fanjakana rehetra ireo, fa izy kosa haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra.”

Sal. 2:8, 9: “Angataho amiko ireo firenena, dia homeko ho lovanao, ary ny vazan-tany efatra, fa homeko ho fanananao. Hopotehinao amin’ny tehim-by ireny, ary homontsamontsaninao toy ny vilany tanin’ny mpanefy tanimanga.”

Inona no hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra?

Hanamasina ny anaran’i Jehovah sy hanamarina ny zony hitondra

Mat. 6:9, 10: “Koa mivavaha toy izao ianareo: ‘Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao! Ho tonga anie ny fanjakanao!’ ” (Hanamasina ny anaran’Andriamanitra ilay Fanjakana rehefa tonga.)

Ezek. 38:23: “Izao no hataoko eo imason’ny firenena maro: Hasehoko ny fahalehibeazako sy ny fahamasinako ary hataoko izay hahafantaran’izy ireo ahy. Dia tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah.” (Tsy halam-baraka intsony ny anaran’Andriamanitra, fa hohamasinina sy hohajaina kosa. Hanohana an-tsitrapo ny zon’i Jehovah hitondra ny olona rehetra amin’izay, ka ho faly hanao ny sitrapony. Hanjaka eo amin’izao rehetra izao àry ny fiadanana sy ny fahasambarana.)

Hamarana ny fitondran’i Satana an’izao tontolo izao

Apok. 20:2, 3: “[Nosamborin’i Jesosy Kristy Mpanjaka any an-danitra] ilay dragona, ilay menarana tany am-boalohany, dia ny Devoly sy Satana, ka nofatorany arivo taona, dia natsipiny mafy tao amin’ny lavaka mangitsokitsoka. Ary nohidian’ilay anjely sy nasiany tombo-kase ilay lavaka, mba tsy hahafahan’ilay dragona hamitaka ny firenena intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona. Aorian’izany, dia hovahana vetivety izy.” (Tena sarotra ny manao ny tsara ankehitriny satria mbola eo ny fitaoman’i Satana. Tsy ho afaka hamitaka intsony anefa izy, na hitaona olona hanao habibiana mahatsiravina, na hampahatahotra olona.)

Hahatonga ny zavaboary rehetra hiara-manompo an’ilay tena Andriamanitra

Apok. 5:13; 15:3, 4: “Ary ny zavaboary rehetra tany an-danitra sy teto an-tany sy tany ambanin’ny tany ary tany an-dranomasina, sy ny zava-drehetra tao aminy, dia reko nilaza hoe: ‘Ho an’Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana [Jehovah Andriamanitra] sy ho an’ny Zanak’ondry [Jesosy Kristy] anie ny fisaorana sy ny haja sy ny voninahitra ary ny hery mandrakizay mandrakizay!’ ” “Lehibe sady mahagaga ny asanao, Jehovah Andriamanitra ô, ilay Mahery Indrindra. Mahitsy sy marina ny lalanao, ry Mpanjakan’ny mandrakizay. Iza no tsy hatahotra anao, Jehovah ô, ary iza no tsy hanome voninahitra ny anaranao, satria ianao irery ihany no tsy mivadika? Fa ho avy hivavaka eo anatrehanao ny firenena rehetra, satria efa naseho ny didim-pitsaranao ara-drariny.”

Hampifandray tsara indray ny olona amin’Andriamanitra

Rom. 8:19-21: “Ny zavaboary [olombelona] dia miandry fatratra ny fampiharihariana an’ireo zanak’Andriamanitra [ny porofo fa efa miara-manjaka amin’i Jesosy ireo niakatra any an-danitra]. Fa navela ho tonga zava-poana ny zavaboary, nefa tsy noho ny sitrapony fa noho ny sitrapon’ilay namela izany hitranga. Eny, navela hitranga izany, miorina amin’izao fanantenana izao: Ny zavaboary [ny olombelona] koa dia hafahana amin’ny fanandevozan’ny fahalovana, ka hanana ny fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra.”

Hanafoana ny ady

Sal. 46:8, 9: “Avia ianareo hijery ny asan’i Jehovah. Manao zava-mahagaga eto an-tany izy. Mampitsahatra ady hatrany amin’ny faran’ny tany izy.”

Isaia 2:4: “Hanefy ny sabany ho angadinomby izy ireo, ary ny lefony ho antsy fandrantsanam-boaloboka. Tsy hanainga sabatra hifamely ny firenena, ary tsy hianatra ady intsony.”

Hamongotra ny fampahoriana sy ireo mpitondra manao kolikoly

Sal. 110:5: “I Jehovah izay eo ankavananao no hanorotoro mpanjaka maro amin’ny andro fahatezerany.”

Sal. 72:12-14: “[Hovonjen’i Mesia Mpanjaka] ny mahantra miantso vonjy, mbamin’ny ory sy izay rehetra tsy manan-kamonjy. Hangoraka ny olona ambany sy ny mahantra izy, ary hamonjy ny ain’ny mahantra. Hanavotra ny ain’izy ireo amin’ny fampahoriana sy ny herisetra izy, ary ho sarobidy aminy ny ran’izy ireo.”

Hanome sakafo be dia be ho an’ny olona rehetra

Sal. 72:16: “Hahavokatra be ny tany, ary na eny an-tampon-tendrombohitra aza dia ho be ny vokatra.”

Isaia 25:6: “Hanao fanasambe ho an’ny firenena rehetra i Jehovah Tompon’ny tafika eto amin’ity tendrombohitra ity [Tendrombohitra Ziona any an-danitra, izany hoe ny foiben’ny Fanjakan’Andriamanitra izay hikarakara ny zavatra hilain’ny vahoakany eto an-tany], dia fanasambe misy hanim-pito loha, fanasambe misy divay efa naotrika ela, eny, fanasambe misy hanim-pito loha sady feno tsoka, sy divay efa naotrika ela ka notantavanina.”

Hanafoana ny aretina sy kilema rehetra

Lioka 7:22; 9:11: “Mandehana, lazao amin’i Jaona izao hitanareo sy renareo izao: Mahiratra ny jamba, mandeha ny malemy, voadio ny boka, mandre ny marenina, atsangana ny maty, ary itoriana ny vaovao tsara ny mahantra.” “Koa niresaka taminy momba ny fanjakan’Andriamanitra izy [Jesosy Kristy], sady nanasitrana an’ireo nila fanasitranana.” (Nasehon’i Jesosy izay hataony ho an’ny olona rehefa Mpanjaka any an-danitra izy.)

Hanome trano tsara ho an’ny rehetra

Isaia 65:21, 22: “Hanao trano ny olona ka honina ao, ary hanao tanimboaloboka ka hihinana ny vokatra avy amin’izany. Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’ny olon-kafa.”

Hanome asa mahafa-po ho an’ny rehetra

Isaia 65:23: “Tsy ho very maina ny fisasarany, ary tsy hiteraka zaza hiharan’ny loza tampoka izy. Fa taranaka tahin’i Jehovah izy ireo sy ny taranany.”

Hiantoka ny filaminana sy ny fandriampahalemana ho an’ny rehetra

Mika 4:4: “Samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hampangovitra azy, fa ny vavan’i Jehovah Tompon’ny tafika no efa niteny.”

Sal. 37:10, 11: “Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy intsony ny ratsy fanahy. Handinika an’izay nisy azy ianao, nefa tsy ho eo intsony izy. Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany, ka tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be.”

Hampanjaka ny rariny sy hitsiny

2 Pet. 3:13: “Misy anefa lanitra vaovao sy tany vaovao hitoeran’ny fahamarinana, ary izany no andrasantsika, araka ny fampanantenany.”

Isaia 11:3-5: “Tsy hitsara araka izay hitan’ny masony fotsiny izy [Mesia Mpanjaka], na hananatra araka izay ren’ny sofiny, fa araka ny rariny no hitsarany ny mahantra, ary araka ny hitsiny no hananarany ny olona ho tombontsoan’ny mpandefitra eto an-tany. ... Fehikibo eo amin’ny andilany ny fahamarinana, ary fehikibo anaovany koa ny tsy fivadihana.”

Hiaro ny olona amin’ny loza voajanahary

Mar. 4:37-41: “Ary nisy tafio-drivotra mahery, ka niantonta tsy an-kijanona tao anaty sambokely ny onja. Dia nila ho feno rano ilay sambokely. ... Ary niarina izy [Jesosy] ka niteny mafy ny rivotra sady nilaza tamin’ny ranomasina hoe: ‘Mangìna! Mitonia!’ Dia nitsahatra ny rivotra ka nanjary tony dia tony ny andro. ... Natahotra be anefa izy ireo, ary nifampiresaka hoe: ‘Fa iza marina àry izy ity, fa hatramin’ny rivotra sy ny ranomasina aza mankatò azy?’ ” (Nasehon’i Kristy fa ho afaka hifehy ny herin’ny natiora izy rehefa Mpanjaka any an-danitra.)

Hanangana ny maty

Jaona 5:28, 29: “Aza gaga amin’izany fa ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny [feon’i Kristy Mpanjaka], dia hivoaka izy ireo.”

Apok. 20:12: “Hitako ny maty, na ny lehibe na ny kely, nijoro teo anoloan’ny seza fiandrianana, dia nisy horonam-boky novelarina. Fa nisy horonam-boky iray koa novelarina, dia ny horonam-bokin’ny fiainana. Ary ny maty dia notsaraina araka izay voasoratra tao amin’ireo horonam-boky, araka izay nataon’izy ireo [taorian’ny nitsanganany; ampitahao amin’ny Romanina 6:7].”

Hanafoana ny fahafatesana nolovana tamin’i Adama

Isaia 25:8: “Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana. Hofafan’i Jehovah Tompo Fara Tampony koa ny ranomaso amin’ny tarehy rehetra.”

Apok. 21:4: “Hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.”

Hampanjaka ny tena fifankatiavana

Jaona 13:35: “Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo [ka mety hiara-manjaka amin’i Jesosy any an-danitra na ho vahoakany eto an-tany].”

Hahatonga ny olona sy ny biby hihavana tsara

Isaia 11:6-9: “Hiaraka tsindraindray ny zanak’ondry sy ny amboadia, hatoritory hiaraka amin’ny zanak’osy ny leopara, ary hiaraka daholo ny zanak’omby sy ny liona tanora ary ny biby nohatavezina, ka ankizilahikely no hitarika azy ireo. Hiara-misakafo ny ombivavy sy ny orsa, ary hiara-matoritory ny zanany. Na ny liona aza hihina-mololo toy ny omby. Hilalao eo amin’ny lavaky ny kôbrà ny zaza minono, ary ny zaza nisara-nono dia hametraka ny tanany eo amin’ny lavaky ny bibilava misy poizina. Tsy handratra na hanimba eran’ny tendrombohitro masina izy ireo.” (Jereo koa ny Isaia 65:25.)

Hosea 2:18: “Ho azy ireo no hanaovako fifanekena amin’izany andro izany, dia fifanekena amin’ny bibidia sy ny voro-manidina eny amin’ny lanitra ary ny biby mandady amin’ny tany. ... Ary hataoko mandry feizay izy ireo.”

Hanova ny tany ho paradisa

Lioka 23:43: “Lazaiko aminao marina tokoa anio fa hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao.”

Sal. 98:7-9: “Aoka hanandra-peo ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, ary ny tany lonaka sy izay monina eo aminy. Aoka hitehaka ny renirano, ary aoka ny tendrombohitra rehetra hiara-mihoby eo anatrehan’i Jehovah, fa tonga hitsara ny tany izy. Hitsara ny tany lonaka araka ny rariny izy, ary hitsara ny olona araka ny hitsiny.”

Ampitahao amin’ny Genesisy 1:28; 2:15; Isaia 55:11.

Oviana no nanomboka nitondra ny Fanjakan’Andriamanitra?

Tamin’ny taonjato voalohany ve?

Kol. 1:1, 2, 13: “Paoly, apostolin’i Kristy Jesosy noho ny sitrapon’Andriamanitra, sy Timoty rahalahintsika. Ho an’ny olona masina [mpandova ilay Fanjakana any an-danitra] ... Nanafaka antsika tamin’ny fahefan’ny haizina izy [Andriamanitra], ka namindra antsika [olona masina anisan’ny fiangonana kristianina] ho amin’ny fanjakan’ilay Zanany tiany.” (Mbola tsy nosoratana ny Kolosianina, dia efa nanomboka nanjaka teo amin’ny fiangonana kristianina i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany. Mbola tatỳ aoriana anefa vao niorina ilay Fanjakana izay hitondra ny tany manontolo.)

1 Kor. 4:8: “Hay, efa afa-po sahady ianareo? Ary efa manankarena sahady? Ary efa nanomboka nanjaka sahady, nefa tsy niaraka taminay? Enga anie ianareo ho efa nanomboka nanjaka, mba hiarahanay manjaka aminareo koa!” (Niteny mafy azy ireo i Paoly satria diso hevitra izy ireo.)

Apok. 12:10, 12: “Ankehitriny dia tonga ny famonjen’Andriamanitsika sy ny heriny ary ny fanjakany sy ny fahefan’ny Kristiny, satria natsipy ilay mpiampanga ny rahalahintsika, dia ilay miampanga azy ireo andro aman’alina eo anatrehan’Andriamanitsika! Noho izany, dia mifalia ry lanitra sy ianareo izay monina ao aminy! Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina, fa nidina any aminareo ny Devoly sady tezitra mafy, satria fantany fa fohy ny fotoana ananany.” (Rehefa niorina ilay Fanjakana, dia noroahina tany an-danitra i Satana. Tsy tamin’izy nikomy tany Edena anefa izany, raha jerena ny Joba toko 1, 2. Nosoratana tamin’ny taona 96 ny Apokalypsy, izay miresaka zavatra mbola ho avy, araka ny Apokalypsy 1:1.)

Ho lasa mpino ve ny olona rehetra, vao ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra?

Sal. 110:1, 2: “Hoy i Jehovah tamin’ny Tompoko [Jesosy Kristy]: ‘Mipetraha eto ankavanako mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.’ Halefan’i Jehovah avy ao Ziona ny tehin’ny herinao, ka hoy izy: ‘Manjakà eo anivon’ny fahavalonao.’ ” (Mbola ho eo àry ny fahavalony satria tsy ny rehetra no hanaiky azy.)

Mat. 25:31-46: “Rehefa tonga ny Zanak’olona [Jesosy Kristy] amin’ny voninahiny, miaraka amin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianany be voninahitra izy. Dia hangonina eo anatrehany ny firenena rehetra. Ary hanavaka ny olona izy, toy ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy. ... Ary ho any amin’ny fandringanana mandrakizay ireo [tsy tia ny rahalahiny voahosotra], fa ny olo-marina kosa ho any amin’ny fiainana mandrakizay.” (Tsy ho lasa mpino àry ny olona rehetra vao hanjaka i Kristy, satria tsy ny rehetra no ho olo-marina.)

Resahin’ny Baiboly ve hoe oviana no nanomboka nitondra ilay Fanjakana?

Jereo ny pejy 65-69 eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Andro Farany”, sy ny pejy 101-104 eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Daty.”

Raha misy milaza hoe:

‘Tsy ho tonga amin’izao androntsika izao izany’

Azonao valiana hoe: ‘Tsy maintsy ho tonga anefa ny Fanjakan’Andriamanitra, sa tsy izany?... Ahoana àry no hahafantarana hoe rahoviana? Nanontany momba izany ireo apostoly, ary tena mahakasika antsika ankehitriny ny valin-tenin’i Jesosy. (Mat. 24:3-14)’

Na hoe: ‘Maro no mihevitra toy izany. Mino anefa izahay Vavolombelon’i Jehovah fa efa mitondra any an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra, araka ny voalazan’ny Baiboly. Anjarantsika àry ny misafidy raha te hiaina eo ambany fitondrany isika na tsia. Izany no antony itsidihanay anao androany. Mariho ange ny voalazan’ny Matio 24:14 e!’