Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fety

Fety

Famaritana: Andro tsy fiasana sy tsy fianarana mba hahatsiarovana fisehoan-javatra lehibe iray. Matetika no miara-mikorana ny fianakaviana na ny mpiara-monina amin’ireny andro ireny. Mety ho fety ara-pivavahana ilay izy na tsia.

Eken’ny Baiboly ve ny fetin’ny Krismasy?

Datin’ny Krismasy

Hoy ny Rakipahalalana navoakan’i McClintock sy Strong: ‘Tsy nandidy ny hankalazana ny Krismasy Andriamanitra, ary tsy hita ao amin’ny Testamenta Vaovao izy io. Tsy misy fomba azo amaritana ny daty nahaterahan’i Kristy ao amin’ny Testamenta Vaovao, na ao amin’ny boky hafa.’—(anglisy, New York, 1871), Boky Faha-II, p. 276.

Milaza ny Lioka 2:8-11 fa tany an-tsaha ireo mpiandry ondry ny alina nahaterahan’i Jesosy. Hoy ny boky Ny Fiainana Tamin’ny Andron’i Jesosy: ‘Tao am-bala ny ondry tamin’ny ririnina. Izany fotsiny dia efa porofo fa tsy mety ho marina ny datin’ny Krismasy. Milaza mantsy ny Filazantsara fa tany an-tsaha ny mpiandry ondry tamin’izay.’—(anglisy, New York, 1962), Henri Daniel-Rops, p. 228.

Hoy koa Ny Rakipahalalana Amerikanina: ‘Tsy tena mazava ny antony nankalazana ny Krismasy ny 25 Desambra. Voalaza anefa fa nofidina io andro io, mba hifanitsy tamin’ireo fetin’ny mpanompo sampy natao taorian’ny 21 Desambra. Nanomboka ho lava kokoa noho ny alina mantsy ny andro tamin’izay, ka nankalaza ny “fahaterahan’ny masoandro indray” izy ireo. Natao tamin’izay koa ny Satiornaly Romanina (fetin’i Satiorna, andriamanitry ny fambolena, sy fetin’ilay masoandro nahazo hery indray). Avy amin’io fetin’ny mpanompo sampy fahiny io angamba ny fanao sasany amin’ny Krismasy.’—(1977), Boky Faha-6, p. 666.

Miaiky toy izao ny Rakipahalalana Katolika Vaovao:  ‘Tsy fantatra ny daty nahaterahan’i Kristy. Tsy resahin’ny Filazantsara na ny andro na ny volana. Araka ny hevitra naroson’i H. Usener, izay eken’ny ankamaroan’ny manam-pahaizana ankehitriny, dia nofidina ho andro nahaterahan’i Kristy ny ... (25 Desambra amin’ny kalandrie jolianina, ary 6 Janoary amin’ny kalandrie ejipsianina). Tamin’io andro io mantsy ireo mpivavaka tamin’i Mithra no nankalaza ny dies natalis Solis Invicti (daty nahaterahan’ny masoandro tsy mety resy), rehefa nanomboka nipoitra indray tany amin’ny Ila Bolantany Avaratra ny masoandro. Nambaran’i Aurélien tamin’ny 25 Des. 274 fa ilay andriamanitra masoandro no mpiaro an’ilay fanjakana, ary nitokana tempoly ho azy izy tao amin’ny Kianjan’i Marsa. Nanomboka nankalaza Krismasy ny olona, tamin’ny fotoana nampahalaza be ny fivavahana tamin’ny masoandro tany Roma.’—(1967), Boky Faha-III, p. 656.

Olon-kendry, na Magy, notarihin’ny kintana

Mpanandro avy any atsinanana izy ireo, raha ny marina. (Mat. 2:1, 2) Na dia be mpanao aza ny fanandroana ankehitriny, dia tsy ankasitrahan’ny Baiboly mihitsy io fanao io. (Jereo ny pejy 316, 317, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Lahatra.”) Hitarika an’ireo mpanandro ho any amin’i Jesosy zazakely ve Andriamanitra, nefa tsy ankasitrahany ny ataon’izy ireo?

Milaza ny Matio 2:1-16 fa nitarika an’ireo mpanandro ho any amin’i Heroda Mpanjaka aloha ilay kintana, vao nankany amin’i Jesosy. Nitady hamono an’i Jesosy i Heroda avy eo. Tsy nisy olon-kafa ankoatra an’ireo mpanandro anefa nahita an’ilay “kintana.” Rehefa lasa nody izy ireo, dia nasain’ny anjelin’i Jehovah nandositra tany Ejipta i Josefa mba hiarovana ny ain’ilay zaza. Avy amin’Andriamanitra àry ve io “kintana” io, sa avy amin’olon-kafa nitady hamono ny Zanany?

Tsy milaza koa ny Baiboly hoe tao anaty fihinanam-bilona i Jesosy no hitan’ireo mpanandro, toy ny fahita amin’ny Krismasy. Efa nipetraka tao anaty trano kosa izy sy ny ray aman-dreniny. Mety ho firy taona i Jesosy tamin’izay? Tadidio fa nasain’i Heroda novonoina ny zazalahikely rehetra tao amin’ny faritr’i Betlehema, dia ireo roa taona no ho midina, araka ny fanazavana azony tamin’ireo mpanandro.—Mat. 2:1, 11, 16.

Fanolorana fanomezana mandritra ilay fety; Dadabe Noely

Misy mihevitra fa manahaka an’ireo Magy izy ireo, rehefa mifanolotra fanomezana amin’ny Krismasy. Tsy tamin’ny andro nahaterahan’i Jesosy anefa ireo Magy no tonga nitsidika azy, araka ny hita teo. Tsy nifanolotra fanomezana koa izy ireo, fa nanolotra izany kosa ho an’i Jesosy, araka ny fanao rehefa nitsidika olo-manan-kaja.

Hoy Ny Rakipahalalana Amerikanina: ‘Nanao sakafo be sy nifanolotra fanomezana ny olona nandritra ny fety Satiornaly.’ (1977, Boky Faha-24, p. 299) Mifanolotra fanomezana toy izany koa ny ankamaroan’ny olona rehefa Krismasy. Tsy tena mahasambatra anefa izany, satria mifanohitra amin’ny toro lalana ao amin’ny Matio 6:3, 4 sy ny 2 Korintianina 9:7 ny antony anaovan’izy ireo izany. Azon’ny Kristianina atao tsara kosa ny manolotra fanomezana ho porofon’ny fitiavany, amin’ny fotoana hafa ao anatin’ny taona, ary na impiry na impiry.

Matetika no lazaina amin’ny ankizy fa avy amin’ny Dadabe Noely ireo fanomezana azony amin’ny Krismasy. Tsy marina anefa izany! Mandrisika ny ankizy ho tia ny marina ve ny lainga toy izany? Manome voninahitra an’i Jesosy Kristy ve izany, nefa izy nampianatra fa tsy maintsy araka ny fahamarinana no ivavahana amin’Andriamanitra?—Jaona 4:23, 24.

Mety ve ny mankalaza fety fanaon’ny mpanompo sampy taloha, raha tsy noho ny antony ara-pivavahana no anaovana izany?

Efes. 5:10, 11: “Fantaro tsara foana izay ankasitrahan’ny Tompo, ary aza miaraka amin’izy ireny intsony amin’ny fanaovana ny asan’ny haizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo kosa tsy mankasitraka izany.”

2 Kor. 6:14-18: “Inona no ifandraisan’ny fahamarinana sy ny fandikan-dalàna? Ary inona no iombonan’ny mazava sy ny maizina? Inona no ifanarahan’i Kristy sy Beliala? Inona no zavatra iombonan’ny mino amin’ny tsy mpino? Ary inona no ifanarahan’ny tempolin’Andriamanitra amin’ny sampy? ... ‘ “Koa mivoaha eo aminy ianareo, ary misaraha aminy”, hoy i Jehovah, “ary aza mikasika intsony izay maloto” ’, ‘ “dia handray anareo aho ... Ary ianareo ho zanako lahy sy zanako vavy”, hoy i Jehovah, ilay Mahery Indrindra.’ ” (Mety ho tian’ny olona iray ny fanao sasany tsy kristianina. Ho mora kokoa aminy anefa ny tsy hanao izany intsony, raha tena tia an’i Jehovah izy sady maniry mafy ny hampifaly azy. Tsy hahatsiaro tena ho matiantoka izy, raha miala amin’ireo fanao manome voninahitra andriamani-diso na fanao mampiely lainga. Fantany tsara mantsy i Jehovah sady tena tiany, ka mifaly noho ny fahamarinana izy fa tsy noho ny tsy fahamarinana. Jereo ny 1 Korintianina 13:6.)

Jereo koa ny Eksodosy 32:4-10. Mariho fa fombafombam-pivavahan’ny Ejipsianina no nataon’ny Israelita, saingy nantsoiny hoe “fety ho an’i Jehovah” ilay izy. Nofaizin’i Jehovah anefa izy ireo noho izany. Izay fety fanaon’ny olona ankehitriny ihany no hitantsika. Toa tsy ratsy ny sasany amin’izy ireny. I Jehovah anefa nahita fa nisy avy tamin’ny mpanompo sampy izy ireny. Tsy ny fomba fiheviny àry ve no tokony ho zava-dehibe amintsika?

Fanoharana: Aoka hatao hoe misy olona maro tonga ao an-tranon’ny lehilahy iray manan-kaja, mba hankalaza ny andro nahaterahany. Tsy tia mankalaza andro nahaterahana anefa io lehilahy io. Tsy tiany koa ny mahita olona mihinana sy misotro tafahoatra na manana fitondran-tena baranahiny. Izany anefa no ataon’ny sasany amin’ireo olona ireo, ary izy samy izy koa no mifanolotra fanomezana, fa tsy misy manome an’ilay lehilahy. Ary angaha izay ihany! Ny andro nahaterahan’ny fahavalon’ilay lehilahy indray no nofidin’izy ireo hankalazana ny andro nahaterahan’ilay lehilahy. Ho faly amin’izany ve izy? Ho tianao ve no ho anisan’ireo olona ireo? Izany mihitsy anefa no mitranga rehefa Krismasy.

Ahoana no niandohan’ny Paka sy ny fombafomba mifandray amin’izy io?

Hoy Ny Rakipahalalana Britannica: ‘Tsy miresaka momba ny fankalazana ny Paka ny Testamenta vaovao sy ireo boky nosoratan’ny Ray apostolika. Tsy tao an-tsain’ny Kristianina voalohany mihitsy izany hoe misy andro masina izany.’—(1910), Boky Faha-8, p. 828.

Milaza koa Ny Rakipahalalana Katolika hoe: ‘Lasa fanao amin’ny Paka ny ankamaroan’ny fanaon’ireo mpanompo sampy mpankalaza ny fiverenan’ny lohataona. Nampiasaina, ohatra, ny atody mba hampisehoana ny fitsimohan’ny zavamaniry eo am-piandohan’ny lohataona. Fampiasan’ny mpanompo sampy koa ny bitro mba hampisehoana ny fiterahana maro.’—(1913), Boky Faha-5, p. 227.

Hoy i A. Hislop ao amin’ilay boky hoe Ireo Babylona Roa: “Ny fanaon’ny olona mandritra ny fankalazana [ny Paka], dia vao mainka manamarina fa tany Babylona no niandohan’io fety io. Efa fanaon’ny Kaldeanina ny nanao mofomamy mafana misy sarina lakroa toy ny ataon’ny olona rehefa Zoma Masina, sy ny nandoko atody toy ny ataon’ny olona ankehitriny rehefa Paka.”—(Condé-sur-Escaut, 1972), p. 157; ampitahao amin’ny Jeremia 7:18.

Mety amin’ny Kristianina ve ny mankalaza Taom-baovao?

Hoy Ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao: ‘Ny 1 Janoary no andro nankalazan’ny Romanina an’i Janus, andriamanitry ny vavahady sy ny varavarana ary ny fiandohana. Avy amin’ny hoe Janus ny anaran’ny volana hoe Janoary. Roa ny tarehin’i Janus: Ny iray nitodika tany aloha, ary ny iray nitodika tany aoriana.’—(1984), Boky Faha-14, p. 237.

Samy manana ny daty sy ny fomba ankalazany ny Taom-baovao ireo firenena. Fahita matetika ny lanonana feno filibana sy ny fisotroan-toaka. Hoy anefa ny Romanina 13:13: “Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny andro, ka hifady ny lanonana feno filibana sy ny fibobohan-toaka, ny firaisana ara-nofo tsy ara-dalàna sy ny fitondran-tena baranahiny, ary ny fifamaliana sy ny fialonana.” (Jereo koa ny 1 Petera 4:3, 4; Galatianina 5:19-21.)

Ahoana no niandohan’ireo fety ahatsiarovana ny maty?

Hoy Ny Rakipahalalana Britannica, natonta tamin’ny 1910: “Ny Fetin’ny Maty ... dia andro natokan’ny Eglizy Katolika hahatsiarovana an’ireo mpino nodimandry. Mihevitra mantsy izy ireo fa tsy afaka ny ho sambatra sy hahita an’Andriamanitra ny fanahin’ny mpino, raha tsy rehefa voadio amin’ireo ota madinika na mahazo famelan-keloka. Koa ny vavaka sy ny sorona masina amin’ny Lamesa no ahafahana manampy azy ireny. ... Avy tamin’ny mpanompo sampy efa hatry ny ela be, ny zavatra sasany inoan’ny olona momba ny Fetin’ny Maty. Izany no antony inoan’ny tantsaha any amin’ny tany katolika maro fa miverina any amin’ny tranony taloha ireo maty, ny alin’ny Fetin’ny Maty, ary miara-misakafo amin’ny velona.”—Boky I, p. 709.

Hoy Ny Rakipahalalana Amerikanina: “Efa fanaon’ireo mpisorona selta talohan’ny andron’i Jesosy, ny fombafomba sasany amin’ny Halloween. Nanao fety ho an’ny andriamanitra roa lehibe ny Selta: Ho an’ny andriamanitra masoandro, sy ho an’ny andriamanitry ny maty (Samain), izay natao ny 1 Novambra, Taom-baovaon’ny Selta. Niova tsikelikely ho fety kristianina ny fetin’ny maty, tatỳ aoriana.”—(1977), Boky Faha-13, p. 725.

Manazava toy izao ny boky Fivavahana Amin’ny Maty: “Misy ifandraisany amin’ny Safodrano ny anganon’ny firenena rehetra fahiny ... Porofon’izany ny fanaovana fety be ho fahatsiarovana an’ireo maty tamin’ilay Safodrano. Tsy ireo firenena mifanerasera ihany no manao izany, fa na dia ireo elanelanin’ny ranomasimbe sy ny taonjato maro aza. Mankalaza an’ilay fety izy rehetra ireo amin’ilay daty na akaikikaikin’ilay daty nolazain’i Mosesy fa nitrangan’ny Safodrano, dia ny fahafito ambin’ny folon’ny volana faharoa, izay mifanitsy amin’ny Novambra eo ho eo.” (anglisy, Londres, 1904, Kolonely J. Garnier, p. 4) Ho fanomezam-boninahitra an’ireo ratsy fanahy naringan’Andriamanitra tamin’ny andron’i Noa àry no nanaovana an’ireny fety ireny, tany am-boalohany.—Gen. 6:5-7; 7:11.

Mifanohitra amin’ny Baiboly ireny fety anomezam-boninahitra ny maty ireny, izay mifototra amin’ny finoana fa mbola velona any ankoatra ny fanahy. Milaza mantsy ny Baiboly fa tsy mahalala na inona na inona ny maty.—Mpito. 9:5, 10; Sal. 146:4.

Jereo ny pejy 123, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Fahafatesana”, sy ny pejy 437, 438 eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Zavamananaina”, mba hahitana ny niandohan’ny finoana hoe tsy mety maty ny fanahy.

Ahoana no niandohan’ny Fetin’ny Mpifankatia (Saint-Valentin)?

Hoy Ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao: ‘Mifanitsy amin’ny andro nankalazana maritiora kristianina roa samy atao hoe Valentin, ny datin’ny Saint-Valentin. Ireo fombafomba amin’io andro io kosa anefa, dia mety ho avy amin’ny fety romanina fahiny hoe Lupercale natao ny 15 Febroary. Tamin’io fety io no nankalazana an’i Junon, andriamanibavin’ny vehivavy sy ny fanambadiana, sy Pan, andriamanitry ny natiora.’—(1973), Boky Faha-20, p. 204.

Avy aiza no niavian’ny Fetin’ny Reny?

Hoy Ny Rakipahalalana Britannica: “Niandoha tamin’ny fivavahana amin’ny reny tany Gresy fahiny io fety io. Ny 15 Martsa no nankalazaina eran’i Azia Minora ny fetin’i Cybèle na Rhéa, Reny Lehibe an’ireo Andriamanitra.”—(1959), Boky Faha-15, p. 849.

Inona no toro lalan’ny Baiboly arahin’ny Kristianina, rehefa misy fetim-pirenena na fety hafa ankalazana zava-nitranga teo amin’ny firenena?

Jaona 18:36: “Hoy i Jesosy [tamin’ilay governora romanina]: ‘Tsy anisan’ity tontolo ity ny fanjakako.’ ”

Jaona 15:19: “Raha anisan’izao tontolo izao ianareo [mpanara-dia an’i Jesosy], dia ho tia ny azy izao tontolo izao. Fa satria tsy anisan’izao tontolo izao ianareo, fa izaho efa nifidy anareo avy tamin’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao ianareo.”

1 Jaona 5:19: “Izao tontolo izao manontolo kosa eo ambany fahefan’ilay ratsy.” (Ampitahao amin’ny Jaona 14:30; Apokalypsy 13:1, 2; Daniela 2:44.)

Fety hafa

Maro izy ireny, ka tsy ho voaresaka ato daholo. Manampy antsika hahita izay tokony hodinihina alohan’ny hankalazana azy ireny anefa, ny fanazavana momba an’ireo fety voalaza etsy aloha. Efa ampy tsara koa ny toro lalan’ny Baiboly voaresaka ato, ho an’ireo tena maniry hampifaly an’i Jehovah Andriamanitra.