Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fiainana

Fiainana

Famaritana: Ny mampiavaka ny zavamaniry, ny biby, ny olona ary ny anjely, amin’ny zavatra tsy mananaina. Afaka mitombo ny zavamananaina amin’ny ankapobeny, ary afaka miteraka sy mamadika ny sakafo ho hery. Misy vokany eo aminy ny zava-mitranga manodidina azy. Velona koa ny zavamaniry saingy tsy manana aina, toy ny an’ny olona sy ny biby. Misy hery mamelona mantsy ao anatin’ny selan’izy ireo, ary ny rivotra fohiny no mihazona an’io hery io.

Ny fiainana lavorary sy ny zo hanana izany no atao hoe tena fiainana, ho an’ny zavaboary manan-tsaina. Tsy manana fanahy tsy mety maty ny olona. Manantena ho lasa lavorary sy hiaina mandrakizay kosa ny mpanompon’Andriamanitra tsy mivadika. Hiaina eto an-tany ny ankamaroany. Ho any an-danitra kosa ny “ondry vitsy” izay handova ny Fanjakan’Andriamanitra. Ho lasa zavaboary ara-panahy tsy mety maty izy ireo, ary tsy hila sakafo sy rano na zavatra hafa mba hahavelona azy.

 Inona no dikan’ny fiainana?

Hisy dikany ny fiainantsika raha ekentsika fa nisy nanome ny aina. Raha tongatonga ho azy teo fotsiny izao rehetra izao, dia tsy hisy dikany ny fiainana sady tsy ho azo antenaina loatra ny hoavy. Hoy anefa ny Asan’ny Apostoly 17:24, 25, 28: “Ilay Andriamanitra nanao izao tontolo izao sy ny zava-drehetra ao aminy ... no manome ho an’ny olon-drehetra ny aina sy ny fofonaina ary ny zava-drehetra. Fa izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary isiantsika.” Hoy koa ny Apokalypsy 4:11: “Mendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery ianao, Jehovah ô, eny, ry Andriamanitray ô, satria namorona ny zava-drehetra ianao, ary noho ny sitraponao no nampisy sy namoronana azy ireny.” (Jereo koa ny loha hevitra hoe “Andriamanitra”, pejy 36-43.)

Tsy ho sambatra ireo tsy miraharaha izay takin’ny Mpamorona sy ny tari-dalany. Mampitandrina ny Galatianina 6:7, 8 hoe: “Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy. Izay mamafy ho an’ny nofony mantsy dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofony.”—Jereo koa ny Galatianina 5:19-21. (Jereo ny loha hevitra hoe “Fahaleovan-tena.”)

Tsy afaka mankafy ny fiainana toy ny nikasan’Andriamanitra azy tany am-boalohany ny olona, satria nandova ota avy tamin’i Adama. Milaza ny Romanina 8:20 fa “navela ho tonga zava-poana ny zavaboary”, noho ny nanamelohan’Andriamanitra an’i Adama. Nilaza ny apostoly Paoly fa mpanota ny tenany, ka hoy izy: “Izaho kosa ... nofo, namidy ho andevon’ny ota. Tsy ny tsara izay sitrako mantsy no ataoko, fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko fanao. Tena mahafinaritra ahy ny lalàn’Andriamanitra, araka ny toetra maha izy ahy, nefa ao amin’ny vatako dia ahitako lalàna hafa miady amin’ny lalàn’ny saiko sady mitondra ahy ho babon’ny lalàn’ny ota ao amin’ny vatako. Indrisy! Olo-mahantra aho!”—Rom. 7:14, 19, 22-24.

Sambatra isika ary misy dikany ny fiainantsika, rehefa ampiharintsika ny toro lalan’ny Baiboly sy ataontsika loha laharana ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy manao soa amin’Andriamanitra akory isika raha manompo azy. Mampianatra antsika ‘hahita soa’ anefa izy. (Isaia 48:17) Hoy ny Baiboly: “Aoka ianareo hifahatra tsara sy tsy ho voahozongozona ary ho be atao foana amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy very maina ny asa mafy ataonareo ao amin’ny Tompo.”—1 Kor. 15:58.

Mampanantena ny Baiboly fa ho lasa lavorary sy hiaina mandrakizay isika, raha inoantsika izay nataon’i Jehovah mba hahazoana fiainana ary arahintsika ny tari-dalany. Tsy ho diso fanantenana isika, satria azo antoka izany fampanantenana izany. Hisy dikany ny fiainantsika dieny izao, raha manao zavatra mifanaraka amin’izany fampanantenana izany isika.—Jaona 3:16; Tit. 1:2; 1 Pet. 2:6.

Natao ho velona taona vitsivitsy monja ve ny olombelona?

Gen. 2:15-17: “Naka an-dralehilahy [Adama] i Jehovah Andriamanitra, ka nametraka azy tao amin’ny zaridainan’i Edena mba hiasa sy hikarakara an’ilay zaridaina. Ary i Jehovah Andriamanitra nandidy an-dralehilahy hoe: ‘Afaka mihinana izay laninao amin’ny voan’ny hazo rehetra eo amin’ny zaridaina ianao. Aza ihinananao anefa ny voan’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, fa amin’ny andro ihinananao azy, dia ho faty tokoa ianao.’ ” (Lazain’Andriamanitra eto fa raha manota ihany ny olombelona vao ho faty. Nampitandrina an’i Adama àry izy mba tsy hanota. Ampitahao amin’ny Romanina 6:23.)

Gen. 2:8, 9: “Nanamboatra zaridaina tao Edena tany atsinanana i Jehovah Andriamanitra, ka napetrany tao ralehilahy izay noforoniny. Ary nampanirin’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny tany ny hazo rehetra mahafinaritra ny maso sady mahate hihinana, ary koa ny hazon’aina teo afovoan’ilay zaridaina.” (Noroahina avy tao Edena ny mpivady voalohany rehefa nanota, sao mihinana amin’ny hazon’aina, araka ny Genesisy 3:22, 23. Raha nankatò foana àry i Adama, dia nety ho navelan’Andriamanitra hihinana tamin’io hazo io izy, rehefa hitany fa mendrika ny hiaina mandrakizay. Izany angamba no antony nisian’io hazo io tao Edena.)

Sal. 37:29: “Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.” (Tsy niova àry ny fikasan’Andriamanitra momba ny olona sy ny tany.)

 Jereo ny  pejy 120, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Fahafatesana.”

Natao ho velona vetivety sy hijaly anefa ve isika ankehitriny?

Rom. 5:12: “Tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray [Adama] ho amin’izao tontolo izao, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.” (Nandova ota isika rehetra. Tsy fikasan’Andriamanitra anefa izany, fa vokatry ny fahotan’i Adama.) (Jereo koa ny loha hevitra hoe “Lahatra.”)

Joba 14:1: “Ny olona atera-behivavy dia fohy andro iainana sady mitebiteby lava.” (Izany no zava-misy eto amin’ity tontolo tsy lavorary ity.)

Na izany aza, dia mety ho tena hahafa-po sy hisy dikany ny fiainantsika. Jereo ny  pejy 202, 203, izay manazava ny dikan’ny fiainana.

Toeram-pitsapana fotsiny ve ny tany, mba hahitana hoe iza no mendrika ho any an-danitra?

Jereo ny pejy 327-333, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Lanitra.”

Manana fanahy tsy mety maty ve ny olona?

Jereo ny loha hevitra hoe “Zavamananaina”, pejy 433-438.

Nahoana no azo atao ny manantena fiainana tsara kokoa noho izao fiainana mihelina izao?

Mat. 20:28: “Tsy tonga mba hotompoina izy [Jesosy Kristy] fa mba hanompo, ka hanome ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro.”

Jaona 3:16: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”

Heb. 5:9: “Rehefa avy natao lavorary izy [Jesosy Kristy], dia nahatonga an’izay rehetra mankatò azy hahazo famonjena mandrakizay.” (Jereo koa ny Jaona 3:36.)

Amin’ny fomba ahoana no hahazoan’ny olona an’ilay fiainana ho avy?

Asa. 24:15: “Manantena amin’Andriamanitra aho, araka izay antenain’izy ireo koa, fa hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.” (Anisan’izany ireo mpanompon’Andriamanitra fahiny, sy ireo olona maro be tsy nahalala Azy, ka tsy fantatra raha ho nankatò Azy na tsia.)

Jaona 11:25, 26: “Hoy i Jesosy [tamin’ny anabavin’ny lehilahy iray hatsangany amin’ny maty]: ‘Izaho no fananganana ny maty sy fiainana. Izay maneho finoana ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka maneho finoana ahy dia tsy ho faty mihitsy. Mino izany ve ianao?’ ” (Ankoatra an’ireo hatsangana amin’ny maty àry, dia hisy koa ireo ho tafavoaka velona rehefa hifarana ity tontolo ratsy ity. Ho vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany izy ireo, ary tsy ho faty mihitsy.)

Noforonina mba hiaina mandrakizay ve ny vatan’ny olona?

Maro no miaiky fa afaka mahavita zavatra be ny atidoha, mihoatra lavitra noho izay vitany mandritra ny androm-piainan’ny olona iray velona 70 na 100 taona mihitsy aza. Hoy Ny Rakipahalalana Britannica:  ‘Mahavita zavatra be lavitra noho izay vitany mandritra ny androm-piainan’ny olona iray’ ny atidoha. (1976, Boky Faha-12, p. 998) Nilaza koa ilay mpahay siansa atao hoe Carl Sagan fa ‘mety hahafeno boky roapolo tapitrisa eo ho eo, toy ny any amin’ireny tranomboky lehibe indrindra ireny’, ny fanazavana azon’ny atidoha tehirizina. (Izao Rehetra Izao, 1980, p. 278) Niresaka momba ny zavatra azon’ny atidoha atao ilay manam-pahaizana atao hoe Isaac Aminov. Hoy izy: “Afaka mianatra sy mitahiry izay rehetra tian’ny olona hampidirina ao an-tsainy ny atidoha, na dia ampitomboina inarivony tapitrisa aza izany.”—Ny Gazetin’i New York, 9 Oktobra 1966, p. 146. (Nahoana no noforonina hahavita zavatra be toy izany ny atidohan’ny olombelona, raha tsy natao hampiasaina? Natao ho velona mandrakizay àry ny olona, matoa afaka miana-java-baovao foana.)

Misy fiainana ve any amin’ny planeta hafa?

Hoy Ny Gazetin’i New York: ‘Efa 25 taona izao ny olombelona no nikaroka raha misy fiainana any amin’ny planeta hafa. Asa be ilay izy, satria kintana ana hetsiny tapitrisa no tsy maintsy jerena. Ny Tany ihany anefa aloha hatramin’izao no nahitana fiainana.’—2 Jolay 1984, p. A1.

Hoy koa Ny Rakipahalalana Amerikanina: “Mbola tsy nahita planeta hafa [ankoatra an’ireo mihodidina ny masoandro] ny olombelona. Raha misy anefa ireny planeta ireny, dia mety hisy fiainana any ary mety ho niova miandalana ho tsara kokoa izany, ka efa mandroso be ireo zavamananaina any.” (1977, Boky Faha-22, p. 176) (Planeta maro no efa hita taorian’ny nanoratana an’ireo teny ireo, kanefa tsy nahitana fiainana teny amin’izy ireny. Inona àry no mahatonga ny olona sasany handany vola be hikarohana raha misy fiainana any ambony tsy taka-maso any? Sao dia mba te hanaporofo izy ireo hoe niova miandalana ho tsara kokoa ny olombelona fa tsy noforonin’Andriamanitra, ka tsy ampamoahina eo anatrehany?)

Milaza ny Baiboly fa misy fiainana hafa koa, ankoatra ny eto an-tany, dia ny an’Andriamanitra sy ny anjely. Kinga saina sy mahery lavitra noho ny olombelona izy ireo. Efa nifandray tamin’ny olona izy ireo, ka nanazava hoe ahoana no nampisy ny fiainana, ary inona no vahaolana amin’ireo zava-manahirana ny olombelona. (Jereo ny loha hevitra hoe “Baiboly” sy “Andriamanitra.”)