Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fijaliana

Fijaliana

Famaritana: Izay tsapan’ny olona ory na manaintaina. Mety hijaly ny vatana, ny saina, na ny fo. Antony maro no mety hahatonga izany: Ady, fanararaotan’ireo mpandraharaha tia vola loatra, takaitra hatrany am-bohoka, aretina, voina, “loza voajanahary”, teny na fihetsika tsy voahevitra ataon’ny hafa, asan’ny demonia, tebiteby, na ny hadalan’ny tena ihany. Ny fijaliana vokatr’izany rehetra izany no horesahintsika ato. Mety hahatsiaro mijaly koa anefa ny olona rehefa mahita ny fahorian’ny hafa na ny fitondran-tena ratsin’izy ireo.

  Nahoana no avelan’Andriamanitra hisy ny fijaliana?

Iza no tena mahatonga ny fijaliana?

Ny ataon’ny olona ihany matetika no mahatonga azy hijaly. Miady izy ireo, manao heloka bevava, mandoto ny tontolo iainana, tsy mieritreritra afa-tsy izay hahazoany tombony rehefa manao raharaham-barotra, ary manaram-po amin-javatra fantany fa tsy mahasalama. Manimba ny tenany sy ny hafa izy ireo rehefa manao izany. Tokony hahagaga àry ve raha mizaka ny vokatry ny nataony ihany ny olona? (Gal. 6:7; Ohab. 1:30-33) Rariny ve raha Andriamanitra indray no omena tsiny amin’izany?

Anisan’ny mahatonga ny fijaliana koa i Satana sy ny demoniany. Hazavain’ny Baiboly fa matetika ny fanahy ratsy no mahatonga ny olona hijaly. Maro no manome tsiny an’Andriamanitra noho ny fisian’ny fijaliana, nefa tsy avy aminy mihitsy izany.—Apok. 12:12; Asa. 10:38; jereo koa ny pejy 381, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Satana Devoly.”

 Ahoana no nampisy ny fijaliana? Manampy antsika hamaly izany ny tantaran’i Adama sy Eva. Nataon’i Jehovah Andriamanitra lavorary izy mivady, ary napetrany tao amin’ny paradisa. Tsy ho narary na ho faty mihitsy izy ireo, raha nankatò azy foana. Ho afaka niaina mandrakizay izy ireo. Tsy fikasan’i Jehovah mihitsy ny hijalian’ny olombelona. Nampitandrina an’i Adama izy fa hafoin’izy mivady daholo ny soa rehetra efa azony, raha tsy nankatò izy ireo. Tsy maintsy nifoka rivotra, nisakafo, nisotro rano, ary natory izy ireo raha te ho velona. Tsy maintsy nanao izay notakin’Andriamanitra koa izy ireo, raha te ho sambatra sy hiaina mandrakizay. Nifidy ny hahaleo tena sy hanapa-kevitra ny amin’izay tsara sy ratsy anefa izy ireo, ka nikomy tamin’Andriamanitra Mpanome aina. (Gen. 2:16, 17; 3:1-6) Nanota izy ireo, ka maty. Efa mpanota i Adama sy Eva vao niteraka, ka nandova ota daholo ny taranany. Lasa mora manao ratsy àry ny olona, mora andairan’aretina, ary maty amin’ny farany. Mpanota daholo isika rehetra, ka samy mijaly.—Gen. 8:21; Rom. 5:12.

Milaza koa ny Mpitoriteny 9:11 fa “mety ho azon-tsampona” isika “amin’ny fotoana tsy ampoizina.” Mety hiharan-doza isika satria sendra eo amin’ny toerana isehoan’ny loza, amin’ny fotoana itrangan’izany. Tsy voatery ho ny Devoly na ny olona akory no nahatonga izany.

Nahoana Andriamanitra no tsy mamarana ny fijaliana? Nahoana isika rehetra no mijaly noho izay nataon’i Adama?

Nolazain’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly izay tokony hatao raha tsy te hijaly loatra. Faran’izay tsara ny torohevitra omeny. Rehefa mampihatra azy ireny isika, dia lasa misy dikany ny fiainantsika, sambatra ny fianakaviantsika, mifandray akaiky amin’ny olona tena mifankatia isika, ary voaro amin’ireo fahazarana mety hankarary sy hampitondra fahoriana. Hahita olana kosa isika sy ny hafa, raha tsy miraharaha an’ireny torohevitra ireny isika. Ho rariny àry ve amin’izay ny hanomezan-tsiny an’Andriamanitra?—2 Tim. 3:16, 17; Sal. 119:97-105.

Nisy zavatra nataon’i Jehovah mba hamaranana ny fijaliana. Noforoniny ho lavorary ny mpivady voalohany, ary nomeny izay rehetra nilain’izy ireo mba hahatonga ny fiainany hahafinaritra. Rehefa nikomy taminy anefa izy mivady, dia tsy voatery niaro ny zanak’izy ireo tamin’ny vokatry ny nataon’izy ireo Andriamanitra. (Deot. 32:4, 5; Joba 14:4) Fantatsika tsara fa mahafaly ny manan-janaka, nefa andraikitra ihany koa. Misy vokany amin’ny zanaka mantsy izay ataon’ny ray aman-dreny. Naneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa tamin’ny taranak’i Adama anefa i Jehovah, ka nirahiny ho etỳ an-tany ny Zanany malala mba hanome ny ainy ho vidim-panavotana. Hahazo fanamaivanana ireo mino izany. (Jaona 3:16) Afaka manantena ny hahazo an’izay nafoin’i Adama àry ny olona velona ankehitriny, dia fiainana lavorary tsy misy fijaliana ao amin’ny tany paradisa. Fanehoam-pitiavana lehibe tokoa izany!

Jereo koa ny pejy 422, 423, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Vidim-panavotana.”

Nahoana no avelan’ilay Andriamanitra fitiavana hijaly ela be toy izao ny olona?

Mahasoa antsika ve ny namelany ny fijaliana hisy hatramin’izao? “Tsy mba ela i Jehovah raha ny amin’ny fampanantenany, araka izay heverin’ny sasany ho fahelana, fa manam-paharetana aminareo izy, satria tsy tiany hisy ho ringana fa mba ho tonga amin’ny fibebahana kosa ny rehetra.” (2 Pet. 3:9) Tsy ho nisy isika rehetra raha tonga dia naringan’Andriamanitra i Adama sy Eva taorian’ny nanotany. Tsy izany anefa no irintsika. Tsy ho nisy koa isika, raha naringan’Andriamanitra taloha kokoa ny mpanota rehetra. Noho izy mbola namela an’ity tontolo ratsy ity hisy anefa, dia misy isika ary afaka mianatra ny fitsipiny. Afaka miova koa isika, ka manantena ny hiaina mandrakizay. Porofo izany fa be fitiavana tokoa i Jehovah. Milaza ny Baiboly fa efa nametra fotoana handringanana an’ity tontolo ratsy ity izy, ary tsy ho ela intsony izany.—Hab. 2:3; Zef. 1:14.

Afaka manafoana ny zava-dratsy rehetra mitranga amin’ny mpanompony Andriamanitra, sady tena hanao izany. Tsy Andriamanitra mihitsy no mahatonga ny fijaliana. Hatsangany amin’ny alalan’i Jesosy Kristy kosa ny maty, ary hositraniny ny karazana aretina rehetra. Hofoanany tanteraka koa ny fahotana, ary hataony izay tsy hahatsiarovantsika intsony ireo zavatra nampalahelo antsika.—Jaona 5:28, 29; Apok. 21:4; Isaia 65:17.

Nilaina ny fotoana lasa hatramin’izay mba handaminana ireo adihevitra nipoitra tany Edena. Mba hahitana ny tsipirian’izany, dia jereo ny pejy 131-133, sy 381.

Tsy andrintsika izay tsy hisian’ny fijaliana intsony. Rehefa manao zavatra anefa Andriamanitra, dia izay hahasoa an’ireo rehetra tia rariny no tadiaviny, fa tsy izay hahasoa ny olom-bitsy fotsiny. Tsy mizaha tavan’olona mantsy izy.—Asa. 10:34.

Fanoharana: Moa ve tsy hamela an-janany hodidiana ny ray aman-dreny be fitiavana raha fantany fa izany no hahasoa an-janany, na dia mety hampanaintaina be aza izany? Tsy marina koa ve fa mitondra fanamaivanana mihelina fotsiny ny “vahaolana maimaika”? Matetika no ilana fotoana ela kokoa vao sitrana tanteraka ilay aretina.

Maninona raha navelan’Andriamanitra fotsiny ny fahotan’i Adama, dia mba tsy mijaly be toy izao ny olona?

Raha izany no nataon’Andriamanitra, dia tsy ho nisy tokoa ve ny fijaliana sa izy indray no ho lasa tompon’andraikitra amin’ny fisian’izany? Inona moa no mitranga rehefa milefitra amin’ny ditran-janany ny ray anankiray, fa tsy manasazy azy? Matetika no vao mainka mihamaditra ilay ankizy, ary anisan’ny tompon’andraikitra amin’izany ny rainy.

Izany koa no ho nitranga raha navelan’i Jehovah fotsiny ny fahotan’i Adama. Toy ny hoe niray tsikombakomba taminy Izy, ka tsy ho nanatsara ny toe-piainana teto an-tany mihitsy izany. (Ampitahao amin’ny Mpitoriteny 8:11.) Tsy ho nanaja an’Andriamanitra intsony koa ny anjely, ary tsy ho azo antenaina ny hisian’ny hoavy tsara kokoa. Tsy navelan’i Jehovah fotsiny anefa ny fahotan’i Adama, satria ny rariny no fototra iorenan’ny seza fiandrianany.—Sal. 89:14.

Nahoana no avelan’Andriamanitra hisy zaza sembana?

Tsy Andriamanitra no mahatonga izany. Lavorary no namoronany ny mpivady voalohany, ary tokony ho lavorary koa ny zanak’izy ireo.—Gen. 1:27, 28.

Nandova ota tamin’i Adama isika. Izany no mahatonga ny zaza sasany ho sembana. (Rom. 5:12; misy fanazavana fanampiny ao amin’ny  pejy 213.) Nandova ota hatrany am-bohoka isika. Izany no antony nilazan’i Davida Mpanjaka hoe: “Efa mpanota aho raha vao niforona tao an-kibon-dreniko.” (Sal. 51:5) Raha tsy nanota i Adama, dia ho lavorary daholo ny taranany. (Manazava ny hevitry ny Jaona 9:1, 2 ny pejy 390, 391.)

Mety ho ny ataon’ny ray aman-dreny ihany no mahatonga ny zanany ho sembana. Nety ho nidoroka zava-mahadomelina na nifoka sigara, ohatra, ilay reny tamin’izy bevohoka. Tsy voatery ho ny ataon’ny ray aman-dreny foana anefa no mahatonga ny zaza vao teraka ho sembana na harary lava.

Tian’i Jehovah handray soa amin’ny sorom-panavotan’i Kristy koa ny ankizy. Masina amin’i Jehovah ny ankizikely zanaky ny mpanompony tsy mivadika. (1 Kor. 7:14) Miezaka ny hifandray tsara foana amin’Andriamanitra àry ireo ray aman-dreny matahotra Azy, mba hitsinjovana ny zanany. Eken’i Jehovah ho mpanompony kosa ireo ankizy efa lehibe kokoa, izay afaka maneho finoana sy mankatò ny didiny. (Sal. 119:9; 148:12, 13; Asa. 16:1-3) Tena niahy ny ankizy koa i Jesosy, izay mitovy toetra amin-dRainy. Nanangana ankizy tamin’ny maty mihitsy aza izy. Azo antoka fa mbola hanao izany izy rehefa Mpanjaka hitondra ny tany.—Mat. 19:13-15; Lioka 8:41, 42, 49-56.

Nahoana no avelan’Andriamanitra hisy ny “loza voajanahary”, izay mandravarava sy mahafaty olona?

Tsy Andriamanitra no mahatonga ny horohoron-tany, rivo-doza, tondra-drano, hain-tany, na fipoahan’ny volkano, izay fandre amin’ny vaovao. Tsy sazy avy amin’Andriamanitra akory ireny. Matetika ny herin’ny natiora, izay efa nisy hatry ny namoronana ny tany, no mahatonga azy ireny. Marina fa milaza ny Baiboly hoe hisy horohoron-tany lehibe sy mosary amin’ny androntsika. Tsy midika anefa izany hoe Andriamanitra na i Jesosy no mahatonga azy ireny. Mety hilaza, ohatra, ny mpamantatra toetrandro fa ho ratsy ny andro, kanefa tsy midika izany hoe izy no tompon’andraikitra amin’izany. Anisan’ny famantarana ny andro faran’ity tontolo ity ireny loza ireny, ary porofo fa kely sisa dia hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra.—Lioka 21:11, 31.

Ny ataon’ny olona ihany matetika no ahitany loza. Nahoana? Satria na dia efa ampitandremana imbetsaka aza izy ireo, dia maro no tsy mety miala amin’ilay toerana mampidi-doza na tsy mandray fepetra hiarovan-tena.—Ohab. 22:3; ampitahao amin’ny Matio 24:37-39.

Afaka mifehy ny herin’ny natiora Andriamanitra. Nomeny hery hampitony tafio-drivotra teo amin’ny Ranomasin’i Galilia i Jesosy Kristy. Hanao zavatra toy izany koa i Jehovah rehefa mitondra ny Mesia. (Mar. 4:37-41) Tsy voaro tamin’ny herin’ny natiora intsony i Adama sy ny taranany, rehefa nikomy tamin’Andriamanitra. Ho voaro tsara kosa anefa ireo hiaina eo ambany fitondran’i Kristy. Ny fanjakana nomen’Andriamanitra fahefana ihany no afaka hiaro toy izany ny vahoakany.—Isaia 11:9.

Sazy avy amin’Andriamanitra noho ny ratsy natao ve ny fijaliana?

Tsy afa-maina ireo mandika ny fitsipik’Andriamanitra. (Gal. 6:7) Tonga dia mijinja izay nafafiny izy ireo indraindray, nefa misy koa toa mandeha tsara foana ny fiainany. I Jesosy Kristy kosa tsy nanao ratsy mihitsy, nefa nampijalijalina sy novonoina ho faty. Raha manana fiainana milamina àry ny olona iray, dia tsy midika izany hoe tahin’Andriamanitra izy. Ary raha mijaly izy, dia tsy midika koa izany hoe tsy ankasitrahany izy.

Diniho, ohatra, i Joba. Tsy hoe tsy nankasitrahan’Andriamanitra akory izy, matoa voan’ny aretina mahatsiravina sady fongana ny fananany. Milaza mazava ny Baiboly fa i Satana no nahatonga izany. (Joba 2:3, 7, 8) Ny naman’i Joba izay tonga nitsidika azy kosa, no nilaza fa tsy maintsy ho nanao ratsy i Joba matoa nijaly. (Joba 4:7-9; 15:6, 20-24) Nanarin’i Jehovah àry izy ireo hoe: “Tezitra mafy [aminareo] ... aho, satria tsy nilaza ny marina momba ahy ianareo, tsy mba tahaka an’i Joba mpanompoko.”—Joba 42:7.

Mety hiadana tokoa ny ratsy fanahy, mandritra ny fotoana kelikely. Hoy i Asafa: “Nitsiriritra ny mpirehareha aho, rehefa nahita ny fiadanan’ny ratsy fanahy. Tsy mba sahirana toy ny olombelona rehetra mety maty ireny, ary tsy mba azom-pahoriana toy ny olon-kafa. Manaraby sy miresaka zava-dratsy ireny. Mieboebo erỳ izy miresaka momba ny fanambakana nataony. Ireny ny ratsy fanahy! Miadana lalandava izy, sady mampitombo ny fananany.”—Sal. 73:3, 5, 8, 12.

Ho avy anefa ny andro hanaovan’Andriamanitra ampamoaka. Hosaziny ny ratsy fanahy, ka haringany mandrakizay. Hoy ny Ohabolana 2:21, 22: “Ny olo-mahitsy no honina amin’ny tany, ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa tavela eo. Fa ny ratsy fanahy kosa ho ringana tsy ho amin’ny tany, ary ny mpivadika hesorina tsy ho amin’ny tany.” Ho salama foana sady hanaram-po amin’ny vokatry ny tany amin’izay ireo olo-mahitsy, izay nijaly ny ankamaroany.

Raha misy milaza hoe:

‘Nahoana no avelan’Andriamanitra hijaly toy izao isika?’

Azonao valiana hoe: ‘Manahiran-tsaina antsika rehetra tokoa izany. Azoko fantarina ve hoe inona no mahatonga anao hanontany an’izany?’ Azonao ampiana hoe: 1) ‘(Ampiasao ny fanazavana eo amin’ny  pejy 212-215.)’ 2) ‘(Milazà andinin-teny hafa mifanentana amin’ny olana mahazo an’ilay olona.)’

Na hoe (raha manahy izy fa be loatra ny tsy rariny): ‘Hazavain’ny Baiboly ny anton’izany. (Mpito. 4:1; 8:9) Fantatrao ve fa lazain’izy io koa izay kasain’Andriamanitra hatao mba hamaranana ny fijaliana? (Sal. 72:12, 14; Dan. 2:44)’

Na hoe: ‘Hita fa olona mino an’Andriamanitra ianao. Mino ve ianao fa be fitiavana izy?... Mino koa ve ianao fa hendry sy mahery indrindra izy?... Tsy maintsy ho misy antony àry matoa mbola avelany hisy ny fijaliana. Resahin’ny Baiboly hoe inona avy izany antony izany. (Jereo ny  pejy 212-215.)’