Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Filozofia

Filozofia

Famaritana: Avy amin’ny fototeny grika midika hoe “fitiavana fahendrena” ny teny hoe filozofia. Tsy mifototra amin’ny finoana an’Andriamanitra ilay filozofia resahina eto, fa miezaka hanome fanazavana iray ihany momba ny firafitr’izao rehetra izao sady mandrisika ny olona hitsikera ny zava-misy. Tombantombana izy io amin’ny ankapobeny, fa tsy fandinihana ny zava-misy mba hahitana ny tena marina.

Ahoana no hananana ny tena fahalalana sy ny tena fahendrena?

Ohab. 1:7; Sal. 111:10: “Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahalalana ... [sy] fiandoham-pahendrena.” (Tsy ho azo hazavaina ny niandohan’izao rehetra izao, raha tongatonga ho azy teo fotsiny izy io fa tsy nisy Mpamorona manan-tsaina nanao azy. Ahoana moa no ahazoana fahendrena avy amin’ny fandinihana zavatra tsy nisy nanao fa tongatonga ho azy teo fotsiny? Tsy hahazo ny antony nampisy an’izao rehetra izao sy ny nampisy ny fiainana mihitsy àry ireo tsy mino an’Andriamanitra sy ny fikasany. Diso ny fahazoany an’izay ianarany, ary diso koa ireo hevitra tsoahany avy amin’ny fahalalana voangony. Tsy afaka ny hanana fahalalana marina tsara na hiray hevitra, ireo tsy mino an’Andriamanitra.)

Ohab. 2:4-7: “Raha tsy mitsahatra mitady azy toy ny fitady volafotsy ianao, ary tsy mitsahatra mikaroka azy toy ny fikaroka harena miafina, dia ho takatrao ny atao hoe fahatahorana an’i Jehovah, ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra. Fa i Jehovah no manome fahendrena, ary avy amin’ny vavany ny fahalalana sy ny fahaiza-manavaka. Hitahiry fahendrena ho an’ny olo-mahitsy izy.” (Manampy antsika amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fandaminany i Jehovah. Ilaina koa ny ezaka sy ny faniriana mafy hahazo fahalalana, ary ilaina ny misaina tsara.)

Avy amin’Andriamanitra ve no ahitana ny tena fahamarinana?

2 Tim. 3:16; Jaona 17:17: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra.” “[Hoy i Jesosy tamin’ny Rainy any an-danitra:] Ny teninao no fahamarinana.” (Tsy ny Mpamorona ve no tokony hahalala tsara an’izao rehetra izao? Marina fa tsy nolazainy ao amin’ny Baiboly daholo ny momba an’izao rehetra izao, nefa tsy tombantombana izay voalaza ao fa ny fahamarinana. Efa nolazainy ao koa ny fikasany momba ny tany sy ny olombelona, ary ny fomba hanatanterahany izany. Azo antoka fa ho tanteraka an-tsakany sy an-davany sy amin’ny fomba tsara indrindra ny fikasany. Mahery indrindra mantsy izy, faran’izay hendry, manao ny rariny, ary tena be fitiavana. Manome antoka antsika izany fa azo itokisana tanteraka ny fampanantenany, satria marina.)

Avy amin’iza ny filozofia?

Avy amin’olona manana fahaizana sy fahalalana voafetra: Hoy ny Baiboly: ‘Tsy natao hitondra samirery ny fiainany ny olona.’ (Jer. 10:23) Noporofoin’ny tantara fa tsy mitondra voka-tsoa ny tsy firaharahana an’io voalaza io. Indray andro, dia “namaly an’i Joba avy tao anatin’ny tafio-drivotra i Jehovah, nanao hoe: ‘Iza moa izato manamaizina ny fikasako, ka miresaka momba ny zavatra tsy fantany akory? Misikìna toy ny lehilahy tomady, azafady, fa hanontany anao aho, ka valio: Taiza àry ianao fony aho nanorina ny tany? Lazao ahy, raha mahira-tsaina tokoa ianao.’ ” (Joba 38:1-4) (Voafetra ny fahaizana sy ny fahalalan’ny olombelona. Fohy ihany koa ny fotoana iainany sady izay mitranga eo amin’ny toerana misy azy ihany matetika no hitany. Voafetra àry ny zavatra fantany, ary misy foana lafin-javatra tsy noeritreretiny, ka tsy maintsy ho arakaraka izay koa ny filozofia arosony.)

Avy amin’olona tsy lavorary: “Samy efa nanota ny rehetra ka tsy mahatratra ny voninahitr’Andriamanitra.” (Rom. 3:23) “Misy lalana heverin’ny olona ho mahitsy, nefa any amin’ny fahafatesana no iafaran’izany.” (Ohab. 14:12) (Matetika àry no mampirisika ny olona ho tia tena ny filozofia. Mety hahatonga azy ireo hahita fahafinaretana vetivety izy io, nefa mandiso fanantenana sy tsy sy tsy mahasambatra koa.)

Ahitana ny toe-tsain’ny demonia: “Izao tontolo izao manontolo kosa eo ambany fahefan’ilay ratsy.” (1 Jaona 5:19) “Mamitaka ny tany rehetra misy mponina” i Satana Devoly. (Apok. 12:9) ‘Tao amin’izany no nandehananareo taloha, araka an’ity tontolo ity sy araka an’ilay mpitondra ny fahefan’ny rivotra, dia ny toe-tsaina izay miasa ankehitriny ao amin’ny zanaky ny tsy fankatoavana.’ (Efes. 2:2) (Ahitana izany toe-tsaina izany ireo filozofia mampirisika ny olona tsy hanao ireo zavatra mahasoa takin’Andriamanitra. Tsy mahagaga àry raha mampahory olona maro ny filozofia sy ny hevitra aroson’olombelona.)

Nahoana no fahendrena ny mianatra ny fampianaran’i Jesosy Kristy, fa tsy ny filozofia?

Kol. 1:15-17: “Izy [Jesosy Kristy] no endrik’ilay Andriamanitra tsy hita maso, ary izy koa no lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra, satria izy no nampiasaina tamin’ny famoronana ny zavatra hafa rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany ... Tamin’ny alalany, ary ho azy, no namoronana ny zavatra hafa rehetra. Nisy talohan’ny zavatra hafa rehetra koa izy, ary nampiasaina mba hampisy ny zavatra hafa rehetra.” (Afaka manampy antsika hahalala ny marina momba an’Andriamanitra i Jesosy, satria efa nifandray akaiky taminy. Fantany tsara koa izao rehetra izao, satria tamin’ny alalany no namoronana ny zavatra hafa rehetra. Tsy misy filozofa manam-pahalalana toy izany.)

Kol. 1:19, 20: “Sitrak’Andriamanitra hitoetra ao [amin’i Jesosy Kristy] ny fahafenoana rehetra, ary sitrak’Andriamanitra koa ny hampiasa azy mba hampihavanina aminy indray ny zavatra hafa rehetra ... amin’ny alalan’ny ra nalatsaka teo amin’ny hazo fijaliana.” (Amin’ny alalan’i Jesosy Kristy àry no hampihavanan’Andriamanitra aminy indray ny zavaboary rehetra. I Jesosy koa no notendreny hitondra ny tany manontolo, araka ny Daniela 7:13, 14. Mila mahafantatra ny momba an’i Jesosy sy manaraka ny tari-dalany àry isika, raha te hanana hoavy tsara.)

Kol. 2:8: “Tandremo sao hisy hahalasa anareo ho rembiny amin’ny alalan’ny filozofia sy ny famitahana poakaty araka ny fampianarana nifandovan’ny olombelona, eny, araka ny zavatra fototra eo amin’ity tontolo ity, fa tsy araka an’i Kristy.” (Ho voa mafy tokoa ny olona iray raha aleony ny filozofia mamitaky ny olombelona, toy izay ny tena fahendrena omen’i Jesosy Kristy, izay be voninahitra indrindra manarakaraka an’Andriamanitra!)

Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny ‘fahendren’ireo’ filozofa?

1 Kor. 1:19-25: “Voasoratra hoe: ‘Hofoanako ny fahendren’ny olon-kendry, ary hailiko ny fahiratan-tsain’ny mahira-tsaina.’ Aiza àry ny olon-kendry? Aiza ny mpanora-dalàna? Aiza ny mpiady hevitra eo amin’ity tontolo ity? Tsy novan’Andriamanitra ho hadalana ve ny fahendren’izao tontolo izao? Izao no fahendren’Andriamanitra: Koa satria ny fahendren’izao tontolo izao tsy nahatonga azy hahalala an’Andriamanitra, dia hitan’Andriamanitra fa tsara ny hamonjena izay mino, amin’ny alalan’ny hafatra torinay izay hadalana amin’ny olona. ... Fa izay toa hadalana avy amin’Andriamanitra dia hendry noho ny olona, ary izay toa fahalemena avy amin’Andriamanitra dia mahery noho ny olona.” (Tsy hoe mitsara an-tendrony akory Andriamanitra eto. Efa nilaza mazava ny fikasany izy ao amin’ny Baiboly, izay boky miely indrindra eran-tany. Efa nirahiny koa ny vavolombelony mba hanazava izany amin’izay rehetra te hihaino. Adala àry izay mihevi-tena ho hendry kokoa noho Andriamanitra!)