Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Finoana

Finoana

Famaritana: “Ny finoana dia fiandrasana amin-toky ny zavatra antenaina, ary fanomezana porofo mazava momba ny zavatra tena misy izay tsy hita maso.” (Heb. 11:1) Tsy minomino befahatany ny olona manana ny tena finoana, na hoe tonga dia mino zavatra tsy misy porofo marim-pototra, na mino fotsiny izay tiany. Mila fahalalana sy porofo kosa izy, ary mila mankasitraka an’izay asehon’izany porofo izany. Tena ilaina àry ny fahalalana marina tsara, kanefa lazain’ny Baiboly koa fa “amin’ny fo” no ananana finoana.—Rom. 10:10.

Nahoana no tsy manam-pinoana ny olona maro?

Vokatry ny fanahin’Andriamanitra ny finoana, ary faly izy manome ny fanahiny ho an’izay mangataka izany. (Gal. 5:22; Lioka 11:13) Tsy mangataka an’io fanahy io àry ny olona matoa tsy manam-pinoana, na mangataka ihany fa noho ny antony ratsy, na manohitra ny fiasan’izy io. Maro ny antony mahatonga ny olona tsy hanam-pinoana:

Tsy tena mahalala Baiboly: Avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra ny Baiboly. (2 Tim. 3:16, 17; 2 Sam. 23:2) Tsy afaka hanana ny tena finoana àry izay tsy mianatra azy io. Manana Baiboly ihany ireo mpiangona, saingy ny hevitr’olombelona no ampianarina azy fa tsy ny Tenin’Andriamanitra. Tsy tena mino an’Andriamanitra sy ny fikasany àry izy ireo, ka miantehitra amin’ny fahaizany sy ny an’ny olon-kafa mba hamahana olana.—Ampitahao amin’ny Matio 15:3-9.

Diso fanantenana amin’ny fivavahana: Maro no diso fanantenana noho ny fihatsarambelatsihin’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina, izay mihambo ho mampianatra ny Tenin’Andriamanitra nefa tsy manaraka izay voalaza ao. Ny hafa indray nanaraka fivavahana tsy kristianina, nefa nahita ny zava-dratsy ataon’ilay fivavahana, na nahatsapa fa tsy tena nanampy azy hamaha olana ny zavatra ninoany. Lasa leon’ny fivavahana àry izy ireny.—Ampitahao amin’ny Romanina 3:3, 4; Matio 7:21-23.

Tsy mahafantatra ny antony amelan’Andriamanitra ny faharatsiana hisy: Tsy mahafantatra izany ny ankamaroan’ny olona, ka manome tsiny an’Andriamanitra noho ny zava-dratsy rehetra mitranga. Tsy fantatr’izy ireo fa tsy noho ny sitrapon’Andriamanitra no mahatonga ny olona hanao ratsy, fa noho ny fahotan’i Adama. (Rom. 5:12) Tsy fantany fa misy i Satana Devoly ary izy no mifehy an’izao tontolo izao, ka Andriamanitra indray no omeny tsiny noho ny zava-dratsy ataon’i Satana. (1 Jaona 5:19; Apok. 12:12) Na, raha fantatr’izy ireo ihany aza izany, dia heveriny fa ela loatra Andriamanitra, satria tsy fantatr’izy ireo fa iadian-kevitra ny zon’Andriamanitra hitondra. Tsy takany koa fa tian’Andriamanitra ho voavonjy ny olona, matoa Izy maneho faharetana hatramin’izao. (Rom. 2:4; 2 Pet. 3:9) Ary tsy fantatr’izy ireo fa efa nametra fotoana handringanana ny mpanao ratsy rehetra Andriamanitra.—Apok. 22:10-12; 11:18; Hab. 2:3.

Mifantoka amin’ny fanirian’ny nofo sy ny zavatra ara-nofo: Matetika ny olona tsy manana ny tena finoana no mikatsaka zavatra ara-nofo. Misy milaza hoe mino ny Baiboly, nefa mbola tsy nandalina azy io mihitsy, na nisaintsaina an’izay novakiny tao sy ny antony nanoratana izany ary ny fomba hampiharana izany. (Ampitahao amin’ny 1 Tantara 28:9.) Tsy nanatanjaka ny finoany izy ireo fa namela ny fanirian-dratsy ho latsa-paka tao am-pony, ka niala tamin’Andriamanitra.—Heb. 3:12.

Ahoana no hananana finoana?

Rom. 10:17: “Ny finoana dia avy amin’izay re.” (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 17:11, 12; Jaona 4:39-42; 2 Tantara 9:5-8. Tsy maintsy mamantatra sy mandinika tsara izay lazain’ny Baiboly ny olona iray, vao afaka miaiky fa tena azo itokisana izy io.)

Rom. 10:10: “Amin’ny fo no inoana.” (Rehefa misaintsaina hevitra ao amin’ny Baiboly ny olona iray, dia manjary mankamamy izany ka mandentika izany ao am-pony.)

Mihamatanjaka ny finoan’ny olona iray rehefa manao ny sitrapon’Andriamanitra izy, ka mahita fa tahin’Andriamanitra izy noho izany.—Jereo ny Salamo 106:9-12.

Fanoharana: Afaka milaza momba ny namanao iray angamba ianao hoe: ‘Matoky azy aho, ary matoky fa hitana ny teniny izy. Fantatro fa raha manana olana aho, dia hanampy ahy izy.’ Hilaza izany momba ny olona iray sambany vao hitanao ve ianao? Tsy maintsy ho efa nifanerasera ela taminao ilay namanao, sady efa nanaporofo imbetsaka fa azo itokisana izy. Toy izany koa ny finoana. Mila fotoana ianao mba hahalalanao an’i Jehovah sy ny fomba fiasany, vao hino azy.

Mino fa misy Andriamanitra

Jereo ny loha hevitra hoe “Andriamanitra”, pejy 36-43.

Mino fa hisy tontolo vaovao

Rehefa mahalala tsara ny nataon’i Jehovah tamin’ny mpanompony ny olona iray, dia manjary miaiky toa an’i Josoa hoe: “Fantatrareo tsara amin’ny fonareo manontolo sy ny tenanareo manontolo, fa tsy nisy tsy tanteraka na iray aza ny fampanantenana rehetra nolazain’i Jehovah Andriamanitrareo taminareo. Efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra. Tsy nisy tsy tanteraka na iray aza.”—Jos. 23:14.

Mampanantena, ohatra, ny Baiboly fa ho foana ny aretina ary hatsangana ny maty. Nanao fahagagana i Jesosy Kristy mba hanamafisana izany fampanantenana izany. Tsy angano akory ny fitantarana momba ireny fahagagana ireny. Vakio ny Filazantsara, dia ho hitanao ny porofo fa tena nitranga izy ireny. Resahina ao ny toerana nisehoan’izy ireny, ny anaran’ny mpitondra fanjakana tamin’izany, ary ny fitantaran’ny olona maromaro nanatri-maso azy ireny. Hino kokoa an’ireo fampanantenan’ny Baiboly ianao rehefa misaintsaina izany.

Mankanesa any amin’ny trano fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah sy any amin’ireo fivoriambeny. Ho hitanao any fa manova olona ny Baiboly, mandrisika azy hanao ny marina sy ho tsara fitondran-tena, ary mahatonga ny olona samy hafa firazanana sy firenena ho tafaray sy hiara-miasa toy ny mpirahalahy.

Tena ilainao ve ny manao zavatra mba hanaporofoana fa manam-pinoana ianao?

Jak. 2:17, 18, 21, 22, 26: “Ny finoana, raha tsy aseho amin’ny atao, dia maty. Hisy anefa hilaza hoe: ‘Finoana fotsiny ny anao, fa ny ahy kosa finoana aseho amin’ny atao. Asehoy amiko amin’izao fotsiny ny finoanao, fa izaho kosa haneho aminao ny finoako amin’ny ataoko.’ Tsy nambara ho marina ve i Abrahama raintsika noho izay nataony, rehefa avy nanolotra an’i Isaka zanany teo ambony alitara izy? Hitanao fa ny finoany dia niara-niasa tamin’izay nataony, ary nanjary lavorary ny finoany noho izay nataony. Eny tokoa, maty ny vatana raha tsy misy aina, ary maty toy izany koa ny finoana raha tsy aseho amin’ny atao.”

Fanoharana: Miaraka amin’ny tovovavy iray, ohatra, ny tovolahy iray, ary milaza aminy fa tia azy. Tena tia azy anefa ve ilay tovolahy, raha tsy mangataka azy ho vady mihitsy? Toy izany koa fa izay ataontsika no porofo fa tena manana finoana sy fitiavana isika. Tsy tena tia an’Andriamanitra na tena mino azy isika raha tsy mankatò azy. (1 Jaona 5:3, 4) Tsy ho tambin’izay ataontsika anefa ny famonjena, na inona na inona vitantsika. Fanomezana avy amin’Andriamanitra kosa ny fiainana mandrakizay, ary homeny amin’ny alalan’i Jesosy Kristy izany.—Efes. 2:8, 9.