Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Firaisana Ara-nofo

Firaisana Ara-nofo

Famaritana: Fomba ikambanan’ny lahy sy vavy, noho ny fifanintonana eo amin’izy ireo. Fomba ahazoan’ny mpivady taranaka izy io. Andriamanitra no Loharanon’aina, ary tokony haneho ny toetrany ny olombelona. Tsy tokony hatao kilalao àry ny fanaovana firaisana, satria fomba anomezana aina izany.

Milaza ve ny Baiboly hoe fahotana ny manao firaisana?

Gen. 1:28: “Nitso-drano [an’i Adama sy Eva] Andriamanitra, ka niteny taminy hoe: ‘Manàna taranaka, ary mihabetsaha ka mamenoa ny tany.’ ” (Ahoana no nahafahan’izy ireo nankatò izany raha tsy nanao firaisana izy ireo? Tsy fahotana àry ny nanaovan’izy ireo firaisana, satria mifanaraka amin’ny fikasan’Andriamanitra hameno ny tany izany. Misy mihevitra fa firaisana ara-nofo ilay ‘voankazo voarara’ tao Edena, toy ny hoe noraran’Andriamanitra tsy hanao firaisana i Adama sy Eva. Mifanohitra amin’ilay didin’Andriamanitra etsy aloha anefa izany. Mariho koa fa rehefa avy nihinana an’ilay voankazo voarara tao Edena sy voaroaka tao i Adama sy Eva, vao nanao firaisana.—Gen. 2:17; 3:17, 23; 4:1.)

Gen. 9:1: “Nitso-drano an’i Noa sy ny zanany Andriamanitra, ka niteny taminy hoe: ‘Manàna taranaka, ary mihabetsaha ka mamenoa ny tany.’ ” (Taorian’ny Safodrano Andriamanitra no nilaza io tsodrano io, sy namerina an’ilay didy hoe tokony hiteraka ny olona. Tsy niova àry ny fiheveran’Andriamanitra ny firaisana ara-dalàna.)

1 Kor. 7:2-5: “Noho ny fielezan’ny fijangajangana anefa, dia aoka ny lehilahy samy hanana ny vadiny avy, ary ny vehivavy samy hanana ny vadiny avy. Aoka ny lehilahy hanao ny adidiny amin’ny vadiny, ary ny vehivavy koa mba hanao toy izany. ... Aoka tsy hisy aminareo tsy hanaiky hanao ny adidy amim-bady, raha tsy efa ifanarahanareo angaha hoe mandritra ny fotoana iray, ... sao haka fanahy anareo foana i Satana noho ny tsy fahaizanareo mifehy tena.” (Tsy ny fanaovan’ny mpivady firaisana àry no ratsy, fa ny fijangajangana.)

Ratsy ve ny manao firaisana alohan’ny fanambadiana?

1 Tes. 4:3-8: “Izao ny sitrapon’Andriamanitra, dia ny ... hifadianareo ny fijangajangana sy hahaizanareo tsirairay hifehy tena, amin’ny fahamasinana sy ny haja, fa tsy amin’ny filan’ny nofo tsy mety afa-po, toy ny filan’ny hafa firenena tsy mahalala an’Andriamanitra. Sitrapony koa ny hanamasinana anareo ka tsy hisy aminareo ho tonga hatramin’ny fanimbana ny rahalahiny, ka hanitsakitsaka ny zony amin’izany lafiny izany, satria i Jehovah no mitaky sazy noho izany rehetra izany, araka ny efa nolazainay mialoha sy efa nohazavainay tsara taminareo. Fa Andriamanitra tsy niantso antsika mba hilefitra amin’ny fahalotoana, fa niantso antsika kosa ho amin’ny fahamasinana. Koa izay tsy miraharaha àry, dia tsy olona no tsy raharahainy, fa Andriamanitra izay mametraka ny fanahiny masina ao anatinareo.” (Ny firaisan’ny olona tsy mpivady sy ny fanitsakitsaham-bady no atao hoe “fijangajangana”, izay avy amin’ny teny grika hoe pôrneia.)

Efes. 5:5: “Samy tsy manana lova ao amin’ny fanjakan’i Kristy sy Andriamanitra, na ny mpijangajanga na ny olona mpanaraka fanao maloto na ny olona manana faniriana tsy mety afa-po, izany hoe mpanompo sampy.” (Tsy midika izany hoe tsy afaka handova ny Fanjakan’Andriamanitra ny mpijangajanga taloha. Tsy tokony hanao izany intsony anefa izy raha tiany ny hankasitrahan’Andriamanitra. Jereo ny 1 Korintianina 6:9-11.)

Eken’ny Baiboly ve ny fanaovana tokantranomaso?

Jereo ny pejy 165, 166, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Fanambadiana.”

 Inona no lazain’ny Baiboly momba ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy?

Rom. 1:24-27: “Navelan’Andriamanitra hanao fahalotoana araka ny fanirian’ny fony izy ireo, mba hahafa-baraka ny vatany. ... Izany no antony namelan’Andriamanitra azy hanaraka ny filan’ny nofo mahafa-baraka, fa nanova ny fanao voajanahary ho amin’ny fanao tsy voajanahary ny vehivavy teo aminy. Torak’izany koa fa na ny lehilahy aza namela ny fanao voajanahary amin’ny vehivavy, ary nanjary narehitry ny filana mafy dia mafy hanao zava-betaveta teo amin’izy samy lehilahy, ka nandray tao amin’ny tenany ny valin’izany rehetra izany, dia valiny sahaza azy noho ny fahadisoany.”

1 Tim. 1:9-11: “Tsy ho an’ny olo-marina no namoahana ny lalàna, fa ho an’ireo olona tsy tan-dalàna sy tsy manaiky hofehezina, tsy matahotra an’Andriamanitra sy mpanota, ... mpijangajanga, lehilahy miray amin’ny lehilahy, ... ary ny zavatra rehetra mifanohitra amin’ny fampianarana mahasoa. Izany fampianarana mahasoa izany dia araka ny vaovao tsara be voninahitr’ilay Andriamanitra falifaly.” (Ampitahao amin’ny Levitikosy 20:13.)

Joda 7: “I Sodoma sy Gomora ary ny tanàna teny akaikiny, ... [dia] nanaraka ny filan’ny nofony mba hanao zavatra tsy fanao. Aseho ho anatra ho antsika ireo tanàna ireo, rehefa notsaraina ka nosazina tamin’ny afo maharitra mandrakizay.” (Avy amin’ny hoe Sodoma ny hoe “sodomita”, izay ilazana ny lehilahy miray amin’ny lehilahy. Ampitahao amin’ny Genesisy 19:4, 5, 24, 25.)

Ahoana no handraisan’ny tena Kristianina an’ireo nanao firaisana toy izany taloha?

1 Kor. 6:9-11: “Na mpijangajanga, na mpanompo sampy, na mpanitsakitsa-bady, na lehilahy manaiky hanaovan-dehilahy firaisana, na lehilahy miray amin’ny lehilahy, ... dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra. Efa toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa madio tsara ianareo, efa nohamasinina ianareo, efa nambara ho marina ianareo tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika sy tamin’ny fanahin’Andriamanitsika.” (Rehefa niala tamin’ny fanao maloto ny olona iray, ka manaraka ny fitsipik’i Jehovah ary mino fa hahazoana famelan-keloka ny sorom-panavotan’i Kristy, dia afaka ny ho madio eo anatrehan’Andriamanitra izy. Azo raisina tsara eo anivon’ny fiangonana kristianina izy.)

Mety ho efa tena lalim-paka ao anatin’ny olona iray ny fanirian-dratsy, noho ny fiheverany fa efa voajanahary aminy izany na noho ny fitaoman’ny manodidina azy. Fantatry ny tena Kristianina anefa fa azony resena izany raha tena te hampifaly an’i Jehovah izy. Mora tezitra, ohatra, ny olona sasany. Nanampatra ny hatezerany angamba izy ireny taloha, nefa afaka mifehy tena izy izao satria mahalala ny sitrapon’Andriamanitra sady te hampifaly azy ary ampian’ny fanahiny. Nety ho mpisotro toaka be koa ny olona iray taloha, nefa afaka mifehy tena tsy hisotro mihitsy izy, raha tena te hanao izany. Toy izany koa fa raha manaraka ny torohevitry ny Baiboly ny olona iray, dia afaka mifehy tena tsy hanao firaisana amin’ny lehilahy na vehivavy toa azy izy, na dia mahasarika azy aza ilay olona. (Jereo ny Efesianina 4:17-24.) Tsy tian’i Jehovah isika hieritreritra hoe tsy maninona raha ratsy fitondran-tena. Be fitiavana izy nefa koa hentitra ka mampitandrina antsika ny amin’ny voka-dratsin’izany. Ampiany koa ireo te ‘hanaisotra ny toetra taloha mbamin’ireo fanao niaraka taminy, ary [te] hitafy ny toetra vaovao.’—Kol. 3:9, 10.

Lany andro sy maneritery loatra ve ny fitsipiky ny Baiboly momba ny firaisana?

1 Tes. 4:3-8: “Izao ny sitrapon’Andriamanitra, dia ny ... hifadianareo ny fijangajangana ... Koa izay tsy miraharaha àry, dia tsy olona no tsy raharahainy, fa Andriamanitra izay mametraka ny fanahiny masina ao anatinareo.” (Tsy ny olona taloha no namorona ny fitsipiky ny Baiboly momba ny firaisana, fa ny Mpamorona. Lazainy mazava ny zavatra takiny mba hankasitrahany antsika, ary omeny tari-dalana isika mba hanana fianakaviana sambatra sy hifandray tsara amin’ny hafa. Hisoroka ratram-po lalina sy aretina maharikoriko azo avy amin’ny fitondran-tena ratsy, ny olona manaraka ny toroheviny. Tsy lany andro mihitsy ny torohevitry ny Baiboly, ho an’izay te hanana fiainana mahafa-po sy feon’ny fieritreretana madio eo anatrehan’Andriamanitra.)

Raha misy milaza hoe:

‘Ahoana no hevitrareo momba ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy?’

Azonao valiana hoe: ‘Mitovy amin’ity voalazan’ny Baiboly ity ny hevitray, satria milaza ny fomba fihevitry ny Mpamorona izy eto, ary ambony lavitra noho ny an’ny olombelona izany. (1 Kor. 6:9-11) Voalaza eo fa nisy lehilahy niray tamin’ny lehilahy taloha nefa lasa Kristianina. Niova izy ireo satria tia an’Andriamanitra sady nampian’ny fanahiny.’

Na hoe: ‘Milaza ny olona sasany fa tsy tokony hahamenatra ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy. Voamarikay anefa fa tsy mino ny Baiboly ho Tenin’Andriamanitra ireny olona ireny. Ahoana kosa ny hevitrao momba ny Baiboly?’ Raha mino ny Baiboly ilay olona, dia azonao ampiana hoe: ‘Tsy vao izao no nisy adihevitra momba ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy. Lazain’ny Baiboly anefa fa tsy miova ny fomba fihevitr’i Jehovah Andriamanitra momba izany. (Azo ampiasaina ny fanazavana eo amin’ny  pejy 227, 228.)’ Raha misalasala momba ny Baiboly na ny fisian’Andriamanitra ilay olona, dia azonao ampiana hoe: ‘Raha tsy misy Andriamanitra, dia afaka manao izay tiantsika fotsiny isika. Tsara hoeritreretina àry ny hoe: Tena misy ve Andriamanitra, ary tokony hanaiky azy ve isika [na hoe Tenin’Andriamanitra ve ny Baiboly]? (Ampiasao ny hevitra eo amin’ny pejy 36-43, na pejy 85-94.)’