Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitondram-panjakana

Fitondram-panjakana

Famaritana: Fahefana mpanao lalàna sy mpanara-maso ny fampiharana izany. Misy karazany maromaro ny fitondram-panjakana, arakaraka ny hoe iza no nanome ilay fahefana sy ny hoe manao ahoana ny halehiben’izany fahefana izany. I Jehovah Andriamanitra no Mpanjakan’izao Rehetra Izao, ary manome fahefana an’izay tiany izy, araka izay nikasany azy. I Satana Devoly, izay nanohitra ny zony hitondra anefa, no navelany ‘hitondra an’izao tontolo izao’ aloha, mandritra ny fotoana voafetra. Oharin’ny Baiboly amin’ny bibidia ny fitondrana ara-politika eran-tany, ary lazainy fa “nomen’ilay dragona [Satana Devoly] hery sy seza fiandrianana ary fahefana lehibe” izy io.—Jaona 14:30; Apok. 13:2; 1 Jaona 5:19.

Afaka mitondra fiadanana maharitra ve ny fitondram-panjakan’olombelona?

Inona no asehon’ny tantara?

Mpito. 8:9: “Nanjakazaka tamin’ny namany ny olona ka nampiditra loza taminy.” (Marina foana izany, na dia tsara fikasa aza ny mpitondra sasany tamin’ny voalohany.)

‘Nanjavona, tamin’ny farany, izay fanjakana natanjaka nisy hatramin’izay. Ezaka tsy nahitam-bokatra sy faniriana tsy tanteraka no nanamarika ny tantara. Voatery miaiky àry ny mpahay tantara fa tsy maintsy ho izay foana no hitranga.’—Henry Kissinger, mpampianatra sy manam-pahaizana momba ny politika (Ny Gazetin’i New York, 13 Oktobra 1974, p. 30B).

Nahoana no tsy mahomby ny fitondram-panjakan’olombelona?

Jer. 10:23: “Jehovah ô, fantatro tsara fa tsy an’ny olombelona ny lalan-kalehany. Tsy natao hitondra samirery ny fiainany koa ny olona.” (Tsy nomen’Andriamanitra alalana hahaleo tena na tsy hiankina aminy ny olona.)

Gen. 8:21: “Zava-dratsy foana no irin’ny [fon’ny olona] efa hatramin’ny fahazazany.” (Samy mpanota ny mpitondra sy ny vahoaka, ka mora tia tena.)

2 Tim. 3:1-4: “Amin’ny andro farany, dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ... tsy ho azo ifanarahana, ... ho mpieboebo.” (Tsy hahalamina ny olana ankehitriny mihitsy, raha firenena iray monja. Mila miara-miasa ny firenena rehetra. Samy mitady ny tombontsoany anefa ny olona, ka tsy afaka ny tena hiara-miasa ireo firenena na ireo fikambanana any amin’ny firenena maro.)

Lazain’ny Baiboly koa fa misy fanahy mahery noho ny olombelona mifehy ny fitondran’olombelona. ‘Izao tontolo izao manontolo [dia] eo ambany fahefan’ilay ratsy.’ (1 Jaona 5:19) “Isika ... tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra, fa amin’ireo ... mpanjakan’izao tontolo anaty haizina izao, ary amin’ireo fanahy ratsy any amin’ny faritry ny lanitra.” (Efes. 6:12) Misy “fanambarana avy amin’ny demonia ... mankany amin’ireo mpanjakan’ny tany rehetra misy mponina, mba hanangonana azy ireo ho amin’ny adin’ilay andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra.”—Apok. 16:14.

Ahoana no hahafoana ny kolikoly sy ny fampahoriana ataon’ny fitondram-panjakana?

Ny fanovana mpitondra ve no vahaolana?

Matetika ny mpitondra voafidim-bahoaka no tsy lany intsony afaka taona vitsivitsy. Nahoana? Satria tsy afa-po tamin’ny zava-bitany ny ankamaroan’ny olona.

Sal. 146:3, 4: “Aza matoky ny olona ambony na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy. Miala ny ainy, ary miverina amin’ny tany nakana azy izy, ka androtr’iny ihany, dia foana ny eritreriny.” (Matetika izay fanatsarana atomboky ny mpitondra iray no tsy tohizin’izay mandimby azy.)

Na iza na iza mpitondra eo, dia mbola anisan’ity tontolo fehezin’i Satana ity foana izy.—1 Jaona 5:19.

Ny fanonganam-panjakana ve no vahaolana?

Marina fa azo esorina eo amin’ny toerany ny mpitondra manao kolikoly, ary azo foanana izay lalàna tsy ara-drariny. Mbola tsy lavorary ihany anefa izay mpitondra manaraka eo, ary mbola anisan’ilay tontolo lazain’ny Baiboly fa fehezin’i Satana.

Mat. 26:52: “Avereno amin’ny tranony ny sabatrao, fa ho fatin’ny sabatra izay rehetra mampiasa sabatra.” (Izany no nolazain’i Jesosy tamin’ny apostoliny iray, rehefa nisy manam-pahefana nanao ny tsy rariny taminy. Raha tsy mety àry ny mampiasa hery mba hiarovana ny Zanak’Andriamanitra, dia hety ve ny hanaovana izany noho ny antony hafa?)

Ohab. 24:21, 22: “Matahora an’i Jehovah sy ny mpanjaka, anaka. Aza miaraka amin’izay te hitondra fanovana. Fa ho tonga tampoka ny loza hanjo azy, ka iza no hahatsikaritra ny nandringanana azy rehetra?”

Inona àry no vahaolana amin’ny fanaovana kolikoly sy ny fampahoriana?

Dan. 2:44: “Hanorina fanjakana tsy ho rava mandrakizay ilay Andriamanitry ny lanitra, ary tsy ho lasan’olon-kafa izany fanjakana izany. Hotorotoroin’izy io sy hofoanany ireo fanjakana rehetra ireo, fa izy kosa haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra.”

Sal. 72:12-14: “Fa [hovonjen’i Jesosy Kristy, mpanjaka notendren’i Jehovah] ny mahantra miantso vonjy, mbamin’ny ory sy izay rehetra tsy manan-kamonjy. Hangoraka ny olona ambany sy ny mahantra izy, ary hamonjy ny ain’ny mahantra. Hanavotra ny ain’izy ireo amin’ny fampahoriana sy ny herisetra izy, ary ho sarobidy aminy ny ran’izy ireo.” (Tena hanao izany tokoa i Jesosy Mpanjaka. Porofon’izany ny fiahiany ny olona toy ireo voalaza ireo tamin’izy tetỳ an-tany: Nanasitrana azy ireo izy, nanome sakafo ho an’ny vahoaka, ary nanolotra ny ainy ho an’ny olona mihitsy aza.)

Jereo koa ny pejy 186-191, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Fanjakan’Andriamanitra.”

Nahoana no tsara ho fantatra izay lazain’ny Baiboly momba ny hiafaran’ny fitondram-panjakan’olombelona?

Tsy manome izay tena ilain’ny vahoaka ny mpitondra olombelona

Mampanantena Andriamanitra fa hotanterahiny ireto zavatra tsy vitan’ny mpitondra ireto, nefa tena ilain’ny olona eran-tany: 1) Ho foana ny ady.—Isaia 2:4; Sal. 46:9, 10. 2) Hisy sakafo tondraka ho an’ny rehetra.—Sal. 72:16. 3) Hanana trano tsara tarehy ny rehetra.—Isaia 65:21. 4) Hanana asa mahafa-po izay mila izany, mba hahafahany hamelona ny tenany sy ny ankohonany.—Isaia 65:22. 5) Ho foana ny aretina.—Apok. 21:3, 4. 6) Hanjaka ny rariny; tsy hisy intsony ny fanavakavahana saranga, fivavahana, foko, na fiaviana.—Isaia 9:7; 11:3-5. 7) Hilamina sy handry feizay ny tany; tsy hisy hamono na hangalatra intsony.—Mika 4:4; Ohab. 2:22. 8) Hanjaka ny fitiavana, hatsaram-panahy, fiahiana ny hafa, ary fanaovana sy filazana ny marina.—Sal. 85:10, 11; Gal. 5:22, 23.

Efa an’arivony taona ireo mpitondra no nampanantena fiainana tsara kokoa ho an’ny vahoakany. Tanteraka anefa ve izany? Marina fa lasa manankarena kokoa ny olona any amin’ny firenena maro, nefa tsy sambatra kokoa izy ireo. Vao mainka aza lasa saro-bahana ny olana atrehiny.

Azo itokisana tanteraka ny faminanian’ny Baiboly

Zato taona mialoha dia efa nilaza ny Baiboly fa ho lasa firenena matanjaka be i Babylona. Nolazainy koa anefa ny fomba haharesy azy sy ny hoe tsy honenana intsony ny renivohiny, rehefa rava. (Isaia 13:17-22) Roanjato taona talohan’ny nahaterahan’i Kyrosy, dia efa notononina tao amin’ny Baiboly ny anarany ary nolazaina izay ho anjara asany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. (Isaia 44:28; 45:1, 2) Voalaza mialoha koa fa ho lasa firenena matanjaka i Media sy Persa mitambatra, ary efa voalaza ny hiafarany. Roanjato taona mahery mialoha, dia efa nambara fa ho lasa firenena matanjaka indrindra ny fanjakan’i Gresy eo ambany fitondran’ilay mpanjakany voalohany, nefa hizara efatra izy io avy eo.—Dan. 8:1-8, 20-22.

Efa nolazain’ny Baiboly tamin’ny an-tsipiriany ny toe-piainana ankehitriny. Resahiny fa horavan’Andriamanitra ny fitondram-panjakana rehetra, ka ilay Fanjakany tantanan’i Jesosy Kristy Zanany no hanjaka amin’ny olona rehetra.—Dan. 2:44; 7:13, 14.

Tsy fahendrena àry ve ny hanekena izay voalazan’ny Baiboly? Azo itokisana foana mantsy ny zavatra nambarany.

Ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no tena hamaha ny olana atrehin’ny olombelona

Mitaky hery sy fahaizana ary toetra tsy ananan’olombelona ny famahana ny olana atrehin’izy ireo. Andriamanitra ihany no afaka manafaka ny olona amin’ny herin’ny Devoly sy ny demoniany, ary efa nampanantena ny hanao izany izy. Hanao zavatra tsy vitan’ny mpahay siansa mihitsy koa Izy: Hesoriny ny ota, ka tsy harary na ho faty intsony ny olona, ary afaka ny hanana an’izay toetra tsara rehetra iriny. Fantatry ny Mpamorona ny tany sy ny tontolo iainana koa ny fomba hamahana ireo olana ara-tsakafo sy hisorohana ny fandotoana ny tontolo iainana. Efa manova olona sahady ny Tenin’Andriamanitra. Lasa tsara fanahy izay mampihatra azy io, lasa be fitiavana, tsara fitondran-tena, ary tsy manaiky handray anjara amin’ny ady. Miara-miaina toy ny mpirahalahy koa izy ireo, na dia samy hafa fiaviana sy firazanana ary fiteny aza.

Rahoviana ny Fanjakan’Andriamanitra no handringana an’ity tontolo ity? Jereo ny loha hevitra hoe “Daty” sy “Andro Farany.”