Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitsanganana Amin’ny Maty

Fitsanganana Amin’ny Maty

Famaritana: Avy amin’ny teny grika hoe anastasis, izay midika ara-bakiteny hoe “mitsangana indray.” Miverimberina ao amin’ny Baiboly ny teny hoe “fitsanganan’ny maty” na “fitsanganana amin’ny maty.” (Mat. 22:31; Asa. 4:2; 1 Kor. 15:12) Tehiyat hammetim izy io amin’ny teny hebreo, ary midika hoe “fahaveloman’ny maty indray.” Haverin’Andriamanitra amin’ny olona iray indray izay rehetra mombamomba azy, rehefa hanangana azy Izy, satria tadidiny daholo izany. Hatsangana ho olombelona na ho fanahy ilay olona, arakaraka izay sitrapon’Andriamanitra momba azy. Mbola hanana ny toetra mampiavaka azy ihany anefa ilay olona sady hahatsiaro ny fiainany taloha. Noho ny hatsaram-panahin’i Jehovah tsy manam-paharoa no hananganany ny maty. Mahery sy hendry izy matoa mahavita izany, ary anisan’ny fomba hanatanterahany ny fikasany momba ny tany izany.

Ny vatan’ilay olona maty ve no hatsangana, ary avy eo haverina ao aminy indray ny fanahiny?

Mba hetezan’izany, dia tsy maintsy manana fanahy tsy mety maty ny olona. Tsy mampianatra an’izany anefa ny Baiboly. Ny filozofa grika kosa no nampianatra izany. Hita eo amin’ny pejy 433-437 izay ampianaran’ny Baiboly momba ny fanahy. Manazava ny niandohan’ny finoana momba ny fanahy tsy mety maty koa ny pejy 437, 438.

 Nanana vatana nofo aman-dra ve i Jesosy tamin’izy natsangana tamin’ny maty, ary toy izany ve izy any an-danitra any izao?

1 Pet. 3:18: ‘I Kristy [dia] maty indray mandeha monja noho ny ota, izany hoe olo-marina ho solon’ny tsy marina, mba hitondrany anareo ho amin’Andriamanitra. Nofo izy rehefa novonoina, fa fanahy kosa rehefa novelomina.’ (Ampifanoherina ny hoe “nofo” sy hoe “fanahy” amin’ny teny grika tany am-boalohany. “Nofo” na hoe olona nofo aman-dra i Jesosy tamin’izy novonoina, fa “fanahy” kosa izy rehefa natsangana.)

Asa. 10:40, 41: “Andriamanitra nanangana [an’i Jesosy Kristy] tamin’ny andro fahatelo, ka namela azy hiseho tamin’olona. Tsy tamin’ny olon-drehetra anefa no nisehoany, fa tamin’ny vavolombelona notendren’Andriamanitra mialoha.” (Nahoana no nisy olona tsy nahita an’i Jesosy? Satria fanahy izy, ka vavolombelona efa voafantina ihany no nisehoany rehefa nitafy vatan’olombelona izy, toy ny nataon’ireo anjely taloha.)

1 Kor. 15:45: “Fa izao mihitsy no voasoratra: ‘Tonga zavamananaina i Adama voalohany.’ Ary i Adama farany [Jesosy Kristy, izay toa an’i Adama tamin’i Adama mbola lavorary] kosa tonga fanahy mahavelona.”

Inona no tian’ny Lioka 24:36-39 holazaina raha ny amin’ny vatana nananganana an’i Jesosy?

Lioka 24:36-39: “Raha samy mbola niresaka momba izany teo izy ireo [ny mpianatra], dia nijoro teo afovoany izy, ka hoy izy: ‘Ho aminareo anie ny fiadanana!’ Dia nihorohoro sy natahotra izy ireo, ka noheveriny fa anjely no hitany. Koa hoy izy: ‘Nahoana no taitra ianareo? Ary nahoana no manjary misalasala ianareo ao am-ponareo? Jereo ny tanako sy ny tongotro, fa izaho ihany ity. Ary tsapao aho ka jereo fa ny anjely tsy manana nofo sy taolana toy izao ahitanareo ahy izao.’ ”

Tsy hita maso ny fanahy na anjely ka noheverin’ireo mpianatra fa nahita fahitana izy ireo. (Ampitahao amin’ny Marka 6:49, 50.) Nanome toky azy ireo anefa i Jesosy fa izy mihitsy no hitan’izy ireo. Afaka nikasika ny vatany sy nitsapa ny taolany izy ireo. Nihinan-kanina teo anatrehan’izy ireo koa izy. Nitafy vatan’olombelona toy izany koa ny anjely taloha mba hahitan’ny olona azy. Nihinan-kanina izy ireny, ary nisy mihitsy aza nanambady sy nanan-janaka. (Gen. 6:4; 19:1-3) Nitafy vatana samy hafa i Jesosy taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty rehefa niseho tamin’ny olona, mba hampinoana azy ireo angamba fa fanahy tokoa izy. Tsy tonga dia nahalala azy àry ireo olona nisehoany, na dia ireo namany akaiky aza. (Jaona 20:14, 15; 21:4-7) Fantatr’izy ireo ihany anefa izy rehefa niseho tamin’izy ireo imbetsaka, sady nilaza sy nanao ireo zavatra fanaony teo aloha. Nanamafy ny finoan’izy ireo izany fa natsangana tamin’ny maty tokoa i Jesosy.

Raha ilay vatana nisehoan’i Jesosy tamin’ny mpianany ihany no mbola ananany any an-danitra any izao, dia tsy ho nilaza mihitsy i Paoly fa “mitovy tanteraka amin’ny an’Andriamanitra ny maha izy” an’i Kristy nomem-boninahitra. Fanahy mantsy Andriamanitra sady mbola tsy nanana vatan’olombelona mihitsy.—Heb. 1:3; ampitahao amin’ny 1 Timoty 6:16.

Manampy antsika hahazo tsara ireny fitantarana momba ny nisehoan’i Jesosy tamin’ny mpianany ireny, ny fitadidiana ny voalazan’ny 1 Petera 3:18 sy ny 1 Korintianina 15:45, eo amin’ny  pejy 240, 241.

Jereo koa ny pejy 297, 298, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Jesosy Kristy.”

Iza no hatsangana ho any an-danitra miaraka amin’i Kristy, ary inona no hataon’izy ireo any?

Lioka 12:32: “Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.” (Tsy ireo olom-bitsy ireo ihany akory no maneho finoana. Misy antony kosa matoa izy ireo mankany an-danitra.)

Apok. 20:4, 6: “Nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, dia nomena fahefana hitsara izy ireo. ... Sambatra sy masina izay manana anjara amin’ny fitsanganana voalohany. Tsy manam-pahefana amin’izy ireo ny fahafatesana faharoa, fa ho mpisoron’Andriamanitra sy Kristy ireo, ka hiara-manjaka aminy mandritra ny arivo taona.”

Jereo koa ny pejy 327-333, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Lanitra.”

Vatana nofo aman-dra be voninahitra ve no hananan’ireo hatsangana amin’ny maty ho any an-danitra?

Fil. 3:20, 21: “I Jesosy Kristy Tompo [dia] hanova ny vatantsika nambanina mba hitovy endrika amin’ny vatany be voninahitra, araka ny fiasan’ny heriny.” (Ny vatana nofo aman-dra ve no homem-boninahitra any an-danitra? Sa ho lasa fanahy be voninahitra kosa ireo hatsangana ho any an-danitra? Mamaly izany ny andinin-teny eto ambany.)

1 Kor. 15:40, 42-44, 47-50: “Hafa ny vatan’izay any an-danitra ary hafa ny vatan’izay etỳ an-tany. Hafa ny voninahitry ny vatan’ny any an-danitra, ary hafa ny an’ny etỳ an-tany. Toy izany koa ny fitsanganan’ny maty. ... Vatana ara-nofo izy rehefa afafy, fa vatana ara-panahy rehefa atsangana. ... Ilay lehilahy voalohany [Adama] dia avy amin’ny tany sady natao tamin’ny vovoka, fa ilay lehilahy faharoa [Jesosy Kristy] kosa avy any an-danitra. Tahaka ilay natao tamin’ny vovoka ireo natao tamin’ny vovoka, ary tahaka ilay avy any an-danitra ireo any an-danitra. Tahaka ny itondrantsika ny endrik’ilay natao tamin’ny vovoka no hitondrantsika koa ny endrik’ilay avy any an-danitra. Izao anefa no lazaiko, ry rahalahy: Tsy afaka mandova ny fanjakan’Andriamanitra ny nofo aman-dra.” (Mazava àry fa tsy ho nofo aman-dra mihitsy ireo ho any an-danitra, na hoe sady ho nofo no fanahy.)

Hanao ahoana ny fananganana eto an-tany, raha dinihina ny nataon’i Jesosy?

Jaona 11:11, 14-44: “[Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany:] ‘Matory i Lazarosy namantsika, fa handeha ho any aho hamoha azy.’ ... Dia notsorin’i Jesosy hoe: ‘Maty i Lazarosy.’ ... Tonga àry i Jesosy, ka hitany fa efa efatra andro i Lazarosy no tao am-pasana. ... Koa hoy i Jesosy [tamin’i Marta, anabavin’i Lazarosy]: ‘Izaho no fananganana ny maty sy fiainana.’ ... Niantso mafy [izy] hoe: ‘Ry Lazarosy, mivoaha!’ Dia nivoaka ilay lehilahy efa maty, mbola nisy fehim-paty ny tongony aman-tanany, ary nisy fehy lamba ny tarehiny. Hoy i Jesosy tamin’ny olona: ‘Vahao izy, ka avelao handeha.’ ” (Tsy ho hatsaram-panahy mihitsy ny namerenana an’i Lazarosy tetỳ an-tany, raha efa sambatra tany an-danitra izy. Maty tsy nahatsiaro tena tao am-pasana anefa izy, ka tena fanehoana hatsaram-panahy taminy sy ny anabaviny ny nananganana azy. Olombelona toy ny teo aloha ihany izy rehefa natsangana.)

Mar. 5:35-42: “Nisy lehilahy tonga avy tany an-tranon’ilay mpitantana ny synagoga, nilaza hoe: ‘Maty ny zanakao! Nahoana no mbola manahirana ny mpampianatra ihany ianao?’ Sendra ren’i Jesosy anefa izany, ka hoy izy tamin’ilay mpitantana ny synagoga: ‘Aza matahotra fa minoa fotsiny.’ ... Nentiny ny ray aman-drenin’ilay zaza sy ireo niaraka taminy, ka niditra tao amin’ny nisy an’ilay zaza izy. Ary noraisiny ny tanan’ilay zaza ka hoy izy taminy: ‘Talita komy’, raha adika dia hoe: ‘Ry zazavavy, hoy aho aminao: Miarena!’ Dia niarina avy hatrany razazavavy ka nanomboka nandeha, fa roa ambin’ny folo taona izy. Raha vao nahita izany ny ray aman-dreniny, dia faly tsy nisy hoatr’izany.” (Azo antoka fa ray aman-dreny an-tapitrisany no ho faly be hifankahita indray amin’ny zanany, rehefa hisy ny fitsanganan’ny maty eto an-tany mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy.)

Hanao ahoana ny fiainan’ireo hatsangana amin’ny maty eto an-tany?

Lioka 23:43: “Lazaiko aminao marina tokoa anio fa hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao.” (Ho paradisa ny tany manontolo rehefa hanjaka i Kristy.)

 Apok. 20:12, 13: “Hitako ny maty, na ny lehibe na ny kely, nijoro teo anoloan’ny seza fiandrianana, dia nisy horonam-boky novelarina. Fa nisy horonam-boky iray koa novelarina, dia ny horonam-bokin’ny fiainana. Ary ny maty dia notsaraina araka izay voasoratra tao amin’ireo horonam-boky, araka izay nataon’izy ireo. ... Samy notsaraina araka izay nataony avy izy ireny.” (Hovelarina ny horonam-boky rehefa hatomboka ny fampianarana momba ny sitrapon’Andriamanitra, araka ny Isaia 26:9. Hovelarina koa ny “horonam-bokin’ny fiainana”, satria mety ho voasoratra ao ny anaran’ireo manaiky an’ilay fampianarana. Afaka manantena ny ho lasa lavorary sy hiaina mandrakizay izy ireo.)

Jereo koa ny pejy 186-191, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Fanjakan’Andriamanitra.”

Hatsangana mba hotsaraina fotsiny ve ny sasany, ary avy eo halefa any amin’ny fahafatesana faharoa?

Inona no hevitry ny Jaona 5:28, 29? Izao no voalaza ao: “Ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny feony, dia hivoaka izy ireo. Koa izay nanao ny tsara dia hatsangana ho amin’ny fiainana, fa izay zatra nanao ratsy kosa hatsangana ho amin’ny fanamelohana.” Manampy antsika hahazo ny hevitr’izany ny tenin’i Jesosy tamin’i Jaona, tatỳ aoriana. (Jereo ny Apokalypsy 20:12, 13  etsy ambony.) Samy ‘hotsaraina araka izay nataony avy’, na ireo nanao ny tsara na ireo nanao ny ratsy. Ny zavatra nataony oviana? Raha izay nataony talohan’ny nahafatesany no hanamelohana azy, dia tsy hifanaraka amin’ity Romanina 6:7 ity izany: “Izay maty dia afaka madiodio amin’ny fahotany.” Tsy rariny koa raha hoe hatsangana amin’ny maty ny olona iray, mba hovonoina avy eo. Niresaka momba ny fitsanganana amin’ny maty àry i Jesosy ao amin’ny Jaona 5:28, 29a. Ny tapany farany amin’ny andininy faha-29 kosa miresaka momba izay hiafaran’ireo hatsangana amin’ny maty, rehefa lasa lavorary izy ireo ka hotsaraina.

Inona no hevitry ny Apokalypsy 20:4-6?

Apok. 20:4-6: “Nahita seza fiandrianana maro aho, ary nisy nipetraka teo amboniny, dia nomena fahefana hitsara izy ireo. Eny, hitako izay novonoina tamin’ny famaky noho izy nitory momba an’i Jesosy sy niresaka momba an’Andriamanitra. ... Ary velona ireo ka niara-nanjaka tamin’i Kristy arivo taona.—Mbola tsy velona ny sisa tamin’ny maty mandra-pahatapitry ny arivo taona.—Izany no fitsanganana voalohany. Sambatra sy masina izay manana anjara amin’ny fitsanganana voalohany. Tsy manam-pahefana amin’izy ireo ny fahafatesana faharoa, fa ho mpisoron’Andriamanitra sy Kristy ireo, ka hiara-manjaka aminy mandritra ny arivo taona.”

Mampiasa tsipika roa ny TV ary mampiasa fononteny ny DIEM eo amin’ny andininy faha-5, mba hampifandraisana ilay fehezanteny eo alohan’ny tsipika voalohany sy ilay aorian’ny tsipika faharoa. Asehon’izany fa tsy natao ho an’ny ‘sisa amin’ny maty’ ny fitsanganana voalohany. Natao ho an’ireo hiara-manjaka amin’i Kristy mandritra ny arivo taona kosa izy io. Midika ve izany fa izy ireo ihany no ho velona mandritra ny arivo taona? Tsia. Raha izany mantsy, dia hanjaka amin’ny tany tsy misy mponina izy ireo, ary tsy hisy handray soa amin’ny asa fisoronana hataony.

Iza àry ireo ‘sisa amin’ny maty’? Ireo rehetra maty satria nandova ota avy tamin’i Adama, sy ireo mbola mila hafahana amin’ny ota sy ny fahafatesana. Anisan’izany ireo tafavoaka velona amin’ny fahoriana lehibe sy ireo teraka mandritra ny Fanjakana Arivo Taona.—Ampitahao amin’ny Efesianina 2:1.

Inona no dikan’ilay hoe “mbola tsy velona” izy ireo mandra-pahatapitry ny arivo taona? Tsy fitsanganana amin’ny maty no resahina eto. Tsy hoe manana aina fotsiny mantsy ny hevitry ny teny hoe “velona” eto. Midika kosa izy io hoe lavorary, izany hoe afaka amin’ny vokatry ny fahotan’i Adama. Resahin’ny tapany farany amin’ny andininy faha-4, ohatra, fa “velona” ireo hanjaka any an-danitra. Midika izany fa afaka amin’ny vokatry ny ota izy ireo, ary tsy mety maty intsony. (1 Kor. 15:54) “Velona” àry ireo ‘sisa amin’ny maty’, amin’ny heviny hoe lasa lavorary izy ireo.

Iza avy no hatsangana eto an-tany?

Jaona 5:28, 29: “Aza gaga amin’izany fa ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana [“fasana atao ho fahatsiarovana”, f.a.p.] ny [feon’i Jesosy], dia hivoaka izy ireo.” (Ny teny grika hoe mnemeiôn [fahatsiarovana, fasana atao ho fahatsiarovana] no nadika hoe ‘fasana’ eto, fa tsy ilay hoe tafôs [fasana tsirairay] na haides [fasana misy ny maty rehetra]. Ny fahatsiarovana an’ilay olona nodimandry àry no tena asongadina. Ireo tsaroan’Andriamanitra ihany no hatsangany amin’ny maty sy ho afaka ny hiaina mandrakizay. Tsy ho tsaroany kosa ireo nanao fahotana tsy ahazoana famelana, ka any amin’ny Gehena.—Mat. 10:28; Mar. 3:29; Heb. 10:26; Mal. 3:16.)

Asa. 24:15: “Manantena amin’Andriamanitra aho ... fa hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.” (Samy hatsangana na ireo nanaraka ny fitsipika marin’Andriamanitra, na ireo nanao ny tsy marina noho ny tsy fahalalana. Tsy resahin’ny Baiboly amin’ny an-tsipiriany hoe iza avy no hatsangana amin’ny maty. Afaka matoky anefa isika fa tsy hizaha tavan’olona Andriamanitra, satria mahalala ny zava-drehetra izy. Tsy hanao tsinontsinona an’ireo fitsipiny ara-drariny izy, satria manao ny rariny sy mamindra fo. Ampitahao amin’ny Genesisy 18:25.)

Apok. 20:13, 14: “Ny ranomasina dia namoaka ny maty tao aminy, ary ny fahafatesana sy ny Fasana namoaka ny maty tao aminy, ka samy notsaraina araka izay nataony avy izy ireny. Ary natsipy mafy tany amin’ny farihy afo ny fahafatesana sy ny Fasana. Tsy inona ny farihy afo fa ny fahafatesana faharoa.” (Hatsangana àry ireo maty vokatry ny fahotan’i Adama, na milevina any an-dranomasina izy ireo, na any amin’ny Fasana misy ny maty rehetra.)

Jereo koa ny loha hevitra hoe “Famonjena.”

Raha an’arivony tapitrisa no hatsangana amin’ny maty, aiza daholo ireo no honina?

Tombanana ho 20 000 000 000 eo ho eo ny isan’ny olona nandia an’ity tany ity. Tsy izy rehetra ireo anefa no hatsangana amin’ny maty. Na hatsangana daholo aza anefa izy ireo, dia mbola ho antonona tsara ny tany. Mirefy 147 600 000 kilaometatra toradroa eo ho eo mantsy ny velaran’ny tany maina. Raha atokana ho amin-javatra hafa ny antsasak’izany, dia mbola hanana ampahefatry ny hektara mahery kely eo ho eo (0,37 hektara eo ho eo) ny olona tsirairay. Afaka mamokatra sakafo ampy tsara izany. Ny adilahy politika sy ny fanararaotan’ireo mpandraharaha tia vola loatra no mahatonga ny tsy fahampian-tsakafo ankehitriny, fa tsy hoe ny tany no tsy mahavokatra.

Jereo koa ny pejy 388, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Tany.”