Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fivavahana

Fivavahana

Famaritana: Fanajana sy fanompoana Andriamanitra iray na andriamanitra maro. Anisan’ny fivavahana ny toe-tsaina sy finoana ary fombafomba ataon’ny olona iray na olona maro mitovy finoana. Misy koa manao olona, na zavatra, na faniriana, na hery ho andriamanitra. Mifototra amin’ny fandinihana ny natiora ny fivavahana maro. Misy ny fivavahana marina sy fivavahan-diso.

Nahoana no misy fivavahana maro be?

Hita tamin’ny fandinihana iray fa misy 19 ireo fivavahana lehibe, ary mizarazara ho antokom-pivavahana 37 000 ireo fivavahana milaza azy ho Kristianina.

Maro no antony mampisy fivavahana samihafa. Misy milaza fa samy mampianatra ny fahamarinana izy ireny fa amin’ny fomba samy hafa fotsiny. Rehefa ampitahaina amin’ny Baiboly anefa ny fampianarany sy ny fanaony, dia hita fa manaraka olona izy ireny fa tsy manaraka izay lazain’Andriamanitra. Tsara homarihina fa avy any Babylona fahiny, amin’ny ankapobeny, ny fampianarana iombonan’izy ireny. (Jereo ny pejy 81, 82, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Babylona Lehibe.”)

Iza no mampisafotofoto ny fivavahana toy izany? Milaza ny Baiboly fa i Satana Devoly no “andriamanitr’ity tontolo ity.” (2 Kor. 4:4) Lazainy koa fa “izay zavatra atolotry ny hafa firenena ho sorona dia ataony sorona ho an’ny demonia, fa tsy ho an’Andriamanitra.” (1 Kor. 10:20) Ilaintsika fantarina àry raha mivavaka amin’ilay tena Andriamanitra Mpamorona ny lanitra sy ny tany tokoa isika, ary raha ankasitrahany ny fivavahantsika!

Eken’Andriamanitra ve ny fivavahana rehetra?

Mpits. 10:6, 7: “Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah indray ny zanak’Israely, ka nanompo an’ireo Bala, sy ireo sarin’i Astarta, sy ireo andriamanitr’i Syria, sy ireo andriamanitr’i Sidona, sy ireo andriamanitr’i Moaba, sy ireo andriamanitry ny taranak’i Amona, ary ireo andriamanitry ny Filistinina. Koa nahafoy an’i Jehovah izy ireo ary tsy nanompo azy. Dia nirehitra tamin’ny Israely ny fahatezeran’i Jehovah.” (Tsy eken’i Jehovah, Mpamorona ny lanitra sy ny tany, ny fivavahana amin-javatra na olon-kafa ankoatra Azy.)

Mar. 7:6, 7: “Hoy [i Jesosy] tamin’ireo [Fariseo sy mpanora-dalàna jiosy]: ‘Marina ny naminanian’i Isaia momba anareo mpihatsaravelatsihy, araka ny voasoratra hoe: “Manaja ahy an-tendro-molotra fotsiny ity vahoaka ity, fa ny fony kosa lavitra ahy. Koa very maina ny mbola ivavahany foana amiko, satria didin’olombelona no ampianariny.” ’ ” (Na milaza ho manompo an’Andriamanitra aza ny fivavahana iray, dia very maina ny fivavahany raha hevitr’olombelona no arahiny fa tsy ny Tenin’Andriamanitra.)

Rom. 10:2, 3: “Mijoro ho vavolombelona aho fa mafana fo ho an’Andriamanitra izy ireo, saingy tsy araka ny fahalalana marina tsara. Koa satria tsy nahalala ny fahamarinan’Andriamanitra izy fa nitady hanamarina ny tenany, dia tsy nanaiky ny fahamarinan’Andriamanitra.” (Mety hanana Baiboly ny olona sasany nefa tsy tena mahalala ny ao anatiny, satria tsy nampianarina ny marina. Mety hafana fo ho an’Andriamanitra izy ireo, saingy tsy manao izay takiny. Hankasitraka ny fivavahany àry ve Andriamanitra?)

Tsy mba misy zavatra tsara ihany ve ao amin’ny fivavahana rehetra?

Samy mampianatra ny ankamaroan’ny fivavahana fa ratsy, ohatra, ny mandainga sy mangalatra. Ampy anefa ve izany? Ho tianao ve ny hisotro rano iray vera misy poizina, raha omena toky ianao fa kely fotsiny ny poizina ao fa ny rano no betsaka?

2 Kor. 11:14, 15: “I Satana aza miseho foana ho toy ny anjelin’ny mazava. Koa tsy dia zavatra lehibe àry raha miseho foana ho toy ny mpanompon’ny fahamarinana koa ny mpanompony.” (Tsy hita avy hatrany hoe ratsy izay avy amin’i Satana. Anisan’ny fitaka lehibe ampiasainy ny fivavahan-diso isan-karazany, ary toa marina ny fahitana ny sasany.)

2 Tim. 3:5: “Jerena toa mpivavaka be nefa tsy misy heriny eo amin’ny fiainany ny maha mpivavaka azy. Ialao ny olona toy ireny.” (Raha miseho ho tia an’Andriamanitra ny mpiara-mivavaka aminao, nefa tsy mampihatra ny Teniny, dia tokony hisaraka amin’izy ireny ianao, hoy ny Baiboly.)

Mety ve ny miala amin’ny fivavahan’ny ray aman-dreny?

Tokony hanaraka izay nampianarin’ny ray aman-drenintsika isika, raha avy ao amin’ny Baiboly tokoa izany. Tokony hanaja ray aman-dreny foana anefa isika, na dia fantatsika aza fa mifanohitra amin’ny Baiboly ny fombafomba sy ny zavatra inoan’ny fivavahany. Raha misy fahazaran’izy ireo anefa fantatrao fa mety hanimba ny fahasalamany sy hahafohy ny androm-piainany, hanahaka azy ireo ve ianao ary hampirisika ny zanakao hanao toy izany koa? Sa kosa ianao hanazava amin’izy ireo amim-panajana izay fantatrao? Toa izany koa fa tokony horesahintsika amin’ny fianakaviantsika ny fahamarinana ianarantsika ao amin’ny Baiboly. Tokony hanapa-kevitra isika ary hanontany tena hoe: Tena tiako tokoa ve Andriamanitra? Tena te hankatò ny Zanany ve aho? Raha izany no izy, dia mety ho voatery hiala amin’ny fivavahan’ny ray aman-drenintsika isika, mba hanarahana ny fivavahana marina. Diniho izao: Mety ve raha ny ray aman-dreny no tiantsika kokoa noho Andriamanitra sy Kristy? Hoy i Jesosy: “Izay tia ray na reny mihoatra noho ny fitiavany ahy dia tsy mendrika ahy, ary izay tia zanakalahy na zanakavavy mihoatra noho ny fitiavany ahy dia tsy mendrika ahy.”—Mat. 10:37.

Jos. 24:14: “Koa ankehitriny, matahora an’i Jehovah ka manompoa azy amin-kitsim-po sy amim-pahatsorana, ary ario ny andriamanitra notompoin’ny razanareo tany ampitan’ny Renirano sy tany Ejipta, ka manompoa an’i Jehovah.” (Nila niala tamin’ny fivavahan-drazany àry ny Israelita. Tsy maintsy narian’izy ireo ny sampy nampiasainy tamin’izany, ary nesoriny tao am-pony ny faniriana hanompo an’ireny, mba hanompoany an’i Jehovah.)

1 Pet. 1:18, 19: ‘Fantatrareo fa tsy tamin’ny zavatra mety simba, na tamin’ny volafotsy na ny volamena, no nanafahana anareo tamin’ny fitondran-tena tsy mitera-boka-tsoa izay azonareo tamin’ny fampianarana nentin-drazana, fa tamin’ny ra sarobidy kosa, tahaka ny ran’ny zanak’ondry tsy misy tsiny sy tsy misy pentina, dia ny ran’i Kristy mihitsy.’ (Nialan’ny Kristianina voalohany àry ny fampianarana nentin-drazana, izay tsy hahazoany fiainana mandrakizay mihitsy. Nankasitraka ny soron’i Kristy izy ireo ka nialany ireo fanao tsy nitera-boka-tsoa izay tsy nanome voninahitra an’Andriamanitra. Tsy tokony hanao toy izany koa ve isika?)

Inona no lazain’ny Baiboly momba ny fivavahana iraisam-pinoana?

Ahoana no fiheveran’i Jesosy an’ireo mpitondra fivavahana niseho ho olo-marina nefa tsy nanaja an’Andriamanitra? “Hoy i Jesosy: ‘Tokony ho tia ahy ianareo raha Andriamanitra no Rainareo, satria avy tamin’Andriamanitra no nivoahako sy nahatongavako eto. Tsy tonga araka ny nahim-poko velively aho, fa Izy no naniraka ahy. ... Ianareo avy amin’ny Devoly rainareo, ary izay irin’ny rainareo no tianareo hatao. Mpamono olona hatrany am-piandohana izy, ary tsy nifikitra tamin’ny marina, satria tsy ao aminy ny marina. Rehefa mandainga izy, dia ny maha izy azy no avoakany, satria mpandainga izy sady rain’ny lainga. Tsy mino ahy kosa ianareo, satria milaza ny marina aho. ... Izany no tsy ihainoanareo, satria tsy avy amin’Andriamanitra ianareo.’ ”—Jaona 8:42-47.

Azo lazaina hoe tsy mivadika amin’Andriamanitra sy ny fitsipiny ve ny mpanompony, raha manao fivavahana iraisam-pinoana miaraka amin’izay manao na milefitra amin’ny zavatra melohin’Andriamanitra? “Mba tsy hifaneraseranareo intsony amin’izay antsoina hoe rahalahy nefa mpijangajanga, na manana faniriana tsy mety afa-po, na mpanompo sampy, na mpanevateva, na mpimamo, na mpanao an-keriny, ary mba tsy hiara-mihinana aminy akory. ... Fa na mpijangajanga, na mpanompo sampy, na mpanitsakitsa-bady, na lehilahy manaiky hanaovan-dehilahy firaisana, na lehilahy miray amin’ny lehilahy, na mpangalatra, na olona manana faniriana tsy mety afa-po, na mpimamo, na mpanevateva, na mpanao an-keriny, dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra.” (1 Kor. 5:11; 6:9, 10) “Na iza na iza te ho naman’izao tontolo izao, dia mitsangan-ko fahavalon’Andriamanitra izy.” (Jak. 4:4) “Ianareo izay tia an’i Jehovah, ankahalao ny ratsy. Miaro ny ain’izay tsy mivadika aminy izy.”—Sal. 97:10.

2 Kor. 6:14-17: “Aza manaiky hiray zioga amin’ny tsy mpino. Fa inona no ifandraisan’ny fahamarinana sy ny fandikan-dalàna? Ary inona no iombonan’ny mazava sy ny maizina? Inona no ifanarahan’i Kristy sy Beliala? Inona no zavatra iombonan’ny mino amin’ny tsy mpino? Ary inona no ifanarahan’ny tempolin’Andriamanitra amin’ny sampy? ... ‘ “Koa mivoaha eo aminy ianareo, ary misaraha aminy”, hoy i Jehovah, “ary aza mikasika intsony izay maloto” ’, ‘ “dia handray anareo aho.” ’ ”

Apok. 18:4, 5: “Nahare feo hafa avy any an-danitra aho, nanao hoe: ‘Mivoaha avy ao aminy, ry oloko, raha tsy tianareo ny hiombona ota aminy, ary raha tsy tianareo hisy hanjo anareo ny loza hanjo azy. Fa efa niavosa hatrany amin’ny lanitra ny fahotany, ary Andriamanitra efa nahatsiaro ny tsy rariny nataony.’ ” (Ahitana tsipiriany kokoa ilay loha hevitra hoe “Babylona Lehibe.”)

 Tena ilaina ve ny manaraka fivavahana iray?

Tsy nitondra soa ny ankamaroan’ny fivavahana. Tsy ny fivavahana rehetra akory no ratsy. Mifototra amin’ny fampianaran-diso anefa ny ankamaroany sady be fombafomba fotsiny fa tsy tena manome tari-dalana. Tia mifehifehy ny fiainan’ny olona izy ireny mba hahazoana tombony. Aleony manangom-bola sy manao trano fivavahana be renty, toy izay manampy ny olona hifandray tsara amin’Andriamanitra. Mihatsaravelatsihy koa matetika ny mpivavaka ao aminy. Azo antoka fa tsy te hanaraka fivavahana toy izany ny olona tia fahamarinana. Mamelombelona kosa ny fivavahana marina. Tsy maintsy manaraka ny lamina apetraky ny Baiboly anefa izy io.

Heb. 10:24, 25: “Aoka koa isika hifampihevitra mba handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara, ka tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory, toy ny sasany izay efa zatra tsy mivory, fa hifampahery kosa, indrindra fa hitanareo hoe manakaiky ny andro.” (Tsy maintsy misy fivoriana alamina àry, mba hanarahana io didy io. Mandrisika antsika hifaneho fitiavana ireo fivoriana, fa tsy hifantoka amin’ny tenantsika fotsiny.)

1 Kor. 1:10: “Koa mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hifanaraka tsara ianareo rehetra amin’izay lazainareo, ary mba tsy hisy fisaratsarahana eo aminareo, fa mba ho tafaray tsara ianareo ka hiray saina sy hiray hevitra.” (Tsy ho tafaray mihitsy ny Kristianina raha tsy miara-mivory sy mandray fampianarana mitovy ary manaja an’izay manome izany fampianarana izany. Jereo koa ny Jaona 17:20, 21.)

1 Pet. 2:17: “Tiavo ny rahalahy rehetra ao amin’ny finoana.” (Ireo miara-mivavaka ao an-tranon’olona iray ihany ve izany? Tsia, fa ny rahalahy rehetra eran-tany, araka ny Galatianina 2:8, 9 sy 1 Korintianina 16:19.)

Mat. 24:14: “Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.” (Tsy maintsy alamina tsara ny asa fitoriana ny vaovao tsara, mba ho afaka handre izany ny firenena rehetra. Misy olona maro eran-tany miara-manao io asa io, noho izy ireo tia an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminy.)

Jereo koa ny loha hevitra hoe “Fandaminana.”

 Ny fitiava-namana ve no tena zava-dehibe?

Tena zava-dehibe ny fitiava-namana. (Rom. 13:8-10) Tsy ampy anefa ny hoe tsara fanahy. Nilaza i Jesosy fa hampiavaka ny tena mpianany ny fifankatiavana. (Jaona 13:35) Asongadin’ny Baiboly imbetsaka izany. (Gal. 6:10; 1 Pet. 4:8; 1 Jaona 3:14, 16, 17) Nolazain’i Jesosy anefa fa mbola zava-dehibe kokoa ny fitiavana an’Andriamanitra, izay aseho amin’ny fankatoavana ny didiny. (Mat. 22:35-38; 1 Jaona 5:3) Ilaintsika àry ny mianatra sy mampihatra ny Teniny ary miara-mivory amin’ny mpanompony.

Ny mifandray tsara amin’Andriamanitra ve no tena zava-dehibe?

Zava-dehibe tokoa izany, ary tsy mahasolo an’izany ny mandeha miangona amim-pahazarana fotsiny. Mila mitandrina anefa isika. Nisy nihevitra mantsy tamin’ny taonjato voalohany hoe nifandray tsara tamin’Andriamanitra, nefa diso hevitra izy ireo, hoy i Jesosy. (Jaona 8:41-44) Nilaza koa ny apostoly Paoly fa nisy nafana fo tamin’ny fivavahany ka nihevitra fa nifandray tsara tamin’Andriamanitra, nefa tsy fantany akory izay tena notakin’Andriamanitra.—Rom. 10:2-4.

Mifandray tsara amin’Andriamanitra àry ve isika raha tsy miraharaha ny didiny, anisan’izany ny hoe tokony hiara-mivory amin’ireo mpiray finoana?—Heb. 10:24, 25.

 Ampy ve ny mamaky Baiboly samirery?

Marina fa afaka miana-javatra maro avy ao amin’ny Baiboly ny olona mamaky azy io samirery. Tsara tokoa ny ataony, raha tena te hahalala ny marina momba an’Andriamanitra sy ny fikasany izy. (Asa. 17:11) Ho azontsika daholo anefa ve izay vakintsika ao, raha tsy misy manampy antsika? Resahin’ny Baiboly fa nisy olona ambony nanetry tena, ka niaiky fa nila fanampiana mba hahazoany ny hevitry ny faminanian’ny Baiboly. Olona anisan’ny fiangonana kristianina no nanampy azy tamin’izay.—Asa. 8:26-38; ampitahao amin’ny andininy hafa miresaka momba an’i Filipo ao amin’ny Asan’ny Apostoly 6:1-6; 8:5-17.

Tsy mandray soa ny olona iray mamaky Baiboly, raha tsy ampihariny eo amin’ny fiainany izany. Raha mino sy mampihatra izany anefa izy, dia hiara-mivory tsy tapaka amin’ny mpanompon’Andriamanitra. (Heb. 10:24, 25) Hiaraka amin’izy ireo hitory ny “vaovao tsara” koa izy.—1 Kor. 9:16; Mar. 13:10; Mat. 28:19, 20.

  Ahoana no ahafantarana ny fivavahana marina?

1) Mifototra amin’inona ny fampianarany? Mifototra amin’ny Tenin’Andriamanitra, sa amin’ny hevitr’olona? (2 Tim. 3:16; Mar. 7:7) Aiza ho aiza ao amin’ny Baiboly, ohatra, no milaza hoe telo izay iray Andriamanitra, na hoe manana fanahy tsy mety maty ny olona?

2) Mampahafantatra ny anaran’Andriamanitra ve izy io? Hoy i Jesosy tamin’izy nivavaka tamin’Andriamanitra: “Ny anaranao efa nampahafantariko ny olona izay nomenao ahy avy tamin’izao tontolo izao.” (Jaona 17:6) Hoy koa izy: “I Jehovah Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao, ary ho azy irery ihany no tsy maintsy anaovanao fanompoana masina.” (Mat. 4:10) Nampianatra anao ve ny fivavahanao hoe ‘i Jehovah no tsy maintsy iankohofanao’? Nanjary fantatrao ve i Jehovah sy ny fikasany sy ny asany ary ny toetrany, ka lasa te hanatona azy ianao?

3) Tena mino an’i Jesosy Kristy ve ireo manaraka azy io? Mankasitraka ny hasarobidin’ny soron’i Jesosy ireo tena mino azy, ary manaiky fa Mpanjaka any an-danitra izy izao. (Jaona 3:36; Sal. 2:6-8) Noho izany, dia mankatò azy izy ireo, ka mazoto mandray anjara amin’ilay asa nampanaoviny ny mpanara-dia azy. Izany finoana aseho amin’ny atao izany no ananan’ny fivavahana marina.—Jak. 2:26.

4) Fombafomba fotsiny ve ilay fivavahana sa tena fomba fiaina? Tsy tian’Andriamanitra mihitsy ny fivavahana lasa fombafomba fotsiny. (Isaia 1:15-17) Mampirisika ny olona hanaraka ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fitondran-tena sy ny fiteny ny fivavahana marina, fa tsy manaraka ambokony ny fanaon’ny olona fotsiny. (1 Kor. 5:9-13; Efes. 5:3-5) Maneho ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra ireo manaraka azy io. (Gal. 5:22, 23) Mora fantatra àry ny tena mpivavaka marina, satria miezaka manaraka ny fitsipiky Baiboly izy ireo, tsy rehefa miara-mivory ihany, fa rehefa ao an-tranony sy rehefa miasa sy mianatra ary miala voly koa.

5) Tena mifankatia ve ireo manaraka azy io? Hoy i Jesosy: “Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.” (Jaona 13:35) Tena mifankatia toy ny mpirahalahy ny mpianatr’i Jesosy, na samy hafa fiaviana sy saranga ary firenena aza. Tena mampiavaka azy ireo io fifankatiavana io. Rehefa miady ireo firenena, iza no tena tia ny rahalahiny kristianina any an-tany hafa ka tsy mety mandray anjara amin’ilay ady? Toy izany no nataon’ireo Kristianina voalohany.

6) Tena tafasaraka amin’izao tontolo izao ve izy io? Nilaza i Jesosy fa “tsy anisan’izao tontolo izao” ny mpianany. (Jaona 15:19) Tsy maintsy miaro tena “tsy ho voapentimpentin’izao tontolo izao” àry ireo te hanompo an’Andriamanitra amin’ny fomba ankasitrahany. (Jak. 1:27) Izany ve no ataon’ireo mpitondra fivavahana sy mpiangona manao politika, na ireo mikatsaka harena sy manome fahafaham-po ny fanirian’ny nofony fotsiny?—1 Jaona 2:15-17.

7) Mazoto mitory ny Fanjakan’Andriamanitra ve ireo manaraka azy io? Hoy i Jesosy: “Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.” (Mat. 24:14) Iza no fivavahana mitory ny Fanjakan’Andriamanitra, fa tsy mampirisika ny olona hanantena ny fanjakan’olombelona mba hitondra vahaolana? Mampiofana anao hitory isan-trano ve ny fivavahanao, toy ny nampiofanan’i Jesosy ny apostoliny?—Mat. 10:7, 11-13; Asa. 5:42; 20:20.

Mino ve ny Vavolombelon’i Jehovah fa ny fivavahan’izy ireo ihany no marina?

Jereo ny pejy 411, 412, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Vavolombelon’i Jehovah.”

Nahoana ny olona sasany ihany no manam-pinoana?

Jereo ny loha hevitra hoe “Finoana.”

Raha misy milaza hoe:

‘Tsy liana amin’ny fivavahana aho’

Azonao valiana hoe: ‘Maro ny olona toa anao, izay tsy liana amin’ny fivavahana. Azoko fantarina anefa ve raha efa hatramin’izay ianao no toy izany?’ Azonao ampiana hoe: ‘Gaga aho nahita fa tsy avy ao amin’ny Baiboly ny ankamaroan’ny foto-pampianaran’ireo fiangonana. (Azonao ampiasaina ny fanazavana eo amin’ny pejy 411, 412, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Vavolombelon’i Jehovah”, ary asongadino fa zava-dehibe ny fitoriana ilay Fanjakana. Resaho koa ny zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah, eo amin’ny pejy 407, 408.)’

Jereo koa ny pejy 16, 17.

‘Mihatsaravelatsihy fotsiny ny mpivavaka’

Azonao valiana hoe: ‘Marina izany. Matetika no tsy mifanaraka amin’izay lazainy ny ataony. Ahoana anefa no fiheveranao ny Baiboly? (Sal. 19:7-10)’

‘Efa manao ny tsara aho, ary tsy manisy ratsy olona. Amiko dia efa ampy izany’

Azonao valiana hoe: ‘Azo antoka àry fa afa-po amin’ny fiainanao ianao. Ho tianao anefa ve ny hahita ny toe-piainana voalaza ato amin’ny Apokalypsy 21:4?... Inona àry no tokony hataontsika? Mariho ny voalazan’ny Jaona 17:3.’

Jereo koa ny  pejy 256.

‘Hitako hoe tsy ilaina ny manaraka fivavahana, fa rehefa mifandray tsara amin’Andriamanitra dia efa ampy’

Azonao valiana hoe: ‘Misaotra anao nilaza ny hevitrao. Efa hatramin’izay ve ianao no nihevitra toy izany?... Nisy fivavahana efa narahinao ve taloha?... (Azonao ampiasaina ny fanazavana eo amin’ny  pejy 255, 256.)’

‘Tsy ekeko daholo izay ampianarin’ny fivavahanay, kanefa tsy te hiova fivavahana aho. Aleoko fotsiny ny anay no hatsaraina’

Azonao valiana hoe: ‘Misaotra anao nilaza ny hevitrao. Ekenao anefa angamba fa tena zava-dehibe ny hoe ankasitrahan’Andriamanitra, sa tsy izany?’ Azonao ampiana hoe: 1) ‘Tsara hoeritreretina izao fampitandreman’Andriamanitra ato amin’ny Apokalypsy 18:4, 5 izao... Resahin’ny Baiboly eo fa na tsy manao ratsy aza isika, dia miombona ota amin’ny fivavahana manao izany raha manohana an’ilay fivavahana. (Jereo koa ny loha hevitra hoe “Babylona Lehibe.”)’ 2) (Azo ampiasaina koa ny fanazavana eo amin’ny  pejy 257, 258.) 3) ‘Mitady olona tia fahamarinana Andriamanitra, ka angoniny ho ao amin’ny fivavahana iray ihany izy ireny. (Jaona 4:23, 24)’

‘Tsara daholo ny fivavahana rehetra. Ianareo manana ny anareo, izaho koa manana ny ahy’

Azonao valiana hoe: ‘Hita tokoa fa malala-tsaina ianao. Ekenao koa angamba fa mila ny tari-dalan’ny Baiboly isika rehetra, matoa ianao manana ny fivavahanao.’ Azonao ampiana hoe: ‘Misy tari-dalana tena tsara nomen’i Jesosy ato amin’ny Matio 7:13, 14. (Vakio.) ... Nahoana no tena tsara izy io?’

Jereo koa ny  pejy 251, 252.

‘Rehefa mino an’i Jesosy ianao, dia mety daholo izay fivavahana misy anao’

Azonao valiana hoe: ‘Tena zava-dehibe tokoa ny mino an’i Jesosy, izany hoe manaiky ny fampianarany rehetra. Mety ho voamarikao anefa fa maro no milaza ho Kristianina, nefa tsy araka izany akory ny fomba fiainany.’ Azonao ampiana hoe: 1) ‘Mariho ny voalazan’i Jesosy ato amin’ny Matio 7:21-23.’ 2) ‘Hanana hoavy tena tsara izay miezaka mamantatra ny sitrapon’Andriamanitra sy manao izany. (Sal. 37:10, 11; Apok. 21:4)’

‘Nahoana ianareo no mihevitra fa iray ihany ny fivavahana marina?’

Azonao valiana hoe: ‘Azo antoka fa misy olona tso-po any amin’ny ankamaroan’ny fivavahana. Izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra anefa no tena zava-dehibe. Firy ny tena finoana, hoy ny Baiboly? Mariho ny voalazan’ny Efesianina 4:4, 5.’ Azonao ampiana hoe: 1) ‘Mifanaraka amin’izay voalazan’ireto andininy ireto izany. (Mat. 7:13, 14, 21; Jaona 10:16; 17:20, 21)’ 2) ‘Ahoana àry no hahafantarantsika ny fivavahana marina? (Azonao ampiasaina ny fanazavana eo amin’ny  pejy 257, 258.)’ 3) (Jereo koa ny pejy 407, 408, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Vavolombelon’i Jehovah.”)

‘Mamaky Baiboly ato an-trano fotsiny aho, dia mivavaka amin’Andriamanitra mba hanampy ahy hahazo ny heviny’

Azonao valiana hoe: ‘Efa nahavaky ny Baiboly manontolo ve ianao?’ Azonao ampiana hoe: ‘Ho hitanao fa tena mahaliana ny voalazan’ny Matio 28:19, 20. ... Resahiny eo fa mampiasa olona i Kristy mba hanampiana antsika hahazo ny dikan’ny hoe tena Kristianina. Izany no mahatonga anay Vavolombelon’i Jehovah hitsidika ny olona, mba hampianatra Baiboly azy maimaim-poana mandritra ny adiny iray eo ho eo isan-kerinandro. Azoko aseho anao vetivety ve ny fomba fanaovana izany?’

Jereo koa ny  pejy 256.

‘Amiko dia raharahan’ny tena manokana ny fivavahana’

Azonao valiana hoe: ‘Maro no mihevitra toy izany, ary raha tsy liana amin’ny Baiboly mihitsy ny olona iray, dia mankany amin’ny olon-kafa izahay. Fantatrao anefa ve fa manaraka izao toromarik’i Jesosy izao izahay, matoa tonga eto aminao?... (Mat. 24:14; 28:19, 20; 10:40)’