Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fivavahana Amin’ny Razana

Fivavahana Amin’ny Razana

Famaritana: Fombafomba anomezam-boninahitra sy anajana ny razana mba hampitonena ny fanahiny, noho ny finoana fa mbola velona any ho any izy ireo ka afaka mitahy na manisy ratsy ny velona. Tsy mampianatra izany ny Baiboly.

Fantatry ny razana ve izay ataon’ny velona, ary afaka mitahy ny velona ve izy ireo?

Mpito. 9:5: “Fantatry ny velona fa ho faty izy, fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona.”

Joba 14:10, 21: “Miala aina ny olombelona, dia aiza intsony izy? Omem-boninahitra ny zanany, nefa tsy fantany.”

Sal. 49:10, 17-19: “Maty koa na ny hendry aza, ary samy maty daholo na ny adala na ny tsy misaina, ka hamela ny fananany ho an’olon-kafa. ... Tsy hahatondra na inona na inona izy rehefa maty, sady tsy hidina hanaraka azy ny voninahiny. ... Hatreo amin’izay niafaran’ny mpiara-belona tamin’ny razany ihany no hiafarany. Tsy hahita ny mazava intsony ireny.”

Simba fotsiny ny sakafo aterina eny am-pasana. Tsy midika ve izany fa tsy nohanin’ny maty akory ilay izy?

Jereo koa ny loha hevitra hoe “Fifandraisana Amin’ny Herin’ny Maizina.”

Afaka manisy ratsy antsika ve ny razana?

Mpito. 9:5, 6: “Fa ny maty kosa ... efa foana ... ny fitiavany sy ny fankahalany ary ny fialonany. Tsy misy anjarany intsony amin’izay rehetra atao etỳ ambanin’ny masoandro.”

Manao ahoana ireny havan-tiantsika nodimandry ireny?

Sal. 146:3, 4: “Aza matoky ny olona ambony na ny zanak’olombelona ... Miala ny ainy, ary miverina amin’ny tany nakana azy izy, ka androtr’iny ihany, dia foana ny eritreriny.”

Jaona 11:11-14: “Hoy indray izy avy eo: ‘Matory i Lazarosy namantsika, fa handeha ho any aho hamoha azy...’ Ny fahafatesany anefa no nolazain’i Jesosy.” (Tsy mahatsiaro na inona na inona àry ny maty, toy ny hoe matory be. Azo antenaina anefa fa mbola hitsangana izy ireny, toy ny hoe hofohazina amin’ny torimasony.)

Tsy nahita porofo mihitsy ireo mpahay siansa sy dokotera mpandidy hoe mbola misy zavatra velona miala ao amin’ny vatan’ny olona efa maty.

Jereo koa ny pejy 121-123, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Fahafatesana.”

Inona no tianao hataon’ny zanaka aman-jafinao: Ny anajany sy itiavany anao izao ianao mbola velona izao, sa ny anaovany fombafomba eo am-pasanao rehefa maty ianao?

Efes. 6:2, 3: “ ‘Hajao ny rainao sy ny reninao.’ Izany no didy voalohany mirakitra an’izao fampanantenana izao: ‘Mba hahita soa ianao, ary mba ho ela velona eto ambonin’ny tany.’ ” (Izay ankizy manaraka ny fitsipiky ny Baiboly dia manaja ny ray aman-dreniny mbola velona, ka faly ireo ray aman-dreny.)

Ohab. 23:22: “Henoy ny rainao niteraka anao, ary aza atao tsinontsinona ny reninao efa antitra.”

1 Tim. 5:4: “Raha misy mpitondratena manan-janaka na zafy, dia aoka ireo aloha hianatra hampiseho fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra amin’ny ankohonany, sy hamaly babena ny ray aman-dreniny mbamin’ny raibe sy ny renibeny, fa izany no ankasitrahana eo imason’Andriamanitra.”

Rehefa misy milaza fa naharay hafatra avy amin’ny maty, avy amin’iza moa izany raha ny marina?

Isaia 8:19: “Mety hisy hiteny aminareo hoe: ‘Manontania mpamoha angatra na olona itoeran’ny fanahy mpilaza ny hoavy, izay samy manao feom-boronkely sy mibitsibitsika.’ Tsy ny Andriamaniny anefa ve no tokony hanontaniany? Ny maty indray ve no hanontaniana mba hahasoa ny velona?” (Ho noraran’Andriamanitra ve ny firesahana amin’ny havan-tiantsika efa maty, raha izy ireo marina no tena ifandraisantsika?)

Asa. 16:16: “Raha nankany amin’ilay toerana fivavahana izahay, dia nifanena taminay ny mpanompovavy anankiray nisy fanahy ratsy, izany hoe nisy demonia mpilaza ny hoavy. Nahay naminany io mpanompovavy io ka nahazo tombony be avy tamin’izany ny tompony.”

Jereo koa ny pejy 207, 208, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Fifandraisana Amin’ny Herin’ny Maizina.”

Iza no tokony hivavahantsika?

Lioka 4:8: “Hoy i Jesosy: ‘Voasoratra hoe: “I Jehovah Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao, ary ho azy irery ihany no tsy maintsy anaovanao fanompoana masina.” ’ ”

Jaona 4:23, 24: “Ho avy ny fotoana, ary tonga izany ankehitriny, ka ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray araka ny fanahy sy ny fahamarinana. Fa olona toy izany tokoa no tadiavin’ny Ray mba hivavaka aminy. Andriamanitra dia Fanahy, ka izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka araka ny fanahy sy ny fahamarinana.”

Afaka manantena ny mbola hihaona amin’ny havantsika efa maty ve isika?

Jaona 5:28, 29: “Aza gaga amin’izany fa ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny feony, dia hivoaka izy ireo. Koa izay nanao ny tsara dia hatsangana ho amin’ny fiainana, fa izay zatra nanao ratsy kosa hatsangana ho amin’ny fanamelohana.”