Fiverenan’i Kristy
Famaritana: Nampanantena ny hiverina i Jesosy Kristy, talohan’ny hiakarany tany an-danitra. Hisy fisehoan-javatra lehibe mifandray amin’ny Fanjakan’Andriamanitra hitranga amin’izay. Tsy mitovy ny hoe fiaviana sy fanatrehana. Mety ho avy (ho tonga na hiverina) amin’ny fotoana iray ny olona iray, nefa mety haharitra taona maro ny fanatrehany aorian’izay. Ampiasain’ny Baiboly koa ny teny grika hoe erkômai (midika hoe “ho avy”), mba hilazana fa hanao asa lehibe iray i Jesosy amin’ny fotoana voatondro mandritra ny fanatrehany: Handringana ny fahavalon’i Jehovah izy, amin’ny adin’ilay andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra.
Hitranga ao anatin’ny fotoana fohy sa an-taonany maro ireo fisehoan-javatra mifandray amin’ny fanatrehan’i Kristy?
Mat. 24:37-39: “Toy ny andron’i Noa, dia ho toy izany koa ny fanatrehan’ny [“fihavian’ny”, Prot., Kat., DIEM, JM; grika: parosia] Zanak’olona. Fa tamin’izany andro izany, fony mbola tsy tonga ny safodrano, dia nihinana sy nisotro, nampaka-bady sy navoaka hampakarina ny olona, mandra-pahatongan’ ny andro nidiran’i Noa tao amin’ny sambofiara. Ary tsy niraharaha izy ireo mandra-pahatongan’ny safodrano, izay nifaoka azy rehetra. Dia ho toy izany koa ny fanatrehan’ny Zanak’olona.” (Naharitra taona maro ireo fisehoan-javatra tamin’ny “andron’i Noa” ireo. Nilaza i Jesosy fa ho toy izany koa ny fanatrehany.)
Ny teny grika hoe parosia no nampiasaina ao amin’ny Matio 24:37. Midika ara-bakiteny hoe “eo akaiky” izy io. “Fanatrehana” no famaritana voalohany azy io, ao amin’ny Rakibolana Grika-Anglisy (Oxford, 1968) nataon’i Liddell sy Scott. Manazava ny hevitr’io teny io koa ny Filipianina 2:12, satria ampifanoheriny amin’ny hoe aposia (“tsy eo”) ny hoe parosia (‘eo’). Ny teny grika hoe erkômenôn kosa no ampiasaina ao amin’ny Matio 24:30. Voalaza ao fa “ho avy amin-kery sy voninahitra lehibe, ao amin’ny rahon’ny lanitra” ny Zanak’olona, mba handringana ny fahavalon’i Jehovah, amin’ny ady Hara-magedona. Samy adikan’ny olona sasany hoe ‘fiaviana’ ny hoe parosia sy ny hoe erkômenôn, nefa misy koa mandika azy ireo amin’ny teny roa samy hafa.
Ho hita maso ve ny fiverenan’i Kristy?
Jaona 14:19: “Kely sisa dia tsy hahita ahy intsony izao tontolo izao, fa ianareo [apostoly tsy mivadika] no hahita ahy, satria velona aho dia ho velona ianareo.” (Nampanantena i Jesosy fa ho avy indray haka an’ireo apostoly hiaraka aminy any an-danitra. Hahita azy izy ireo satria ho fanahy tahaka azy. Tsy hahita azy intsony kosa izao tontolo izao. Ampitahao amin’ny 1 Timoty 6:16.)
Asa. 13:34: “Izao no fomba nilazany ny [nananganan’Andriamanitra] azy [Jesosy] tamin’ny maty mba tsy ho lo intsony.” (Mety lo ny vatan’olombelona, araka ny hamafisin’ny 1 Korintianina 15:42, 44. Tsy hanana vatana toy izany intsony anefa i Jesosy.)
Jaona 6:51: “Izaho no mofo velona izay nidina avy any an-danitra. Raha misy mihinana an’ity mofo ity dia ho velona mandrakizay izy, ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan’izao tontolo izao.” (Tsy halain’i Jesosy intsony ny nofony na ny vatany, satria efa nomeny ho sorona mba hahazoan’ny olona fitahiana.)
Jereo koa ny pejy 275, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Hitsena ny Tompo eny Amin’ny Rahona.”
Inona no dikan’ny hoe ho avy “amin’iny fomba iny ihany” i Jesosy?
Asa. 1:9-11: “Nakarina teo imason’izy ireo [i Jesosy]. Ary nisy rahona nanarona azy ka tsy hitan’ireo [apostoly] intsony izy. Ary raha mbola nibanjina ny lanitra teo ireo, raha iny lasa iny i Jesosy, dia indreo nisy roa lahy niakanjo fotsy nijoro teo anilan’izy ireo, ka nanao hoe: ‘Ry lehilahy galilianina, nahoana ianareo no mijoro eto mijery ny lanitra? Iny Jesosy nakarina niala taminareo ho any an-danitra iny, dia ho avy amin’iny fomba iny ihany, toy ilay nahitanareo azy niakatra tany an-danitra.’ ” (Voalaza eo hoe “amin’iny fomba iny ihany”, fa tsy hoe amin’iny vatany iny ihany. Ahoana no “fomba” niakaran’i Jesosy? Lazain’ny andininy faha-9 fa tsy hita intsony izy avy eo. Ireo mpianany ihany no nahita azy lasa, fa izao tontolo izao kosa tsy nahalala izay nitranga. Ho toy izany koa ny fiverenan’i Kristy.)
Inona no dikan’ny hoe “ho avy izy, eny amin’ny rahona”, sy ny hoe “hahita azy ny maso rehetra”?
Apok. 1:7: “Ho avy izy, eny amin’ny rahona. Ary hahita azy ny maso rehetra sy ireo nandefona azy. Ary hikapo-tratra noho ny alahelo ireo foko rehetra eto an-tany noho ny aminy.” (Jereo koa ny Matio 24:30; Marka 13:26; Lioka 21:27.)
Inona no hevitry ny hoe “rahona”? Tsy hita maso izay eny amin’ny rahona, toy ny fiaramanidina ao anaty rahona matevina na eny ambony rahona, ohatra. Tsy hitan’ny olona etỳ an-tany ilay izy, fa ny feony fotsiny no mety ho reny. Hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Hankeo aminao ao anaty rahona mainty aho.” Tsy nahita an’i Jehovah i Mosesy, nefa ny fisian’ilay rahona dia porofo fa teo i Jehovah na dia tsy hita maso aza. (Eks. 19:9; jereo koa ny Levitikosy 16:2; Nomery 11:25.) Na ho hita maso koa aza i Kristy, dia tsy afaka ny hahita azy ny “maso rehetra.” Raha miseho any Aostralia izy, ohatra, hahita azy ve ny any Eoropa sy Afrika ary Amerika?
Inona no dikan’ny hoe “hahita azy ny maso rehetra”? Ireo fisehoan-javatra eto an-tany no hahafantarana fa efa manatrika i Kristy, na dia tsy hita maso aza. Mety hanana heviny an’ohatra ny hoe “mahita”, araka ny Jaona 9:41: “Hoy i Jesosy [tamin’ny Fariseo]: ‘Tsy ho nanan-keloka ianareo, raha jamba. Milaza anefa ianareo hoe: “Mahita izahay”, koa tsy afaka àry ny helokareo.’ ” (Ampitahao amin’ny Romanina 1:20.) Rehefa miverina i Kristy, dia hisy olona hino sy hahalala ny famantarana ny fanatrehany. Hisy kosa handa ilay porofo. Rehefa handringana ny ratsy fanahy anefa i Jesosy, dia ho takatr’izy ireo fa avy an-danitra ilay fandringanana, fa tsy avy amin’ny olona. Efa nampitandremana koa mantsy izy ireo. “Hikapo-tratra noho ny alahelo” àry izy ireo noho izay hanjo azy.
Iza moa “ireo nandefona azy”? Miaramila romanina no namono sy nandefona an’i Jesosy. Efa ela anefa izy ireny no maty. Ireo ‘mandefona’ na mampijaly ny tena mpianatr’i Kristy amin’izao andro farany izao àry no tiana holazaina amin’izany.—Mat. 25:40, 45.
Azo lazaina hoe tonga na ‘manatrika’ na ‘eo’ ve ny olona iray raha tsy hita maso izy?
Nilaza i Jehovah fa “hidina” izy mba hampisafotofoto ny fitenin’ireo nanorina ny tilikambon’i Babela. (Gen. 11:7) Nilaza koa izy fa “hidina” hanafaka ny Israelita tany Ejipta. Nanome toky an’i Mosesy izy fa ‘Izy mihitsy no hiaraka’ amin’ny Israelita hatrany amin’ny Tany Nampanantenaina. (Eks. 3:8; 33:14) Tsy nisy olona nahita an’Andriamanitra anefa.—Eks. 33:20; Jaona 1:18.
Inona avy no lazain’ny Baiboly fa hitranga rehefa manatrika i Kristy?
Dan. 7:13, 14: “Teny amin’ny rahon’ny lanitra, dia nisy toy ny zanak’olona [Jesosy Kristy] nihananatona. Ary nahazo alalana hankeo amin’Ilay Efa Nisy Hatry ny Ela Be [Jehovah] izy, ka nentina ho eo anatrehany. Ary nomena azy ny fitondrana sy ny voninahitra ary ny fanjakana, mba hanompo azy avokoa ny vahoaka sy ny firenena ary ny olona samy hafa fiteny.”
1 Tes. 4:15, 16: “Izao no lazainay aminareo araka ny tenin’i Jehovah: Isika izay velona ka mahatratra ny fanatrehan’ny Tompo, dia tsy mba hialoha mihitsy an’ireo efa nodimandry, satria ny Tompo mihitsy amin’izay no hidina avy any an-danitra ka hanome baiko mafy amin’ny feon’arkanjely sady hihazona ny trompetran’Andriamanitra. Koa izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana voalohany.” (Hatsangana ho any an-danitra ireo hiara-manjaka amin’i Kristy: Hatsangana aloha ireo efa maty taloha, ary avy eo ireo maty aorian’ny fiverenan’ny Tompo.)
Mat. 25:31-33: “Rehefa tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, miaraka amin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianany be voninahitra izy. Dia hangonina eo anatrehany ny firenena rehetra. Ary hanavaka ny olona izy, toy ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy. Ary hametraka ny ondry eo ankavanany izy, fa ny osy eo ankaviany.”
2 Tes. 1:7-9: “Manafaka anareo izay ampahorina kosa, mbamin’ny tenanay, rehefa haharihary i Jesosy Tompo avy any an-danitra miaraka amin’ny anjeliny mahery, ao amin’ny afo midedadeda, amin’ny fotoana hamaliany an’izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy mankatò ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Tompontsika. Hiharan’ny sazy vokatry ny didim-pitsarana ireo, dia fandringanana mandrakizay tsy ho eo anoloan’ny Tompo sy ny voninahitry ny heriny.”
Lioka 23:42, 43: “Hoy koa [ilay jiolahy nino an’i Jesosy]: ‘Jesosy ô, tsarovy aho rehefa tonga any amin’ny fanjakanao ianao.’ Dia hoy i Jesosy taminy: ‘Lazaiko aminao marina tokoa anio fa hiaraka amiko any amin’ny Paradisa ianao.’ ” (Ho paradisa ny tany manontolo rehefa manjaka i Jesosy. Hatsangana ny maty izay hotsaroan’Andriamanitra, ka ho afaka ny hiaina mandrakizay.)
Jereo koa ny pejy 65-69, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Andro Farany.”