Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hara-magedona

Hara-magedona

Famaritana: Nalaina avy amin’ny teny hebreo ilay teny grika hoe Har Magedôn, izay midika hoe “Tendrombohitr’i Megido”, na “Tendrombohitra Iangonan’ny Tafika Maro.” Ampifandraisin’ny Baiboly amin’ny “adin’ilay andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra” ny Hara-magedona, fa tsy amin’ny ady niokleary. (Apok. 16:14, 16) Hara-magedona no ilazana ny “toerana [grika: tôpôn, izay mety hidika koa hoe toe-javatra]” hiangonan’ireo mpitondra eran-tany mba hanoherana an’i Jehovah sy ny Fanjakany tantanan’i Jesosy Kristy. Azo lazaina hoe manohitra an’i Jehovah izy ireo rehefa hamely an’ireo mpanompony eran-tany, izay solontenan’ny Fanjakany.

Misy mihevitra fa ady niokleary ny Hara-magedona. Havelan’Andriamanitra hanimba ny tany amin’ny ady toy izany ve ny olona?

Sal. 96:10: “Lasa mpanjaka i Jehovah. Nanjary mafy orina ny tany lonaka [hebreo: tevel; ny tany lonaka misy mponina, ny tany manontolo] ka tsy ho voahozongozona.”

Sal. 37:29: “Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.”

Apok. 11:18: “Tezitra ... ireo firenena. Ary tonga ny [fahatezeran’i Jehovah] sy ny fotoana voatondro ... handringanana izay manimba ny tany.”

Inona ilay Hara-magedona resahin’ny Baiboly?

Apok. 16:14, 16: “Fanambarana avy amin’ny demonia izany, raha ny marina, ka manao famantarana sy mankany amin’ireo mpanjakan’ny tany rehetra misy mponina, mba hanangonana azy ireo ho amin’ny adin’ilay andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra. Ary nangonin’izany fanambarana izany ho amin’ilay toerana antsoina amin’ny teny hebreo hoe Hara-magedona ireo.”

Any Israely ihany ve no hanaovana ilay ady Hara-magedona?

Hivondrona hanohitra an’Andriamanitra ireo mpitondra sy tafika eran-tany

Apok. 16:14: “Mankany amin’ireo mpanjakan’ny tany rehetra misy mponina [izany], mba hanangonana azy ireo ho amin’ny adin’ilay andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra.”

Apok. 19:19: “Hitako fa nivondrona ilay bibidia [ny fitondrana ara-politika eran-tany] sy ireo mpanjakan’ny tany mbamin’ny tafiny mba hiady tamin’ilay nitaingin-tsoavaly mbamin’ny tafiny.”

Jer. 25:33: “Hiampatrampatra hatrany amin’ny faran’ny tany anankiray ka hatrany amin’ny faran’ny tany anankiray ny voavonon’i Jehovah, amin’izany andro izany.”

Tsy hatao eo amin’ny Tendrombohitr’i Megido ara-bakiteny ilay ady

Tsy misy izany Tendrombohitr’i Megido izany. Havoana kely mirefy 21 metatra eo ho eo i Megido, ary teo no nisy ny tanànan’i Megido fahiny, izay efa rava.

Tsy ho antonona eo amin’ny Lemak’i Esdraelona, eo ambanin’i Megido, ireo mpanjaka sy tafiky ny “tany rehetra misy mponina.” Telozoro mantsy ilay lemaka, ka 32 kilaometatra monja ny lavany, ary 29 kilaometatra ny sakany eo amin’ny tendrony atsinanana.—Jeografian’ny Baiboly (anglisy, New York, 1957), Denis Baly, p. 148.

Mety tsara ilay anarana hoe Hara-magedona, satria nisy ady lehibe nampiova ny tantara teo amin’ilay lemaka ambanin’i Megido

Teo i Jehovah no nanampy an’i Baraka Mpitsara handresy an’i Sisera, lehiben’ny tafika kananita.—Mpits. 5:19, 20; 4:12-24.

Noresahin’ny boky iray natontan’i James Pritchard tamin’ny 1969 izao tenin’i Thoutmosis III, faraon’i Ejipta, izao: “Toy ny hoe mamabo tanàna arivo ianao raha mamabo an’i Megido!”

Mety ny ampifandraisana ny Hara-magedona amin’ny hoe Megido (midika hoe “Iangonan’ny Tafika Maro”), satria hivondrona ireo tafika sy mpitondra eran-tany, amin’io ady io.

Iza no ho ringana amin’ny Hara-magedona?

Dan. 2:44: “Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo, dia hanorina fanjakana ... ilay Andriamanitry ny lanitra ... Hotorotoroin’izy io sy hofoanany ireo fanjakana rehetra ireo, fa izy kosa haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra.”

Apok. 19:17, 18: “Hitako koa fa nisy anjely nijoro teo amin’ny masoandro, ary niantsoantso mafy izy ka nilaza tamin’ny vorona rehetra nanidina teny afovoan’ny lanitra hoe: ‘Avia atỳ ka miangòna ho amin’ny sakafo hariva lehibe nataon’Andriamanitra, mba hihinananareo ny nofon’ny mpanjaka sy ny nofon’ny mpitari-tafika sy ny nofon’ny lehilahy mahery sy ny nofon’ny soavaly mbamin’izay mitaingina azy ary ny nofon’ny rehetra, na olona afaka na mpanompo, na kely na lehibe.’ ”

1 Jaona 2:16, 17: “Ny zava-drehetra eo amin’izao tontolo izao, izany hoe ny fanirian’ny nofo sy ny fanirian’ny maso ary ny fampideraderana fananana, dia tsy avy amin’ny Ray fa avy amin’izao tontolo izao. Ary mandalo izao tontolo izao sy ny faniriany, fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.”

Apok. 21:8: “Ny kanosa sy ny tsy manam-pinoana sy ny olona maloto sady maharikoriko sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpilalao ody sy ny mpanompo sampy sy ny mpandainga rehetra kosa, dia ao amin’ny farihy mirehitra afo sy solifara no anjarany. Tsy inona izany fa ny fahafatesana faharoa.”

Ho fandringanana mandrakizay ve izany?

Mat. 25:46: “Ho any amin’ny fandringanana mandrakizay ireo [tsy mety manao soa amin’ny ‘rahalahin’i Kristy’].”

2 Tes. 1:8, 9: ‘Izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy mankatò ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Tompontsika [no] hiharan’ny sazy vokatry ny didim-pitsarana, dia fandringanana mandrakizay.’

Hisy ho tafavoaka velona ve amin’izay?

Zef. 2:3: “Mitadiava an’i Jehovah ianareo mpandefitra rehetra amin’ny tany, izay mankatò ny didim-pitsarany. Katsaho ny fahamarinana, katsaho ny fandeferana. Angamba ho voafina ianareo amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.”

Rom. 10:13: “Izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah no hovonjena.”

Sal. 37:34: “Aoka ianao hanantena an’i Jehovah sy hanaraka ny lalany, dia hanandratra anao izy ary handova ny tany ianao. Ho hitanao ny handringanana ny ratsy fanahy.”

Jaona 3:16: “Nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”

Apok. 7:9, 10, 14: “Nahita aho, ary nisy vahoaka be tsy tambo isaina, avy tamin’ny firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra, nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry, nanao akanjo fotsy lava, ary nisy sampana palmie teny an-tanany. Niantsoantso mafy tsy an-kijanona izy ireo, nanao hoe: ‘Ny famonjena dia azontsika avy amin’Andriamanitsika, izay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana, sy avy amin’ny Zanak’ondry.’ ... ‘Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe.’ ”

Ho ringana ve ny ankizikely, amin’ny Hara-magedona?

Tsy mamaly izany mivantana ny Baiboly, ary tsy anjarantsika ny mitsara. Lazain’ny Baiboly anefa fa “masina” amin’Andriamanitra ny zanaky ny tena Kristianina. (1 Kor. 7:14) Resahiny koa fa rehefa nandringana ny ratsy fanahy Andriamanitra, dia niara-ringana tamin’ny ray aman-dreny ny zanany kely. (Nom. 16:27, 32; Ezek. 9:6) Tsy tian’Andriamanitra ho ringana anefa na ny ray aman-dreny na ny zanaka, ka izany no mahatonga azy hanome fampitandremana dieny izao. Hendry àry ny ray aman-dreny raha manao izay hahatonga ny zanany hankasitrahan’Andriamanitra dieny izao sy amin’ny Hara-magedona.

Tsy tokony handringana ny ratsy fanahy ve ny Andriamanitra iray be fitiavana?

2 Pet. 3:9: “Manam-paharetana aminareo [i Jehovah], satria tsy tiany hisy ho ringana fa mba ho tonga amin’ny fibebahana kosa ny rehetra.”

Lioka 18:7, 8: ‘Tsy hataon’Andriamanitra ve izay hampiharana ny rariny amin’ny olom-boafidiny izay mitaraina aminy andro aman’alina, na dia mahari-po amin’ireo aza izy? Lazaiko aminareo fa hataony haingana izay hampiharana ny rariny amin’izy ireo.’

2 Tes. 1:6: “Marina tokoa ny an’Andriamanitra raha mamaly fahoriana an’izay mampahory anareo [mpanompony] izy.”

Misy afa-miala amin’ny Hara-magedona ve?

2 Tes. 1:8: “Hamaliany an’izay [minia] tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy mankatò ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Tompontsika.”

Mat. 24:37-39: “Toy ny andron’i Noa, dia ho toy izany koa ny fanatrehan’ny Zanak’olona. ... Tsy niraharaha izy ireo mandra-pahatongan’ny safodrano, izay nifaoka azy rehetra.”

Mat. 12:30: “Izay tsy momba ahy dia manohitra ahy, ary izay tsy miara-manangona amiko, dia manaparitaka.”

Ampitahao amin’ny Deoteronomia 30:19, 20.

Iza no mampirisika an’ireo firenena hiady amin’Andriamanitra?

Apok. 16:13, 14: “Hitako fa nisy fanambarana avy amin’ny fanahy, dia fanambarana maloto telo tahaka ny sahona, nivoaka avy tamin’ny vavan’ilay dragona [Satana Devoly, Apok. 12:9] sy avy tamin’ny vavan’ilay bibidia ary avy tamin’ny vavan’ilay mpaminany sandoka. Fa fanambarana avy amin’ny demonia izany, raha ny marina, ka manao famantarana sy mankany amin’ireo mpanjakan’ny tany rehetra misy mponina, mba hanangonana azy ireo ho amin’ny adin’ilay andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra.”

Ampitahao amin’ny Lioka 4:5, 6; 1 Jaona 5:19; Asan’ny Apostoly 5:38, 39; 2 Tantara 32:1, 16, 17.