Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hitsena ny Tompo eny Amin’ny Rahona

Hitsena ny Tompo eny Amin’ny Rahona

Famaritana: Finoana fa hakarina tampoka hiala eto an-tany ny Kristianina tsy mivadika, mba hiaraka amin’ny Tompo “any amin’ny habakabaka.” Misy mino fa izany no hevitry ny 1 Tesalonianina 4:17 (Prot.).

Niresaka momba ny inona ny apostoly Paoly, tamin’izy nilaza hoe “hakarina” hiaraka amin’ny Tompo ny Kristianina?

1 Tes. 4:13-18, Prot.: “Tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin’izay modi-mandry, mba tsy hahalahelovanareo tahaka ny sasany izay tsy manana fanantenana. Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran’Andriamanitra izay efa nodi-mandry tao amin’i Jesosy hiaraka aminy. Fa izao no lazainay aminareo amin’ny tenin’ny Tompo: isika, izay velona ka mbola mitoetra mandra-pihavin’ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodi-mandry tsy akory. Fa ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin’ny fiantsoana sy ny feon’ny arikanjely ary ny trompetran’Andriamanitra, ka izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana aloha; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ny rahona hitsena ny Tompo any amin’ny habakabaka; dia ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika. Koa dia mifampionòna hianareo amin’izany teny izany.” (Nampirisihin’i Paoly ny Kristianina tany Tesalonika mba hifampahery, satria nanantena izy ireo fa mbola hatsangana ireo namany efa maty. Nampahatsiahiviny izy ireo fa natsangana i Jesosy taorian’ny nahafatesany. Hatsangana mba hiaraka aminy koa àry ireny Kristianina efa maty ireny, rehefa ho avy ny Tompo.)

Iza ireo ‘hakarina ho eny amin’ny rahona’, resahin’ny 1 Tesalonianina 4:17 (Prot.)?

Ireo Kristianina tsy mivadika izay “mbola mitoetra mandra-pihavin’ny Tompo”, araka ny andininy faha-15. Midika izany fa mbola velona izy ireo rehefa ho avy i Kristy. Mbola ho faty ve izy ireo? Lazain’ny Romanina 6:3-5 sy 1 Korintianina 15:35, 36, 44 (hita eo amin’ny pejy  276), fa tsy maintsy maty izy ireo vao ho afaka ho any an-danitra. Tsy haharitra ela ao amin’ny fahafatesana anefa izy ireo, fa “hakarina” avy hatrany, ao anatin’ny “indray mipì-maso” mba hiaraka amin’ny Tompo.—1 Kor. 15:51, 52, Prot.; jereo koa ny Apokalypsy 14:13.

Ho hitan’izao tontolo izao hiseho eny amin’ny rahona ve i Kristy, mba haka ny Kristianina ho any an-danitra?

Nilaza ve i Jesosy fa mbola hahita maso azy izao tontolo izao?

Jaona 14:19, Prot.: “Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa hianareo [mpianatra tsy mivadika] no hahita Ahy; satria velona Aho dia ho velona koa hianareo.” (Izahay no manao sora-mandry.) (Ampitahao amin’ny 1 Timoty 6:16.)

Inona no dikan’ny hoe “hidina avy any an-danitra” ny Tompo?

Mety “hidina avy any an-danitra” ve ny Tompo, araka ny 1 Tesalonianina 4:16, nefa tsy ho hita maso? Nilaza i Jehovah fa ‘hidina hizaha’ izay nataon’ny olona tany Sodoma sy Gomora fahiny izy. (Gen. 18:21, Prot.) Tsy nisy nahita maso an’i Jehovah anefa tamin’izay, fa ireo anjely nirahiny ihany no hitan’ny olona. (Jaona 1:18) Toy izany koa fa afaka manome valisoa ho an’ny mpianany tsy mivadika eto an-tany i Jesosy, na dia tsy miverina ho nofo aman-dra aza.

Inona no dikan’ny hoe “hahita” ny Tompo “avy eo amin’ny rahona” ny olona?

Hoy i Jesosy: “Amin’izany andro izany dia hahita ny Zanak’olona [Jesosy Kristy] avy eo amin’ny rahona amin-kery sy voninahitra lehibe izy.” (Lioka 21:27, Prot.) Izany akory tsy mifanohitra amin’izay voalazan’i Jesosy ao amin’ny Jaona 14:19 na izay andininy mitovitovy amin’izany. Inona, ohatra, no nitranga rehefa ‘nankeo amin’ny vahoaka tao anatin’ny rahona maizina’ Andriamanitra, araka ny Eksodosy 19:9 (Prot.)? Tsy hitan’izy ireo maso Andriamanitra, fa hitan’izy ireo kosa ny porofo fa nanatrika teo Izy. Ny tian’i Jesosy holazaina koa tamin’ny hoe “avy eo amin’ny rahona”, dia hoe tsy ho hita maso izy nefa ho fantatry ny olona fa manatrika eo. “Hahita” azy ny olona amin’ny heviny hoe ho hitan’izy ireo ny porofo fa efa manatrika izy. (Manazava bebe kokoa momba izany ilay loha hevitra hoe “Fiverenan’i Kristy.”)

Ho afaka hiakatra any an-danitra ve ny vatana nofo aman-dra?

1 Kor. 15:50, Prot.: “Izao no lazaiko, ry rahalahy: Ny nofo aman-dra tsy mahazo mandova ny fanjakan’Andriamanitra, ary ny fahalòvana tsy mandova ny tsi-fahalòvana.”

Fa angaha moa i Elia mpaminany tsy niakatra velona tany an-danitra? Tsia! Hoy i Jesosy, taonjato maro taorian’i Elia: “Tsy nisy niakatra ho any an-danitra, afa-tsy Ilay nidina avy tany an-danitra, dia ny Zanak’olona.” (Jaona 3:13, Prot.) Marina fa tazana “niakatra tamin’ny tafio-drivotra ho any an-danitra” i Elia, kanefa tsy tany amin’ny lanitra fonenan’Andriamanitra izy. Voalaza mantsy fa nandefa taratasy fananarana ho an’ny mpanjakan’i Joda izy tatỳ aoriana. (2 Mpanj. 2:11, Prot.; 2 Tan. 21:1, 12-15) Mbola tsy nisy fiaramanidina tamin’izany. Kalesy afo sy tafio-drivotra kosa no nampiakaran’i Jehovah an’i Elia teny amin’ny habakabaka sy namindrany toerana azy.—Ampitahao amin’ny Genesisy 1:6-8, 20.

Hakarina velona any an-danitra ve ny Kristianina fa tsy ho faty, ka hanjavona tsy ho hita eto an-tany?

 Rom. 6:3-5, Prot.: “Tsy fantatrareo va fa na iza na iza isika no efa natao batisa ho amin’i Kristy Jesosy dia natao batisa ho amin’ny fahafatesany? ... Fa raha nampiraisina taminy tamin’ny endriky ny fahafatesany isika, dia ho tahaka izany koa amin’ny fitsanganany.” (Toy izay nitranga tamin’i Jesosy no hitranga amin’ny mpianany. Fantatsika rehetra fa maty i Jesosy ary natsangana, vao nakarina tany an-danitra.)

1 Kor. 15:35, 36, 44, Prot.: “Hisy hanao hoe: Hatao ahoana ary no fanangana ny maty? Ary tena manao ahoana no hisehoany? Ry adala, izay afafinao tsy hovelomina, raha tsy maty aloha; afafy tena araka ny fomban’aina izy, atsangana ho tena araka ny fombam-panahy.” (Tsy maintsy maty àry ny olona iray vao mahazo tena na vatana ara-panahy.)

Hakarin’ny Tompo hiala eto an-tany ve ny Kristianina rehetra, alohan’ny fahoriana lehibe?

Mat. 24:21, 22: “Amin’izany fotoana izany, dia hisy fahoriana lehibe izay mbola tsy nisy toa azy hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony. Raha tsy nohafohezina tokoa mantsy izany andro izany, dia tsy hisy nofo hovonjena, fa noho ny olom-boafidy, dia hohafohezina izany andro izany.” (Tsy milaza ireo andininy ireo hoe ho efa nakarina any an-danitra daholo ireo “olom-boafidy”, alohan’ny fahoriana lehibe. Lazainy kosa fa ho tafavoaka velona amin’io fahoriana lehibe io ny sasany amin’izy ireo, miaraka amin’ireo namany manantena ny hiaina eto an-tany.)

Apok. 7:9, 10, 14: “Taorian’izany, dia nahita aho, ary nisy vahoaka be tsy tambo isaina, avy tamin’ny firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra, nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry, nanao akanjo fotsy lava, ary nisy sampana palmie teny an-tanany. Niantsoantso mafy tsy an-kijanona izy ireo, nanao hoe: ‘Ny famonjena dia azontsika avy amin’Andriamanitsika, izay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana, sy avy amin’ny Zanak’ondry.’ ... ‘Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe.’ ” (“Avy tamin’ny” fahoriana lehibe ireo vahoaka be ireo, satria tao anatin’ny fahoriana lehibe izy ireo no tafavoaka velona.) (Jereo ny pejy 332, 333, manazava hoe ho eto an-tany izy ireo.)

Hanao ahoana ny Kristianina mandritra ny fahoriana lehibe?

Rom. 10:13, Prot.: “Izay rehetra miantso ny anaran’ny Tompo [“Jehovah”, TV ] no hovonjena.”

Zef. 2:3, Prot.: “Mitadiava an’i Jehovah, hianareo mpandefitra rehetra amin’ny tany, izay efa nanaraka ny fitsipiny: Tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fandeferana; angamba ho voafina hianareo amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.” (Jereo koa ny Isaia 26:20.)

Sa kosa aorian’ny fahoriana lehibe ny Kristianina rehetra vao hakarina any an-danitra?

Mat. 5:5, Prot.: “Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany.”

Sal. 37:29, Prot.: “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” (Jereo koa ny andininy faha-10, 11, 34.)

1 Kor. 15:50, Prot.: “Ny nofo aman-dra tsy mahazo mandova ny fanjakan’Andriamanitra.”

Jereo koa ny loha hevitra hoe “Lanitra.”

Nahoana no hiaraka amin’i Kristy any an-danitra ny Kristianina sasany?

Apok. 20:6, Prot.: “Ho mpisoron’Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona.” (Koa satria hiara-manjaka amin’i Kristy izy ireo, dia hisy olona hanjakany. Iza ireo olona ireo? Jereo ny Matio 5:5 sy Salamo 37:29.)

Jereo koa ny loha hevitra hoe “Ateraka Indray.”

Haverina eto an-tany ve ireo niakatra any an-danitra, mba hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa?

Ohab. 2:21, Prot.: “Ny olona mahitsy no honina amin’ny tany, ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao.” (Tsy milaza ny Baiboly hoe hiverina eto an-tany ny olona mahitsy, fa hoe hitoetra eto.)

1 Tes. 4:17, Prot.: “Ho any amin’ny Tompo mandrakariva isika [Kristianina hakarina any an-danitra].” (Izahay no manao sora-mandry.)

Raha misy milaza hoe:

‘Mino ve ianareo fa hitsena ny Tompo eny amin’ny rahona isika?’

Azonao valiana hoe: ‘Hitanay fa samy manana ny heviny momba izany ny olona. Ary ahoana kosa ny hevitrao?... Tsara foana ny mampitaha izay inoantsika amin’izay lazain’ny Baiboly. (Ampiasao izay fanazavana mety, etsy aloha.)’

Na hoe: ‘Nisy nilaza taminay fa toy izany no fomba handosiran’ny Kristianina ny fahoriana lehibe. Izany koa ve no hevitrao?’ Azonao ampiana hoe: 1) ‘Tiantsika tokoa ny harovan’Andriamanitra amin’io fotoana io. Tena mampahery ireo andininy manazava hoe inona no tokony hataontsika mba hiarovany antsika. (Zef. 2:3)’ 2) ‘Asehon’ny Baiboly fa eto an-tany ihany no hiarovan’Andriamanitra ny olona tsy mivadika. (Ohab. 2:21, 22) Izany dia mifanaraka amin’ny fikasan’Andriamanitra tamin’izy namorona an’i Adama tao amin’ny Paradisa.’

Na hoe: ‘Te hilaza ve ianao hoe hakarina any an-danitra ny Kristianina rehefa tonga ny farany?... Fantatrao ve hoe inona no hataon’izy ireo any an-danitra?... Mariho izay lazain’ny Apokalypsy 20:6 (sy 5:9, 10). ... Hanjaka amin’iza anefa izy ireo? (Sal. 37:10, 11, 29)’