Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Izao Tontolo Izao

Izao Tontolo Izao

Famaritana: Avy amin’ny teny grika kôsmôs, izay midika hoe 1) ny olombelona rehetra, na manao ahoana na manao ahoana ny fitondran-tenany sy ny fiainany, 2) ny tontolo misy ny olombelona, na 3) ny olona rehetra tsy manompo an’i Jehovah. Io famaritana fahatelo io no hodinihina ato.

Ho levon’ny afo ve izao tontolo izao?

2 Pet. 3:7: “Tehirizina ho amin’ny afo amin’ny alalan’izany [tenin’Andriamanitra] izany koa anefa ny lanitra sy ny tany ankehitriny, ka atokana ho amin’ny andro fitsarana sy fandringanana an’ireo tsy matahotra an’Andriamanitra.” (Mariho fa “ireo tsy matahotra an’Andriamanitra” no haringana, fa tsy ny olona rehetra. Resahin’ny andininy faha-6 fa noravana ny “tontolo” tamin’ny andron’i Noa. Ny ratsy fanahy no ringana tamin’izay, fa tsy ny tany akory no potika, ary tsy ringana ry Noa mianakavy izay natahotra an’Andriamanitra. Ara-bakiteny ve ilay “afo” amin’ny andro fitsarana? Hampaninona ny masoandro sy ny kintana moa ny afo? Ilazana ny fandringanana mandrakizay àry ny “afo.” Jereo koa ny pejy 385, 386, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Tany.”)

Ohab. 2:21, 22: “Ny olo-mahitsy no honina amin’ny tany, ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa tavela eo. Fa ny ratsy fanahy kosa ho ringana tsy ho amin’ny tany, ary ny mpivadika hesorina tsy ho amin’ny tany.”

Iza no mitondra an’izao tontolo izao: Andriamanitra sa Satana?

Dan. 4:35: “Manao araka izay sitrapony [i Jehovah, ilay Andriamanitra Avo Indrindra], eo amin’ny tafiky ny lanitra sy ny mponin’ny tany. Tsy misy mahasakana ny tanany, na afaka miteny aminy hoe: ‘Fa inona ity ataonao?’ ” (Lazain’ny Jeremia 10:6, 7 koa fa “Mpanjakan’ireo firenena” i Jehovah. Izy mantsy no Mpanjaka Fara Tampony, izay afaka manao sy tena hanao ampamoaka ny mpanjaka sy ny firenena rehetra. I Jehovah no Mpamorona ny tany, ka izy no manan-jo hitondra azy io. Mbola manana izany zo izany foana izy hatramin’izao.)

Jaona 14:30: “[Hoy i Jesosy:] Avy ilay mpitondra an’izao tontolo izao. Tsy manana fahefana amiko anefa izy.” (Tsy i Jehovah Andriamanitra io mpitondra io, satria tsy manana fahefana amin’i Jesosy izy io. I Satana Devoly, na “ilay ratsy”, kosa izy io ary eo ambany fahefany “izao tontolo izao manontolo”, hoy ny 1 Jaona 5:19. An’Andriamanitra ny tany onenan’ny olombelona, saingy fehezin’i Satana kosa izao tontolo izao, dia ireo tsy manompo an’i Jehovah, satria mankatò an’i Satana. Tsy anisan’io tontolo io ireo manaiky an-tsitrapo ny fitondran’i Jehovah. Ampitahao amin’ny 2 Korintianina 4:4.)

Apok. 13:2: “Nomen’ilay dragona [Satana Devoly] hery sy seza fiandrianana ary fahefana lehibe ilay bibidia.” (Ny fitondrana ara-politika eran-tany io “bibidia” io, raha jerena ny Daniela 7. I Satana no mifehy azy io, araka ny Lioka 4:5-7. Resahin’ny Apokalypsy 16:14, 16 koa fa misy fanambaran’ny demonia mitaona an’ireo mpitondra eran-tany hiady amin’Andriamanitra, amin’ny Hara-magedona. Mbola leferin’Andriamanitra ny fitondran’i Satana an’izao tontolo izao, mandra-pahatongan’ny fotoana handaminany ilay adihevitra momba ny hoe iza no manana zo ho mpanjakan’izao rehetra izao.)

Apok. 11:15: “Nisy feo mafy tany an-danitra, nanao hoe: ‘Ny fanjakan’izao tontolo izao dia efa lasa fanjakan’ny Tompontsika [Jehovah] sy ny Kristiny.’ ” (Nitranga tamin’ny 1914 izany, ary nanomboka teo ny “andro farany” ho an’ity tontolo ratsy ity. Notendren’i Jehovah ny Zanany tamin’izay hitondra fanjakana iray misolo tena ny fitondrany. Tsy ho ela dia horavana ity tontolo ratsy ity, ary hatsipy any amin’ny lavaka mangitsokitsoka i Satana, ilay mpitondra azy, ka tsy ho afaka hamitaka intsony.)

Ahoana no ataon’ny tena Kristianina manoloana an’izao tontolo izao sy ny olona anisan’izy io?

Jaona 15:19: “Tsy anisan’izao tontolo izao ianareo [mpianatr’i Jesosy], fa izaho efa nifidy anareo avy tamin’izao tontolo izao.” (Tsy anisan’izao tontolo izao tafasaraka amin’Andriamanitra àry ny tena Kristianina. Manao ny fanaon’ny olona andavanandro izy ireo, kanefa tsy manahaka ny toe-tsain’ity tontolo ity sy ny fiteniny ary ny fitondran-tenany izay mifanohitra amin’ny fitsipik’i Jehovah.) (Jereo ny pejy 393-397, sy ny pejy 397-403.)

Jak. 4:4: “Ry mpanitsakitsa-bady, tsy fantatrareo ve fa fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa na iza na iza te ho naman’izao tontolo izao, dia mitsangan-ko fahavalon’Andriamanitra izy.” (Tsy lavorary ny Kristianina ka mety ho voaloton’izao tontolo izao. Mibebaka sy manitsy ny fomba fiainany anefa izy ireo, rehefa toroana hevitra avy ao amin’ny Baiboly. Raha misy kosa minia minamana amin’izao tontolo izao na manahaka ny toe-tsainy, dia asehony amin’izany fa tsy Kristianina intsony izy, fa lasa anisan’ity tontolo fahavalon’Andriamanitra ity.)

Rom. 13:1: “Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manam-pahefana, fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin’Andriamanitra. Eny, napetrak’Andriamanitra eo amin’ny toerany avy ny manam-pahefana.” (Tsy mikomy na mitady hanongam-panjakana ireo manaraka io torohevitra io. Manaiky ny fahefan’ny mpitondra izy ireo ary mankatò azy, raha mbola tsy mifanohitra amin’izay takin’Andriamanitra ny takin’ireo mpitondra. Efa nambaran’Andriamanitra mialoha ny fisian’ireny fitondram-panjakana ireny. Mbola avelany hisy izy ireny, fa tsy Izy akory no manome fahefana azy ireny. Hofoanany daholo izy ireny amin’ny fotoana voatondrony.)

Gal. 6:10: “Dieny mbola misy fotoana azontsika anaovan-tsoa, dia aoka isika hanao soa amin’ny rehetra, indrindra fa amin’ny mpiray finoana amintsika.” (Tia manao soa amin’ny mpiara-belona aminy ny tena Kristianina, ho fanahafana an’Andriamanitra, izay mampiposaka ny masoandro amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.—Mat. 5:43-48.)

Mat. 5:14-16: “Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao. ... Aoka hamirapiratra ... eo anatrehan’ny olona koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa tsara ataonareo ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra.” (Tsy maintsy mazoto mitory ny anaran’Andriamanitra sy ny fikasany ny Kristianina, mba hahatonga ny olona hanome voninahitra an’Andriamanitra. Io asa fitoriana io no ataon’izy ireo loha laharana eo amin’ny fiainany.)

Inona no dikan’ireo zava-mitranga eo amin’izao tontolo izao?

Jereo ny loha hevitra hoe “Andro Farany.”