Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jehovah

Jehovah

Famaritana: Ny anaran’ilay hany tena Andriamanitra. Izy mihitsy no nanome io anarany io. I Jehovah no Mpamorona, ka manan-jo ho Mpanjakan’izao rehetra izao izy. Avy amin’ny Litera Hebreo Efatra יהוה, izay midika hoe “Manao Izay Hahatonga Izy”, ny hoe “Jehovah.” Nadika hoe JHVH na YHWH ireo litera hebreo ireo, amin’ny fiteny maro.

Baiboly inona avy no ahitana ny anaran’Andriamanitra?

Fandikan-teny Protestanta: Miseho in-6 000 eo ho eo ilay anarana hoe Jehovah.

Fandikan-teny Katolika (1982): Nadika hoe Iaveh ilay anarana, ary hita ao amin’ny Soratra Hebreo manontolo sy ao amin’ny andininy sasany ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Hoy koa ny fanamarihana ambany pejy ao amin’ny Genesisy 2:4: “Iaveh, Iaveh Elohim: izany hoe Iaveh Andriamanitra. Iaveh no anaran’Andriamanitra voatokana hilazana an’Andriamanitra marina, izay nanangana an’Israely ho zanany, ka tsy enti-milaza ny andriamani-kafa na oviana na oviana. Ny Jody taty aoriana tsy sahy nanonona izany anarana izany, ka Tompo no nasolony azy. Ny hoe Jehovah, dia Iaveh ihany saingy nosisihana ny zana-tsoratry ny anarana hoe Adonai izy, ka tonga Jehovah no fanononana azy. Adonai dia ilay Tompo ambony indrindra no heviny.”

Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara: Hoy ny fanamarihana ambany pejy ao amin’ny Eksodosy 3:15: “Ny anaran’ilay Andriamanitr’i Israely dia i YHWH izay tsy fantatra ny tena fanononana azy. ... Koa rehefa misy anarana hoe YHWH ny rijan-teny hebreo masôretika, dia ny TOMPO no nandikana azy ato amin’ity DIEM ity.”

Fandikan-tenin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy: Miseho in-6 000 eo ho eo ilay anarana hoe Jehovah.

Baibolin’i Darby (frantsay): Hita ao amin’ny andininy sasany ao amin’ny Soratra Hebreo ny anarana hoe Jehovah, ary koa eo amin’ireo fanamarihana ambany pejy ao amin’ny Soratra Grika, manomboka amin’ny Matio 1:20. (Raha mampiasa hoe “Jehovah” ihany io Baiboly io, nahoana no tsy nadikany foana hoe Jehovah ilay anaran’Andriamanitra?)

Dikan-teny Mahazatra Nohavaozina (anglisy): Hoy ny fanamarihana ambany pejy ao amin’ny Eksodosy 3:15: “Ny anaran’Andriamanitra hoe YHWH no natao hoe TOMPO amin’ny sora-baventy ato.”

Dikan-teny Anglisy Ankehitriny: Hoy ny fanamarihana ambany pejy ao amin’ny Eksodosy 6:3: “NY TOMPO: ... Rehefa nisy hoe Iaveh, izay nadika mahazatra hoe Jehovah, tao amin’ny sora-tanana hebreo, dia natao hoe TOMPO amin’ny sora-baventy ilay izy ato, araka ny fanao mahazatra ao amin’ny Baiboly anglisy.”

Ny Baiboly Masina (anglisy), nadikan’i Ronald Knox: Hita eo amin’ny fanamarihana ambany pejy ao amin’ny Eksodosy 3:14 sy 6:3 ny hoe Iaveh.

Ny Baibolin’i Jerosalema (anglisy): Nadika foana hoe Iaveh ilay anarana, manomboka eo amin’ny Genesisy 2:4.

Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao: Miseho im-7 210 ny anarana hoe Jehovah ao amin’ny Soratra Hebreo sy ny Soratra Grika Kristianina.

The Emphatic Diaglott, nadikan’i Benjamin Wilson: Hita ao amin’ny Matio 21:9 ny hoe Jehovah, ary koa ao amin’ny andininy 17 hafa ao amin’io Soratra Grika Kristianina io.

Ny Baiboly Masina (anglisy), nadikan’i Robert Young: Hita ao amin’ny Soratra Hebreo manontolo ao amin’io fandikan-teny ara-bakiteny io ny anarana hoe Jehovah.

Nahoana no tsy mampiasa mihitsy ny anaran’Andriamanitra ny Baiboly sasany?

Hoy ny fanamarihana ambany pejy ao amin’ny Eksodosy 3:15, ao amin’ny Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara: “Ny anaran’ilay Andriamanitr’i Israely dia i YHWH izay tsy fantatra ny tena fanononana azy. Nanomboka tamin’ny taonjato faha-4 tal J.K. ny Jiosy no nizatra tsy nanonona io anarana io intsony (mba tsy hanonontononana azy foana, jereo 20.7), fa nanao hoe ‘ny TOMPO’ matetika, na nanolo azy tamin’ny fomba fiteny hafa toy ny hoe Ny Lanitra, ny Anarana, ny Voninahitra ets. Koa rehefa misy anarana hoe YHWH ny rijan-teny hebreo masôretika, dia ny TOMPO no nandikana azy ato amin’ity DIEM ity.” (Izay noheverin’ireo mpandika an’io Baiboly io fa mety àry no nahatonga azy hanaisotra ny anaran’Andriamanitra tao amin’ny Baiboly Masina. Miverina imbetsaka noho ny anarana hafa rehetra anefa ilay anarana, ao amin’ny sora-tanana hebreo tany am-boalohany. Niaiky ireo mpandika Baiboly ireo fa izay nataon’ny Jiosy no nataony. Hoy anefa i Jesosy tamin’ireo Jiosy: “Ataonareo tsy manan-kery ny tenin’Andriamanitra noho ny fomban-drazanareo.”—Mat. 15:6.)

Nampiasa ny hoe Jehovah ve ireo mpanoratra ny Soratra Grika Kristianina?

Hoy i Jérôme, mpandika Baiboly, tamin’ny taonjato fahefatra: “Nanoratra ny iray tamin’ny Filazantsaran’i Kristy i Matio, na Levy, izay mpamory hetra lasa apostoly. Tany Jodia no nanaovany izany, ary nosoratany tamin’ny teny sy soratra hebreo izy io aloha, mba hitondra soa ho an’ireo voafora lasa mpino.” (Momba Ireo Lehilahy Malaza, latinina, toko III) In-11 i Matio no naka andininy tao amin’ny Soratra Hebreo, dia andininy misy ny anaran’Andriamanitra. Azo antoka fa nataony dika mitovy tanteraka tamin’izay voalaza tao amin’ny Soratra Hebreo ireny andininy ireny.

Naka andininy an-jatony tao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo (Soratra Hebreo nadika tamin’ny teny grika) ireo olon-kafa nanoratra ny Soratra Grika Kristianina. Nisy ny anaran’Andriamanitra amin’ny teny hebreo ny ankamaroan’ireny andininy ireny tao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo tany am-boalohany. Azo antoka fa nampiasain’ireo mpanoratra ireo ilay anarana tao amin’ireny andininy ireny, ho fanahafana an’i Jesosy izay nampiasa foana ny anaran-dRainy.—Ampitahao amin’ny Jaona 17:6, 26.

Hoy i George Howard, mpampianatra ao amin’ny Oniversiten’i Géorgie: ‘Fantatsika fa nampiasa foana ny hoe יהוה tao amin’ny Soratra Grika ireo Jiosy niteny grika. Azo antoka fa nanao toy izany koa ny Kristianina jiosy tany am-boalohany izay niteny grika. Tsy azo inoana mihitsy hoe nesorin’izy ireo tao amin’ny Baiboly ny Litera Hebreo Efatra, na dia nety ho nampiasa ny hoe [Andriamanitra] sy [Tompo] aza izy ireo rehefa niresaka fanindroany momba an’Andriamanitra. Mbola hita tao amin’ilay Baiboly grika nampiasain’ny fiangonana voalohany, ireo Litera Hebreo Efatra [nanoratana ny anaran’Andriamanitra]. Azo inoana àry fa nampiasa an’ilay anarana ireo mpanoratra ny Testamenta Vaovao, rehefa naka andininy avy tao amin’ny Testamenta Taloha. Rehefa nesorina tao amin’ny Testamenta Taloha tamin’ny teny grika anefa ilay anarana, dia nesorina koa tao amin’ireo andininy nalaina avy tao amin’ny Testamenta Taloha izay nadika tao amin’ny Testamenta Vaovao. Tsy maintsy ho teo am-piandohan’ny taonjato faharoa àry vao nosoloana anarana hafa ilay anaran’Andriamanitra amin’ny teny hebreo tao amin’ireo Testamenta roa.’—Gazetin’ny Haisoratra Ara-baiboly, Boky Faha-96, No. 1, Martsa 1977, p. 76, 77.

Inona no tena izy: Jehovah sa Iaveh?

Tsy misy mihitsy ankehitriny mahay ny tena fanononana an’ilay anarana tamin’ny teny hebreo tany am-boalohany. Tsy nisy zanatsoratra mantsy ny fomba fanoratra ny teny hebreo tamin’izany. Na izany aza, dia hain’ny mpamaky hoe inona no zanatsoratra tokony hotononina satria anisan’ny fiteniny andavanandro izany. Nanjary ninonino foana anefa ny Jiosy tatỳ aoriana, ka nihevitra fa tsy mety ny manonona amin’ny feo avo ny anaran’Andriamanitra. Nosoloany anarana hafa àry ilay izy. Namorona teboka isan-karazany ny manam-pahaizana jiosy tatỳ aoriana, mba hampahafantarana hoe inona no zanatsoratra tokony hampiasaina rehefa mamaky ny teny hebreo fahiny. Ny zanatsoratra tamin’ireo anarana nanoloany ny anaran’Andriamanitra anefa no nataon’izy ireo teo amin’ireo litera hebreo efatra. Lasa tsy hay intsony àry ny tena fanononana an’ilay anarana.

Aleon’ny manam-pahaizana maro ny hoe “Iaveh.” Tsy azo antoka anefa raha izany tokoa no nanononana an’ilay anarana ka tsy mitovy hevitra izy ireo. Ny hoe ‘Jehovah’ kosa no efa tao amin’ny Fandikan-teny Protestanta malagasy hatramin’ny taona 1835, ary hita ao amin’ny Testamenta Taloha sy Vaovao izy io.

Nampiasa foana ny hoe Iaveh i J. Rotherham tao amin’ny Soratra Hebreo, ao amin’ny Baiboly Manamafy Hevitra nadikany. Nampiasa ny hoe “Jehovah” anefa izy tatỳ aoriana, tao amin’ilay hoe Fandinihana ny Salamo. Hoy izy: “JEHOVAH: Raha mampiasa io anarana ... io ... ato amin’ity bokin’ny Salamo ity aho, dia tsy noho izaho misalasala hoe tsy marina kokoa ny hoe Iaveh. Aleoko anefa mampiasa izay mahazatra ny sofin’ny olona sy ny masony, ato amin’ny salamo. Amin’izay dia ho fantany avy hatrany hoe ny anaran’Andriamanitra io.”—(anglisy, Londres, 1911), p. 29.

Nanazava fomba samihafa azo anononana ny anaran’Andriamanitra i Gustav Oehler, mpampianatra alemà, tao amin’ny boky iray nosoratany tamin’ny 1882. Hoy ny fanatsoahan-keviny: ‘Hampiasa ny hoe Jehovah aho manomboka izao, satria io no lasa mahazatra antsika kokoa, sady tsy misy mahasolo azy.’

Hoy i Paul Joüon, manam-pahaizana zezoita: ‘Tsy Iaveh (izay notombantombanana fotsiny) no nampiasainay tao amin’ny Baiboly nadikanay, fa Jehovah, satria io no mahazatra kokoa amin’ny teny frantsay.’—Fitsipi-pitenenana Momba ny Teny Hebreo Ara-baiboly (frantsay, Roma, 1923), fanamarihana ambany pejy, p. 49.

Miova arakaraka ny fiteny ny fanononana ny anarana iray, amin’ny ankapobeny. Teraka Jiosy i Jesosy, ka angamba notononina hoe Ieshoa‛ ny anarany tamin’ny teny hebreo. Notononin’ny mpanoratra ny Soratra Grika Kristianina hoe Iesos anefa izy io. Somary hafa noho izany kosa no anononana azy io amin’ny fiteny hafa, kanefa samy mampiasa izay mahazatra azy ny rehetra. Toy izany koa ny anarana hafa ao amin’ny Baiboly. Ahoana àry no anajantsika an’Ilay tompon’ilay anarana ambony indrindra? Tsy hanonona na hanoratra ilay anarana mihitsy ve isika, satria tsy fantatsika ny tena fanononana azy tany am-boalohany? Sa kosa isika hampiasa sy hanoratra azy io araka izay mahazatra antsika amin’ny fitenintsika, ary hidera Azy eo anatrehan’ny olona sady hanome voninahitra Azy amin’ny fitondran-tenantsika?

Nahoana no ilaina ny mahalala sy mampiasa ny anaran’Andriamanitra?

Azo lazaina fa mifandray akaiky amin’ny olona iray ve ianao raha tsy fantatrao akory ny anarany? Tsy mahafantatra ny anaran’Andriamanitra ny olona maro. Amin’izy ireo àry dia hery fotsiny izy fa tsy tena manana ny maha izy azy, na hoe azony fantarina sy tiavina ary amborahana ny ao am-pony. Raha mba mivavaka izy ireo, dia fombafomba na tsianjery fotsiny izany.

Nirahin’i Jesosy Kristy ny tena Kristianina mba hanao mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra. Mba hanavahana an’ilay tena Andriamanitra amin’ireo andriamani-diso ivavahan’izy ireny, dia tsy maintsy ampiasaina ny anaran’ilay tena Andriamanitra, toy ny ataon’ny Baiboly ihany.—Mat. 28:19, 20; 1 Kor. 8:5, 6.

Eks. 3:15: “Hoy [Andriamanitra] tamin’i Mosesy: ‘Izao no holazainao amin’ny zanak’Israely: “Jehovah Andriamanitry ny razanareo, ... no naniraka ahy ho atỳ aminareo.” Izany no anarako mandritra ny fotoana tsy voafetra, sy hahatsiarovana ahy hatramin’ny taranaka fara mandimby.’ ”

Isaia 12:4: “Misaora an’i Jehovah, rey olona! Miantsoa ny anarany. Ampahafantaro an’ireo firenena ny zavatra nataony. Ambarao fa misandratra ny anarany.”

Ezek. 38:17, 23: “Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: ‘... Hasehoko ny fahalehibeazako sy ny fahamasinako ary hataoko izay hahafantaran’izy ireo ahy. Dia tsy maintsy ho fantany fa izaho no Jehovah.’ ”

Mal. 3:16: “Nifampiresaka tamin’ny namany avy ireo matahotra an’i Jehovah. Ary nihaino tsara i Jehovah ka nandre izany. Dia nisy boky fahatsiarovana nosoratana teo anatrehany, ho an’ireo matahotra an’i Jehovah sy misaintsaina ny anarany.”

Jaona 17:26: “[Nivavaka tamin-dRainy i Jesosy hoe:] Efa nampahafantariko azy [an’ireo mpianatra] ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho ao aminy ilay fitiavana izay nitiavanao ahy, ary izaho ho tafaray aminy.”

Asa. 15:14: “Efa notantarain’i Simeona tamin’ny an-tsipiriany ny nanombohan’Andriamanitra nihevitra ny hafa firenena mba hangalany olona avy amin’ireo mba hitondra ny anarany.”

Ilay Jehovah ao amin’ny “Testamenta Taloha” ihany ve no Jesosy Kristy ao amin’ny “Testamenta Vaovao”?

Mat. 4:10: “Hoy ... i Jesosy: ‘Mandehana ianao, ry Satana, fa voasoratra hoe: “I Jehovah [“Ny Tompo”, Kat., DIEM] Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao, ary ho azy irery ihany no tsy maintsy anaovanao fanompoana masina.” ’ ” (Tsy nilaza i Jesosy hoe ny tenany ihany no tokony hiankohofana.)

Jaona 8:54: “Dia namaly [an’ireo Jiosy] i Jesosy hoe: ‘Tsinontsinona ny voninahitro raha manome voninahitra ny tenako aho. Ny Raiko no manome voninahitra ahy, dia izy izay lazainareo fa Andriamanitrareo.’ ” (Asehon’ny Soratra Hebreo mazava tsara hoe i Jehovah no Andriamanitra nolazain’ny Jiosy fa nivavahany. Tsy nilaza i Jesosy hoe izy no Jehovah, fa hoe i Jehovah no Rainy. Nolazain’i Jesosy mazava tsara eto fa samy hafa izy sy ny Rainy.)

Sal. 110:1: “Hoy i Jehovah tamin’ny Tompoko [Tompon’i Davida]: ‘Mipetraha eto ankavanako mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.’ ” (Nohazavain’i Jesosy ao amin’ny Matio 22:41-45 fa izy ilay ‘Tompon’i’ Davida voaresaka ao amin’io salamo io. Tsy i Jesosy àry no Jehovah, fa izy ilay niresahan’i Jehovah.)

Fil. 2:9-11: “Izany indrindra koa no antony nanandratan’Andriamanitra azy [Jesosy Kristy] ho amin’ny toerana ambony kokoa sy ny nanomezany azy tamin-katsaram-panahy anarana ambony noho ny hafa rehetra, mba ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalik’izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany ary any ambanin’ny tany, sy haneken’ny lela rehetra an-karihary fa i Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr’Andriamanitra Ray. [Hoy ny Kat.: “... ary mba hanaiky avokoa ny lela rehetra fa Jeso-Kristy dia Tompo efa niditra amin’ny voninahitr’Andriamanitra Ray.” Hoy anefa ny Prot. sy DIEM: “... ho voninahitr’Andriamanitra Ray.”]” (Hita eo fa tsy mitovy amin’Andriamanitra Ray i Jesosy Kristy, ary manaiky Azy izy.)

Ahoana no ahafahana ho tia an’i Jehovah sady hatahotra azy?

Milaza ny Baiboly fa tokony ho tia an’i Jehovah (Lioka 10:27), sy hatahotra azy isika. (1 Pet. 2:17; Ohab. 1:7; 2:1-5; 16:6) Ny hoe matahotra azy dia midika hoe mitandrina mba tsy hampahatezitra azy. Tia azy koa anefa isika ka te hampifaly azy, sy te hisaotra azy noho izy maneho fitiavana sy hatsaram-panahy tsy manam-paharoa.

Fanoharana: Ara-dalàna raha matahotra ny ankizy iray sao hampahatezitra an-drainy. Mankasitraka izay rehetra nataon-drainy koa anefa izy ka te haneho fitiavana azy. Mety hilaza ny olona iray mpanao antsitrika hoe tia rano izy, nefa matahotra rano koa izy satria fantany fa misy zavatra tsy tokony hatao rehefa any anaty rano any. Toy izany koa isika: Tia an’Andriamanitra isika nefa koa matahotra sao manao izay hampahatezitra azy.