Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jesosy Kristy

Jesosy Kristy

Famaritana: Ilay Zanaka Lahitokan’Andriamanitra, izay hany noforonin’i Jehovah samirery. Izy no lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra. Izy koa no nampiasaina tamin’ny famoronana ny zavatra hafa rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany. Izy no manarakaraka an’ilay Mpanjakan’izao rehetra izao. Izy ilay Zanaka nirahin’i Jehovah tetỳ an-tany hanome ny ainy ho vidim-panavotana, mba ho afaka hanantena ny hiaina mandrakizay izay mino azy. Efa Mpanjaka any an-danitra izy izao, ka manana fahefana handringana ny ratsy fanahy rehetra sy hanatanteraka ny fikasan’ny Rainy momba ny tany. Midika hoe “I Jehovah dia Famonjena” ny hoe Jesosy amin’ny teny hebreo. Mifanitsy amin’ny teny hebreo hoe Mashiah (Mesia) kosa ny hoe Kristy, izay midika hoe “Voahosotra.”

Tena nisy ve i Jesosy Kristy?

Ny Baiboly no porofo lehibe indrindra fa tena nisy i Jesosy Kristy. Tsy mitantara angano ireo Filazantsara fa milaza mazava tsara ny fotoana sy ny toerana nisehoan’izay nitranga tamin’ny andron’i Jesosy. Jereo, ohatra, ny Lioka 3:1, 2, 21-23.

Nilaza i Josèphe, mpahay tantara jiosy velona tamin’ny taonjato voalohany, hoe notoraham-bato i “Jakoba, rahalahin’i Jesosy, izay nantsoina koa hoe Kristy.” (Rakitry ny Ela Jiosy, anglisy, Boky Faha-20, fiz. 200) Niresaka mivantana momba an’i Jesosy ny Boky Faha-18, fizarana faha-63, 64, sady nilaza zavatra tsara momba azy. Nisy nilaza fa nety ho nampian’ny Kristianina na nohatsarainy tatỳ aoriana ireo fizarana ireo. Eken’ny besinimaro anefa fa mifanaraka amin’ny fomba fanoratr’i Josèphe izy ireo, sady hita ao amin’ny sora-tanana rehetra mbola misy hatramin’izao.

Velona tamin’ny faramparan’ny taonjato voalohany i Tacite, mpahay tantara romanina. Hoy izy: ‘Nandritra ny fitondran’i Tiberio, dia novonoin’i Pontio Pilato, anisan’ny manam-pahefana teto amintsika, i Christus [teny latinina midika hoe “Kristy”], ilay niavian’ny anarana [hoe Kristianina].’—Ny Asa Soratr’i Tacite Rehetra (anglisy, New York, 1942), “Ireo Tantara”, Boky Faha-15, feh. 44.

Nilaza Ny Rakipahalalana Britannica Vaovao fa niresaka momba an’i Jesosy ny mpahay tantara hafa tsy Kristianina tamin’izany fotoana izany. Hoy izy io: ‘Porofoin’ireo asa soratra ireo, fa na ny mpanohitra ny Fivavahana Kristianina fahiny aza, dia tsy nisalasala mihitsy hoe tena nisy i Jesosy. Tsy niadian-kevitra izany raha tsy tamin’ny faran’ny taonjato faha-18, nandritra ny taonjato faha-19, ary tany am-piandohan’ny taonjato faha-20. Tsy marim-pototra akory anefa ny antony nanaovana ilay adihevitra.’—(1976), Macropædia, Boky Faha-10, p. 145.

Olona tsara toetra fotsiny ve i Jesosy Kristy?

Tsy nanaiky i Jesosy rehefa nisy niantso azy hoe “Mpampianatra Tsara.” Fantany mantsy fa ny Rainy ihany no afaka mamaritra ny atao hoe tsara. (Mar. 10:17, 18) Matoa anefa i Jesosy nisy niantso hoe tsara, dia midika izany fa nilaza ny marina izy. Na ny fahavalony aza niaiky an’izany. (Mar. 12:14) Nilaza izy fa efa tany an-danitra talohan’ny naha olombelona azy, fa izy no Zanaka Lahitokan’Andriamanitra, ary izy ilay Mesia, izay nambaran’ireo faminaniana ao amin’ny Soratra Hebreo. Marina ve izany? Sa mpisandoka fotsiny izy? Na ahoana na ahoana, dia tsy hoe olona tsara toetra fotsiny izy.—Jaona 3:13; 10:36; 4:25, 26; Lioka 24:44-48.

Mpaminany tsotra fotsiny toa an’i Mosesy, Bouddha, Mahometa, ary ny mpitondra fivavahana hafa ve i Jesosy?

Nilaza i Jesosy fa izy no Zanak’Andriamanitra (Jaona 10:36; Mat. 16:15-17), sy Mesia (Mar. 14:61, 62). Nilaza koa izy fa efa tany an-danitra talohan’ny nahatongavany teto an-tany (Jaona 6:38; 8:23, 58), fa hovonoina ho faty izy ary hatsangana amin’ny andro fahatelo ka hiverina any an-danitra indray. (Mat. 16:21; Jaona 14:2, 3) Marina ve izany? Tsy toa an’ireo mpaminanin’Andriamanitra hafa tokoa ve izy, ary tsy mitovy mihitsy amin’ireo milaza ho mpitondra fivavahana? Ho fantatra ny marina telo andro taorian’ny nahafatesany. Natsangan’Andriamanitra tokoa ve izy ka voaporofo fa Zanak’Andriamanitra? (Rom. 1:3, 4) Olona 500 mahery no nahita an’i Jesosy taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. Hitan’ireo apostoliny koa izy rehefa nakarina tany an-danitra, ary avy eo nosaronan’ny rahona ka tsy hitan’izy ireo intsony. (1 Kor. 15:3-8; Asa. 1:2, 3, 9) Tena nino izy ireo hoe natsangana i Jesosy, ka maro tamin’izy ireo no vonona hanao vivery ny ainy mba hitory an’izany.—Asa. 4:18-33.

Nahoana no tsy nanaiky an’i Jesosy ho Mesia ny ankamaroan’ny Jiosy?

Hoy ny Rakipahalalana Judaica: “Nihevitra ny Jiosy tamin’ny andron’ny Romanina fa hirahin’Andriamanitra [ny Mesia] mba hanapaka ny ziogan’ny mpanompo sampy, ka izy no hitondra ny fanjakan’ny Israely tafaverina amin’ny laoniny.” (Jerosalema, 1971, Boky Faha-11, tsang. 1407) Te ho afaka tamin’ny ziogan’i Roma izy ireo. Nahafantatra ny faminanian’ny Daniela 9:24-27 momba ny Mesia ny Jiosy sasany ka niandry ny hahatongavany, tamin’ny taonjato voalohany. (Lioka 3:15) Nilaza anefa io faminaniana io fa ‘hampitsahatra ny ota’ ny Mesia. Nilaza koa ny Isaia toko faha-53 fa tsy maintsy ho faty izy vao ho tanteraka izany. Nihevitra anefa ny ankamaroan’ny Jiosy fa tsy nila navotana tamin’ny ota. Nino mantsy izy ireo fa efa olo-marina teo anatrehan’Andriamanitra, satria taranak’i Abrahama. Hoy ilay boky hoe Fitambaram-boky Nosoratan’ireo Raby: “Ny [toetra tsaran’i] Abrahama dia efa ampy handrakofana ny hadalana sy ny lainga rehetran’ny Israelita.” (anglisy, Londres, 1938, C. Montefiore sy H. Loewe, p. 676) Tsy nanaiky an’i Jesosy ho Mesia àry ny Jiosy, araka ilay faminaniana hoe: “Natao tsinontsinona sy nolavin’ny olona Izy.”—Isaia 53:3, Prot.

Nilaza i Mosesy, talohan’ny nahafatesany, fa hiala amin’ny fivavahana marina ny firenen’ny Israely ka hahita loza. (Vakio ny Deoteronomia 31:27-29.) Asehon’ny bokin’ny Mpitsara fa nitranga imbetsaka izany. Natao sesitany tany Babylona koa ilay firenena nivadika, tamin’ny andron’i Jeremia mpaminany. Nahoana kosa no navelan’Andriamanitra horavan’ny Romanina i Jerosalema sy ny tempoliny, tamin’ny taona 70? Inona no ratsy nataon’ilay firenena no tsy narovan’Andriamanitra izy io? Tsy nanaiky an’i Jesosy ho Mesia ny Jiosy, taloha kelin’izay.

Andriamanitra ve i Jesosy Kristy?

Jaona 17:3, Prot.: “[Nivavaka tamin-dRainy i Jesosy hoe:] Izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina [“hàny Andriamanitra marina”, Kat.], sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” (Tsy ny tenany, fa ilay Rainy an-danitra, no nolazain’i Jesosy hoe “Andriamanitra tokana sady marina.”)

Jaona 20:17, Prot.: “Hoy Jesosy taminy [Maria Magdalena]: Aza manendry Ahy; fa tsy mbola niakatra tany amin’ny Ray Aho; fa mandehana mankany amin’ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo.” (Na efa nitsangana tamin’ny maty aza i Jesosy, dia mbola ny Ray ihany no Andriamaniny. Izy io koa no Andriamanitr’i Maria Magdalena. Tsy milaza mihitsy ny Baiboly hoe nantsoin’ny Ray hoe “Andriamanitro” ny Zanaka.)

Jereo koa ny pejy 49, 50, 54, 55, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Andriamanitra Telo Izay Iray.”

Manaporofo ve ny Jaona 1:1 fa Andriamanitra i Jesosy?

Jaona 1:1, Prot.: “Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.” Mitovy amin’io tapany farany io koa ny DIEM, JM. Hoy kosa ny Kat.: “Andriamanitra ny Teny.” Hoy anefa ny TV: “Ny Teny dia andriamanitra.” Nataony “a” kely ny litera voalohany amin’ny hoe “andriamanitra.” Toy izany koa no nataon’ny Baiboly frantsay sy anglisy sasany.

Nahoana ny mpandika Baiboly sasany no nampiasa “a” kely? Raha jerena ny sora-tanana grika, dia misy mpanoritra () eo alohan’ilay hoe “Andriamanitra” (teôs) voalohany, fa tsy misy kosa eo alohan’ilay faharoa. Araka ny fitsipi-pitenenana grika, raha misy mpanoritra eo anoloan’ny hoe teôs, dia midika izany fa ilay Andriamanitra Mahery Indrindra no resahina. Raha tsy misy mpanoritra kosa eo anoloan’ny hoe teôs sady eo alohan’ny matoanteny izy io, dia mpamari-toetra ilay izy. Tsy milaza àry ny Jaona 1:1 hoe ny Teny (Jesosy) no ilay Andriamanitra, fa hoe manana toetra itovizana amin’Andriamanitra izy. (Jereo ny pejy 55, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Andriamanitra Telo Izay Iray.”)

Inona àry no tian’ny apostoly Jaona holazaina ao amin’ny Jaona 1:1? I Jesosy ihany ve no Andriamanitra, na Andriamanitra iray ihany ve i Jesosy sy ny Rainy? Hoy ny andininy faha-18 (Prot.): “Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanakalahy Tokana [“ilay hany andriamanitra nateraka”, TV ], Izay ao an-tratran’ny Ray, Izy no nanambara Azy.” Efa nisy olona nahita an’i Jesosy Kristy ve? Mazava ho azy! Nilaza àry ve i Jaona fa i Jesosy ihany no Andriamanitra? Tsia! Hoy ny famaranan-teniny: “Voasoratra izao mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak’Andriamanitra [fa tsy hoe Andriamanitra].”—Jaona 20:31, Prot.

Manaporofo ve ny tenin’i Tomasy ao amin’ny Jaona 20:28 fa Andriamanitra i Jesosy?

Jaona 20:28, Prot.: “Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamanitro!”

Tsy diso i Tomasy niantso an’i Jesosy hoe ‘Andriamanitra’, raha izany no tao an-tsainy. I Jesosy mihitsy no naka teny tao amin’ny Salamo, izay nilaza fa nisy olona ambony na mpitsara nantsoina hoe “andriamanitra.” (Jaona 10:34, 35, Prot.; Sal. 82:1-6) Mazava ho azy fa ambony lavitra noho ireny olona ireny i Kristy. Izany no antony iantsoana azy hoe “ilay hany andriamanitra nateraka”, ao amin’ny Jaona 1:18 (TV ). Antsoina koa hoe “Andriamanitra Mahery” izy ao amin’ny Isaia 9:5 (Prot.), fa tsy hoe Andriamanitra Mahery Indrindra. Ary milaza ny Jaona 1:1 (TV ) fa “andriamanitra” izy.

Andeha hojerentsika ireo teny manodidina ny Jaona 20:28. Ren’i Tomasy i Jesosy nivavaka tamin-dRainy sy niantso Azy hoe “Andriamanitra tokana sady marina”, taloha kelin’ny nahafatesan’i Jesosy. (Jaona 17:3, Prot.) Rehefa nitsangana tamin’ny maty i Jesosy, dia hoy izy tamin’ireo apostoliny, anisan’izany i Tomasy: “Miakatra ... ho any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo [Aho.]” (Jaona 20:17, Prot.) Noresahin’i Jaona avy eo ny tenin’i Tomasy tamin’izy nahita sy nikasika an’i Kristy. Hoy ny famaranan-teniny: “Voasoratra izao mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak’Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin’ny anarany, raha mino hianareo.” (Jaona 20:31, Prot.) Raha misy àry mihevitra hoe i Jesosy no “Andriamanitra tokana sady marina”, na “Andriamanitra Zanaka”, dia tokony hovakiny indray ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 20:17, sy ny famaranan-teny ao amin’ny Jaona 20:31.

Milaza ve ny Matio 1:23 fa Andriamanitra i Jesosy tamin’izy teto an-tany?

Mat. 1:23, Prot.: “ ‘Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon’ny olona hoe Imanoela’, izany hoe, raha adika: ‘Amintsika Andriamanitra’ [“miaraka amintsika Andriamanitra”, DIEM].”

Nilaza ve ilay anjely fa ho Andriamanitra ilay zaza ho teraka? Tsia, fa hoy izy: “Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra.” (Lioka 1:32, 35, Prot.; izahay no manao sora-mandry.) Tsy nilaza ny tenany ho Andriamanitra mihitsy i Jesosy, fa hoe “Zanak’Andriamanitra.” (Jaona 10:36, Prot.; izahay no manao sora-mandry.) Andriamanitra no naniraka an’i Jesosy ho amin’izao tontolo izao, ka azo lazaina hoe teo amin’ny olombelona Andriamanitra, tamin’ny alalan’ilay Zanany.—Jaona 3:17; 17:8.

Betsaka ny anarana hebreo misy hoe Andriamanitra na misy ny fanafohezana ny hoe Jehovah. Ny hoe Eliata, ohatra, dia midika hoe “Tonga ny Andriamanitro”; ny hoe Jeho midika hoe “Izy no Jehovah”, ary ny hoe Elia midika hoe “Jehovah no Andriamanitro.” Tsy Andriamanitra anefa izy ireo.

Inona no dikan’ny Jaona 5:18?

Jaona 5:18, Prot.: “Vao mainka nitady hamono Azy ny Jiosy, tsy noho ny namahany ny amin’ny Sabata ihany, fa noho ny nilazany koa fa Andriamanitra no Rainy, ka nanao ny tenany ho mitovy amin’Andriamanitra Izy.”

Ireo Jiosy tsy nino an’i Jesosy no nihevitra fa nitady hampitovy ny tenany tamin’Andriamanitra i Jesosy rehefa nilaza hoe Andriamanitra no Rainy. Marina fa Andriamanitra tokoa no Rainy, kanefa tsy nilaza mihitsy i Jesosy hoe nitovy tamin’Andriamanitra izy. Hoy kosa izy tamin’ny Jiosy: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon’ny Ray.” (Jaona 5:19, Prot.; jereo koa ny Jaona 14:28; 10:36.) Ireo Jiosy tsy nino ireo koa no niampanga an’i Jesosy ho tsy nanaja ny Sabata. Diso hevitra anefa izy ireo. Nitandrina ny Lalàna i Jesosy, ary hoy izy: “Mety ny manao soa amin’ny Sabata.”—Mat. 12:10-12, Prot.

Nivavaka tamin’i Jesosy ve ireo niankohoka teo anatrehany?

Lazain’ny Hebreo 1:6 fa nasaina ‘hiankohoka eo anatrehan’i’ Jesosy ny anjely. Milaza koa ny Matio 14:33 fa ‘niankohoka teo anatrehan’i’ Jesosy ny mpianany. Nivavaka tamin’i Jesosy ve izy ireo, toy ny hoe Andriamanitra izy?

Ny teny grika hoe prôskyneô no nadika hoe “miankohoka.” Asehon’ny rakibolana grika-anglisy iray fa midika koa io teny io hoe “miankohoka eo anatrehan’ny olona iray sy manoroka ny tongony, ny morontongotr’akanjony, ny tany.” Izany no nataon’ny mpianatra teo anatrehan’i Jesosy (Mat. 14:33). Izany koa no tokony hataon’ny anjely eo anatrehan’i Jesosy. (Heb. 1:6) Resahin’ny Genesisy 22:5 fa izany no nataon’i Abrahama teo anatrehan’i Jehovah. Milaza koa ny Genesisy 23:7 fa izany no nataon’i Abrahama teo anatrehan’ireo olona nividianany tany, araka ny fanao tamin’izany andro izany. Izany koa no nataon’i Natana mpaminany rehefa nankeo anatrehan’i Davida Mpanjaka.—1 Mpanj. 1:23.

Hoy i Jesosy ao amin’ny Matio 4:10 (Prot.): “Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao [“hivavahanao”, Kat.; avy amin’ny hoe prôskyneô], ary Izy irery ihany no hotompoinao.” (Naka teny tao amin’ny Deoteronomia 6:13 i Jesosy teo.) Andriamanitra irery ihany àry no tokony hivavahana.

Andriamanitra ve i Jesosy matoa nahavita fahagagana?

Asa. 10:34, 38, Prot.: “Petera niloa-bava ka nanao hoe: ... Nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny hery [i Jesosy] sady nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon’ny herin’ny devoly, satria Andriamanitra nomba Azy.” (Tsy nihevitra i Petera hoe Andriamanitra i Jesosy matoa nahavita fahagagana. Nilaza kosa izy fa Andriamanitra nomba an’i Jesosy. Ampitahao amin’ny Matio 16:16, 17.)

Jaona 20:30, 31, Prot.: “Nisy famantarana [“fahagagana”, Kat.] maro hafa koa nataon’i Jesosy teo imason’ny mpianatra, izay tsy voasoratra amin’ity boky ity; fa voasoratra izao mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak’Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin’ny anarany, raha mino hianareo.” (I Jesosy àry no “Kristy”, na Mesia, ary “Zanak’Andriamanitra” izy fa tsy hoe “Andriamanitra Zanaka.”)

Nanao fahagagana toy ny nataon’i Jesosy i Elia sy Elisa, mpaminany velona talohan’ny nahatongavan’i Jesosy teto an-tany. Tsy porofo anefa izany hoe Andriamanitra izy ireo.

I Jesosy ihany ve ilay Jehovah ao amin’ny “Testamenta Taloha”?

Jereo ny pejy 288, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Jehovah.”

Ampy ve ny mino an’i Jesosy Kristy mba ho voavonjy?

Asa. 16:30-32, Prot.: “Tompoko, inona no mety hataoko, mba hovonjena aho? Dia hoy izy roa lahy [Paoly sy Silasy]: Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena hianao sy ny ankohonanao. Ary izy roa lahy nitory ny tenin’ny Tompo [“tenin’i Jehovah”, TV ] taminy sy tamin’izay rehetra tao an-tranony.” (Ampy fotsiny ve ny nilazan’io lehilahy io hoe ‘mino an’i Jesosy Tompo aho’? Nasehon’i Paoly eo fa nilainy koa ny nahalala sy nanaiky ny Tenin’Andriamanitra, ka izany no antony nitorian’i Paoly sy Silasy taminy. Tena mino an’i Jesosy ve ny olona iray raha tsy mivavaka amin’ilay Andriamanitra nivavahan’i Jesosy izy, na tsy mampihatra izay nampianarin’i Jesosy momba ny toetra kristianina, na tsy manao ny asa nampanaovin’i Jesosy? Tsy ho tambin’izay ataontsika ny famonjena. Tsy ho voavonjy mantsy isika raha tsy mino ny sorom-panavotan’i Jesosy. Tsy maintsy miaina mifanaraka amin’ny finoantsika anefa isika, na dia sarotra aza izany indraindray. Hoy i Jesosy ao amin’ny Matio 10:22 [Prot.]: “Izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena.”)

Efa nisy tany an-danitra ve i Jesosy talohan’ny naha olombelona azy?

Kol. 1:15-17, Prot.: “Izy [Jesosy] no endrik’Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao ... Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany; ary Izy no talohan’ny zavatra rehetra.”

Jaona 17:5, Prot.: “[Nivavaka i Jesosy hoe:] Ray ô, mankalazà Ahy amin’ny tenanao, dia amin’ny voninahitra niarahako nanana taminao, fony tsy mbola ary izao tontolo izao.” (Jereo koa ny Jaona 8:23.)

Ilay vatan’i Jesosy nofo aman-dra iny ihany ve no nentiny tany an-danitra?

1 Kor. 15:42-50, Prot.: “Dia toy izany koa ny fitsanganan’ny maty: Afafy amin’ny fahalòvana izy, atsangana amin’ny tsi-fahalòvana ... afafy tena araka ny fomban’aina izy, atsangana ho tena araka ny fombam-panahy. ... Araka izany koa no voasoratra hoe: ‘Adama voalohan-dahy natao manan-aina’; Adama farany [Jesosy Kristy, izay lehilahy lavorary toa an’i Adama, tamin’i Adama mbola tsy nanota] natao fanahy mahavelona. ... Izao no lazaiko, ry rahalahy: Ny nofo aman-dra tsy mahazo mandova ny fanjakan’Andriamanitra, ary ny fahalòvana tsy mandova ny tsi-fahalòvana.” (Izahay no manao sora-mandry.)

1 Pet. 3:18, Prot.: “Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ... ka novonoina tamin’ny nofo, fa novelomina tamin’ny fanahy.” (Jereo ny pejy 240, 241.)

Fanoharana: Raha mandoa trosa ny olona iray, kanefa alainy indray ilay trosa naloany, dia mbola tsy afa-trosa ihany izy. Toy izany koa fa efa nomen’i Jesosy ho sorona handoavana ny vidim-panavotana ny vatany nofo aman-dra. Raha iny vatany iny ihany anefa no nananganana azy, azo lazaina ve fa voaloany ilay vidim-panavotana?

Marina fa niseho tamin’ny mpianany i Jesosy rehefa avy nitsangana tamin’ny maty. Nahoana anefa izy ireo indraindray no tsy tonga dia nahafantatra azy? (Lioka 24:15-32; Jaona 20:14-16) Indray mandeha, dia nasehon’i Jesosy an’i Tomasy ny diam-pantsika teo amin’ny tanany sy ny dian’ny lefona teo amin’ny takibany. Ahoana anefa no nampipoitra azy tampoka teo anivon’ireo mpianatra, na dia nihidy aza ny varavarana? (Jaona 20:25-28) Nitafy vatana samihafa fotsiny i Jesosy tamin’ireny fotoana ireny, toy ny nataon’ny anjely fahiny rehefa niseho tamin’ny olona. Tsy sarotra tamin’Andriamanitra ny nampanjavona ilay vatan’i Jesosy, rehefa nanangana azy izy. Mariho koa fa tsy navelan’Andriamanitra tao am-pasana ilay vatany (mba hampiekena ny mpianatra fa tena nitsangana tokoa izy), kanefa mbola tao ireo lamba namonosana azy. Niakanjo foana anefa i Jesosy rehefa niseho tamin’ny olona.—Jaona 20:6, 7.

I Jesosy Kristy ihany ve no Mikaela arkanjely?

Miseho indimy na inenina monja ao amin’ny Baiboly io anarana hoe Mikaela io. Be voninahitra izy io, ary antsoina koa hoe “anankiray amin’ireo andriana lehibe”, “andrian-dehibe, izay mitsangana hiaro ny zanaky ny [firenen’i Daniela]”, ary “arikanjely.” (Dan. 10:13; 12:1; Joda 9, Prot.) Ny hoe Mikaela dia midika hoe “Iza no Tahaka An’Andriamanitra?” Izy àry ilay manohana voalohany indrindra ny zon’i Jehovah hitondra, sy mitarika an’ireo anjely handringana ny fahavalon’Andriamanitra.

Resahin’ny 1 Tesalonianina 4:16 (Prot.) fa hibaiko “amin’ny feon’ny arikanjely” i Jesosy Kristy rehefa hanangana ny maty, ary lazain’ny Joda 9 fa i Mikaela io arkanjely io. Mety ve raha amin’ny feon’ny anjely ambany kokoa no hibaikoan’i Jesosy? I Jesosy Kristy àry ilay Mikaela arkanjely. (Amin’ny endriny milaza tokana foana ilay hoe “arkanjely” ao amin’ny Baiboly, ka midika izany fa iray ihany ny arkanjely.)

Resahin’ny Apokalypsy 12:7-12 fa rehefa mahazo fahefana ho Mpanjaka i Kristy, dia hiady amin’i Satana i Mikaela sy ny anjeliny ka hanjera an’i Satana sy ny anjeliny ratsy avy any an-danitra. Voalaza koa fa hitarika ny tafiky ny lanitra i Jesosy mba hiady amin’ireo firenena eto an-tany. (Apok. 19:11-16) Rariny àry raha i Jesosy ihany ilay hiady amin’i Satana Devoly, izay antsoina hoe “mpitondra an’izao tontolo izao.” (Jaona 12:31) Milaza ny Daniela 12:1 (Prot.) fa “hisy andro fahoriana, izay tsy nisy tahaka azy hatrizay nisian’ny firenena ka hatramin’izany andro izany” rehefa “hitsangana” i Mikaela. Hisy fahoriana tokoa rehefa handringana an’ireny firenena ireny i Kristy. Hita amin’izany àry fa nantsoina hoe Mikaela ilay Zanak’Andriamanitra, talohan’ny nahatongavany teto an-tany, ary mbola izany ihany no anarany amin’izao izy efa be voninahitra any an-danitra izao.

Raha misy milaza hoe:

‘Tsy mino an’i Jesosy ianareo’

Azonao valiana hoe: ‘Azo antoka fa mino an’i Jesosy ianao. Mino azy koa aho, matoa tonga mitsidika anao androany.’ Azonao ampiana hoe: ‘Asongadin’ny boky aman-gazetinay fa zava-dehibe ny finoana an’i Jesosy. (Jereo ny toko miresaka momba izany ao amin’izay boky hatolotrao mba hanohizana ilay resaka, ary asongadino fa Mpanjaka i Jesosy. Na vakio ny pejy faha-2 amin’ny Tilikambo Fiambenana, izay milaza ny zava-kendren’ilay gazety.)’

Na hoe: ‘Azoko fantarina ve ny antony mahatonga anao hilaza izany?’

Na hoe: ‘Nisy olona nilaza izany taminao angamba, kanefa tena mino an’i Jesosy Kristy izahay, raha ny marina.’ Azonao ampiana hoe: 1) ‘Tsy izay rehetra lazain’ny olona momba an’i Jesosy anefa no inoanay. Misy, ohatra, milaza hoe olona tsara toetra fotsiny izy, fa tsy Zanak’Andriamanitra. Tsy mino an’izany izahay. Ary ianao?... Tsy mampianatra izany ny Baiboly.’ 2) ‘Tsy inoanay koa ny fampianarana mifanohitra amin’izay nolazain’i Jesosy momba ny fifandraisany amin-dRainy. (Jaona 14:28) Nomen-dRainy fahefana hitondra izy, ary tokony hanaiky izany isika rehetra. (Dan. 7:13, 14)’

‘Manaiky an’i Jesosy ho Mpamonjy ve ianareo?’

Azonao valiana hoe: ‘Mazava tsara ny tenin’ny Baiboly hoe... (Asa. 4:12) Mino an’izany izahay. Hitanay koa anefa fa andraikitra lehibe izany. Raha tena mino an’i Jesosy mantsy ny olona iray, dia tsy izay tiany fotsiny no inoany momba azy.’ Azonao ampiana hoe: ‘Nanome ny ainy lavorary ho sorona izy mba hahazoantsika famelan-keloka. Fantatray anefa fa tena ilaina koa ny manaraka ny toromariny momba ny andraikitsika Kristianina. (Asa. 1:8; Mat. 28:19, 20)’

Na hoe: ‘(Rehefa avy nilaza ianao fa mino an’i Jesosy ho Mpamonjy anao sy izay rehetra mino azy...) Tena ilaintsika ny mankasitraka izay nataony taloha, sy izay ataony ankehitriny. (Mat. 24:14)’

‘Efa nandray an’i Jesosy ho Mpamonjy aho’

Azonao valiana hoe: ‘Faly aho fa mino an’i Jesosy ianao, satria maro be ny olona tsy miraharaha an’izay nataon’i Jesosy ho antsika. Fantatrao tsara angamba ny Jaona 3:16 e?... Aiza anefa ireo mino an’i Jesosy no hiaina mandrakizay? Hisy hiaraka aminy any an-danitra. Milaza anefa ve ny Baiboly fa ho any daholo ny olona tsara rehetra? (Mat. 6:10; 5:5)’