Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lahatra

Lahatra

Famaritana: Trangan-javatra tsy azo ialana sady ratsy matetika. Finoana fa sitrapon’Andriamanitra daholo izay mitranga, na sitrapon’ny hery ambony kokoa noho ny olombelona, ka efa voalahatra daholo. Tsy mampianatra izany ny Baiboly.

Efa voalahatra ve ny ‘andro hahafatesana’?

Maro ny Malagasy mino izany, toy ny Grika sy ny Romanina fahiny ihany. Araka ny angano grika, dia andriamanibavy telo ny Lahatra: Ny iray manao ny kofehin’ny fiainana, ny iray mamaritra izay halavany, ary ny iray manapaka azy io.

Milaza ny Mpitoriteny 3:1, 2 fa “misy fotoana ahafatesana.” Tsy voalahatra mialoha anefa izany, satria hoy ny Mpitoriteny 7:17: “Aza ratsy toetra loatra koa, ary aza manao adaladala. Fa nahoana no ho faty ianao nefa mbola tsy fotoana tokony hahafatesanao?” Hoy ny Ohabolana 10:27: ‘Hohafohezina ny taona iainan’ny ratsy fanahy.’ Hoy koa ny Salamo 55:23: “Tsy hahatratra ny antsasaky ny androny ny mpandatsa-dra sy ny mpamitaka.” Inona àry no tian’ny Mpitoriteny 3:1, 2 holazaina? Milaza ny fifandimbiasan’ny fiainana sy ny fahafatesana fotsiny izy io. Ao ny fotoana ahaterahana ary ao ny fotoana ahafatesana. Tsy mihoatra ny 70 na 80 taona ny olona dia maty amin’ny ankapobeny, nefa mety ho faty aloha kokoa na aoriana kokoa izy.—Sal. 90:10; jereo koa ny Mpitoriteny 9:11.

Tsy ilaina ny misoroka loza na mikarakara fahasalamana, raha toa ka efa voalahatra ny fotoana sy ny fomba hahafatesan’ny tsirairay. Tsy hampihena ny isan’ny maty koa ny fitandremana samy hafa, raha izany no izy. Heverinao ve fa mitovy ihany ny hoe any an’ady ianao sy ny hoe ao trano ianao sady lavitra ny faritra misy ady? Mikarakara ny fahasalamanao ve ianao, ary mitondra ny zanakao any amin’ny dokotera? Nahoana matetika ny mpifoka sigara no maty telo taona na efa-taona aloha kokoa, raha ampitahaina amin’ireo tsy mpifoka? Nahoana no vitsy kokoa ny olona matin’ny lozam-piarakodia, rehefa manao fehikibo fiarovana ny mpandeha sady manara-dalàna ny mpamily? Tena mahasoa àry ny fitandremana.

“Sitrapon’Andriamanitra” daholo ve izay mitranga?

2 Pet. 3:9: “Manam-paharetana aminareo [i Jehovah], satria tsy tiany hisy ho ringana fa mba ho tonga amin’ny fibebahana kosa ny rehetra.” (Tsy ny rehetra anefa no te handray soa avy amin’ny faharetan’Andriamanitra. Tsy sitrapony mihitsy àry raha misy tsy mibebaka. Ampitahao amin’ny Apokalypsy 9:20, 21.)

Jer. 7:23-26: “Izao kosa no didy nomeko azy ireo [ny Israely]: ‘Ankatoavy ny teniko, dia ho Andriamanitrareo aho, ary ianareo ho oloko. Mandehana amin’ny lalana rehetra hasaiko halehanareo, mba hahita soa ianareo.’ Tsy nihaino anefa izy ireo ... Nirahiko tany aminareo foana ny mpaminany mpanompoko rehetra. Nifoha maraina aho isan’andro ka naniraka an’ireny. Tsy nihaino ahy anefa izy ireo na nanongilan-tsofina, fa nanamafy hatoka kosa.” (Tsy “sitrapon’Andriamanitra” àry ny zava-dratsy nataon’ny Israely.)

Mar. 3:35: “Fa na iza na iza manao ny sitrapon’Andriamanitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.” (Tokony ho rahalahin’i Jesosy ny olona rehetra, raha toa ka “sitrapon’Andriamanitra” izay rehetra ataon’izy ireo. Hoy anefa i Jesosy tamin’ny olona sasany: “Ianareo avy amin’ny Devoly rainareo.”—Jaona 8:44.)

Inona no mahatonga an’ireo zava-mitranga toa tsy hay hazavaina?

Mpito. 9:11: “Mety ho azon-tsampona izy rehetra amin’ny fotoana tsy ampoizina.” (Mety ho azon-tsampona ny olona, fa tsy hoe efa voalahatra ny fiainany.)

Ny ataon’ny olona ihany ve no mahatonga azy sy ny hafa hijaly?

Rom. 5:12: “Tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray [Adama] ho amin’izao tontolo izao, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.” (Tsy lavorary sy mora manao ratsy isika rehetra, satria nandova izany avy tamin’i Adama.)

Mpito. 8:9: “Nanjakazaka tamin’ny namany ny olona ka nampiditra loza taminy.”

Ohab. 13:1: “Hendry ny zanaka rehefa anarin’ny rainy.” (Tena misy vokany eo amin’ny fiainan’ny zanaka izay ataon’ny ray aman-dreny.)

Gal. 6:7: “Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy.” (Jereo koa ny Ohabolana 11:17; 23:29, 30; 29:15; 1 Korintianina 6:18.)

Mety ho avy amin’ny fanahy mahery koa ve ny loza manjo ny olombelona?

Apok. 12:12: “Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina, fa nidina any aminareo ny Devoly sady tezitra mafy, satria fantany fa fohy ny fotoana ananany.” (Jereo koa ny Asan’ny Apostoly 10:38.)

Mahalala mialoha sy mandahatra ny zava-drehetra ve Andriamanitra?

Isaia 46:9, 10: “Izaho no Andriamanitra ary tsy misy hafa, sady tsy misy mitovy amiko, dia Ilay manambara hatrany am-piandohana izay hitranga amin’ny farany, sy manambara hatry ny ela ny zavatra mbola tsy natao, Ilay milaza hoe: ‘Tsy hiova ny fikasako, ary hataoko izay sitrako rehetra.’ ” (Mampahafantatra ny fikasany izy, ka mandahatra mialoha ny zavatra sasany mifandray amin’izany. Manana ny hery fara tampony hanatanterahana izany koa izy.)

Isaia 11:1-3: “Hisy rantsana hitsiry avy amin’ny foto-kazon’i Jese, ary hisy tsimoka hipoitra avy amin’ny fakany ka hamokatra. [Taranak’i Jese i Jesosy.] Hitoetra eo aminy ny fanahin’i Jehovah ... Hahafaly azy ny fahatahorana an’i Jehovah.” (Afaka naminany toy izany momba an’ilay Zanany i Jehovah, satria efa nandinika ny fihetsiny sy ny fitondran-tenany tany an-danitra Izy, hatramin’ny nanombohan’ny famoronana.) (Miresaka momba ny fiainan’i Jesosy talohan’ny naha olombelona azy ny pejy 297, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Jesosy Kristy.”)

Deot. 31:20, 21: “Hoentiko any amin’ilay tany nianianako tamin’ny razany izy ireo [ny firenen’ny Israely], dia ilay tany tondra-dronono sy tantely. Ary hihinana izy ireo ka ho voky sy hihamatavy, dia hanaraka andriamani-kafa sy hanompo an’ireny ka haniratsira ahy ary hivadika amin’ny fifanekena nataoko. Ary rehefa ianjadian’ny loza sy fahoriana maro izy ireo, dia ho vavolombelona hiampanga azy io hira [mitantara ny tsy niraharahan’izy ireo an’Andriamanitra] io ... Fantatro tsara mantsy ny toe-tsaina mihamahazo vahana eo amin’izy ireo amin’izao fotoana izao, na dia alohan’ny hampidirako azy ao amin’ilay tany nianianako taminy aza.” (Fantatr’Andriamanitra izay hiafaran’izy ireo, satria nandinika ny nataon’izy ireo izy. Tsy izy anefa no nahatonga azy ireo hiafara toy izany, ary tsy niriny izany. Toy ny ataon’ny mpamantatra toetrandro izany: Afaka milaza izay ho toetrandro avy amin’ny zavatra dinihiny ilay olona, ary mety ho marina ny tombantombany. Tsy izy anefa no mahatonga ilay toetrandro, na hoe izay no tiany.)

Midika ve izany fa mahalala mialoha sy mandahatra ny zava-drehetra ataon’ny zavaboariny Andriamanitra?

Apok. 22:17: “Aoka izay mandre hilaza hoe: ‘Avia!’ Ary aoka ho avy izay mangetaheta. Ary izay maniry, aoka izy hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina.” (Afaka misafidy àry ny tsirairay, fa tsy efa voalahatra mialoha izay ataony.)

Rom. 2:4, 5: “Sa hamavoinao ny harenan’ny hatsaram-panahiny sy ny fandeferany ary ny fahari-pony, satria tsy fantatrao fa mitarika anao hibebaka ny hatsaram-panahiny? Fa noho ny kirinao sy ny fonao tsy mibebaka no anangonanao fahatezerana ho anao ho amin’ny andro fahatezerana sy fampiharihariana ny fitsarana marin’Andriamanitra.” (Tsy terena amin’izay ataony ny olona. Hampamoahina ny amin’izany anefa izy.)

Zef. 2:3: “Mitadiava an’i Jehovah ianareo mpandefitra rehetra amin’ny tany ... Katsaho ny fahamarinana, katsaho ny fandeferana. Angamba ho voafina ianareo amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.” (Ny Andriamanitra iray tia rariny sy be fitiavana ve dia hampirisika ny olona hanao ny tsara sy hampanantena valisoa azy ireo, raha fantany fa efa voalahatra ny tsy hahavita izany izy ireo?)

Fanoharana: Afaka mihaino vaovao eran-tany ny olona iray manana radio. Afaka mihaino izay onjam-peo tiany izy, kanefa tsy voatery hanao izany. Raha te hihaino anefa izy, dia tsy maintsy mandefa an’ilay radio aloha ary mifidy an’ilay onjam-peo. Toy izany koa no ataon’i Jehovah. Afaka mahalala mialoha izay hitranga izy, kanefa lazain’ny Baiboly fa mifidy izay tiany hofantarina izy, arakaraka ny toe-javatra. Hajainy ny safidy nomeny ny olombelona noforoniny.—Ampitahao amin’ny Genesisy 22:12; 18:20, 21.

Efa fantatr’Andriamanitra mialoha ve fa hanota i Adama, tamin’izy namorona azy?

Izao no nolazainy tamin’i Adama sy Eva: “Manàna taranaka, ary mihabetsaha ka mamenoa ny tany. Anjakao ny tany, ary aoka hanaiky anareo ny trondro any an-dranomasina sy ny biby manidina eny amin’ny lanitra ary ny zavamananaina rehetra mihetsiketsika eny ambonin’ny tany.” “Ary i Jehovah Andriamanitra nandidy an-dralehilahy hoe: ‘Afaka mihinana izay laninao amin’ny voan’ny hazo rehetra eo amin’ny zaridaina ianao. Aza ihinananao anefa ny voan’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, fa amin’ny andro ihinananao azy, dia ho faty tokoa ianao.’ ” (Gen. 1:28; 2:16, 17) Hampirisika ny zanakao hanao zavatra ahazoany hoavy tsara ve ianao, nefa efa fantatrao fa tsy hahavita izany izy? Hampitandrina azy amin’ny loza ve ianao, nefa efa nataonao ny tetika rehetra mba hahavoa azy? Koa rariny ve ny ilazana fa manao izany Andriamanitra?

Mat. 7:11: “Raha ianareo, na dia ratsy fanahy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, mainka fa ny Rainareo izay any an-danitra! Hanome zava-tsoa ho an’izay mangataka aminy izy.”

Raha toa ka efa voalahatr’Andriamanitra ny hanotan’i Adama sady efa fantany mialoha izay ho vokatry ny fahotany, dia Izy no ho tompon’andraikitra amin’ny faharatsiana rehetra hatramin’izay, toy ny ady, heloka bevava, fitondran-tena ratsy, fampahoriana, lainga, fihatsarambelatsihy, ary aretina. Hoy anefa ny Baiboly: “Tsy mba Andriamanitra finaritra amin’ny faharatsiana ianao.” (Sal. 5:4) “Tena halany ny olona tia herisetra.” (Sal. 11:5) “Andriamanitra tsy mahay mandainga.” (Tit. 1:2) “Hanavotra ny ain’izy ireo amin’ny fampahoriana sy ny herisetra izy [ilay Mesia Mpanjaka notendren’Andriamanitra], ary ho sarobidy aminy ny ran’izy ireo.” (Sal. 72:14) “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8) “Tia ny rariny sy ny hitsiny izy.”—Sal. 33:5.

Efa voalahatra ve ny fiainan’i Jakoba sy Esao?

Gen. 25:23: “Hoy i Jehovah [tamin’i Rebeka]: ‘Firenena roa no ao an-kibonao, ary vahoaka roa no hisaraka avy ao anatinao. Ny vahoaka iray hahery noho ny iray, ary ny zokiny [Esao] hanompo ny zandriny [Jakoba].’ ” (Afaka nahita ny fototarazon’ireo kambana mbola tao am-bohoka ireo i Jehovah. Mety ho izany no nahafahany namantatra mialoha izay ho toetran’izy roa lahy sy ny hiafarany. [Sal. 139:16] Tsy misy filazana anefa hoe efa nandahatra ny hoavin’izy ireo mandrakizay Izy, na izay rehetra hitranga eo amin’ny fiainan’izy ireo.)

Efa voalahatra hamadika an’i Jesosy ve i Jodasy Iskariota?

Sal. 41:9: “Ilay olona tsara fihavanana tamiko, izay nitokisako, sy niara-nihinana ny mofoko tamiko, dia nanainga ny voditongony hamely ahy.” (Mariho fa tsy lazain’ilay faminaniana hoe iza amin’ireo naman’i Jesosy no hanao izany. Fantatr’i Jehovah fa nampiasain’i Satana i Ahitofela, mpanolo-tsain’i Davida, mba hamadika an’i Davida. Nosoratana tao amin’ny Baiboly àry izany, mba hampahafantarana ny fomba fiasan’ny Devoly sy izay mbola hataony amin’ny hoavy. Tsy Andriamanitra fa ny Devoly no nampirisika an’i Jodasy Iskariota, zanak’i Simona, hamadika an’i Jesosy. [Jaona 13:2] Nanaiky ho resin’ilay fitaoman-dratsy i Jodasy, fa tsy nanohitra.)

Jaona 6:64: “Hatrany am-piandohana ... dia efa fantatr’i Jesosy hoe ... iza ilay hamadika azy.” (Tsy hatrany am-piandohan’ny famoronana izany, na hatramin’ny nahaterahan’i Jodasy, fa ‘hatrany am-piandohan’ny fotoana’ niovany ho ratsy. Ampitahao amin’ny Genesisy 1:1 sy 1 Jaona 2:7, 13, izay ampiasana ny teny hoe ‘hatrany am-piandohana’ amin’ny heviny samy hafa. Mariho koa ny voalazan’ny Jaona 12:4-6.)

Tsy efa nilaza ve ny apostoly Paoly fa misy Kristianina efa ‘voatendry mialoha’?

Rom. 8:28, 29: “Fantatsika fa ny zava-drehetra ataon’Andriamanitra dia ataony miara-miasa mba hahasoa an’ireo tia azy, dia ireo voantso araka ny fikasany. Ireo nekeny voalohany mantsy no notendreny mialoha koa hanahaka an’ilay modely, dia ny Zanany, mba ho lahimatoa amin’ny rahalahy maro ny Zanaka.” (Jereo koa ny Efesianina 1:5, 11.) Hoy anefa ny 2 Petera 1:10 amin’ireo Kristianina ireo: “Vao mainka tokony hanao izay rehetra azonareo atao ianareo mba ho azo antoka ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo. Tsy ho lavo mihitsy ianareo, raha manao ireo zavatra ireo foana.” (Raha efa voalahatra mialoha fa ho voavonjy ny tsirairay amin’izy ireo, dia tsy ho lavo izy ireo, na inona na inona ataony. Voalaza eo anefa fa mila miezaka izy ireo. Midika izany fa ilay antokon’olona no efa voatendry mialoha. Fikasan’Andriamanitra ny hanahafan’ilay antokon’olona manontolo ny modely navelan’i Jesosy Kristy. Tokony tsy hivadika anefa ireo voafidy ho anisan’io antokon’olona io, raha tiany ny hahazo valisoa.)

Efes. 1:4, 5: “Nifidy antsika izy talohan’ny nanorenana izao tontolo izao, mba ho tafaray amin’i Kristy isika, ary mba ho masina sy tsy misy tsiny eo anatrehan’Andriamanitra, noho ny fitiavana. Izy mantsy efa nanendry antsika mialoha mba hatsangany ho zanany amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, araka izay mahafinaritra azy sy araka ny sitrapony.” (Mariho ny voalazan’ny Lioka 11:50, 51. Ampifandraisin’i Jesosy ao, ny fotoana “nanorenana izao tontolo izao” sy ny andro niainan’i Abela, izay olona voalohany nankasitrahan’Andriamanitra mandra-pahafatiny. Talohan’ny nahaterahan’i Abela mantsy, nefa taorian’ny fikomiana tany Edena, Andriamanitra no nilaza ny fikasany hampipoitra “taranaka” hamonjy ny olombelona. [Gen. 3:15] Fikasany koa ny hoe hisy mpianatr’i Jesosy tsy mivadika, hiara-manjaka amin’ilay Taranaka voalohany, ao amin’ny Fanjakan’i Mesia.)

Misy vokany eo amin’ny fiainantsika ve ny kintana sy ny planeta? Tokony hitady fambara avy amin’ireny ve isika, alohan’ny hanapahan-kevitra?

Ahoana no niandohan’ny fanandroana?

“Avy amin’ny fampianarana sy fanaon’ny Kaldeanina sy Babylonianina tamin’ny 2000 T.K. ny fanandroana tandrefana.”—Ny Rakipahalalana Amerikanina (1977), Boky Faha-2, p. 557.

“Mifototra amin’ireto hevitra roa avy any Babylona ireto ny fanandroana: Ny antokon-kintana fijerena tononandro, ary ny fiheverana fa andriamanitra ny kintana sy ny planeta. ... Nino ny Babylonianina fa nanan-kery tamin’olona ireo planeta, toy ireo andriamanitra nivavahany ihany.”—Ireo Tanàna Lehibe teo Amin’ny Tontolo Fahiny (anglisy, New York, 1972), L. Sprague de Camp, p. 150.

‘Nitana toerana lehibe teo amin’ny fivavahana ny fanandroana tany Babylonia, sy tany Asyria izay avy tamin’ny kolontsaina babylonianina. Ny fanandroana no iray tamin’ireo fomba roa lehibe indrindra nampiasain’ny mpisorona, mba hamantarana ny sitrapon’ireo andriamanitra sy ny fikasany. Ny fandinihana ny atin’ny biby natao sorona kosa no fomba iray hafa. Mifanitsy amin’izay ataon’ireo andriamanitra dimy sy ataon’i Sin andriamanitra volana ary Shamash andriamanitra masoandro, hono, ny fihetsehan’ireo planeta dimy sy ny volana ary ny masoandro. Manomana an’izay hitranga etỳ an-tany, hono, izy ireo.’—Rakipahalalana Britannica (1911), Boky Faha-II, p. 796.

Ahoana ny hevitry ny Mpamorona?

Deot. 18:10-12: “Aoka tsy hisy eo aminao ny olona ... manao sikidy, na mampiasa herin’ny maizina, na mitady fambara ... Maharikoriko an’i Jehovah mantsy izay rehetra manao ireo zavatra ireo.”

Hoy izy tamin’ny Babylonianina: “Aoka hitsangana hamonjy anao ireny ankehitriny, dia ireo mpivavaka amin’ny lanitra, ireo mpijery ny kintana, ireo mampahafantatra anao isaky ny tsinam-bolana izay hitranga aminao. Hanjary ho toy ny vodivary izy ireo ka ho kilan’ny afo. ... Ho toy izany ireny mpilalao ody ireny, izay niara-nisasatra taminao hatry ny fahatanoranao. Hirenireny izy ireo, ka samy ho any amin’izay faritra misy azy. Koa tsy hisy hamonjy ianao.”—Isaia 47:13-15.