Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lakroa

Lakroa

Famaritana: Lazain’ny fivavahana maro milaza azy ho Kristianina fa teo amin’izy io no namantsihana an’i Jesosy Kristy. Avy amin’ny teny latinina hoe crux ny hoe lakroa.

Nahoana ny sary ao amin’ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah no mampiseho an’i Jesosy eo amin’ny tsato-kazo fa tsy eo amin’ny lakroa?

Ilay teny grika hoe staorôs no nadikan’ny Baiboly maro hoe “lakroa” (“hazo fijaliana” ao amin’ireo Baiboly malagasy). Midika hoe tsato-kazo mahitsy fotsiny io teny io. Nilazana tsato-kazo misy hazo mitsivalana koa izy io tatỳ aoriana. Hoy Ny Diksioneram-panjakana Momba ny Baiboly: ‘Ilay teny grika [staorôs] nadika hoe lakroa dia midika hoe tsato-kazo, hazo mahitsy na hazo fanaovana fefy azo anantonan-javatra na amefena toerana. Na ny Romanina koa aza nihevitra fa tsato-kazo mahitsy ny crux (niavian’ny teny hoe lakroa), tany am-boalohany.’—Natontan’i P. Fairbairn (Londres, 1874), Boky I, p. 376.

Novonoina teo amin’ny tsato-kazo mahitsy ve ny Zanak’Andriamanitra? Mahaliana fa mampiasa ny teny hoe ksylôn ny Baiboly, ankoatra ny hoe staorôs. Hoy ny Rakibolana Grika-Anglisy nataon’i Liddell sy Scott, momba ny dikan’ny hoe ksylôn: ‘Hazo nokapaina ka azo ampiasaina, kitay, vatan-kazo, sns., tapa-kazo, andry hazo, kibay, langilangy, tsato-kazo nanantonana mpanao heloka bevava, hazo maniry, hazo.’ Asehony fa nadika koa hoe “lakroa” ny hoe ksylôn ‘ao amin’ny Testamenta Vaovao’, ao amin’ny Asan’ny Apostoly 5:30; 10:39, ohatra. (Oxford, 1968, p. 1191, 1192) Nadika hoe “hazo” anefa izy io ao amin’ny Prot. sy Kat. (Ampitahao amin’ny Galatianina 3:13; Deoteronomia 21:22, 23.)

Izao no nosoratan’i J. Parsons ao amin’ilay boky hoe Ny Lakroan’ny Tsy Kristianina (anglisy, Londres, 1896): ‘Ireo boky maro be ao amin’ny Testamenta Vaovao, amin’ny teny grika tany am-boalohany, dia tsy ahitana porofo mihitsy fa hafa noho ny staorôs tsotra no nampiasaina tamin’i Jesosy. Tsy misy fehezanteny milaza izany ao na iray aza, eny fa na dia tsy mivantana aza. Tsy misy porofo mihitsy koa ao hoe hazo roa natambatra ho lakroa ilay izy. Tena mamitaka ireo mpampianatra antsika satria adikany hoe “lakroa” ny hoe staorôs, rehefa mandika ny sora-tanana grika amin’ny fitenintsika izy. Mamitaka koa izy ireo satria mampiditra izany dikan-teny izany ao amin’ny rakibolana, nefa tsy manazava akory hoe tsy izany mihitsy no heviny voalohany, tamin’ny andron’ny Apostoly. Tsy hazavainy koa fa efa ela be tatỳ aoriana vao nanana izany heviny izany ny staorôs, rehefa noheverina hoe miendrika lakroa ilay nampiasaina tamin’i Jesosy. Tsy fantatra anefa ny anton’izany fiheverana izany sady tsy misy porofo akory.’—P. 23, 24.

Asehon’ny porofo maro àry fa maty teo amin’ny tsato-kazo mahitsy i Jesosy, fa tsy teo amin’ny lakroa.

Ahoana no niandohan’ny lakroa?

“Saika nanerana an’i Eoropa no nahitana zavatra maro misy lakroa amin’ny endriny samy hafa, ary efa ela be talohan’ny andro kristianina izy ireny. Nahitana betsaka tamin’izany tany Inde, Syria, Persa, ary Ejipta ... Saika ireo fivavahana eran-tany no nampiasa lakroa, talohan’ny andro kristianina. Firenena tsy kristianina nivavaka tamin’ny natiora no nanao izany, tamin’ny ankapobeny.”—Ny Rakipahalalana Britannica (1946), Boky Faha-6, p. 753.

‘Avy tany Kaldea fahiny io endriky ny lakroa io, ary marika famantarana ny andriamanitra Tamoza (marika mitovy bika amin’ilay litera manana hery miafina hoe Tau, izay litera voalohany amin’ny anarany) tany amin’io tany io sy ireo tany nifanila taminy, anisan’izany i Ejipta. Tany antenatenan’ny taonjato faha-3, dia nialan’ny eglizy na naolany ny fampianarana sasany tao amin’ny finoana kristianina. Te hampitombo ny lazany ny eglizy nivadi-pinoana, ka nekeny ho anisany ireo mpanompo sampy mbola tsy nanova ny zavatra ninoany, ary navelany hitana ny ankamaroan’ny marika famantarana efa fampiasany. Izany no nahatonga ny Tau, na T, izay misy tsivalana ambany kokoa, nekena mba hanondroana ny lakroan’i Kristy.’—Diksionera Manazava ny Testamenta Vaovao (Londres, 1962), W. Vine, p. 256.

“Mahagaga fa efa nampiasaina ho marika famantarana masina ny Lakroa, ela be talohan’ny nahaterahan’i Kristy, tany amin’ireo tany mbola tsy nitorian’ny Eglizy mihitsy. ... Samy nampiasa lakroa daholo ireo mpivavaka tamin’i Bacchus, andriamanitra grika, na tamin’i Tamoza, andriamanitr’i Tyro, na tamin’i Bela, andriamanitra kaldeanina, na tamin’i Odin, andriamanitra norvezianina.”—Ny Lakroa teo Amin’ny Fivavahana sy Rafitrano ary Zavakanto (anglisy, Londres, 1900), G. Tyack, p. 1.

‘Nitondra lakroa misy boribory eo an-tampony ireo pretra sy mpanjaka ejipsianina ho mariky ny fahefany noho izy ireo pretran’ny andriamanitra Masoandro, ary nantsoina hoe “ny Mariky ny Fiainana” ilay izy.’—Fivavahana Amin’ny Maty (anglisy, Londres, 1904), Kolonely J. Garnier, p. 226.

“Ahitana lakroa isan-karazany ireo tsangambato sy fasana ejipsianina, ary heverin’ny manam-pahaizana maro fa sarin’ny filahiana na ny fanaovana firaisana ilay izy. ... Any amin’ireo fasana ejipsianina, dia hita eo akaikin’ny sarina filahiana ny lakroa misy boribory eo an-tampony.”—Tantara Fohy Momba ny Fivavahana Amin’ny Andriamanitry ny Firaisana (anglisy, Londres, 1940), H. Cutner, p. 16, 17.

“Nampiasaina ho marika famantarana ny andriamanitra masoandro babylonianina, ⊕, ireny lakroa ireny. Nahitana azy ireny voalohany ny vola madinika nataon’i Jules César tamin’ny taona 100-44 T.K., ary avy eo ny vola madinika nataon’ilay nandimby an’i César (izany hoe i Aogosto), tamin’ny taona 20 T.K. Fahita tamin’ny vola madinika nataon’i Constantin kosa ny ☧, saingy tsy nisy faribolana, ary nitovy ny halavan’ny tsipika mitsangana sy mitsivalana. Nivavahana io marika nantsoina hoe ‘Kodiarana Masoandro’ io. Mpivavaka tamin’ny andriamanitra masoandro mantsy i Constantin, ary tsy lasa anisan’ny ‘Eglizy’ izy raha tsy efa 25 taona taorian’ilay nahitany an’io lakroa io teny amin’ny lanitra, araka ny voalazan’ny angano.”—Ny Baiboly Namana (anglisy), Fanazavana Fanampiny No. 162.

Mifanaraka amin’ny Soratra Masina ve ny fankamasinana lakroa?

1 Kor. 10:14: “Andosiro ny fanompoan-tsampy, ry malala.” (Sary na zavatra ivavahana sy ankamasinina no atao hoe sampy.)

Eks. 20:4, 5, Kat.: “Tsy hanao sarin-javatra voasokitra ho anao, na sary fampisehoana ny zavatra eny amin’ny lanitra ambony, na ny eny amin’ny tany ambany, na ny any amin’ny rano ambanin’ny tany. Tsy hiankohoka eo anatrehan’ireny na hanompo azy akory hianao.” (Noraran’Andriamanitra na dia ny manao sary hiankohofana aza.)

Mahaliana izao fanazavan’ny Rakipahalalana Katolika Vaovao izao: ‘Tsy hita eo amin’ireo sary nataon’ny mpanakanto tamin’ireo taonjato voalohandohany, ny sarin’ny nahafatesan’i Kristy tao Golgota. Fantatr’ireo Kristianina voalohany ny fandrarana ao amin’ny Testamenta Taloha mba tsy hanao sary, ka tsy tian’izy ireo hatao akory na dia ny sarin’ny Tompo teo amin’ny hazo fijaliana aza.’—(1967), Boky Faha-4, p. 486.

Hoy ny boky iray momba ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany: “Tsy nampiasa lakroa na nanao sarina lakroa izy ireo.”—Tantaran’ny Fivavahana Kristianina (anglisy, New York, 1897), J. Hurst, Boky I, p. 366.

Mety ve ny hoe miraiki-po amin’ny lakroa na dia tsy mankamasina azy aza?

Ahoana no fihetseham-ponao raha nendrikendrehina ny namanao iray ka novonoina ho faty? Hanao ny sarin’ilay zavatra namonoana azy ve ianao? Ho tia izany ve ianao, sa kosa tsy te hahita izany akory aza?

Nitomany an’ilay andriamani-diso atao hoe Tamoza ny Jiosy sasany nivadika fahiny. ‘Zavatra naharikoriko’ an’i Jehovah izany. (Ezek. 8:13, 14) Andriamanitra babylonianina mantsy i Tamoza, ary ny lakroa no marika famantarana azy. Nanohitra an’i Jehovah sy ny fivavahana marina foana i Babylona, nanomboka tamin’ny andron’i Nimroda. (Gen. 10:8-10; Jer. 50:29) Zavatra ampiasain’ny fivavahana manohitra an’ilay tena Andriamanitra àry no ankamamian’ny olona miraiki-po amin’ny lakroa.

Milaza koa ny Ezekiela 8:17 fa nataon’ireo Jiosy nivadi-pinoana ‘teo amin’ny oron’i Jehovah mihitsy ilay rantsankazo.’ ‘Naharikoriko’ sy ‘nampahatezitra’ azy izany. Fa nahoana? Nohazavain’ny mpivaofy teny sasany fa sarin’ny filahiana io “rantsankazo” io, ary nampiasaina tamin’ny fivavahana amin’ny sarin’ny filahiana. Ankasitrahan’i Jehovah àry ve ny lakroa, izay nampiasaina tamin’ny fivavahana toy izany fahiny?