Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lamesa

Lamesa

Famaritana: Araka ny Fombafomba Masin’ny Eglizy Katolika, ny Lamesa dia “sorona amerimberenana ny Sorona teo Amin’ny Lakroa; fahatsiarovana ny fahafatesana sy fitsanganan’ny Tompo, izay nilaza hoe ‘ataovy izany ho fahatsiarovana ahy’ (Lioka 22:19); sakafo masina izay andraisana ny Vatana sy ny Ran’ny Tompo, ka andraisan’ny Olon’Andriamanitra soa amin’ny Soron’ny Paska, anavaozany ilay Fifanekena Vaovao nataon’Andriamanitra indray mandeha tamin’ny olona tamin’ny alalan’ny Ran’i Kristy, ary isantarany an’ilay fanasam-be any amin’ny fanjakan’ny Ray noho ny finoana sy ny fanantenana, sady anambarany ny fahafatesan’ny Tompo ‘mandra-piaviny.’ ” (Eucharisticum Mysterium, 25 Mey 1967) Manao izany ny Eglizy Katolika, satria heveriny fa izany no nataon’i Jesosy Kristy tamin’ilay Sakafo Hariva Farany.

Tena miova ho vatana sy ran’i Kristy ve ilay mofo sy divay?

Izao no fanekem-pinoana nolazain’ny Papa Paoly Faha-6, tamin’ny 30 Jona 1968: “Mino isika fa ilay mofo sy divay nankamasinin’ny Tompo tamin’ilay Sakafo Hariva Farany dia niova ho Vatany sy Rany izay hatolotra eo amin’ny lakroa. Toy izany koa fa miova ho Vatana sy Ran’i Kristy nomem-boninahitra any an-danitra, ilay mofo sy divay ankamasinin’ny pretra. Mino isika fa tena manatrika eo ny Tompo, izay miseho amin’ny endriky ny mofo sy divay, na dia toa tsy miova aza ny fahitantsika ireo zavatra ireo aorian’ilay Fankamasinana, ary mistery izany fanatrehany izany. ... Mety tsara ny iantsoan’ny Eglizy an’ilay fiovana mahagaga hoe fiovan’ny mofo sy divay ho vatana sy ran’i Kristy.” (Fampianarana Katolika Ofisialy Momba An’i Kristy Tompontsika, anglisy, Wilmington, N.C.; 1978, Amanda Watlington, p. 411) Mifanaraka amin’ny Baiboly ve izany finoana izany?

Inona no tian’i Jesosy holazaina amin’ny hoe “ity no vatako” sy hoe “ity no rako”?

Mat. 26:26-29, Kat.: “Mbola teo am-pihinanana, dia nandray mofo Jeso, notsofiny rano sy novakiny, ary nomeny ny mpianany ka hoy izy: Raiso ary hano; ity no vatako. Rahefa izany, dia nandray ny kalisy izy, ary rahefa nanao fisaorana dia nomeny azy ireo nataony hoe: Isotroinareo rehetra ity; fa ity no rako, dia ny ràn’ny fanekena vaovao izay alatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka. Lazaiko aminareo, fa tsy hisotro amin’itony vokatry ny foto-boaloboka itony intsony aho, ambara-pihavin’izay andro hiarahako misotro aminareo ny vaovao indray, any amin’ny fanjakan’ny Raiko.”

Mahaliana ny nandikan’ny Baiboly sasany ny hoe “ity no vatako” sy hoe “ity no rako.” Misy manao hoe “midika ho vatako ity”, “midika ho rako ity.” (Fandikan-teny Vaovaon’ny Baiboly, anglisy, nataon’i Moffatt; izahay no manao sora-mandry.) Toy izany koa ny ao amin’ny TV eo amin’ny fanamarihana ambany pejy. Misy indray manao hoe “mifanitsy amin’ny vatako ity”, “mifanitsy amin’ny rako ity.” (Ny Testamenta Vaovao ao Amin’ny Baibolin’ny Kristianina, anglisy, nataon’i LeFevre; izahay no manao sora-mandry.) Mifanaraka amin’izao voalazan’ny andininy faha-29 (Kat.) izao izany: “Tsy hisotro amin’itony vokatry ny foto-boaloboka itony intsony aho, ambara-pihavin’izay andro hiarahako misotro aminareo ny vaovao indray, any amin’ny fanjakan’ny Raiko.” (Izahay no manao sora-mandry.) Marina fa nilaza i Jesosy hoe “ity no rako”, nefa nilaza izy avy eo fa “vokatry ny foto-boaloboka” ny tao anatin’ilay kalisy na kaopy.

Manampy antsika hahazo ny hevitry ny hoe “ity no vatako” sy hoe “ity no rako” ireto tenin’i Jesosy ireto: “Izaho no fahazavan’izao tontolo izao”, “izaho no varavaran’ny ondry”, “Izaho no tena foto-boaloboka.” (Jaona 8:12; 10:7; 15:1, Kat.) Tsy niova ho toy ireo mihitsy anefa izy.

Niresaka momba ilay Sakafo Hariva Farany koa ny apostoly Paoly ao amin’ny 1 Korintianina 11:25 (Kat.). Araka ny fitantarany, dia nilaza momba ilay kaopy i Jesosy hoe “Ity kalisy ity no fanekena vaovao amin’ny rako”, fa tsy hoe “Isotroinareo rehetra ity; fa ity no rako, dia ny ràn’ny fanekena vaovao.” Azo antoka fa tsy niova tamin’ny fomba mahagaga ho fifanekena vaovao ilay kalisy na kaopy. Ny tao anatin’ilay kaopy àry no nifanitsy tamin’ny ran’i Jesosy, izay nampanan-kery ilay fifanekena vaovao.

Inona no tian’i Jesosy holazaina ao amin’ny Jaona 6:54-58 (Kat.) na 6:53-57 (TV )?

“Hoy Jeso tamin’izy ireo: Lazaiko marina dia marina aminareo, fa raha tsy mihinana ny nofon’ny Zanak’olona hianareo sy tsy misotro ny rany, dia tsy manana ny fiainana ao aminareo. Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana ny fiainana mandrakizay; ary izaho hanangana azy amin’ny farandro. Fa tena fihinana ny nofoko, ary tena fisotro ny rako. Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako, dia mitoetra ao anatiko, ary izaho ao anatiny. Velona ny Ray naniraka ahy, izaho koa dia velona amin’ny Ray: toy izany koa no hahavelona amiko izay mihinana ahy.”—Jaona 6:54-58, Kat.

Tokony hihinana ny nofon’i Jesosy sy hisotro ny rany ara-bakiteny ve ny mpianany? Fandikana ny Lalàna nomen’Andriamanitra ny Israely izany, satria voarara ao ny fihinanana ra. (Lev. 17:10-12) Nomelohin’i Jesosy anefa izay nandika ny Lalàna. (Mat. 5:17-19) Ny tian’i Jesosy holazaina àry dia hoe mihinana sy misotro amin’ny heviny an’ohatra, izany hoe mino ny hasarobidin’ny sorona lavorary nataony.—Ampitahao amin’ny Jaona 3:16; 4:14; 6:35, 40.

Nasain’i Jesosy hanao fombafomba amerenana ny sorona nataony ve ny mpianany?

Hoy ny Taratasin’ny Vatikana II: “Nisantatra ny Eokaristia, izay fanaovana Sorona ny Vatany sy ny Rany, ny Mpamonjy antsika tamin’ilay Sakafo Hariva Farany, ny alina namadihana azy. Tiany haverimberina mantsy ny fanaovana ilay sorona teo amin’ny Lakroa.”—(anglisy, New York, 1966), natontan’i W. Abbott, S.J., p. 154; izahay no manao sora-mandry.

Hoy Ny Rakipahalalana Katolika: ‘Ampianarin’ny Eglizy fa tokony hoheverina ho “tena sorona” ny Lamesa. Lovantsofina anefa no tena niandohan’io foto-pinoantsika io, ary efa hatry ny ela no nambara fa fanaovana fifonana ho antsika ny Soron’ny Lamesa.’—(1913), Boky Faha-10, p. 6, 17.

Hoy i Jesosy: “Manaova izany ho fahatsiarovana ahy.” (Lioka 22:19; 1 Kor. 11:24, Kat.) Hoy ny Lioka 22:19 ao amin’ny Prot.: “Izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy.” Hoy kosa ny DIEM: “Izany atao ho fahatsiarovana Ahy.” Tsy nilaza àry i Jesosy hoe nanao sorona ny tenany izy tamin’ilay Sakafo Hariva Farany, na hoe tokony hamerina ny sorona nataony ny mpianany.

Heb. 9:25-28, Kat.: “Tsy mba toy ny mpisorombe [jiosy] niditra isan-taona tao amin’ny fitoerana masina sy nitondra ran-javatra hafa izy, ka hoe hanolo-tena matetika; raha izany dia ho nijaly matetika izy hatrizay nanaovana izao tontolo izao; fa indray mandeha monja izy no niseho ... mba hamongotra ny fahotana tamin’ny nanolorany ny tenany ho sorona. Ary toy ny nandraiketana ny olona ho faty indray mandeha sy hotsaraina rahefa afaka izany no nanoloran’ny Kristy ny tenany indray mandeha koa.” (Izahay no manao sora-mandry.)

“Zava-miafina saro-pantarina” ve ilay izy?

Miresaka zava-miafina masina tokoa ny Baiboly. Tsy misy mifanipaka amin’ny fahamarinana voalaza ao anefa izy ireny. Hoy i Jesosy momba ireo mihevitra ny lovantsofina ho zava-dehibe kokoa noho ny Soratra Masina: “Ry mpihatsaravelatsihy, marina ny naminanian’Izaia anareo hoe: Ity vahoaka ity manaja amin’ny molony, fa ny fony lavitra ahy; koa foana ny ivavahan’izy ireo amiko, satria didin’olombelona no ataony fampianarana.”—Mat. 15:7-9, Kat.

Nasain’i Jesosy hatao isan’andro na isan-kerinandro ve ilay fahatsiarovana?

Hoy ny Katesizin’ny Fiangonana Katôlika: “Voadidy ny mpino hamonjy ny Sorona Masina na ny fanompoam-pivavahana amin’ny Alahady sy ny andro fety voadidy hohamasinina.” (nofintinina, Edisiôna Md Paoly, Boky Faha-5, p. 13) “Ampirisihina ny Kristianina mba handray anjara amin’ny Lamesa sy handray Kominio matetika, na isan’andro mihitsy aza.”—Ny Fampianaran’i Kristy: Katesizy Katolika ho An’ny Olon-dehibe (anglisy), Fanontana Nohafohezina (Huntington, Ind.; 1979), p. 281.

Milaza ve ny Baiboly fa nahatsiaro ny nahafatesan’i Kristy foana izay rehetra “namaky mofo”? (Asa. 2:42, 46; 20:7, Kat.) ‘Namaky mofo’ i Jesosy rehefa niara-nisakafo tamin’ny olona maromaro, na dia talohan’ilay Sakafo Hariva Farany aza. (Mar. 6:41; 8:6, Kat.) Tsy toy ny mofo ankehitriny mantsy ny mofon’ny Jiosy tamin’izany. Namaky an’ilay mofo na naka sombiny tamin’izany izy ireo rehefa nihinana.

Tsy nilaza i Jesosy hoe impiry no tokony hankalazaina ny Fahatsiarovana ny nahafatesany. Nisantatra azy io tamin’ny andron’ny Paska jiosy anefa izy. Io Fahatsiarovana io no tokony hankalazain’ny mpianany, ho solon’ny Paska jiosy. Nankalazaina isan-taona, isaky ny 14 Nisana, ny Paska. Nankalazaina isan-taona koa, ohatra, ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay, ny Fetin’ireo Herinandro (Pentekosta), ny Fetin’ny Trano Rantsankazo na ny Fetin’ny Fanangonam-bokatra, ary ny Andro Fandrakofam-pahotana.

Afaka manampy ny fanahy ao amin’ny afofandiovana ve ny Lamesa?

Hoy Ny Fampianaran’i Kristy: Katesizy Katolika ho An’ny Olon-dehibe: “Tsy ao amin’ny Baiboly ny teny hoe ‘afofandiovana’, ary tsy ampianarina ao izany. ... Ny boky nosoratan’ireo Rain’ny Eglizy no miresaka imbetsaka momba ny afofandiovana, sady milaza koa fa afaka manampy ny maty ny vavaka ataon’ny velona, indrindra fa amin’ny alalan’ny Soron’ny Lamesa.”—P. 347, 348.

Hoy anefa ny Soratra Masina momba ny maty: “Ny velona mahalala fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona.” (Mpito. 9:5, Kat.) (Jereo koa ny pejy 121-123, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Fahafatesana.”)