Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lanitra

Lanitra

Famaritana: Fonenan’i Jehovah Andriamanitra sy ny anjely tsy mivadika. Tsy hitan’ny mason’ny olombelona izy io. Ireto koa ny hevitry ny hoe “lanitra”, ao amin’ny Baiboly: Andriamanitra; ny fankasitrahany; ny fandaminany ahitana ny anjely tsy mivadika; izao rehetra izao ankoatra ny tany; ny habakabaka manodidina ny tany; ireo fitondran’olombelona fehezin’i Satana; ilay fanjakana vaovao any an-danitra tarihin’i Jesosy Kristy sy ireo mpiara-mandova aminy.

Efa tany an-danitra ve isika rehetra talohan’ny nahaterahantsika teto an-tany?

Jaona 8:23: “[Hoy i Jesosy Kristy:] ‘Ianareo avy atỳ ambany, izaho avy any ambony. Ianareo avy amin’ity tontolo ity, izaho tsy avy amin’ity tontolo ity.’ ” (Avy tany an-danitra i Jesosy. Nilaza anefa izy fa tsy avy any ny olombelona.)

Rom. 9:10-12: “I Rebeka niteraka kambana ... Fony mbola tsy teraka ireo kambana ary mbola tsy nanao tsara na ratsy,—mba hiankina mandrakariva amin’Ilay miantso, fa tsy amin’izay ataon’ny olona, ny fikasan’Andriamanitra momba ny fifidianana azy ireo,—dia izao no nolazaina tamin’i Rebeka: ‘Ny zokiny hanompo ny zandriny.’ ” (Nilaza ny apostoly Paoly fa mbola tsy nanao tsara na ratsy i Jakoba sy Esao, fony mbola tsy teraka. Midika izany fa tsy tany an-danitra izy ireo talohan’ny nahaterahany.)

Ho any an-danitra ve ny olona tsara rehetra?

Asa. 2:34: “Tsy niakatra tany an-danitra i Davida.” (Resahin’ny Baiboly anefa fa ‘lehilahy sitraky ny fon’i Jehovah’ i Davida.)

Mat. 11:11: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa amin’izay natera-behivavy, dia mbola tsy nisy lehibe noho i Jaona Mpanao Batisa. Izay kely indrindra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra anefa dia lehibe noho izy.” (Tsy nankany an-danitra àry i Jaona rehefa maty.)

Sal. 37:9, 11, 29: “Ny mpanao ratsy horinganina, fa izay manantena an’i Jehovah no handova ny tany. Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany, ka tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be. Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.”

Ho nankany an-danitra ve i Adama, raha tsy nanota?

Gen. 1:26: “Hoy koa Andriamanitra: ‘Andeha isika hanao olona araka ny endritsika, misy itovizana amintsika. Ary aoka hanaiky azy ny trondro any an-dranomasina sy ny biby manidina eny amin’ny lanitra sy ny biby fiompy ary ny tany manontolo sy ny biby mandady rehetra mihetsiketsika eny ambonin’ny tany.’ ” (Tian’Andriamanitra hikarakara ny tany sy ny biby àry i Adama, fa tsy hoe ho any an-danitra.)

Gen. 2:16, 17: “I Jehovah Andriamanitra nandidy an-dralehilahy hoe: ‘Afaka mihinana izay laninao amin’ny voan’ny hazo rehetra eo amin’ny zaridaina ianao. Aza ihinananao anefa ny voan’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, fa amin’ny andro ihinananao azy, dia ho faty tokoa ianao.’ ” (Tsy fikasan’i Jehovah ny hahafatesan’ny olona. Izy aza nampitandrina an’i Adama mba tsy hanao zavatra hahafaty azy. Sazy noho ny tsy fankatoavana àry ny fahafatesana, fa tsy fidirana ho amin’ny fiainana tsara kokoa any an-danitra. Raha nankatò i Adama, dia fiainana mandrakizay tao amin’ny Paradisa nomen’Andriamanitra azy no valisoany. Jereo koa ny Isaia 45:18.)

Tsy maintsy mankany an-danitra ve isika vao ho tena sambatra?

Sal. 37:11: “Ny mpandefitra kosa no handova ny tany, ka tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be.”

Apok. 21:1-4: “Nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho ... Nahare feo mafy avy teo amin’ny seza fiandrianana [aho], nanao hoe: ‘Eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra, ary izy hiara-mitoetra amin’izy ireo, ary ireo ho olony, ka Andriamanitra mihitsy no ho eo aminy. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.’ ”

Mika 4:3, 4: “Na izy ireo, na ireo firenena dia samy tsy hanainga sabatra hifamely. Ary tsy hianatra ady intsony koa izy ireo. Dia samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hampangovitra azy, fa ny vavan’i Jehovah Tompon’ny tafika no efa niteny.”

Nitory tamin’ireo maty talohany ve i Jesosy mba hahafahan’izy ireo ho any an-danitra?

Inona no hevitry ny 1 Petera 3:19, 20? “[Fanahy i Jesosy rehefa natsangana tamin’ny maty, ary] nandeha nitory tamin’ireo fanahy tao am-ponja, izay tsy nankatò fahiny, rehefa niandry tamim-paharetana Andriamanitra tamin’ny andron’i Noa, raha mbola namboarina ny sambofiara. Olom-bitsy, eny, olona valo no nentin’izy io ka tafita soa aman-tsara avy tamin’ny rano.” (Tsy nihaino ny fitorian’i Noa ny olona ka matin’ny Safodrano. Fanahin’ireny maty ireny ve ireo “fanahy tao am-ponja” ireo, ary nitory tamin’izy ireo ve i Jesosy mba hahafahan’izy ireo ho any an-danitra? Rehefa ampitahaina amin’ny 2 Petera 2:4 sy Joda 6 ny Genesisy 6:2-4, dia hita fa anjely zanak’Andriamanitra ireo fanahy ireo. Nitafy vatan’olombelona izy ireo ary nanambady, tamin’ny andron’i Noa. Ny teny grika hoe pneomasin no nadika hoe “fanahy”, ao amin’ny 1 Petera 3:19, 20. Anjely tsy nankatò ireo “fanahy” ireo, ary azo antoka fa fanamelohana no notorin’i Jesosy taminy.)

Inona no hevitry ny 1 Petera 4:6? “Noho izao indrindra no nitoriana ny vaovao tsara tamin’ireo maty: Mba hotsaraina amin’ny nofo izy ireo, araka ny fomba fihevitr’olombelona, fa ho velona kosa amin’ny fanahy, araka ny fomba fihevitr’Andriamanitra.” (Olona maty talohan’ny nahafatesan’i Kristy ve ireo “maty” ireo? Efa hitantsika fa tsy ireo “fanahy tany am-ponja” izy ireo, satria anjely tsy nankatò ireny fanahy ireny. Tsy ho nahasoa ny maty koa ny fitoriana taminy, satria “tsy mahalala na inona na inona” ny maty, hoy ny Mpitoriteny 9:5, ary “foana ny eritreriny”, hoy ny Salamo 146:4. Resahin’ny Efesianina 2:1-7, 17 kosa, fa nisy olona maty ara-panahy nefa lasa velona ara-panahy rehefa nanaiky ny vaovao tsara. Miresaka momba ny olona toy izany ny 1 Petera 4:6.)

Milaza ve ny “Testamenta Vaovao” fa ho any an-danitra ny Kristianina rehetra?

Jaona 14:2, 3: “Ao an-tranon’ny Raiko misy fonenana maro. Raha tsy izany, dia ho efa nilazako ianareo satria handeha hanomana toerana ho anareo aho. Ary rehefa handeha aho ka hanomana toerana ho anareo, dia ho avy indray ary handray anareo any amiko, ka izay misy ahy no hisy anareo koa.” (Nilaza i Jesosy fa ho any ‘an-tranon’ny’ Rainy ireo apostoly tsy nivadika, ka hiaraka amin’i Jesosy any an-danitra. Tsy nilaza anefa izy eo hoe firy koa no mbola ho any.)

Jaona 1:12, 13: “Izay rehetra tena nandray azy [Jesosy] dia nomeny fahafahana ho tonga zanak’Andriamanitra, satria nino ny anarany. Ary nateraka izy ireo, nefa tsy nateraky ny ra na ny sitrapon’ny nofo na koa ny sitrapon’ny olona, fa naterak’Andriamanitra.” (Miresaka ny amin’ny Jiosy ireo andininy ireo, raha jerena ny andininy faha-11. Izay Jiosy nandray an’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany dia lasa zanak’Andriamanitra, ka nanantena ny ho any an-danitra. Matoanteny milaza ny lasa anefa no eo amin’ireo andininy ireo. Tsy miresaka momba an’izay rehetra lasa Kristianina tatỳ aoriana àry izy ireo.)

Rom. 8:14, 16, 17: “Izay rehetra tarihin’ny fanahin’Andriamanitra no zanak’Andriamanitra. Ny fanahin’Andriamanitra sy ny saintsika dia miara-manaporofo fa zanak’Andriamanitra isika. Raha zanaka àry isika, dia mpandova koa: Eny tokoa, mpandova an’Andriamanitra, fa mpiara-mandova amin’i Kristy kosa, raha miara-mijaly aminy isika mba homem-boninahitra miaraka aminy koa.” (Marina fa zanak’Andriamanitra daholo ireo notarihin’ny fanahiny, tamin’ny fotoana nanoratana ny bokin’ny Romanina. Nanantena ny homem-boninahitra miaraka amin’i Kristy izy ireo. Tsy voatery ho izany foana anefa. Milaza ny Lioka 1:15 fa ho feno fanahy masina i Jaona Mpanao Batisa. Asehon’ny Matio 11:11 anefa fa tsy ho anisan’ireo hahazo voninahitra ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra izy. Toy izany koa fa rehefa voangona ireo handova ilay Fanjakana any an-danitra, dia hisy olon-kafa hanompo an’Andriamanitra sy hanara-dia ny Zanany, nefa tsy ho any an-danitra.)

Aiza ao amin’ny “Testamenta Vaovao” no milaza fa hiaina mandrakizay eto an-tany ny Kristianina?

Mat. 5:5: “Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.”

Mat. 6:9, 10: “Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao! Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!” (Inona no sitrapon’Andriamanitra momba ny tany? Jereo ny Genesisy 1:28 sy Isaia 45:18.)

Mat. 25:31-33, 40, 46: “Rehefa tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, miaraka amin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianany be voninahitra izy. Dia hangonina eo anatrehany ny firenena rehetra. Ary hanavaka ny olona izy, toy ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy. Ary hametraka ny ondry eo ankavanany izy, fa ny osy eo ankaviany. ... Hamaly [an’ireo ondry] ny mpanjaka hoe: ‘Lazaiko aminareo marina tokoa fa araka izay nataonareo tamin’ny iray amin’ny kely indrindra amin’ireto rahalahiko ireto no nataonareo tamiko.’ Ary ho any amin’ny fandringanana mandrakizay ireo [osy], fa ny olo-marina [ondry] kosa ho any amin’ny fiainana mandrakizay.” (Tsy rahalahin’ilay Mpanjaka ireo “ondry” ireo, ka tsy “nahazo fiantsoana ho any an-danitra.” [Heb. 2:10–3:1] Rehefa mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany anefa i Kristy, dia manao soa amin’ny ‘rahalahiny’ sasany mbola eto an-tany ireo olona toy ny ondry ireo.)

Jaona 10:16: “Manana ondry hafa tsy ao amin’ity vala ity aho. Ireny koa tsy maintsy hoentiko, ary hihaino ny feoko izy, ka ho tonga andiany iray ireo sady ho iray ihany ny mpiandry.” (Iza ireo “ondry hafa” ireo? Mpanara-dia an’i Jesosy Kristy, ilay Mpiandry Tsara, izy ireo, nefa tsy iray vala amin’ireo nanaovana “fifanekena vaovao” manantena ny ho any an-danitra. Ho andiany iray amin’ireo ao anatin’io vala io ihany anefa izy ireo.)

2 Pet. 3:13: ‘Misy lanitra vaovao sy tany vaovao hitoeran’ny fahamarinana, ary izany no andrasantsika, araka ny fampanantenany.’ (Jereo koa ny Apokalypsy 21:1-4.)

Apok. 7:9, 10: “Taorian’izany [taorian’ny nahitan’ny apostoly Jaona an’ireo rehetra “voaisy tombo-kase” izay “novidina avy teto an-tany” mba hiaraka amin’i Kristy eo amin’ny Tendrombohitra Ziona any an-danitra (Apokalypsy 7:3, 4; 14:1-3)], dia nahita aho, ary nisy vahoaka be tsy tambo isaina, avy tamin’ny firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra, nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry, nanao akanjo fotsy lava, ary nisy sampana palmie teny an-tanany. Niantsoantso mafy tsy an-kijanona izy ireo, nanao hoe: ‘Ny famonjena dia azontsika avy amin’Andriamanitsika, izay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana, sy avy amin’ny Zanak’ondry.’ ”

Firy no voalazan’ny Baiboly fa ho any an-danitra?

Lioka 12:32: “Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.”

Apok. 14:1-3: “Hitako ny Zanak’ondry [Jesosy Kristy] nitsangana teo amin’ny Tendrombohitra Ziona [any an-danitra; jereo ny Hebreo 12:22-24], ary nisy efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy niaraka taminy, nanana ny anaran’ny Zanak’ondry sy ny anaran’ny Rainy voasoratra teo amin’ny handrin’izy ireo. ... Ary nihira toa hira vaovao ... izy ireo. Ary tsy nisy nahay izany hira izany, afa-tsy ny efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy, izay novidina avy teto an-tany.”

Jiosy ara-nofo daholo ve ireo 144 000?

Apok. 7:4-8: “Reko ny isan’ireo voaisy tombo-kase, dia efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy, voaisy tombo-kase avy tamin’ny foko rehetran’ny zanak’Israely: Avy tamin’ny fokon’i Joda ... Robena ... Gada ... Asera ... Naftaly ... Manase ... Simeona ... Levy ... Isakara ... Zebolona ... Josefa ... Benjamina.” (Tsy ny fokon’ny Israely ara-nofo ireo, satria tsy nisy ny hoe fokon’i Josefa. Tsy voalaza eo koa ireo fokon’i Efraima sy Dana. Ary voatokana hanompo tao amin’ny tempoly ny Levita ka tsy nisaina ho anisan’ireo foko 12. Jereo ny Nomery 1:4-16.)

Rom. 2:28, 29: “Tsy izay miseho etỳ ivelany no maha Jiosy ny olona iray, ary tsy ny famorana azy eo amin’ny nofo no maha voafora azy. Fa ny ao anaty no maha Jiosy azy, ary voafora fo izy ka ny fanahy no namorana azy, fa tsy ny fehezan-dalàna an-tsoratra.”

Gal. 3:26-29: “Raha ny tena izy, dia zanak’Andriamanitra ianareo rehetra noho ny finoanareo an’i Kristy Jesosy. ... Ary tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy na vavy. Fa olona iray ihany tafaray amin’i Kristy Jesosy ianareo rehetra. Ary raha an’i Kristy ianareo, dia tena taranak’i Abrahama, sady mpandova araka ny fampanantenana.”

Isa an’ohatra fotsiny ve ny 144 000?

Taorian’ny nilazana ilay isa voafaritra tsara 144 000, dia noresahin’ny Apokalypsy 7:9 fa “nisy vahoaka be tsy tambo isaina.” Raha isa an’ohatra fotsiny ny 144 000 mba hilazana olona maro be, dia tsy misy dikany ny ilazana fa “tsy tambo isaina” ilay “vahoaka be.” Ara-bakiteny àry io isa io, mifanaraka amin’ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 22:14 hoe: “Maro no asaina, nefa vitsy no fidina.”

Mankany an-danitra koa ve ny “vahoaka be” resahin’ny Apokalypsy 7:9, 10?

Lazain’ny Apokalypsy fa “novidina avy teto an-tany” mba hiaraka amin’i Kristy eo amin’ny Tendrombohitra Ziona any an-danitra ny 144 000. Tsy voalaza ho toy izany kosa ny “vahoaka be.”—Apok. 14:1-3.

Tsy voatery ho ara-bakiteny ny hoe ‘mitsangana eo anoloan’ny seza fiandrianana sy eo anatrehan’ny Zanak’ondry’, fa midika kosa hoe ankasitrahan’Andriamanitra. (Ampitahao amin’ny Apokalypsy 6:17; Lioka 21:36.) Tsy voatery ho any an-danitra ny hoe ‘eo anoloan’ny seza fiandrianana’ (grika: enôpiôn to trôno, midika ara-bakiteny hoe “eo imason’ny seza fiandrianana”). ‘Eo imason’Andriamanitra’ fotsiny izy ireo, ary any an-danitra Izy no mijery ny zanak’olombelona.—Sal. 11:4; ampitahao amin’ny Matio 25:31-33; Lioka 1:74, 75; Asan’ny Apostoly 10:33.

Tsy ilay “vahoaka be” resahin’ny Apokalypsy 7:9 akory ilay ‘vahoaka be any an-danitra’ resahin’ny Apokalypsy 19:1, 6. Tsy ‘avy amin’ny firenena rehetra’ ilay vahoaka be any an-danitra, ary tsy milaza izy ireo hoe avy amin’ny Zanak’ondry ny famonjena azy. Anjely mantsy izy ireo. Misy heviny samihafa àry ny hoe “vahoaka be”, ao amin’ny Baiboly.—Mar. 5:24; 6:34.

Hanao inona any an-danitra ireo hiakatra any?

Apok. 20:6: “Ho mpisoron’Andriamanitra sy Kristy ireo, ka hiara-manjaka aminy mandritra ny arivo taona.” (Jereo koa ny Daniela 7:27.)

1 Kor. 6:2: “Sa tsy fantatrareo fa hitsara an’izao tontolo izao ny olona masina?”

Apok. 5:10: “Nataonao fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitsika ireo, ka ho mpanjaka hitondra ny tany.”

Iza no mifidy an’ireo ho any an-danitra?

2 Tes. 2:13, 14: “Tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra mandrakariva noho ny aminareo ... izahay, ry rahalahy tian’i Jehovah, satria Andriamanitra nifidy anareo hatrany am-piandohana ho amin’ny famonjena. Eny, nifidy anareo izy tamin’ny nanamasinany anareo tamin’ny alalan’ny fanahy masina sy noho ny finoanareo ny fahamarinana. Ho amin’izany indrindra no niantsoany anareo tamin’ny alalan’ny vaovao tsara torinay, mba hahazoana ny voninahitr’i Jesosy Kristy Tompontsika.”

Rom. 9:6, 16: “Tsy izay rehetra avy amin’ny Israely no tena ‘Israely.’ ... Tsy miankina amin’izay maniry na amin’izay mihazakazaka àry izany, fa miankina kosa amin’Andriamanitra izay mamindra fo.”