Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miteny Amin’ny Fiteny Tsy Fantatra

Miteny Amin’ny Fiteny Tsy Fantatra

Famaritana: Fahaizana manokana nomena ny Kristianina sasany anisan’ny fiangonana voalohany, tamin’ny alalan’ny fanahy masina. Afaka nitory na nidera an’Andriamanitra tamin’ny fiteny hafa ankoatra ny fiteniny izy ireo tamin’izay.

Milaza ve ny Baiboly fa ‘hiteny amin’ny fiteny tsy fantatra’ izay rehetra mahazo ny fanahin’Andriamanitra?

1 Kor. 12:13, 30, Prot.: “Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray ... Manana fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana va izy rehetra? Miteny amin’ny fiteny tsy fantatra [“fiteny samihafa”, TV ] va izy rehetra?” (Jereo koa ny 1 Korintianina 14:26.)

1 Kor. 14:5, Prot.: “Tiako raha samy hiteny amin’ny fiteny tsy fantatra [“fiteny samihafa”, TV ] hianareo rehetra; nefa aleo haminany; fa izay maminany dia lehibe noho izay miteny amin’ny fiteny tsy fantatra, raha tsy mandika teny koa izy hahazoan’ny fiangonana fampandrosoana.”

Nahazo ny fanahy masina ve ny olona iray matoa afaka miteny amin’ny fiteny mbola tsy hainy mihitsy?

Avy amin’Andriamanitra foana ve ny fahaizana “miteny amin’ny fiteny tsy fantatra”?

1 Jaona 4:1: “Ry malala, aza mino izay fanambarana rehetra avy amin’ny fanahy, fa fantaro aloha raha avy amin’ny fanahin’Andriamanitra ireny fanambarana ireny na tsia.” (Jereo koa ny Matio 7:21-23; 2 Korintianina 11:14, 15.)

“Miteny amin’ny fiteny tsy fantatra” ny Pentekotista sy ny Batista. Manao izany koa ny Katolika, ny Episkopalianina, ny Metodista, ny Loteranina, ary ny Presbyterianina. Nilaza i Jesosy fa ‘hitari-dalana ny mpianany ho amin’ny fahamarinana rehetra’ ny fanahy masina. (Jaona 16:13) Mino ve ireo fivavahana “miteny amin’ny fiteny tsy fantatra” ireo fa samy voatarika ho amin’ny “fahamarinana rehetra” izy ireo? Ahoana no hampety an’izany nefa izy ireo aza tsy miray hevitra? Fanahy inona àry no mahatonga azy ireo ‘hiteny amin’ny fiteny tsy fantatra’?

Hoy ny Fikambanana Pentekotista sy ny Konsily Ara-pilazantsaran’ny Eglizy Anglikanina: “Fantatray fa mety hanao toy izany koa ny olona iasan’ny herin’ny maizina na herin’ny demonia.” (Filazantsara sy Fanahy, anglisy, Aprily 1977, p. 12) Milaza ny boky Antokom-pivavahana any Amerika Ankehitriny fa samy “miteny amin’ny fiteny tsy fantatra” ny Pentekotista sy ny mpanompo sampy any Haïti.—(anglisy; natontan’i Irving Zaretsky sy Mark Leone; Princeton, N.J.; 1974), p. 693; jereo koa ny 2 Tesalonianina 2:9, 10.

 Mitovy ve ny ‘fitenenana amin’ny fiteny tsy fantatra’ tamin’ny taonjato voalohany sy ankehitriny?

Nahazo fahaizana mahagaga avy tamin’ny fanahy, toy ny fahaizana “miteny amin’ny fiteny samihafa” (“miteny amin’ny fiteny tsy fantatra”, Prot.), ny fiangonana kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Porofo izany fa izy io indray no nankasitrahan’Andriamanitra, fa tsy ny fivavahana jiosy intsony. (Heb. 2:2-4) Mbola mila porofoina foana anefa ve izany ankehitriny?

Nampandroso haingana ny asa fitoriana nasain’i Jesosy nataon’ny mpianany eran-tany ny fahaizana “miteny amin’ny fiteny samihafa”, tamin’ny taonjato voalohany. (Asa. 1:8; 2:1-11; Mat. 28:19) Ampiasaina toy izany koa ve ny fahaizana “miteny amin’ny fiteny tsy fantatra” ankehitriny?

Rehefa ‘niteny tamin’ny fiteny samihafa’ ireo Kristianina voalohany, dia nahazo izay nolazainy ny olona nahay ilay fiteny. (Asa. 2:4, 8) Tsy misy azo mihitsy anefa ny teniteny lazain’ireo “miteny amin’ny fiteny tsy fantatra” ankehitriny.

Resahin’ny Baiboly fa tokony hoferana ho roa na telo ny olona ‘niteny tamin’ny fiteny samihafa’ tao amin’ny fivoriana kristianina tamin’ny taonjato voalohany, ary tokony “hifandimby” izy ireo. Tokony hangina anefa izy ireo raha tsy nisy mpandika teny. (1 Kor. 14:27, 28) Toy izany koa ve no atao ankehitriny?

Jereo koa ny pejy 160, 161, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Fanahy.”

Ny fanahy masina ve no mitarika an’ireo “miteny amin’ny fiteny tsy fantatra” hilaza zavatra ankoatra ny ao amin’ny Baiboly?

2 Tim. 3:16, 17: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso, hanafaizana araka ny fahamarinana, mba hahatonga ny olon’Andriamanitra ho tena mahay sy ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.” (Tena avy amin’ny fanahy masina ve ny hafatra ampitain’ny olona iray, raha mifanohitra amin’ny fanambaran’ny fanahy tamin’ny alalan’i Jesosy sy ny apostoly?)

Gal. 1:8: “Na izahay, na anjely avy any an-danitra, no mitory vaovao tsara aminareo ankoatra an’ilay vaovao tsara efa notorinay taminareo, dia aoka izy ho voaozona.”

Manana ny fanahin’Andriamanitra ve ireo “miteny amin’ny fiteny tsy fantatra”, raha jerena ny fomba fiainany?

Mampiseho ny vokatry ny fanahy, toy ny fahalemem-panahy sy ny fifehezan-tena, ve izy ireo? Tonga dia mahatsikaritra izany ve izay manatrika ny fotoam-pivavahany?—Gal. 5:22, 23.

“Tsy anisan’izao tontolo izao” ve izy ireo? Manohana tanteraka ny Fanjakan’Andriamanitra ve izy ireo, sa manao politika? Tsy mandray anjara amin’ny ady ve izy ireo? Tsy manahaka ny fitondran-tena ratsin’ity tontolo ity ve izy ireo?—Jaona 17:16; Isaia 2:4; 1 Tes. 4:3-8.

Ny fahaizana “miteny amin’ny fiteny tsy fantatra” ve no amantarana ny tena Kristianina ankehitriny?

Jaona 13:35: “Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.”

1 Kor. 13:1, 8: “Raha miteny amin’ny fitenin’olona sy fitenin’anjely aho nefa tsy manam-pitiavana, dia tonga takela-barahina maneno na kipantsona mikarantsana aho. Tsy ho levona mandrakizay ny fitiavana. Fa na misy aza ny fahaiza-maminany, dia hofoanana izany, ary na misy aza ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa, dia hitsahatra izany.”

Nilaza i Jesosy fa hahazo fanahy masina ny mpianany, ka ho vavolombelony hatrany amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany. (Asa. 1:8) Nandidy azy ireo izy hoe: “Ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra.” (Mat. 28:19) Hoy koa izy: “Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra.” (Mat. 24:14) Iza no manao izany ankehitriny? Araka ny tenin’i Jesosy, tsy tokony ho izany ve no hamantarantsika an’izay manana ny fanahy masina?

Hitohy foana ve ny ‘fitenenana amin’ny fiteny tsy fantatra’, mandra-pahatongan’izay “tanteraka”?

Miresaka momba ny fahaizana mahagaga, toy ny faminaniana sy ny fiteny tsy fantatra ary ny fahalalana, ny 1 Korintianina 13:8 (Prot.). Ny roa amin’ireo no resahin’ny andininy faha-9 hoe: “Sombintsombiny ny fahalalantsika, ary sombintsombiny ny faminaniantsika.” Hoy ny andininy faha-10: “Fa rehefa tonga ny tanteraka, dia tsy hisy sombintsombiny intsony.” Ilay hoe “tanteraka” dia nadika avy amin’ny teny grika hoe teleiôn, izay midika hoe efa lehibe, feno, tanteraka na lavorary. Mandika azy io hoe “feno” ny Kat. sy ny TV. Tsy ilay fahaizana miteny amin’ny fiteny tsy fantatra na fiteny samihafa anefa no lazaina hoe “sombintsombiny”, fa ny ‘faminaniana’ sy ny ‘fahalalana.’ Midika izany fa mbola tsy feno ny fahalalan’ny Kristianina voalohany ny fikasan’Andriamanitra, na dia nanana fahaizana mahagaga aza izy ireo. Ho tonga anefa ilay “tanteraka”, izany hoe ho feno ny fahalalany, rehefa tanteraka ny faminaniana sy ny fikasan’Andriamanitra. Tsy ny fotoana haharetan’ny fitenenana “amin’ny fiteny samihafa” àry no resahina eto.

Asehon’ny Baiboly anefa hoe hatramin’ny oviana ny Kristianina voalohany no ‘niteny tamin’ny fiteny samihafa.’ Rehefa nametra-tanana ireo apostoly na rehefa teo anatrehan’izy ireo foana, vao nisy nahazo io fahaizana io sy ny fahaizana hafa avy amin’ny fanahy. (Asa. 2:4, 14, 17; 10:44-46; 19:6; jereo koa ny Asan’ny Apostoly 8:14-18.) Rehefa maty àry ireo apostoly, ary maty koa ireo nomeny an’ireo fahaizana mahagaga avy amin’ny fanahy, dia azo antoka fa nitsahatra ireny fahaizana ireny. Mifanaraka amin’ny Hebreo 2:2-4 izany, satria resahina ao ny antony nanomezana ireny fahaizana ireny.

Tsy milaza ve ny Marka 16:17, 18 (Prot.) fa amantarana an’ireo mpino ny fahaizany ‘miteny amin’ny fiteny tsy mbola hainy’?

Voalaza ao koa ny hoe mandray menarana sy misotro zava-mahafaty. Manao izany anefa ve ireo “miteny amin’ny fiteny tsy fantatra”?

Jereo ny pejy 173, 174, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Fanasitranana”, izay manazava ny antony tsy aneken’ny manam-pahaizana momba ny Baiboly an’ireo andininy ireo.

Raha misy milaza hoe:

‘Miteny amin’ny fiteny tsy fantatra ve ianareo?’

Azonao valiana hoe: ‘Miteny amin’ny fiteny samihafa ny Vavolombelon’i Jehovah satria samy hafa fiaviana. Tsy miteny amin’ny “fiteny tsy fantatra” anefa izahay. Araka ny hevitrao, mitovy ve ny ‘fitenenana amin’ny fiteny tsy fantatra’ tamin’ny taonjato voalohany sy ankehitriny?’ Azonao ampiana hoe: ‘Hitako ho tena mahaliana ireto fampitahana ireto. (Azo ampiasaina ny fanazavana eo amin’ny  pejy 342.)’

Na hoe: ‘ “Niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra” na “fiteny samihafa” tokoa ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, ary tena nilaina izany tamin’izay. Fantatrao ve ny antony?’ Azonao ampiana hoe: 1) ‘Izany no porofo fa ny fiangonana kristianina indray no nankasitrahan’Andriamanitra, fa tsy ny fivavahana jiosy intsony. (Heb. 2:2-4)’ 2) ‘Fomba nampielezana haingana ny vaovao tsara eran-tany koa izany. (Asa. 1:8)’