Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpaminany Sandoka

Mpaminany Sandoka

Famaritana: Olona na fikambanana mihambo fa avy amin’ny hery mahery noho ny olombelona ny hafatra lazainy. Tsy avy amin’ilay tena Andriamanitra anefa ilay hafatra, sady tsy mifanaraka amin’ny sitrapony.

Ahoana no anavahana ny tena mpaminany amin’ny mpaminany sandoka?

Mitory momba an’i Jesosy ny tena mpaminany. Tsy ampy anefa izany

1 Jaona 4:1-3: “Fantaro aloha raha avy amin’ny fanahin’Andriamanitra ireny fanambarana ireny na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa eo amin’izao tontolo izao. Izao no ahafantaranareo izay fanambarana avy amin’ny fanahin’Andriamanitra: Izay fanambarana rehetra manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo i Jesosy Kristy, dia avy amin’ny fanahin’Andriamanitra. Fa tsy avy amin’ny fanahin’Andriamanitra kosa izay fanambarana rehetra tsy manaiky an’i Jesosy.”

Mat. 7:21-23: “Tsy izay rehetra milaza amiko hoe: ‘Tompo ô, Tompo ô’, no hiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra. Maro no hilaza amiko amin’izany andro izany hoe: ‘Tompo ô, Tompo ô, moa ve izahay tsy efa naminany tamin’ny anaranao ...?’ Hotsoriko aminy anefa amin’izay fotoana izay hoe: Tsy fantatro mihitsy ianareo! Mialà amiko, ianareo mpandika lalàna.”

Miteny amin’ny anaran’Andriamanitra ny tena mpaminany. Tsy ampy anefa izany

Deot. 18:18-20: “Hanendry mpaminany ho azy aho, avy eo amin’ny rahalahiny, dia mpaminany toa anao [toa an’i Mosesy]. Ary hataoko eo am-bavany tokoa ny teniko, ka holazainy amin’izy ireo ny teny rehetra handidiako azy. Ary izay tsy mihaino ny teniko izay holazainy amin’ny anarako, dia izaho mihitsy no hanao ampamoaka azy. Hovonoina ho faty ny mpaminany izay sahisahy ratsy miteny amin’ny anarako ka milaza zavatra tsy nasaiko nolazainy, na koa miteny amin’ny anaran’andriamani-kafa.” (Ampitahao amin’ny Jeremia 14:14; 28:11, 15.)

Hoy i Jesosy: “Tsy manao na inona na inona araka ny nahim-poko aho, fa araka izay nampianarin’ny Ray ahy no ilazako izany.” (Jaona 8:28) Hoy koa izy: ‘Tonga tamin’ny anaran’ny Raiko aho.’ (Jaona 5:43) “Mitady voninahitra ho an’ny tenany mantsy izay miteny araka ny nahim-pony.”—Jaona 7:18.

Tena mpaminany ve ny olona na fikambanana milaza ho misolo tena an’Andriamanitra, nefa tsy mety mampiasa ny anaran’Andriamanitra ary ny heviny manokana foana no lazainy?

Tsy izay mahavita “famantarana lehibe sy fahagagana” no tena mpaminany

Mat. 24:24: “Hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka hanao famantarana lehibe sy fahagagana mba hamitahana hatramin’ny olom-boafidy aza, raha azony atao.”

2 Tes. 2:9, 10: “Ny fanatrehan’ilay tsy tan-dalàna dia araka ny asan’i Satana, miaraka amin’ny fahagagana rehetra, mbamin’ny famantarana sy fambara mandainga rehetra, ary amin’ny famitahana tsy marina rehetra ho an’ireo ho ringana. Izany dia ho valin’ny tsy naneken’izy ireo ny fitiavana ny fahamarinana mba hahavoavonjy azy.”

I Jehovah kosa no nilaza tamin’i Mosesy mba hanao fahagagana. (Eks. 4:1-9) Nanome hery an’i Jesosy hanaovana fahagagana koa izy. (Asa. 2:22) Tsy izay fotsiny anefa no porofo fa tena nirahin’Andriamanitra izy ireo.

 Tanteraka izay nolazain’ny tena mpaminany, na dia tsy fantany aza hoe rahoviana ary amin’ny fomba ahoana

Dan. 12:9: “Mandehana, ry Daniela ô, satria nohazonina ho zava-miafina ny teny, sady nasiana tombo-kase mandra-pahatongan’ny fotoanan’ny farany.”

1 Pet. 1:11: “Nanadihady hatrany [ny mpaminany] hoe rahoviana na hanao ahoana ny fotoana voatondro momba an’i Kristy, araka izay notondroin’ny fanahy masina tao amin’izy ireny, rehefa nambaran’io fanahy io mialoha ny fijalian’i Kristy sy ny voninahitra aorian’izany.”

1 Kor. 13:9, 10: “Ampahany ihany ny fahalalantsika, ary ampahany ihany ny faminaniana ambarantsika, fa rehefa feno izany, dia hofoanana ilay ampahany.”

Ohab. 4:18: “Ny lalan’ny marina kosa dia tahaka ny hazavan’ny maraina izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ny andro.”

Diso hevitra indraindray ny apostoly sy ny Kristianina voalohany, nefa tsy nantsoin’ny Baiboly hoe “mpaminany sandoka.”—Jereo ny Lioka 19:11; Jaona 21:22, 23; Asan’ny Apostoly 1:6, 7.

Nampirisika an’i Davida Mpanjaka hanao izay nirin’ny fony i Natana mpaminany, dia ny hanao trano ho an’i Jehovah. Nirahin’i Jehovah anefa avy eo i Natana hilaza fa tsy i Davida no hanao ilay trano. Tsy neken’i Jehovah ho mpaminany intsony ve i Natana, noho izany? Tsia, mbola nampiasainy foana izy satria nanaiky hahitsy, rehefa nohazavaina taminy ny sitrapon’i Jehovah.—1 Tan. 17:1-4, 15.

Mampandroso ny fivavahana marina ny fanambaran’ny tena mpaminany sady mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra

Deot. 13:1-4: “Raha misy mpaminany na mpanonofy eo aminareo ka milaza famantarana na fambara, ary tanteraka ilay famantarana na fambara nolazainy, fony izy nanao hoe: ‘Andao hanaraka andriamani-kafa tsy fantatrao, ary andao hanompo azy’, dia aza mihaino ny tenin’izany mpaminany na mpanonofy izany, fa mitsapa toetra anareo i Jehovah Andriamanitrareo mba hahalalany raha tia an’i Jehovah Andriamanitrareo amin’ny fonareo manontolo sy ny tenanareo manontolo ianareo. I Jehovah Andriamanitrareo no tokony harahinareo, ary izy no tokony hatahoranareo. Ny didiny no hotandremanareo, ary ny feony no hohenoinareo. Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo.”

Antsoin’ny Baiboly hoe fahavalon’Andriamanitra izay “naman’izao tontolo izao.” Mampandroso ny fivavahana marina àry ve ireo mpitondra fivavahana, raha mampirisika ny mpiangona hiditra amin’ny raharahan’ity tontolo ity? (Jak. 4:4; 1 Jaona 2:15-17) Hoy ilay tena Andriamanitra: ‘Tsy maintsy ho fantatr’ireo firenena fa izaho no Jehovah.’ Milaza koa ny Baiboly fa haka “olona avy amin’ireo” firenena Izy “mba hitondra ny anarany.” Manao zavatra mifanaraka amin’izany ve ireo fivavahana tsy mampiasa ny anaran’Andriamanitra? (Ezek. 38:23; Asa. 15:14) Nasain’i Jesosy nangatahina ny hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Nampitandrina koa ny Baiboly fa tsy tokony hatoky mpitondra olombelona isika. Tena mpaminany àry ve izay mpitondra fivavahana na fikambanana ara-politika mampirisika ny olona hatoky an’ireny mpitondra ireny?—Mat. 6:9, 10; Sal. 146:3-6; ampitahao amin’ny Apokalypsy 16:13, 14.

 Fantatra amin’ny fomba fiainany sy ny an’ny mpanara-dia azy ny tena mpaminany sy ny mpaminany sandoka

Mat. 7:15-20: “Mitandrema amin’ny mpaminany sandoka tonga eo aminareo, fa mitafy hodi-janak’ondry izy ireny nefa ao anatiny ao amboadia mpiremby. Ny voa izay vokariny no hahafantaranareo tsara azy ireny. ... Ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara, ary ny hazo ratsy rehetra kosa mamoa voa ratsy. ... Koa ny voa izay vokariny àry no hahafantaranareo tsara an’ireny olona ireny.”

Manao ahoana ny fomba fiainan’izy ireo? “Ny asan’ny nofo, dia fijangajangana, fahalotoana, fitondran-tena baranahiny, fanompoan-tsampy, filalaovana ody, fifandrafiana, fifamaliana, fialonana, fipoahan’ny fahatezerana, fifandirana, fisaratsarahana, sekta, fitsiriritana, fibobohan-toaka, lanonana feno filibana, ary ny toy ireo. ... Tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra izay mpanao an’ireo. Fa ny vokatry ny [fanahin’Andriamanitra] kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, hatsaran-toetra, finoana, fahalemem-panahy, fifehezan-tena.”—Gal. 5:19-23; jereo koa ny 2 Petera 2:1-3.

Tsy efa nisy diso ve ny fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah?

Tsy mihambo ho mpaminanin’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah. Diso hevitra izy ireo indraindray, toa an’ireo apostolin’i Jesosy ihany.—Lioka 19:11; Asa. 1:6.

Lazain’ny Baiboly ny fomba amantarana ny fotoana hanatrehan’i Kristy, ary mazoto mandalina izany ny Vavolombelon’i Jehovah. (Lioka 21:24; Dan. 4:10-17) Nilaza famantarana misy lafiny maro mifandray amin’ny fahatanterahan’ny faminaniana koa i Jesosy, mba hahalalana hoe iza ilay taranaka hahita ny faran’ny tontolo ratsin’i Satana. (Lioka 21:7-36) Nilaza ny Vavolombelon’i Jehovah fa efa miseho io famantarana io. Marina fa diso hevitra izy ireo indraindray momba izay nantenainy fa hitranga tamin’ny faran’ny vanim-potoana sasany. Mbola mino anefa izy ireo fa tsy maintsy ho tanteraka ny fikasan’i Jehovah, ka mbola miambina foana izy ireo, araka ny torohevitr’i Jesosy hoe: “Miambena hatrany àry ianareo, satria tsy fantatrareo ny andro hiavian’ny Tomponareo.”—Mat. 24:42.

Kely ihany ny fanitsiana nilain’izy ireo natao, raha ampitahaina amin’ny fahamarinana ara-baiboly takatr’izy ireo sy notoriny. Anisan’izany ireto fahamarinana ireto: I Jehovah no hany tena Andriamanitra. Tsy anisan’ny Andriamanitra telo izay iray i Jesosy Kristy, fa Zanaka lahitokan’Andriamanitra. Ny finoana ny sorom-panavotan’i Kristy ihany no ahazoana fanavotana. Tsy andriamanitra ny fanahy masina fa hery ampiasain’i Jehovah, ary tsy maintsy hita eo amin’ny fiainan’ireo tena mpivavaka ny vokatr’izy io. Tsy marina ny nolazain’ny mpanompo sampy fahiny hoe tsy mety maty ny fanahy. Mbola hitsangana kosa ny maty. Navelan’Andriamanitra hisy ny faharatsiana noho ilay adihevitra momba ny zo ho mpanjakan’izao rehetra izao. Ny Fanjakan’Andriamanitra no hany fanantenana ho an’ny olombelona. Nanomboka tamin’ny 1914 ny andro farany ho an’ity tontolo ratsy ity. Kristianina tsy mivadika 144 000 ihany no ho mpanjaka sy mpisorona miaraka amin’i Kristy any an-danitra. Ny sisa amin’ireo olona mankatò kosa hiaina mandrakizay eto amin’ny tany paradisa.

Diniho koa izao: Tena manatsara ny fitondran-tenan’ny olona ve ny fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah? Miavaka noho ny fanaovana ny marina ve ny olona mampihatra azy ireny? Sambatra kokoa ve ny fianakaviany? Nilaza i Jesosy fa ny fifankatiavana no tena amantarana ny mpianany. (Jaona 13:35) Miavaka ve io toetra io eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah? Aleo ny zava-misy no hiteny.

Raha misy milaza hoe:

‘Mpaminany sandoka ny Vavolombelon’i Jehovah, hoy ny pasiteranay’

Azonao valiana hoe: ‘Nasehony anao avy tao amin’ny Baiboly ve hoe inona no zavatra inoanay na ataonay, ka mahatonga anay ho mpaminany sandoka?... Azoko aseho anao ve izay lazain’ny Baiboly momba ny mpaminany sandoka? (Makà hevitra iray na maromaro avy ao amin’ny  pejy 345-349.)’

Na hoe: ‘Ekenao angamba, tompoko, fa tokony hisy porofo ny fiampangana toy izany. Inona, ohatra, no porofo nomen’ny pasiteranareo? (Raha milaza ilay olona fa nisy zavatra nambarantsika nefa tsy tanteraka akory, dia ampiasao ny fanazavana eo amin’ny  pejy 347,  348 sy 349, 350.)’

Na hoe: ‘Raha misy miampanga anao toy izany, dia mino aho fa ho tianao ny hanazava ny hevitrao, sa tsy izany?... Koa azoko aseho anao avy ao amin’ny Baiboly ve ny hoe...?’