Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nofy

Nofy

Famaritana: Eritreritra na sary ao an-tsaina mandritra ny torimaso. Miresaka momba ny nofy voajanahary, nofy avy amin’Andriamanitra, ary nofin’ny mpisikidy, ny Baiboly.—Joba 20:8; Nom. 12:6; Zak. 10:2.

Misy heviny manokana ve ny nofy ankehitriny?

Inona no lazain’ireo mpikaroka momba ny nofy?

Hoy Ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao: “Manonofy ny olona rehetra. Maharitra 100 minitra eo ho eo amin’ny ankapobeny, ny nofin’ny olon-dehibe matory adiny valo.” (1984, Boky Faha-5, p. 279) Voajanahary àry ny nofy.

Hoy ny Dr. Allan Hobson, mpampianatra ao amin’ny Sekoly Fianarana ho Dokotera ao Harvard: “Azon’ny mpitsabo hazavaina araka izay tiany ny nofy ... Tsy ilay nofy anefa no manana heviny manokana, fa ny olona no manome azy izay hevitra tiany.” Hoy koa ny lahatsoratra momba ny siansa tao amin’ny Gazetin’i New York: “Ho an’ny mpandalina momba ny nofy, dia misy fomba maro azo anazavana ny hevitry ny nofy iray, arakaraka ny hevitra tohanan’ilay mpandalina. ... Lavin’ny manam-pahaizana momba ny rafi-pitatitra anefa ankehitriny ny hoe misy heviny manokana ny nofy.”—10 Jolay 1984, p. C12.

Tsy maintsy avy amin’Andriamanitra ve ny nofy toa mampita hafatra manokana?

Jer. 29:8, 9: “Izao mantsy no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika ...: ‘Aza avela hamitaka anareo ny mpaminany sy ny mpisikidy eo aminareo. Ary aza mihaino ny nofiny, izay tantarainy aminareo. Fa “maminany lainga aminareo amin’ny anarako izy, nefa tsy naniraka azy aho”, hoy i Jehovah.’ ”

Hoy ny Diksioneran’i Harper Momba ny Baiboly: “Nitoky tamin’ny nofy ny Babylonianina ka natory tao an-tempoly ny alina talohan’ny handraisana fanapahan-kevitra lehibe, mba hahazoana torohevitra. Natory tao amin’ny toerana masin’i Esculape [andriamanitry ny fitsaboana; bibilava no marika amantarana azy] ny Grika te hahazo toromarika momba ny fahasalamana. Ny Romanina kosa natory tao amin’ny tempolin’ny andriamanitra Sérapis [aseho indraindray ho toy ny bibilava mihorongorona]. Nanoratra boky be tsipiriany momba ny fanazavana ny hevitry ny nofy ny Ejipsianina.”—(anglisy, New York, 1961), Madeleine Miller sy Lane Miller, p. 141.

Mbola manome fampitandremana, toromarika, ary faminaniana amin’ny alalan’ny nofy ve Andriamanitra ankehitriny?

Miresaka momba ny nofy avy amin’Andriamanitra ny Matio 2:13, 19, 20 sy 1 Mpanjaka 3:5 ary Genesisy 40:1-8.

Heb. 1:1, 2: “Fahiny ela be, dia niteny tamin’ny razantsika tamin’ny alalan’ny mpaminany Andriamanitra. Ary imbetsaka sady tamin’ny fomba maro [anisan’izany ny nofy] no nanaovany izany. Amin’izao andro farany izao kosa, dia miteny amintsika amin’ny alalan’ny Zanaka [Jesosy Kristy, ary ao amin’ny Baiboly ny fampianarany] izy.”

1 Kor. 13:8: “Na misy aza ny fahaiza-maminany [ary nisy faminaniana nampitain’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny nofy], dia hofoanana izany.”

2 Tim. 3:16, 17: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana, ... mba hahatonga ny olon’Andriamanitra ho tena mahay sy ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.”

1 Tim. 4:1: “Fa milaza marimarina ny fanambarana avy amin’ny fanahy fa hiala amin’ny finoana ny sasany any aoriana any, satria mihaino fanambarana mamitaka avy amin’ny fanahy [indraindray amin’ny alalan’ny nofy] sy mihaino fampianaran’ny demonia.”