Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Olo-masina

Olo-masina

Famaritana: Olona efa maty ka miaraka amin’i Kristy any an-danitra, araka ny fampianaran’ny Eglizy Katolika, ary eken’ny Eglizy fa manana fahamasinana sy hatsaran-toetra miavaka. Nilaza ny fanekem-pinoana tany Trente fa tokony hivavahana ny olo-masina mba hanelanelana antsika amin’Andriamanitra, ary tokony hankamasinina ny taolam-patin’izy ireny sy ny sariny. Misy fivavahana mangataka fanampiana amin’ny olo-masina. Misy indray milaza fa masina daholo ny mpiangona ao aminy sady tsy misy ota. Imbetsaka ny Baiboly no miresaka ny amin’ny olona masina, izay tsy iza fa ireo Kristianina voahosotra 144 000.

Efa mahazo voninahitra any an-danitra ve ny olona iray vao lazain’ny Baiboly hoe masina?

Milaza tokoa ny Baiboly fa misy masina any an-danitra. Lazainy hoe “Masina [grika: hagiôn]” i Jehovah. (1 Pet. 1:15, 16; jereo ny Levitikosy 11:45.) Antsoiny hoe “ilay masin’Andriamanitra” i Jesosy Kristy tamin’izy teto an-tany, ary hoe “masina [hagiôs]” rehefa lasa tany an-danitra. (Mar. 1:24; Apok. 3:7, Kat.) “Masina” koa ny anjely. (Asa. 10:22, Kat.) Maro anefa ny olona teto an-tany nolazaina hoe masina.

Asa. 9:32, 36-41, Kat.: “Raha namangy ny mpianatra rehetra isan-tanàna i Piera, dia nankao amin’ny olona masina [hagios] izay nonina tao Lidà koa. Ary tany Jope nisy vehivavy anankiray mpianatra atao hoe Tabità [izay maty] ... Nanatrika ny faty [i Piera] nanao hoe: Ry Tabità, mitsangàna. Dia nahirany ny masony, ka nony nahita an’i Piera izy, dia niarina. Ary Piera kosa nanolo-tànana azy, sy nampitsangana azy; dia niantso ny olona masina sy ny mpitondratena, ka nanolotra azy velona tamin’izy ireo.” (Mbola tsy tany an-danitra ireo olona masina ireo, ary tsy olona niavaka toa an’i Petera ihany no natao hoe masina.)

2 Kor. 1:1; 13:12, Kat.: “Paoly Apostolin’i Jeso-Kristy, noho ny sitra-pon’Andriamanitra, sy Timote rahalahy, mamangy ny Eglizin’Andriamanitra izay any Korinto, mbamin’ny olona masina rehetra [hagiôis] eran’i Akaia manontolo.” “Mifanaova veloma amin’ny fanorohana masina. Manao veloma anareo ny olo-masina rehetra.” (Nolazaina hoe masina ny Kristianina voalohany rehetra, izay nodiovina tamin’ny ran’i Kristy sy voatokana hanompo an’Andriamanitra, ary nanantena ho mpiray lova amin’i Kristy. Tsy efa maty akory izy ireo vao nantsoina hoe masina.)

 Mety ve ny mivavaka amin’ny “olo-masina” mba hanelanelana antsika amin’Andriamanitra?

Hoy i Jesosy Kristy: “Mivavaha toy izao hianareo: Rainay any an-danitra.” Tokony hivavaka amin’ny Ray àry isika. Hoy koa i Jesosy: “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako. Ka izay rehetra hangatahinareo amin’ny Ray amin’ny anarako dia hotanterahiko avokoa.” (Mat. 6:9; Jaona 14:6, 13, Kat.) Tsy nilaza mihitsy i Jesosy hoe misy olon-kafa mpanelanelana. Hoy koa ny apostoly Paoly momba an’i Kristy: “Kristy ..., ilay efa maty, fa nitsangana tamin’ny maty, sy mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra ary mifona ho antsika.” “Velona mandrakizay [izy] hanao fifonana” ho an’izay “manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany.” (Rom. 8:34; Heb. 7:25, Kat.) Tokony hanatona an’Andriamanitra mifanaraka amin’izay lazain’ny Teniny àry isika, raha tena tiantsika hohenoiny ny vavaka ataontsika. (Jereo koa ny pejy 338, 339, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Maria.”)

Efes. 6:18, 19, Kat.: “Miambena amin’ny faharetana rehetra, sy amin’ny fivavahana ho an’ny olona masina rehetra; dia ho ahy koa, mba homena ahy ny hiloa-bava an-kasahiana, hampahafantatra ny hevi-miafina ambaran’ny Evanjely.” (Izahay no manao sora-mandry.) (Asaina mivavaka ho an’ny olona masina isika eo, fa tsy amin’izy ireo na amin’ny alalany. Hoy ny Rakipahalalana Katolika Vaovao [1967, Boky Faha-11, p. 670]: ‘Asehon’ny Testamenta Vaovao fa matetika ireo mivavaka irery na any am-piangonana no mivavaka amin’Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Kristy.’)

Rom. 15:30, Kat.: “Mangataka aminareo, amin’ny anaran’i Jeso-Kristy Tompontsika sy ny fitiavana avy amin’ny Fanahy aho, ry rahalahy, hiara-miady amiko, amin’ny fivavahanareo amin’Andriamanitra ho ahy.” (Olona masina ny apostoly Paoly, nefa nasainy nivavaka ho azy ny olona masina hafa. Mariho fa tsy nivavaka tamin’izy ireo i Paoly. Ary mbola nivavaka tamin’ny Ray foana izy, na dia nivavaka ho azy aza ireo olona masina. Ampitahao amin’ny Efesianina 3:11, 12, 14.)

Mety ve ny mankamasina ny taolam-patin’ny “olo-masina” sy ny sarin’izy ireny?

Miaiky toy izao ny Rakipahalalana Katolika Vaovao: “Tsy misy porofo mihitsy ao amin’ny Testamenta Taloha hoe mety ny mankamasina taolam-patin’olo-masina, ary tsy voaresaka ao amin’ny Testamenta Vaovao koa izany. ... Toa nihevitra i Origène [“rain’ny” Eglizy] fa fanaon’ny mpanompo sampy izany fanajana zavatra hita maso izany.”—(1967), Boky Faha-12, p. 234, 235.

Tsara homarihina fa nalevin’Andriamanitra i Mosesy, ka tsy nisy olona nahita ny fasany mihitsy. (Deot. 34:5, 6) Resahin’ny Joda 9 anefa fa nifanditra tamin’ny Devoly momba ny fatin’i Mosesy i Mikaela arkanjely. Fa nahoana? Angamba tian’i Satana ho hitan’olona ilay faty mba hankamasinin’izy ireo, na dia mazava aza fa tsy tian’Andriamanitra hisy hahalala ny toerana nandevenany azy.

Jereo ny loha hevitra hoe “Sary Masina” momba ny fankamasinana ny sarin’ny “olo-masina.”

Nahoana no asiana faribolana mazava manodidina ny lohan’ny “olo-masina”?

Miaiky toy izao ny Rakipahalalana Katolika Vaovao: “Fahita amin’ny sarin’ny olo-masina rehetra ilay faribolana (rahona) mazava manodidina ny lohany. Talohan’ny nahatongavan’i Kristy no niandohan’izany, ary ahitana izany ireo sary nataon’ny Grika mpanompo sampy. Nisy faribolana mazava manodidina ny lohan’ireo andriamanitra sady olona sy ny an’ireo andriamanitra toa an’i Neptune, Jopitera, Bacchus, ary indrindra Apollon (andriamanitry ny masoandro), araka ny hita teo amin’ny sary ... sy ny vola madinika.”—(1967), Boky Faha-12, p. 963.

Hoy Ny Rakipahalalana Britannica Vaovao: “Amin’ireo sary grika sy romanina, dia matetika no misy tara-pahazavana manodidina ny lohan’ilay andriamanitra masoandro Hélios sy ireo mpanjaka romanina. Tsy nanao sary toy izany ireo mpanakanto kristianina tany am-boalohany, satria fanaon’ny mpanompo sampy izany. Nasain’ny mpanjaka kristianina nasiana faribolana ... anefa manodidina ny lohany, teo amin’ny sariny ofisialy. Nasiana faribolana ... koa ny an’i Kristy, rehefa natao ny sariny, nanomboka teo antenatenan’ny taonjato faha-4 ... Efa tamin’ny taonjato faha-6 vao nasiana koa ny an’i Maria Virjiny sy ny olo-masina hafa.”—(1976), Micropædia, Boky Faha-4, p. 864.

Mety ve ny mampiditra fanaon’ny mpanompo sampy eo amin’ny Fivavahana Kristianina?

“Inona no iraisan’ny mazava sy ny maizina? Ary inona no ifanarahan’ny Kristy sy Beliala [Satana]? Na inona no iombonan’ny mpino amin’ny tsy mpino? Inona no ifankahazoan’ny tempolin’Andriamanitra sy ny sampy? Fa isika no tempolin’Andriamanitra velona ... Noho izany, hoy ny Tompo, mialà aminy hianareo, ka misaraha; fa aza mikasika ny maloto; dia horaisiko hianareo, ka izaho ho Rainareo, ary hianareo ho zanako lahy sy ho zanako vavy, hoy ny Tompo mahefa ny zavatra rehetra.”—2 Kor. 6:14-18, Kat.

Mety ho masina daholo ve ny mpanaraka fivavahana iray ka tsy misy ota?

Marina fa masina daholo izay anisan’ny fiangonana kristianina tamin’ny taonjato voalohany. (1 Kor. 14:33, 34; 2 Kor. 1:1; 13:13, Prot.) Nahazo “famelan-keloka” izy ireo ary ‘nohamasinin’Andriamanitra.’ (Asa. 26:18; 1 Kor. 1:2, Prot.) Tsy nilaza anefa izy ireo hoe tsy nisy ota intsony. Taranak’i Adama mantsy izy ireo ka nandova ota. Matetika àry no sarotra tamin’izy ireo ny nanao ny tsara, ary niaiky izany tamim-panetren-tena ny apostoly Paoly. (Rom. 7:21-25) Hoy koa ny apostoly Jaona: “Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika.” (1 Jaona 1:8, Prot.) Na misy aza Kristianina eto an-tany lazaina fa masina, dia tsy midika izany hoe tsy misy ota intsony izy ireo.

Jereo ny pejy 329-333, izay manazava raha olo-masina daholo ny tena Kristianina ankehitriny ka ho any an-danitra.

Raha misy milaza hoe:

‘Mino ny olo-masina ve ianareo?’

Azonao valiana hoe: ‘Iza, ohatra, no tianao holazaina?’ Raha milaza ilay olona hoe Maria sy/na ireo apostoly, dia azonao ampiana hoe: 1) ‘Voaresaka ao amin’ny Baiboly tokoa izy ireo, ary mino an’izay voalaza ao izahay. Inona anefa no ataon’ireo olona masina ireo ankehitriny, ary nahoana no mahakasika antsika izany?... Tena mahaliana ny voalazan’ny Baiboly momba azy ireo, ary tiako hovakina aminao izany. (Apok. 5:9, 10)’ [Fanamarihana: Raha mahagaga an’ilay olona ny hoe “ho mpanjaka hitondra ny tany”, dia azo resahina aminy fa ny Prot. milaza hoe “manjaka ambonin’ny tany”, ny Kat. hoe “manjaka etỳ ambonin’ny tany”, ary ny DIEM hoe “hanjaka etỳ ambonin’ny tany.”] 2) ‘Hanao ahoana ny fiainana eto an-tany rehefa hitondra izy ireo? (Apok. 21:2-4)’

Na hoe (raha nivavaka tamin’ny ‘olo-masina’ ianao taloha): ‘Nankalaza ny fetin’ny olo-masina sy nivavaka tamin’izy ireny aho taloha. Rehefa namaky ny Baiboly anefa aho, dia nisy andininy nampieritreritra ahy. Azoko aseho anao ve ilay izy? (Jereo ny  pejy 354.)’