Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ra

Ra

Famaritana: Ranoka mahavariana mikoriana eran’ny vatan’ny olombelona sy ny ankamaroan’ny biby. Ranoka mahavelona izy io, mitondra oksizenina, manala ny loto, ary anisan’ny miaro ny vatana amin’ny aretina. Tsy mahagaga raha milaza ny Baiboly hoe “ao amin’ny ra ny ain’ny nofo.” (Lev. 17:11) Avy amin’i Jehovah ny aina, ka rariny raha manome toromarika momba ny tokony hampiasana ny ra izy.

Didiana ‘hifady ny ra’ ny Kristianina

Asa. 15:28, 29: “Sitraky ny fanahy masina sy izahay [ny filan-kevi-pitantanan’ny fiangonana kristianina] ny tsy hanampy enta-mavesatra anareo, afa-tsy ireto zavatra tsy maintsy hotandremana ireto: Ny mifady ny zavatra natao sorona ho an’ny sampy, sy ny ra sy ny biby nokendaina [na novonoina nefa tsy nalatsa-dra] ary ny fijangajangana. Hahasoa anareo ny mitandrina tsara ireo zavatra ireo. Mirary soa ho anareo izahay!” (Sanatria antsika ny hanompo sampy na hijangajanga. Mitovy amin’izany anefa ny hoe mihinan-dra.)

Ny hena no azo hanina fa tsy ny ra

Gen. 9:3, 4: “Azonareo atao sakafo ny biby mihetsiketsika rehetra izay velona. Omeko anareo avokoa izy rehetra, toy ny nanomezako anareo ny zava-maitso. Fa izao ihany no tsy azonareo hohanina: Ny nofo misy aina, izany hoe mbola misy ra.”

Tokony halatsa-dra tsara ny biby vao hatao sakafo. Tsy azo hanina ny biby nokendaina, na maty tao anaty fandrika, na efa maty vao hita. (Asa. 15:19, 20; ampitahao amin’ny Levitikosy 17:13-16.) Tsy tokony hohanina koa ny sakafo nasiana ra.

Ny fanaovana sorona ihany no neken’Andriamanitra hampiasana ra

Lev. 17:11, 12: “Ao amin’ny ra ny ain’ny nofo. Ary nasaiko natao teo amin’ny alitara ny ra mba handrakofana ny fahotanareo, satria ny ra no mandrakotra fahotana noho ny aina ao aminy. Izany no nilazako tamin’ny zanak’Israely hoe: ‘Aza misy mihinan-dra ianareo, ary tsy tokony hisy hihinan-dra koa ny vahiny monina eo aminareo.’ ” (Nampiseho mialoha ny soron’i Jesosy Kristy ny sorona biby rehetra notakin’ny Lalàn’i Mosesy.)

Heb. 9:11-14, 22: “Tonga ... i Kristy, izay mpisoronabe ... Tsy ran’osilahy sy ran’ny vantotr’ombilahy no nentiny niditra, fa ny ran’ny tenany mihitsy, ka niditra indray mandeha monja tao amin’ny toerana masina izy, ary nahazo fanafahana mandrakizay ho antsika. Fa raha ny ran’osilahy sy ny ran’ombilahy ary ny lavenom-bantotr’ombivavy izay nafafy teo amin’izay naloto aza manamasina ka tonga hatramin’ny fanadiovana ny nofo, mainka fa ny ran’i Kristy? Nanolotra ny tenany tsy misy tsiny tamin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fanahy mandrakizay mantsy izy, ary ny rany no manadio ny feon’ny fieritreretantsika ho afaka amin’ny asa maty mba hanaovantsika fanompoana masina ho an’ilay Andriamanitra velona. ... Raha tsy misy ra alatsaka dia tsy misy famelan-keloka.”

Efes. 1:7: “Izy io [Jesosy Kristy] no ananantsika ilay fanafahana entin’ny vidim-panavotana amin’ny alalan’ny rany, eny, ahazoantsika ny famelana ny helotsika, araka ny harenan’ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa.”

Ahoana no fahazoan’ny Kristianina voalohany an’ilay didy momba ny ra?

Hoy i Tertullien mpanoratra, velona tamin’ny taona 160-230 tany ho any: “Aoka ianareo ho menatra eo anoloan’ny Kristianina, noho ny zavatra hafahafa ataonareo. Na ny ram-biby aza mantsy tsy haninay. ... Toloranareo [Romanina mpanompo sampy] saosisy voasesika ra ny Kristianina mba hitsapana azy. Efa fantatrareo fa tsy azon’izy ireo atao ny zavatra akanareo fanahy azy mba hampialana azy amin’ny lala-mahitsy. Koa nahoana ianareo no mihevitra fa ho tia ran’olombelona izy ireo, nefa ny ram-biby aza fantatrareo tsara fa maharikoriko azy?”

Hoy koa i Minucius Félix (taonjato fahatelo): “Maharikoriko anay ny ran’olombelona, ka na ny ran’ireo biby azo hanina aza tsy ataonay amin’ny sakafo.”—Ireo Ray Velona Talohan’ny Fanekem-pinoana Tany Nicée (anglisy; Grand Rapids, Mich.; 1956), natontan’i A. Roberts sy J. Donaldson, Boky Faha-4, p. 192.

Fampidiran-dra

Lazain’ny Baiboly hoe fady koa ve ny ran’olona?

Eny, ary izany rahateo no fahazoan’ny Kristianina voalohany azy. “Ny ra” no asaina ‘fadina’ ao amin’ny Asan’ny Apostoly 15:29, fa tsy ny ram-biby ihany. (Ampitahao amin’ny Levitikosy 17:10, izay mandrara ny fihinana ra, “na ran’inona izany na ran’inona.”)

Mitovy amin’ny fihinan-dra tokoa ve ny fampidiran-dra?

Matetika no ampidirina ao amin’ny lalan-dra ny hanina, rehefa tsy afaka misakafo ny marary any amin’ny hopitaly. Tena mankatò an’ilay didy ‘hifady ny ra’ àry ve izay olona manaiky hampidiran-dra, na dia mbola tsy nihinan-dra mihitsy aza? (Asa. 15:29) Eritrereto, ohatra, hoe asain’ny dokotera mifady toaka ny olona iray. Mifady ve ilay olona raha tsy misotro toaka intsony, nefa mampiditra izany ao amin’ny lalan-drany?

Misy fitsaboana hafa azo atao ve raha tsy manaiky hampidiran-dra ny marary iray?

Afaka mampitombo ny ranon-dra (plasma) ny ranoka masira sy ny ranoka Ringer ary ny dextran. Saika ahitana an’ireo ny ankamaroan’ny hopitaly lehibe. Tsy iharan’ny voka-dratsin’ny fampidiran-dra ny olona mampiasa an’ireo. Hoy ny Gazetin’ny Fikambanan’ny Anestezista Kanadianina (anglisy, Janoary 1975, p. 12): “Misy tombony kokoa noho ny fampidiran-dra ny fampiasana solona ranon-dra. Tsy voan’ny aretina azo avy amin’ny bakteria sy ny virosy ny olona mampiasa izany, ary tsy atahorana hoe tsy hahazaka sokajin-dra hafa.” Tsy mandà ny hampiasa solona ranon-dra ny Vavolombelon’i Jehovah.

Tsara kokoa ny fitsaboana azon’ny Vavolombelon’i Jehovah, noho izy ireo tsy manaiky hampidiran-dra. Niaiky toy izao ny dokotera iray, tao amin’ny Gazety Amerikanina Momba ny Fiterahana sy ny Aretim-behivavy (1 Jona 1968, p. 395): “Mihatsara ny fomba fandidianao rehefa tsy afaka manao fampidiran-dra ianao. Mailaka kokoa mantsy ianao hampijanona ny ra very.”

Azo atao tsara ny karazana fandidiana rehetra na dia tsy mampiasa ra aza. Anisan’izany ny fandidiana fo, fandidiana atidoha, fanapahana rantsambatana, ary fanesorana taova voan’ny kansera. Hoy ny Dr. Philip Roen tao amin’ny Gazetim-pitsaboan’i New York (anglisy, 15 Oktobra 1972, p. 2527): “Tsy nisalasala nanao ny karazana fandidiana rehetra izahay, na dia tsy nahazo nampiasa ra hanoloana ny ra very aza.” Hoy koa ny Dr. Denton Cooley, avy amin’ny Fikambanan’ny Mpitsabo Fo any Texas: “Nampiaiky volana anay ny nahita ny vokatra tsara azo tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah [rehefa tsy nampiasa ra izahay mba hampitomboana ranon-dra]. Izany indray àry no nataonay tamin’ireo rehetra narary fo notsaboinay.” Hoy indray ny Gazety Momba ny Fo sy ny Lalan-dra (anglisy, Febroary 1984, p. 5): “Tsy manaiky hampidiran-dra ny Vavolombelon’i Jehovah noho ny finoany. Ny fandidiana an’ireo olon-dehibe avy amin’io sekta io àry no niantombohan’ny fandidiana fo ‘tsy ampiasana ra.’ Lasa azo atao tsara izany izao, na dia zazakely sy ankizy aza no didiana.”

Raha misy milaza hoe:

‘Mpamono olona ianareo! Avelanareo ho faty fotsiny ny zanakareo, noho ianareo tsy manaiky fampidiran-dra’

Azonao valiana hoe: ‘Avelanay hotsaboina ny zanakay, kanefa mifidy fitsaboana azo antoka kokoa izahay, mba tsy hahatonga azy ho voan’ny SIDA, aretin’aty, na tazomoka. Ny fitsaboana tsara indrindra no irinay ho an’ny zanakay, toy izay irin’ny ray aman-dreny rehetra tia zanaka.’ Azonao ampiana hoe: 1) ‘Rehefa be dia be ny ra very, dia mila haverina amin’ny laoniny haingana ny habetsahan’ny ranon-dra. Hainao tsara angamba, tompoko, fa rano ny tena betsaka ao amin’ny ra. Ao koa ny liomena, liofotsy, sy ny sisa. Rehefa betsaka àry ny ra very, dia ny vatana mihitsy no mamokatra liomena sy liofotsy haingana kokoa. Tena ilaina hampitomboina koa anefa ny ranon-dra. Misy ranoka na fanafody tsy misy ra azo ampiasaina amin’izany, ary ekenay ny hampiasana azy ireny.’ 2) ‘Olona an’arivony no efa nampiasa azy ireny, ary tena nisy vokany tsara izany.’ 3) ‘Mbola zava-dehibe kokoa aminay anefa ny voalazan’ny Asan’ny Apostoly 15:28, 29.’

Na hoe: ‘Azoko ny mahatonga anao hilaza izany. Manan-janaka koa angamba ianao e! Irintsika ray aman-dreny mantsy ny hahasalama ny zanatsika. Tsy maintsy misy antony tena lehibe àry, matoa isika tsy manaiky ny hampiasana fitsaboana sasany amin’ny zanatsika.’ Azonao ampiana hoe: 1) ‘Mety hisy vokany eo amin’ny fanapahan-kevitry ny ray aman-dreny sasany ve ity voalazan’ny Asan’ny Apostoly 15:28, 29 ity?’ 2) ‘Mila manontany tena àry isika hoe: Ampy finoana ve aho mba hanarahana ny didin’Andriamanitra?’

‘Tsy mino ianareo hoe mamonjy aina ny fampidiran-dra’

Azonao valiana hoe: ‘Angamba ianao nahare olona na namaky tantara milaza fa mety ho faty ny Vavolombelon’i Jehovah tsy nanaiky fampidiran-dra. Inona anefa no mahatonga anay tsy manaiky hampidiran-dra?’ Azonao ampiana hoe: 1) ‘Vonona ho faty ho an’ny vadinao ve, ohatra, ianao satria tia azy?... Misy koa olona vonona ho faty ho an’ny tanindrazany, ary lazaina fa mahery fo izy ireny. Mbola lehibe lavitra noho ny olona na zavatra etỳ an-tany anefa Andriamanitra. Vonona hamoy ny ainao ho azy ve ianao satria tia azy sy tsy te hivadika aminy?’ 2) ‘Ny Teniny mihitsy mantsy no milaza amintsika mba hifady ny ra. (Asa. 15:28, 29)’

Na hoe: ‘Be dia be ny zavatra fanaon’ny olona, nefa tsy ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Anisan’izany, ohatra, ny lainga, ny fanitsakitsaham-bady, ny halatra, ny fifohana sigara, ary ny fampidiran-dra, araka ny voalazanao teo. Nahoana? Satria manaiky ny Tenin’Andriamanitra izahay.’ Azonao ampiana hoe: 1) ‘Fantatrao ve fa ny Baiboly no milaza hoe tokony ‘hifady ny ra’ isika? Ity ilay andininy milaza izany. (Asa. 15:28, 29)’ 2) ‘Tadidinao angamba fa nilaza tamin’i Adama sy Eva Andriamanitra hoe azon’izy ireo hanina ny voan’ny hazo rehetra tao Edena, afa-tsy ny voan’ny hazo iray ihany. Nihinana an’ilay voankazo voarara anefa izy mivady fa tsy nankatò, ka nafoiny ny zava-drehetra. Hadalana izany! Tsy misy voankazo voarara intsony ankehitriny, kanefa mbola misy zavatra noraran’Andriamanitra taorian’ny Safodrano, tamin’ny andron’i Noa. Tsy inona izany fa ny ra. (Gen. 9:3, 4)’ 3) ‘Manam-pinoana an’Andriamanitra àry ve isika? Raha mankatò azy isika, dia afaka ny ho lasa lavorary sy hiaina mandrakizay rehefa tonga ny Fanjakany. Na maty aza isika, dia manome toky antsika izy fa hanangana antsika.’

‘Ahoana raha milaza ny dokotera hoe: “Ho faty ianao raha tsy ampidiran-dra”?’

Azonao valiana hoe: ‘Raha efa atahorana ho faty ny marary iray, dia azon’ilay dokotera antoka tokoa ve fa tsy ho faty ilay olona, raha ampidiran-dra?’ Azonao ampiana hoe: ‘Afaka mamelona an’izay efa maty anefa Andriamanitra. Tsy hitanao hoe hadalana ve ny handikana ny lalàny, raha efa fantatrao fa ho faty ianao? Tena mino an’Andriamanitra aho. Ary ianao? Mampanantena izy fa hatsangany ireo mino ny Zanany. Matoky izany ve ianao? (Jaona 11:25)’

Na hoe: ‘Mety hilaza izany izy satria tsy hainy ny mitsabo tsy mampiasa ra. Ataonay àry izay ifandraisany amin’ny dokotera manana traikefa amin’ny fitsaboana tsy ampiasana ra, na mitady dokotera hafa izahay.’