Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

(Renin’i Jesosy)

(Renin’i Jesosy)

Famaritana: Ilay vehivavy nofidin’Andriamanitra sy nankasitrahany indrindra, izay niteraka an’i Jesosy. Misy Maria dimy hafa resahin’ny Baiboly. Zanak’i Hely ilay Maria resahina eto, ary taranak’i Davida Mpanjaka avy amin’ny fokon’i Joda. Efa nanana fofombady izy tamin’izy niresahan’ny anjely. Tsy iza izany fa i Josefa, taranak’i Davida avy amin’ny fokon’i Joda.

 Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fitantarana momba an’i Maria?

1) Tokony ho vonona hihaino izay lazain’Andriamanitra amin’ny alalan’ny mpanompony isika, na dia mety hanahiran-tsaina na sarotra inoana aza ilay izy amin’ny voalohany.—Lioka 1:26-37.

2) Mila manana herim-po isika mba hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra, ka mila matoky azy tanteraka. (Jereo ny Lioka 1:38. Asehon’ny Deoteronomia 22:23, 24 mantsy fa nomelohina ho faty ny ankizivavy jiosy bevohoka tsy nanambady.)

3) Tsy miankina amin’ny fari-piainan’ny olona iray no ifidianan’Andriamanitra azy.—Ampitahao ny Lioka 2:22-24 sy ny Levitikosy 12:1-8.

4) Tokony hatao loha laharana foana ny fanompoana an’i Jehovah. (Jereo ny Lioka 2:41; Asan’ny Apostoly 1:14. Tsy voatery nankany Jerosalema niaraka tamin’ny vadiny ny vehivavy jiosy mba hankalaza isan-taona ny Paska. Nandeha foana anefa i Maria.)

5) Tokony hadio fitondran-tena foana isika.—Lioka 1:34.

6) Tokony hazoto hampianatra Baiboly ny zanany ny ray aman-dreny. (Hitantsika ny vokatr’izany tamin’i Jesosy 12 taona. Jereo ny Lioka 2:42, 46-49.)

Tena virjiny ve i Maria tamin’izy niteraka an’i Jesosy?

Tantarain’ny Lioka 1:26-31 (Kat.) fa “Virjiny” atao hoe Maria no nilazan’ny anjely Gabriela hoe: “Hitoe-jaza hianao, ka hiteraka zazalahy, ary Jeso no hataonao anarany.” Milaza toy izao ny andininy faha-34: “Hoy Maria tamin’ilay anjely: Ahoana no hahatongavan’izany, fa tsy mahalala lahy aho [“fa izaho manko virijiny”, DIEM; “nefa izaho tsy nanao firaisana tamin-dehilahy”, TV ]?” Hoy ny Matio 1:22-25 (Kat.): “Ary izany rehetra izany no tonga, dia mba hahatanteraka izay nampilazain’ny Tompo ny mpaminany hoe: Indro ny Virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny anarany hatao hoe Emanoela, izany hoe, amintsika Andriamanitra. Ary rahefa nahatsiaro tamin’ny torimaso Josefa, dia nanao araka izay nandidian’ny Anjely azy ka nampakatra ny vadiny, ary tsy nahalala azy izy ambara-piterany ny Zanany lahimatoa, ary nataony hoe Jeso no anarany.”

Azo inoana ve izany? Ny Mpamorona no nanao ny taovam-pananahana, ka azo antoka fa tsy sarotra taminy ny nampisy zaza niforona tao an-kibon’i Maria tamin’ny fomba mahagaga. Nalain’i Jehovah tany an-danitra ny ain’ilay Zanany lahimatoa sy ny toetoetrany, ka nafindrany tao an-kibon’i Maria. Niaro ny fitomboan’ilay zaza tao ny fanahy masina, na ny hery ampiasain’Andriamanitra, ka teraka lavorary ilay zaza.—Lioka 1:35; Jaona 17:5.

Virjiny foana ve i Maria?

Mat. 13:53-56, Kat.: “Nony tapitra izany fanoharana izany, dia niala teo Jeso, ka nankany amin’ny tany nahabe azy, ary nampianatra tao amin’ny sinagogany; dia gaga ny olona ka nanao hoe: Avy taiza àry no nahazoan’izy io izany fahendrena sy hery izany? Tsy ilay zanaky ny mpandrafitra va io? Tsy Maria va no anaran-dreniny, ary tsy Jakoba, sy Josefa, sy Simona ary Joda va no rahalahiny [grika: adelfôi]? ary moa tsy etỳ amintsika avokoa va ny anabaviny [grika: adelfai] rehetra?” (I Jesosy irery àry ve no zanak’i Maria, sa nanana zanaka lahy sy vavy hafa koa izy?)

Miaiky ny Rakipahalalana Katolika Vaovao (1967, Boky Faha-9, p. 337), fa ny teny grika adelfôi sy adelfai ao amin’ny Matio 13:55, 56 dia “nidika hoe rahalahy sy anabavy iray tam-po. Izany no dikan’izy io tamin’ireo niteny grika tamin’ny andron’ilay Mpanoratra ny Filazantsara, sy tamin’ny mpamaky grika. Nohamafisin’i Helvidius tao amin’ny boky iray nosoratany tamin’ny ... (taona 380 tany ho any) ... fa niteraka zanaka hafa ankoatra an’i Jeso i Maria, ary modely ho an’ny reny maro anaka izy. Nanohitra an’i Helvidius ny Md. Jérôme (tamin’ny taona 383), vokatry ny finoan’ny Eglizy fa virjiny foana i Maria. Mbola eken’ny manam-pahaizana katolika hatramin’izao ny fanazavana [nosoratan’ny Md. Jérôme] tamin’izay.”

Mar. 3:31-35, Kat.: “Tonga ny reniny sy ny rahalahiny, nijanona teo alatrano, ka naniraka nampiantso azy. Fa nisy olona maro nipetraka nanodidina azy, dia nilazana izy natao hoe: Indreo ao alatrano ny reninao sy ny rahalahinao mitady anao. Fa novaliany hoe: Iza moa no reniko sy rahalahiko? Dia nijery izay nipetraka nanodidina azy izy ka nanao hoe: Ireo no reniko sy rahalahiko; fa na iza na iza manao ny sitra-pon’Andriamanitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.” (Hita eo fa hafa ny rahalahin’i Jesosy iray tam-po aminy, ary hafa ny rahalahiny ara-panahy na mpianany. Tsy misy olona milaza fa manana heviny hafa ny hoe renin’i Jesosy. Mitombina àry ve ny filazana fa tsy tena rahalahin’i Jesosy ireo natao hoe rahalahiny, fa angamba zanak’olo-mpiray tam-po aminy? Hafa anefa ny teny grika ilazana ny hoe havana [syggenôn], toy ny ao amin’ny Lioka 21:16.)

Renin’Andriamanitra ve i Maria?

Tsy nilaza tamin’i Maria ilay anjely hoe Andriamanitra ilay zaza haterany. Hoy kosa izy: “Hitoe-jaza hianao, ka hiteraka zazalahy, ary Jeso no hataonao anarany. Ho lehibe izy ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra ... Hatao hoe Zanak’Andriamanitra ny Masina haterakao.”—Lioka 1:31-35, Kat.; izahay no manao sora-mandry.

Heb. 2:14, 17, Kat.: “Koa satria mana-nofo aman-drà ny zaza, dia mba naka izany koa izy [Jesosy] ... Izany no tsy maintsy nanaovana azy mitovy amin’ny rahalahiny amin’ny zavatra rehetra.” (Ho ‘nitovy tamin’ny rahalahiny amin’ny zavatra rehetra’ ve izy raha sady Andriamanitra no olombelona?)

Hoy ny Rakipahalalana Katolika Vaovao: “Tena renin’Andriamanitra i Maria, raha izy tokoa no renin’i Jeso, ary raha tena Andriamanitra i Jeso.” (1967, Boky Faha-10, p. 21) Milaza ny Baiboly fa renin’i Jesosy i Maria, nefa Andriamanitra ve i Jesosy? Efa tamin’ny taonjato fahefatra, ela be taorian’ny nahavitan’ny Baiboly, vao nofaritan’ny Eglizy ny atao hoe Andriamanitra telo izay iray. (Rakipahalalana Katolika Vaovao, 1967, Boky Faha-14, p. 295; jereo ny pejy 43, 44, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Andriamanitra Telo Izay Iray.”) Nolazain’ny Eglizy tao amin’ilay Fanekem-pinoana tany Nicée tamin’izay, fa “tena Andriamanitra” i Jesosy Kristy. Nambarany tao amin’ny Konsilin’i Efezy tamin’ny taona 431, fa Teôtôkôs, izany hoe “niteraka an’Andriamanitra” na “Renin’Andriamanitra”, i Maria. Tsy hita ao amin’ny Baiboly mihitsy anefa izany teny sy hevitra izany. (Jereo ny pejy 292-296, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Jesosy Kristy.”)

Tsy nandova ota mihitsy ve i Maria?

Miaiky toy izao ny Rakipahalalana Katolika Vaovao (1967, Boky Faha-7, p. 378-381) momba ny fiandohan’io finoana io: ‘Tsy mampianatra mivantana ny Soratra Masina hoe tsy nandova ota mihitsy i Maria. Tamin’ireo Rain’ny Eglizy voalohandohany, dia masina i Maria, fa tsy hoe tsy nisy ota mihitsy. Tsy fantatra hoe oviana marina no lasa foto-pinoana ilay hoe tsy nandova ota i Maria. Toa efa neken’ny besinimaro anefa ilay izy tamin’ny taonjato faha-8 na faha-9. ... [Nofaritan’ny Papa Pio Faha-9 tamin’ny 1854 ilay foto-pinoana] “hoe narovana i Maria Virjiny, ilay nohasoavina indrindra, ka tsy voapentin’ny ota mihitsy, raha vao niforona tao an-kibon-dreniny.” ’ Nohamafisin’ny Vatikana II (1962-1965) izany.—Taratasin’ny Vatikana II (New York, 1966) natontan’i W. Abbott, S.J., p. 88.

Hoy ny Baiboly: “Noho izany àry, dia tahaka ny nidiran’ny fahotana tamin’izao tontolo izao tamin’ny olona iray [Adama], sy nidiran’ny fahafatesana noho ny fahotana, ka nifindra tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria nanota avokoa izy rehetra.” (Rom. 5:12, Kat.; izahay no manao sora-mandry.) Anisan’ny nanota koa ve i Maria? Lazain’ny Baiboly fa nanolotra fanatitra noho ny ota tao amin’ny tempoly tao Jerosalema izy, 40 andro taorian’ny niterahany an’i Jesosy, araka ny notakin’ny Lalàn’i Mosesy. Nandova ota sy tsy fahalavorariana tamin’i Adama koa àry izy.—Lioka 2:22-24; Lev. 12:1-8.

Vatana nofo aman-dra ve no nentin’i Maria niakatra tany an-danitra?

Nambaran’ny Papa Pio Faha-12 tamin’ny 1950 fa anisan’ny foto-pinoan’ny Katolika izany. Hoy anefa ny Rakipahalalana Katolika Vaovao (1967, Boky I, p. 972): “Tsy miresaka mivantana momba ny Fiakaran’i Maria any An-danitra ny Baiboly. Manizingizina anefa ny Papa ao amin’ilay fanambarana nataony fa mifototra amin’ny Soratra Masina io fahamarinana io.”

Hoy ny Baiboly: “Tsy mahazo mandova ny fanjakan’Andriamanitra ny nofo aman-drà, ary tsy handova ny tsy fahalòvana ny fahalòvana.” (1 Kor. 15:50, Kat.) Nilaza i Jesosy hoe “Andriamanitra dia fanahy.” Lasa fanahy indray i Jesosy rehefa natsangana tamin’ny maty, ka “fanahy mahavelona” izy izao. Fanahy koa ny anjely. (Jaona 4:24; 1 Kor. 15:45; Heb. 1:13, 14, Kat.) Aiza ho aiza ao amin’ny Baiboly no milaza fa afaka ny hiaina any an-danitra ny vatana nofo aman-dra? (Jereo ny pejy 240-242, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Fitsanganana Amin’ny Maty.”)

Mety ve ny mivavaka amin’i Maria mba hanelanelana antsika amin’Andriamanitra?

Hoy i Jesosy Kristy: “Mivavaha toy izao hianareo: Rainay any an-danitra.” Hoy koa izy: “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako. ... Izay rehetra hangatahinareo amin’ny Ray amin’ny anarako dia hotanterahiko avokoa.”—Mat. 6:9; Jaona 14:6, 13, Kat.; izahay no manao sora-mandry.

Misy mihevitra fa hahatakatra tsara izay manjo antsika sy hangoraka antsika kokoa ny Ray raha vehivavy no mpanelanelana, fa tsy i Jesosy Kristy. Hoy anefa ny Baiboly momba ny Ray: “Sahala amin’ny fangoraky ny ray ny zanany, no fangorak’Iaveh an’izay matahotra azy. Satria fantany izay iforonantsika, tsaroany fa vovoka ihany isika.” “Andriamanitra mamindra fo sy miantra” izy, “mahari-po sy be hatsaram-po amam-pahamarinana.” (Sal. 103:13, 14; Eks. 34:6, Kat.) Hoy koa izy io momba an’i Kristy: “Tsy mpisorombe tsy mahalala mangoraka ny fahalementsika no antsika; fa efa nalaim-panahy tahaka antsika tamin’ny zavatra rehetra izy, afa-tsy ny fahotana. Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pahatokiana, mba hahazoantsika famindram-po, sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin’ny andro ilàntsika izany.”—Heb. 4:15, 16, Kat.

Mety amin’ny tena Kristianina ve ny mankamasina ny sarin’i Maria?

Nampirisihin’ny Vatikana II (1962-1965) ny fanaovana izany. Hoy izy io: “Ampirisihin’ity Synoda masina indrindra ity ... ny zanaky ny Eglizy rehetra mba hivavaka amin’ilay Virjiny Nohasoavina, indrindra fa mandritra ny fotoam-pivavahana. Tokony hoheverina ho sarobidy ny fivavahana aminy, araka ny nampirisihin’ny mpampianatry ny Eglizy hatramin’izay, ary tokony harahina ireo didy navoaka taloha momba ny fankamasinana ny sarin’i Kristy, sy ilay Virjiny Nohasoavina, ary ireo olo-masina.”—Taratasin’ny Vatikana II, p. 94, 95.

Jereo ny hoe “Sary Masina”, pejy 374-378, mba hahitana ny valiny omen’ny Baiboly.

Nanome voninahitra manokana an’i Maria ve ny Kristianina voalohany?

Tsy niresaka momba an’i Maria mihitsy ny apostoly Petera. Tsy nampiasa ny anarany koa ny apostoly Paoly, fa nilaza azy fotsiny hoe ‘vehivavy.’—Gal. 4:4.

Ahoana no fihetsik’i Jesosy tamin’ny reniny?

Jaona 2:3, 4, Kat.: “Lany ny divay [tao amin’ilay fampakaram-bady tany Kana] ka hoy ny renin’i Jeso taminy: Tsy manan-divay izy ireo. Ary hoy i Jeso taminy: Izaho sy hianao moa no ahoana amin’izany, ravehivavy? Tsy mbola tonga ny fotoako.” (Nanaiky an-dreniny sy ny rainy nitaiza azy i Jesosy tamin’izy mbola kely. Efa lehibe anefa izy teo ka nanda ny soso-kevitr’i Maria. Hentitra nefa tsara fanahy izy tamin’izay. Nanaiky tamim-panetren-tena ny fanitsiany i Maria.)

Lioka 11:27, 28, Kat.: “Raha nilaza izany izy [Jesosy], dia nisy vehivavy anankiray niantso teo afovoan’ny vahoaka ka nanao taminy hoe: Sambatra ny kibo izay nitondra anao sy ny nono izay ninonoanao! Fa vao mainka sambatra aza, hoy Jeso, izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina azy.” (Ho azon’i Jesosy natao tsara teo ny nanome voninahitra manokana an-dreniny, nefa tsy nanao izany izy.)

Ahoana no niandohan’ny fivavahana amin’i Maria?

Hoy ilay petra katolika atao hoe Andrew Greeley: “Anisan’ny tena ankamasinin’ny Tandrefana i Maria ... Ny fankamasinana an’i Maria no mampifandray mivantana ny fivavahana kristianina sy ny fivavahana fahiny tamin’ny andriamanibavy reny.”—Ny Tantaran’ireo Papa 1978 (anglisy, Etazonia, 1979), p. 227.

Mariho koa hoe taiza no nohamafisina ilay fampianarana hoe Renin’Andriamanitra i Maria. “Nalaza ho mpivavaka tamin’i Artemisy, izay nantsoin’ny Romanina hoe Diana, ny tanànan’i Efezy. Nilatsaka avy any an-danitra, hono, ny sarin’i Artemisy, ka notehirizina tao amin’ilay tempoly lehibe natokana ho an’ilay Reny Lehibe tamin’ny taona 330 T.K. Tao amin’io tempoly io, hono, no nisy trano nivahinian’i Maria. Ary tao amin’ny eglizin’ny Theotokos no nivorian’ny Konsilin’i Efezy tamin’ny taona 431. Tsy mahagaga àry raha tany i Maria no nomena ilay anaram-boninahitra hoe ‘niteraka an’Andriamanitra.’ ”—Ny Fivavahana Amin’ny Andriamanibavy Reny (anglisy, New York, 1959), E. James, p. 207.

Raha misy milaza hoe:

‘Mino an’i Maria Virjiny ve ianareo?’

Azonao valiana hoe: ‘Milaza mazava ny Soratra Masina fa virjiny ny renin’i Jesosy Kristy, ary mino izany izahay. Andriamanitra no Rain’i Jesosy. Tena Zanak’Andriamanitra àry ilay zaza teraka, araka ny nolazain’ilay anjely tamin’i Maria. (Lioka 1:35)’ Azonao ampiana hoe: ‘Fantatrao anefa ve hoe nahoana no tsy maintsy nateraky ny virjiny i Jesosy?... Izany ihany no fomba azony nanomezana vidim-panavotana hanafahana antsika amin’ny ota sy fahafatesana.—1 Tim. 2:5, 6; ary angamba Jaona 3:16.’

Na hoe: ‘Ie, mino izany izahay. Inoanay izay rehetra lazain’ny Baiboly momba an’i Maria, ohatra hoe virjiny izy rehefa niteraka an’i Jesosy. Tena mampahery koa ny zavatra hafa lazain’izy io momba an’i Maria, sy izay azontsika ianarana avy aminy. (Ampiasao ny fanazavana ao amin’ny  pejy 334.)’

‘Tsy mino an’i Maria Virjiny ianareo’

Azonao valiana hoe: ‘Misy tokoa olona tsy mino hoe virjiny no niteraka ny Zanak’Andriamanitra. Izahay kosa anefa tena mino an’izany. (Sokafy izay bokintsika miresaka momba izany, ka asehoy an’ilay tompon-trano.)’ Azonao ampiana hoe: ‘Inona koa anefa no tokony hataontsika raha te ho voavonjy isika?... Mariho izao nolazain’i Jesosy tao amin’ny vavaka izao. (Jaona 17:3)’