Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sabata

Sabata

Famaritana: Avy amin’ny teny hebreo hoe shavat, izay midika hoe “miala sasatra, mitsahatra.” Anisan’ny Sabata notakin’ny Lalàn’i Mosesy ny fitandremana andro iray isan-kerinandro sy andro manokana ao anatin’ny taona, sy ny taona fahafito, ary ny taona fahadimampolo. Manomboka aorian’ny filentehan’ny masoandro ny zoma ka mifarana aorian’ny filentehan’ny masoandro ny asabotsy, ny Sabatan’ny Jiosy isan-kerinandro ataony ny andro fahafito. Olona maro mitonona ho Kristianina no miala sasatra sy mivavaka ny alahady, fa ny hafa kosa ny asabotsy toy ny fanaon’ny Jiosy.

Tsy maintsy mitandrina Sabata isan-kerinandro ve ny Kristianina?

Eks. 31:16, 17: “Tsy maintsy tandreman’ny zanak’Israely ny sabata, eny, hotandremany hatramin’ny taranany fara mandimby. Fifanekena mandritra ny fotoana tsy voafetra [“fanekena mandrakizay”, Prot.] izany. Famantarana eo amiko sy amin’ny zanak’Israely mandritra ny fotoana tsy voafetra izany.” (Famantarana teo amin’i Jehovah sy ny Israely ihany ny Sabata, fa tsy natao ho an’ny olona rehetra. Ny hoe “mandrakizay” [Prot.] dia nadika avy amin’ny teny hebreo hoe ‛ôhlam, izay midika hoe fe-potoana tsy voafetra na tsy fantatra, nefa maharitra. Mety haharitra mandrakizay ilay fe-potoana, nefa tsy voatery ho izany koa. Ampiasaina ao amin’ny Nomery 25:13, ohatra, io teny hebreo io mba hilazana ny asa fisoronana. Nifarana ihany anefa io asa io, araka ny Hebreo 7:12.)

Rom. 10:4: “Kristy no faran’ny Lalàna, mba hambara ho marina izay rehetra mino.” (Notakin’ny Lalàna ny fitandremana Sabata. Nampiasain’Andriamanitra hamarana ny Lalàna anefa i Kristy. Ny finoana an’i Kristy àry no mahatonga antsika ho olo-marina eo anatrehan’Andriamanitra, fa tsy ny fitandremana ny Sabata isan-kerinandro.) (Jereo koa ny Galatianina 4:9-11; Efesianina 2:13-16.)

Kol. 2:13-16: “Tsara fanahy [Andriamanitra] ka namela ny helotsika rehetra. Ary novonoiny ilay sora-tanana nisy didy maro, izay niampanga antsika sy nanameloka antsika. ... Koa aoka tsy hisy hitsara anareo ny amin’ny fihinanana sy ny fisotroana, na ny andro fety na ny fankalazana tsinam-bolana, na fitandremana sabata.” (Nitora-bato an’izay nanazimbazimba ny Sabata ny fiangonana manontolo, araka ny Lalàn’i Mosesy ao amin’ny Eksodosy 31:14 sy Nomery 15:32-35. Tokony ho faly àry ireo mikiry mitandrina ny Sabata fa tsy eo ambanin’io Lalàna io intsony. Asehon’ny Kolosianina 2:13-16 eto fa tsy voatery mitandrina ny Sabata intsony izay te hahazo sitraka amin’Andriamanitra.)

Nahoana no nanjary mivavaka alahady ny fivavahana maro milaza azy ho Kristianina?

Marina fa natsangana tamin’ny andro voalohany amin’ny herinandro, antsoina ankehitriny hoe alahady, i Kristy. Tsy milaza anefa ny Baiboly hoe tokony hohamasinina io andro io.

Ny alahady no natokan’ny Romanina ho an’ny andriamanitra masoandro (die Solis). Hoy ilay boky hoe Tantaran’ny Fiangonana Tatsinanana: “Ny fanakambanana ny zavatra ninoan’ny Mpanompo Sampy sy ireo [mihambo ho] Kristianina no tena antony nihazonana ilay anarana avy amin’ny mpanompo sampy hoe ‘Dies Solis’ na ‘Sunday’ [alahady], ho an’ilay fety kristianina isan-kerinandro. Izany no nahatonga an’i Constantin hamoaka didy [tamin’ny taona 321] ho an’ny vahoakany rehetra, na Mpanompo Sampy na Kristianina, mba hihevitra ny andro voalohany amin’ny herinandro ho ‘andro masin’ny Masoandro.’ ... Toy izany no fanaon’i Constantin rehefa nampiray an’ireo fivavahana tsy nifanara-kevitra tao amin’ny Fanjakany izy.”—(anglisy, New York, 1871), A. Stanley, p. 291.

Nasaina nitandrina ny Sabata ve i Adama sy ny taranany?

Resahin’ny Genesisy 2:1-3 fa nitsahatra tamin’ny asa famoronana teto an-tany i Jehovah Andriamanitra, rehefa avy nanomana ny tany mba honenan’ny olombelona. Tsy milaza anefa ny Baiboly hoe nodidiany hitandrina ny andro fahafito ho sabata isan-kerinandro i Adama.

Deot. 5:15: “Tsarovy fa andevo tany Ejipta ianao [Israely], ka tanana mahery sy sandry nahinjitra no nitondran’i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka avy tany. Izany no antony nandidian’i Jehovah Andriamanitrao anao hitandrina foana ny andro sabata.” (Ny nanafahana ny Israely tany Ejipta no antony nanomezan’i Jehovah ny lalàna momba ny Sabata, fa tsy noho izay nitranga tany Edena.)

Eks. 16:1, 23-29: “Farany, dia tonga tany an-tany efitr’i Sina ... [ny zanak’Israely], tamin’ny andro fahadimy ambin’ny folon’ny volana faharoa, taorian’ny nivoahany avy tany Ejipta. Dia hoy i Mosesy: ‘Izay mihitsy no nolazain’i Jehovah. Hisy fankalazana sabata rahampitso, dia sabata masina ho an’i Jehovah. ... Enina andro ianareo no haka [ny mana], fa sabata kosa ny andro fahafito ka tsy hisy.’ ... Hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: ... ‘Tadidio fa nanome anareo ny sabata i Jehovah!’ ” (Efa nisy fito andro ny herinandro tsirairay talohan’izay, nefa tamin’io vao nisy fankalazana sabata.)

Mizara ho lalàna momba ny “fombafomba” sy ny “fitondran-tena” ve ny Lalàn’i Mosesy, ka ilay momba ny “fitondran-tena” (ny Didy Folo) no tokony hotandreman’ny Kristianina?

Nasehon’i Jesosy ve fa nizara roa ny Lalàna?

Mat. 5:17, 21, 23, 27, 31, 38: “Aza mihevitra hoe tonga hanafoana ny Lalàna na ny Mpaminany aho. Tsy tonga hanafoana aho, fa hanatanteraka.” Hoy i Jesosy avy eo: “Efa renareo fa voalaza tamin’ny olona fahiny hoe: ‘Aza mamono olona [Eks. 20:13: Didy Fahenina] ...’ Raha mitondra fanomezana ho eo amin’ny alitara [Deot. 16:16, 17; tsy anisan’ny Didy Folo] àry ianao ... Efa renareo fa voalaza hoe: ‘Aza manitsakitsa-bady [Eks. 20:14: Didy Fahafito].’ Voalaza koa hoe: ‘Izay misaraka amin’ny vadiny, dia tokony hanome azy taratasy fisaraham-panambadiana [Deot. 24:1; tsy anisan’ny Didy Folo].’ Efa renareo fa voalaza hoe: ‘Maso ho solon’ny maso ary nify ho solon’ny nify [Eks. 21:23-25; tsy anisan’ny Didy Folo].’ ” (Tsy navahan’i Jesosy tamin’ny lalàna hafa àry ny Didy Folo. Tsy izany koa ve no tokony hataontsika?)

Rehefa nanontaniana i Jesosy hoe “Mpampianatra ô, inona no didy lehibe indrindra ao amin’ny Lalàna?”, moa ve izy namaly hoe ny Didy Folo? Hoy kosa izy: “ ‘Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo.’ Izany no didy lehibe indrindra sady voalohany. Ny faharoa, izay toy izany ihany, dia izao: ‘Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.’ Ireo didy roa ireo no fototry ny Lalàna manontolo sy ny Mpaminany.” (Mat. 22:35-40) Ny Deoteronomia 6:5 sy Levitikosy 19:18 no notononin’i Jesosy teo. Manaiky izany teniny izany anefa ve ireo milaza fa ny Didy Folo (Deot. 5:6-21) ihany sisa no tokony hotandreman’ny Kristianina?

Lazain’ny Baiboly mivantana ve fa anisan’ny Lalàn’i Mosesy hofoanana koa ny Didy Folo?

Rom. 7:6, 7: “Ankehitriny kosa dia afaka amin’ny Lalàna isika, satria efa maty ny amin’izay nihazonana mafy antsika ... Inona àry no holazaintsika? Ota ve ny Lalàna? Sanatria izany! Tsy ho nahafantatra ny ota anefa aho raha tsy noho ny Lalàna. Ohatra, tsy ho fantatro ny fitsiriritana, raha tsy ny Lalàna no nanao hoe: ‘Aza mitsiriritra.’ ” (Rehefa nilaza i Paoly fa “afaka amin’ny Lalàna” ny Kristianina jiosy, inona no lalàna notononiny? Ny Didy Fahafolo. Anisan’ny Lalàna nofoanana koa àry io didy io.)

 2 Kor. 3:7-11: “Ary ilay fehezan-dalàna mitondra fahafatesana sy nosoratana teo amin’ny vato dia niseho tamim-boninahitra, ka tsy afa-nibanjina ny tarehin’i Mosesy ny zanak’Israely noho ny voninahitry ny tarehiny, izay voninahitra hofoanana. Koa raha izany, tsy vao mainka ve tokony ho be voninahitra ny fanomezana ny fanahy? ... Raha ilay hofoanana aza nampidirina tamim-boninahitra, mainka fa ilay mitoetra! Hitoetra amim-boninahitra tokoa izy.” (“Tsy afa-nibanjina ny tarehin’i Mosesy ny zanak’Israely” rehefa nomena azy ireo ilay fehezan-dalàna “nosoratana teo amin’ny vato.” Inona izany fehezan-dalàna izany? Ny Didy Folo, izay nosoratana teo amin’ny vato, araka ny Eksodosy 34:1, 28-30. Anisan’ny “hofoanana” koa àry ny Didy Folo.)

Koa satria nofoanana ny Lalàn’i Mosesy, anisan’izany ny Didy Folo, midika ve izany fa tsy misy fitsipi-pitondran-tena mifehy intsony?

Tsia! Naverina ao amin’ny Soratra Grika Kristianina ny ankamaroan’ny fitsipi-pitondran-tena tao amin’ny Didy Folo. (Tsy naverina kosa ilay lalàna momba ny Sabata.) Na tsara toy inona aza anefa ny lalàna, dia handika azy io foana ny olona iray raha mbola ao am-pony ihany ny faniriana mafy hanota. Ahoana kosa ny amin’ilay fifanekena vaovao, izay nisolo ny fifaneken’ny Lalàna? Hoy ny Hebreo 8:10: “ ‘Fa izao no fifanekena hataoko amin’ny taranak’Israely, rehefa afaka izany andro izany’, hoy i Jehovah: ‘Hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony. Dia ho Andriamaniny aho, ary izy ireo ho oloko.’ ” Mandaitra kokoa noho ny lalàna nosoratana teo amin’ny takela-bato ny lalàna toy izany!

Rom. 6:15-17: “Hanota ve isika satria tsy ambanin’ny lalàna fa nanehoana hatsaram-panahy tsy manam-paharoa? Sanatria izany! Tsy fantatrareo angaha fa raha manolo-tena ho mpanompon’ny olona iray ianareo ka mankatò azy, dia lasa mpanompony satria mankatò azy, izany hoe, na mpanompon’ny ota izay mitarika ho amin’ny fahafatesana, na mpanompon’ny fankatoavana izay mitarika ho amin’ny fahamarinana? Isaorana anefa Andriamanitra fa na mpanompon’ny ota aza ianareo taloha, dia tonga mpankatò amin’ny fonareo, eny, mpankatò ilay karazam-pampianarana nankinina taminareo.” (Jereo koa ny Galatianina 5:18-24.)

 Midika ho inona ho an’ny Kristianina ilay Sabata isan-kerinandro?

Misy “sabata fitsaharana” isan’andro ho an’ny Kristianina

Hoy ny Hebreo 4:4-11: “Ary nilaza ny andro fahafito [Andriamanitra] ao amin’ny andinin-teny anankiray [Genesisy 2:2], manao hoe: ‘Ary nitsahatra tamin’ny asany rehetra Andriamanitra tamin’ny andro fahafito’, ary hoy koa izy ao amin’ity andininy ity [Salamo 95:11]: ‘Tsy hiditra amin’ny fitsaharako ireo.’ Koa satria mbola azo atao ny miditra amin’izany fitsaharana izany, sady tsy niditra koa ireo nitoriana ny vaovao tsara tamin’ny voalohany noho izy ireo tsy nankatò, dia manondro andro iray indray izy rehefa nilaza tao amin’ny salamon’i Davida [Salamo 95:7, 8], ela be tatỳ aoriana, hoe: ‘Anio’, araka ny efa voalaza tetsy aloha hoe: ‘Raha mihaino ny feony ianareo anio, dia aza manamafy ny fonareo.’ Fa raha nentin’i Josoa tany amin’ny toeram-pitsaharana tokoa izy ireo, dia tsy ho niresaka andro iray hafa Andriamanitra taorian’izany. Koa mbola misy sabata fitsaharana ho an’ny olon’Andriamanitra. Fa izay olona niditra tamin’ny fitsaharan’Andriamanitra dia nitsahatra tamin’ny asany koa, tahaka ny nitsaharan’Andriamanitra tamin’ny asany. Koa aoka isika hanao izay rehetra azontsika atao mba hidirana amin’izany fitsaharana izany, sao hisy amintsika koa ho latsaka ao amin’ny tsy fankatoavana mitovy amin’izany.”

Tokony hitsahatra amin’ny inona ny Kristianina? Amin’ny “asany.” Asa inona? Asa nanamarinany tena taloha. Nihevitra izy ireo taloha fa ny fanarahana fitsipika sy didy sasany no hahazoany sitraka amin’Andriamanitra sy fiainana mandrakizay. Diso hevitra toy izany ireo Jiosy tsy nino, izay ‘nitady hanamarina ny tenany, ka tsy nanaiky ny fahamarinan’Andriamanitra.’ (Rom. 10:3) Fantatry ny tena Kristianina anefa fa nandova ota ny rehetra, ka ny finoana ny sorom-panavotan’i Kristy ihany no hahatonga ny olona iray ho olo-marina eo anatrehan’Andriamanitra. Miezaka handray am-po sy hampihatra izay rehetra nampianarin’i Kristy izy ireo. Manaiky ny torohevitra sy fananarana avy ao amin’ny Baiboly koa izy ireo. Tsy mihevitra anefa izy ireo hoe hankasitraka azy Andriamanitra ho tambin’izany rehetra izany. Manao izany kosa izy ireo ho porofon’ny fitiavany sy ny finoany. Tsy manao toa an’ireo Jiosy izay ‘latsaka tao amin’ny tsy fankatoavana’ àry izy ireo.

Tsy andro iray misy 24 ora ilay “andro fahafito” resahin’ny Genesisy 2:2. (Jereo ny pejy 154, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Famoronana.”) Tsy andro iray monja koa ilay “sabata fitsaharana” ho an’ny tena Kristianina, fa isan’andro. Mahita fitsaharana isan’andro tokoa izy ireo, satria mino sy manaraka ny torohevitry ny Baiboly. Ary hahita fitsaharana tanteraka izy ireo ao amin’ny tontolo vaovao.

Hisy “sabata” fitsaharana arivo taona

Mar. 2:27, 28: “Hoy koa [i Jesosy] tamin’ireo: ‘Ny sabata no natao ho an’ny olona, fa tsy ny olona no natao ho an’ny sabata. Noho izany, dia Tompon’ny sabata ny Zanak’olona.’ ”

Fantatr’i Jesosy fa nataon’i Jehovah ho famantarana teo aminy sy ny Israely ny Sabata, mba hialan’izy ireo sasatra tamin’ny asa mafy. Fantany koa fa ny fahafatesany no hanafoana ny Lalàn’i Mosesy, satria nanatanteraka ny Lalàna izy. Takany fa “aloky ny zavatra tsara ho avy” ny Lalàna, izay nitaky ny hitandremana ny Sabata. (Heb. 10:1; Kol. 2:16, 17) Anisan’ireny “zavatra tsara” ireny ny “sabata” iray amin’ny hoavy, ary i Jesosy no Tompon’izy io.

Tompon’ny tompo i Kristy, ka ho mpanjakan’ny tany mandritra ny arivo taona. (Apok. 19:16; 20:6; Sal. 2:6-8) Efa nanao fanasitranana mahagaga tamin’ny andro Sabata izy teto an-tany. Hanao toy izany amin’ny olombelona koa àry izy mandritra ny Fanjakany Arivo Taona. (Lioka 13:10-13; Jaona 5:5-9; 9:1-14) Handray soa avy amin’izany “sabata” arivo taona izany ireo tena mahafantatra ny dikan’ny Sabata.

Raha misy milaza hoe:

‘Tsy maintsy mitandrina ny Sabata ny Kristianina’

Azonao valiana hoe: ‘Azoko fantarina ve ny antony ilazanao izany?’ Azonao ampiana hoe: ‘Izay lazain’ny Baiboly tokoa no tokony harahintsika, sa tsy izany?... Ireto misy andininy tiako hovakina aminao. (Ampiasao izay fanazavana teo aloha hitanao fa mety.)’

‘Nahoana ianareo no tsy mitandrina ny Sabata?’

Azonao valiana hoe: ‘Sabata inona no tianao horesahina? Fantatrao ve fa miresaka momba ny sabata maromaro ny Baiboly?... Nomen’Andriamanitra ny Jiosy ireo lalàna momba ny Sabata. Fantatrao anefa ve fa tokony hitandrina Sabata hafa ny Kristianina?’ Azonao ampiana hoe: 1) ‘Tsy mitandrina Sabata isan-kerinandro izahay, satria resahin’ny Baiboly fa ‘nofoanana’ ny lalàna momba izany. (2 Kor. 3:7-11; jereo ny fanazavana eo amin’ny  pejy 370.)’ 2) ‘Misy sabata tandremanay foana anefa. (Heb. 4:4-11;  jereo ny pejy 371, 372.)’