Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sary Masina

Sary Masina

Famaritana: Matetika no sarin’olona na sarin-javatra. Sampy anefa ny sary ivavahana. Lazain’ireo miankohoka eo anoloan’ny sary masina fa tsy ilay sary no tena ivavahany fa ilay asehon’izy io. Maro ny fivavahana tsy kristianina mampiasa sary masina. Hoy ny Rakipahalalana Katolika Vaovao (1967, Boky Faha-7, p. 372), momba ny fanaon’ny Katolika: “Koa satria ilay olona asehon’ilay sary no iantefan’ilay vavaka, dia azo ivavahana toa an’ilay olona ihany ny sariny.” Tsy mampianatra izany ny Baiboly.

Inona no lazain’ny Baiboly momba ny fanaovana sary hivavahana?

Eks. 20:4, 5, Kat.: “Tsy hanao sarin-javatra voasokitra ho anao, na sary fampisehoana ny zavatra eny amin’ny lanitra ambony, na ny eny amin’ny tany ambany, na ny any amin’ny rano ambanin’ny tany. Tsy hiankohoka eo anatrehan’ireny na hanompo azy akory hianao, fa izaho Iaveh Andriamanitrao dia Andriamanitra saro-piaro.” (Izahay no manao sora-mandry.) (Voarara ny manao sary sy ny miankohoka eo anatrehan’ireny.)

Lev. 26:1, Kat.: “Aza manao sampy; aza manangan-tsary voasokitra, na tsangam-baton-tsampy [“tsangambato masina”, TV ], na manorina vato voaravaka sarin-javatra eo amin’ny taninareo, hiankohofanareo eo anatrehany; fa izaho no Iaveh Andriamanitrareo.” (Tsy tokony hisy hanangana sary hivavahan’ny olona.)

2 Kor. 6:15, 16, Kat.: “Inona no ifankahazoan’ny tempolin’Andriamanitra sy ny sampy? Fa isika no tempolin’Andriamanitra velona.”

1 Jaona 5:21, Kat.: “Anaka, tandremo fandrao manompo sampy hianareo.”

Mety ve ny mampiasa sary masina, mba hanampiana antsika hivavaka amin’Andriamanitra?

Jaona 4:23, 24, Kat.: “Ho avy ny andro, ... izay hivavahan’ny mpivavaka marina amin’ny Ray amin’ny fanahy sy fahamarinana, fa ny mpivavaka aminy toy izany no tadiavin’ny Ray. Andriamanitra dia fanahy, ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin’ny fanahy sy fahamarinana.” (Tsy mivavaka amin’Andriamanitra “amin’ny fanahy” ireo mampiasa sary masina, satria mila zavatra hita maso izy ireo vao mivavaka.)

2 Kor. 5:7, Kat.: “Finoana moa no andehanantsika, fa tsy fahitana.”

Isaia 40:18, Kat.: “Ampitovinareo amin’inona àry Andriamanitra, ary sarin’inona no hamboarinareo ho azy?”

Asa. 17:29, Kat.: “Raha taranak’Andriamanitra àry isika, dia tsy tokony hino fa ny fomban’Andriamanitra dia mitovy amin’ny volamena, na ny volafotsy, na ny vato izay nataon’ny tànana amam-pahaizan’ny olombelona.”

Isaia 42:8, Kat.: “Izaho no Iaveh, izany no anarako; ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa. Ny fanajana ahy, tsy ho an’ny sampy [“sarin-javatra voasokitra”, Prot.].”

Tokony hankamasina “olo-masina” na hampiasa ny sariny ve isika rehefa mivavaka amin’Andriamanitra?

Asa. 10:25, 26, Kat.: “Vao niditra Piera, dia notsenain’i Kornely, ka sady niankohoka teo an-tongony izy no nitsaoka azy. Fa nasain’i Piera nitsangana izy, nataony hoe: Mitsangàna, fa olona ihany aho.” (Ny hiankohofana teo anatrehany aza tsy tian’i Petera, mainka fa ny handohalehany eo anoloan’ny sariny? Jereo koa ny Apokalypsy 19:10.)

Jaona 14:6, 13, Kat.: “Hoy Jeso ...: Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako. Ka izay rehetra hangatahinareo amin’ny Ray amin’ny anarako dia hotanterahiko avokoa.” (Nilaza i Jesosy fa amin’ny alalany ihany no ahafahantsika manatona ny Ray, ary tokony hatao amin’ny anarany ny fangatahantsika.)

1 Tim. 2:5, Kat.: “Iray monja Andriamanitra, ary iray ihany no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olombelona, dia ny Kristy Jeso tonga olombelona.” (Tsy misy mpanelanelana hafa ankoatra an’i Kristy.)

Jereo koa ny pejy 354, 355, eo ambanin’ny loha hevitra hoe “Olo-masina.”

Izay asehon’ilay sary ve no ivavahana, sa misy sary heverina ho ambony kokoa?

Ahoana no fiheverana an’ilay sary masina? Arakaraka izany mantsy no ilazana fa “sary” fotsiny ilay izy na efa lasa “sampy.”

Raha misy maromaro ny sarin’ilay ivavahana, moa ve ilay mpivavaka mihevitra fa sarobidy kokoa na ambony kokoa ny sary sasany? Raha izany no fiheviny, dia ilay sary mihitsy no ivavahany. Nahoana tokoa no misy manao fivahiniana masina any amin’ny toerana sasany? Satria misy sary heveriny ho manana hery “mahagaga” any. Hoy ilay mpitondra fivavahana atao hoe i Yves Delaporte momba ireo sarin’i Maria ao amin’ny katedralin’i Chartres, any Frantsa: ‘Misy amin’izy ireo natao sokitra, nolokoana, na eo amin’ny varavarankely fitaratra miloko. Tsy mitovy anefa ny lazan’izy ireo. Telo monja no tena ivavahana: Ilay eo ambanin’ny andohalambo, ilay eo amin’ny andry, ary ilay eo amin’ny fitaratra tsara tarehy.’ (Ireo Maria Virjiny Telo ao Amin’ny Katedralin’i Chartres, frantsay) Raha i Maria anefa no tena ivavahana fa tsy ny sariny, nahoana no misy sariny heverina ho masina kokoa?

Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny sary ivavahana?

Jer. 10:14, 15, Kat.: “Menatra noho ny amin’ny sampiny ... ny mpanao azy, fa fitaka foana ny sary anidina nataony, tsy manam-pofon’aina akory ireny. Zava-poana sy asa famitahana ireny.”

Isaia 44:13-19, Kat.: “Ny mpanao taozavatra amin’ny hazo manenjana ny kofehy, manoritra ny endri-javatra amin’ny pensily, manamboatra azy amin’ny fandraka, mandrefy azy amin’ny kompà. Manao azy hanan’endrik’olona, ilay endrika tsara, izay endriky ny olombelona, mba hamponenany azy ao an-trano. Misy olona mandeha hikapa sedera; maka sena sy oaka izy; mifidy amin’izay hazo any an’ala; na mamboly sedera hampanirin’ny ranonorana. Izany hazo izany dia hataon’ny olona kitay, misy halainy hamindroany, misy koa ampirehetiny handrahoan-kanina; misy koa ataony andriamanitra hivavahany; misy hanaovany sampy, dia iankohofany eo anoloany. Ny antsasany nodorany tamin’ny afo; ny antsasany andrahoany hena ho azy, manatsatsika hena izy, dia mivoky. Mamindro koa izy ka manao hoe: Adre! mihamafana aho izany; mahatsiaro ny hafanan’ny afo aho izany! Ny sisan’izany anaovany andriamanitra ho azy, sampy ho azy, dia miankohoka izy, mivavaka aminy, ary eo anatrehany izy dia mangataka manao hoe: Vonjeo aho, fa andriamanitro hianao! Tsy mahalala na mahafantatra na inona na inona izy ireo, fa voatentina ny masony ka tsy mahita, ary ny fony koa, ka tsy mahazo an-tsaina. Ary tsy mieritreritra ao am-pony izy, tsy mba manan-tsaina na manam-pahalalana ka hanao anakampony hoe: Efa nodorako tamin’ny afo ny antsasany, efa nanendy mofo tamin’ny vain’afo aho, efa nanatsatsika hena aho, dia nihinana; ka ny sisan’izany va hanaovako fahavetavetana, hiankohofako eo anatrehan’izay vatan-kazo foana!”

Ezek. 14:6, Kat.: “Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Miverena hianareo; mialà amin’ny sampin-dozanareo [“sampinareo maharikoriko”, TV ]; ary mihambohoa tsy hanatri-tava ny fahavetavetanareo rehetra.”

Ezek. 7:20, Kat.: “Ireo firavany izay nihaingoany, dia nataony reharehany; namoronany ny fahavetavetany, dia ny sampiny. Koa dia hovako ho zezika daholo izany rehetra izany.”

Ahoana no tokony hiheverana ny sary masina nankamasinintsika taloha?

Deot. 7:25, 26, Kat.: “Dory amin’ny afo ny sarin’ny andriamaniny voasokitra; aza mitsiriritra izay volafotsy na volamena eny aminy, na maka izany ho anao, fandrao ho fandrika ho anao izany, fa fahavetavetana eo imason’Iaveh Andriamanitrao izany. Ka aza mampiditra fahavetavetana ao an-tranonao, fandrao dia voaozona ho anatema toa azy koa hianao; aoka ho zavatra halanao indrindra, ho zava-betaveta indrindra aminao izany, fa zava-boaozona ho anatema.” (Tsy mahazo mamotika sary masin’olona ny mpanompon’i Jehovah. Hita eo anefa hoe ahoana no tokony hiheverany ny sary masina nankamasininy taloha, izay mbola ao aminy. Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 19:19.)

1 Jaona 5:21, Kat.: “Anaka, tandremo fandrao manompo sampy hianareo.”

Ezek. 37:23, Kat.: “Tsy handoto tena intsony izy ... amin’ny sampiny vetaveta ... Izy ireo ho vahoakako, ary izaho ho Andriamaniny.”

Ahoana no hiafaran’ireo mivavaka amin’ny sary masina?

Deot. 4:25, 26, Kat.: “Raha miharatsy hianareo, ka manao sarin-javatra voasokitra ho anareo, na sarin’inona izany na sarin’inona, ka manao izay ratsy eo imason’Iaveh Andriamanitrareo, mba hampahatezitra azy, dia miantso ny tany aman-danitra aho anio ho vavolombelona hiampanga anareo, fa ... haringana mihitsy [hianareo].” (Tsy niova hevitra Andriamanitra. Jereo ny Malakia 3:5, 6.)

1 Kor. 10:14, 20, Kat.: “Noho izany, ry malala, halaviro ny fanompoan-tsampy. ... Ny zavatra aterin’ny jentily ho fanatitra, dia ataony sorona amin’ny demony, fa tsy amin’Andriamanitra, ka tsy tiako ho mpiombona amin’ny demony hianareo.”

Apok. 21:8, Kat.: “Fa ny kanosa kosa, sy ny tsy mino, ny tsy valahara, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny mpimasy, ny mpanompo sampy, mbamin’ny mpandainga rehetra, dia any amin’ny farihy afo aman-tsolifara mirehitra no ho anjarany; izany no fahafatesana faharoa.”

Sal. 115:4-8, Kat.: “Ny sampin’izy ireo dia volafotsy sy volamena, asan-tanan’olombelona. Manam-bava fa tsy miteny izy, mana-maso fa tsy mahita izy, manan-tsofina fa tsy mahare, manan’orona fa tsy manimbolo, manan-tànana fa tsy mandray, manan-tongotra fa tsy mamindra. Ny tendany tsy amoahany feo akory. Hanahaka azy anie izay nanao azy mbamin’izay rehetra mitoky aminy!”