Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tany

Tany

Famaritana: Misy heviny maromaro ny hoe “tany” ao amin’ny Baiboly. Matetika izy io no ilazana ity tany onenantsika ity, izay nasian’i Jehovah ny zava-drehetra ilaina mba hahavelona sy hahafa-po antsika. Misy heviny an’ohatra koa anefa ny hoe “tany”, toy ny hoe mponina eto an-tany, na olona maromaro manana toetra mampiavaka azy.

Ho potika amin’ny ady niokleary ve ny tany?

Inona no lazain’ny Baiboly fa fikasan’Andriamanitra momba ny tany?

Mat. 6:10: “Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!”

Sal. 37:29: “Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.”

Jereo koa ny Mpitoriteny 1:4; Salamo 104:5.

Mety hanapotika tanteraka ity tany ity ve ireo firenena, noho izy ireo tsy miraharaha ny fikasan’Andriamanitra?

Isaia 55:8-11: “[Hoy i Jehovah:] Fa toy ny haavon’ny lanitra raha oharina amin’ny tany, ny haavon’ny lalako raha oharina amin’ny lalanareo, sy ny hevitro raha oharina amin’ny hevitrareo. ... Tsy hiverim-potsiny atỳ amiko ny teniko, fa hanatanteraka izay sitrako ary hahomby amin’izay andefasako azy.”

Isaia 40:15, 26: “Toy ny rano indray mitete avy amin’ny siny ireo firenena [amin’i Jehovah Andriamanitra], ary toy ny vovoka manify eo amin’ny mizana no fiheverana azy. ... ‘Asandrato ny masonareo, ka mijere! Iza no nahary ireny zavatra ireny [ny masoandro, ny volana, ny kintana an’arivony tapitrisa]? Tsy iza fa Ilay toy ny mpitari-tafika izay mibaiko an’ireny araka ny isany, sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy. Noho Izy manana tanjaka sy hery lehibe, dia tsy misy banga ireny.’ ” (Mampahatahotra ny olona ny fitaovam-piadiana niokleary amboarin’ireo firenena. Manana hery niokleary goavam-be anefa ireo kintana an’arivony tapitrisa. Iza no namorona sy mifehy ireny kintana ireny? Tsy ho hain’ny Mpamorona ve ny hisakana an’ireo firenena tsy hampiasa fitaovam-piadiana niokleary, raha manohintohina ny fikasany izany? Azo antoka fa hanao izany izy, toy ny nandringanany ny tafik’i Ejipta, rehefa tsy nety nanafaka ny Israely i Farao.—Eks. 14:5-31.)

Apok. 11:17, 18: “Misaotra anao izahay, Jehovah Andriamanitra ô, ilay Mahery Indrindra, Ilay ankehitriny sy taloha, satria noraisinao ny fahefanao lehibe ka efa nanomboka nanjaka ianao. Tezitra anefa ireo firenena. Ary tonga ny fahatezeranao sy ny fotoana voatondro ... handringanana izay manimba ny tany.”

Holevonin’Andriamanitra amin’ny afo ve ny tany?

Manamarina izany ve ny 2 Petera 3:7, 10 (Prot.)? “Izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin’izany teny izany ho amin’ny afo ka tehirizina ho amin’ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy. Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron’ny Tompo, ary amin’izany ny lanitra dia ho lasa amin’ny firimorimoana mafy, ary ho levon’ny afo ny tenan’ny zavatra rehetra, ka hodorana [“hodorana”, Kat., DIEM, JM; “hibaribary”, TV ] avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy.” (Fanamarihana: “Hibaribary” no hita ao amin’ny Codex Sinaiticus sy ny Sora-tanana Vaticanus No. 1209 tamin’ny taonjato faha-4. Ny Codex Alexandrinus tamin’ny taonjato faha-5 sy ny Vulgate nohavaozina tamin’ny taonjato faha-16 no nanao hoe “hodorana.”)

Milaza ve ny Apokalypsy 21:1 (Prot.) fa ho potika ity tany ity? “Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony.”

Tokony hifanaraka amin’ny teny manodidina sy ny Baiboly manontolo ny fanazavana ireo andininy roa ireo

Raha toa ireo andininy roa ireo midika hoe ho levon’ny afo ny tany ara-bakiteny, dia tokony ho levon’ny afo koa ny lanitra ara-bakiteny (ny kintana sy ny zavatra hafa eny). Mifanohitra amin’ny fanomezan-toky ao amin’ny Matio 6:10, Salamo 37:29 sy 104:5 ary Ohabolana 2:21, 22 anefa izany. Ary hampaninona ny masoandro sy ny kintana efa mahamay be moa ny afo? Hafa àry ny hevitry ny hoe “tany” eo amin’ireo andininy roa ireo.

Manana heviny an’ohatra ny hoe “tany” ao amin’ny Genesisy 11:1 sy 1 Mpanjaka 2:1, 2 sy 1 Tantara 16:31, sns. Olombelona no heviny ao amin’ireo. Mety ho izany koa ve ny heviny ao amin’ny 2 Petera 3:7, 10 sy Apokalypsy 21:1?

Mariho fa miresaka momba ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa ny 2 Petera 3:5, 6 (sy 2:5, 9). Ringana daholo ny ratsy fanahy tamin’izay, fa ry Noa mianakavy ihany no tsy maty, ary tsy potika ny tany. Resahin’ny 2 Petera 3:7 (Prot.) koa fa ny “ratsy fanahy” no horinganina. Ny ratsy fanahy àry no tiana holazaina amin’ny hoe “tany” ao amin’io andininy io. Mifanaraka amin’izay voalazan’ny andininy hafa izany, toy ireo andininy maromaro etsy ambony. Io “tany” an’ohatra io, izany hoe ireo ratsy fanahy, no “hibaribary.” Hahariharin’i Jehovah mantsy ny faharatsian’ny olona tsy matahotra Azy, ka ho hita fa mendrika ny haringana tanteraka izy ireo. Ny ratsy fanahy koa ilay “tany voalohany” resahin’ny Apokalypsy 21:1 (Prot.).

Araka izany, dia manana heviny an’ohatra ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Lioka 21:33 (“ny lanitra sy ny tany ho levona, fa...”). Toy izany koa ny hoe “ny lanitra taloha sy ny tany taloha” voalazan’ny Apokalypsy 21:1.—Jereo koa ny Matio 24:35.

Hakarina any an-danitra ve ny olo-marina, ary haverina eto an-tany indray rehefa ringana ny ratsy fanahy?

Milaza izany ve ny Apokalypsy 21:2, 3? Izao no voalaza ao: “Hitako koa ilay tanàna masina, dia i Jerosalema Vaovao, nidina avy any an-danitra avy any amin’Andriamanitra sady efa voaomana tahaka ny ampakarina mihaingo hihaona amin’ny vadiny. Tamin’izay aho dia nahare feo mafy avy teo amin’ny seza fiandrianana, nanao hoe: ‘Eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra, ary izy hiara-mitoetra amin’izy ireo, ary ireo ho olony, ka Andriamanitra mihitsy no ho eo aminy.’ ” (Hitafy nofo ve Andriamanitra satria lazaina hoe “hiara-mitoetra” amin’ny olombelona sady “ho eo aminy”? Tsia, satria hoy i Jehovah tamin’i Mosesy: “Tsy misy olona afaka mahita ahy ka mbola ho velona ihany.” [Eks. 33:20] Tsy hiverina ho olombelona eto an-tany koa ireo anisan’i Jerosalema Vaovao. Inona àry no dikan’ny hoe “ho eo” amin’ny olombelona Andriamanitra, sy ny hoe ‘hidina avy any an-danitra’ i Jerosalema Vaovao? Manampy antsika hahazo ny hevitr’izany ny Genesisy 21:1 [Prot.]. Voalaza ao fa “namangy” an’i Saraha i Jehovah, rehefa nanome azy zanaka na dia efa antitra aza i Saraha. Milaza koa ny Eksodosy 4:31 [Prot.] fa “namangy” ny firenen’ny Israely Andriamanitra, rehefa naniraka an’i Mosesy hanafaka azy ireo. Resahin’ny Lioka 7:16 [Kat.] fa “namangy” ny olony Andriamanitra rehefa nanompo teo amin’izy ireo i Jesosy. Milaza kosa ny dikan-teny hafa hoe “nitsinjo” [TV ] ny olony Izy. Ny dikan’ny Apokalypsy 21:2, 3 àry dia hoe ‘hamangy’ ny olombelona, na ho eo aminy Andriamanitra, amin’ny heviny hoe hampiasa an’i Jerosalema Vaovao any an-danitra izy mba handrotsahana fitahiana amin’ny olombelona mpankatò.)

Ohab. 2:21, 22, Prot.: “Ny olona mahitsy no honina amin’ny tany, ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao; fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin’ny tany, ary ny mpivadika hongotana.” (Izahay no manao sora-mandry.) (Tsy voalaza eo hoe hiverina eto an-tany ny tsy manan-tsiny, fa kosa hoe ‘hitoetra ao.’)

Niova ve ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany?

Gen. 1:27, 28: “Namorona ny olona araka ny endriny Andriamanitra, eny, araka ny endrik’Andriamanitra no namoronany azy. Lahy sy vavy no namoronany azy ireo. Ary nitso-drano azy ireo Andriamanitra, ka niteny taminy hoe: ‘Manàna taranaka, ary mihabetsaha ka mamenoa ny tany. Anjakao ny tany, ary aoka hanaiky anareo ny trondro any an-dranomasina sy ny biby manidina eny amin’ny lanitra ary ny zavamananaina rehetra mihetsiketsika eny ambonin’ny tany.’ ” (Tian’Andriamanitra hameno ny tany àry ny taranak’i Adama sy Eva, ka hanao ny tany ho paradisa. Nataon’Andriamanitra vita tsara ity tany ity mba honenan’ny olombelona, ary nataony miavaka fa tsy mitovy amin’ny planeta hafa. Dia ho niova hevitra ve izy ka tsy hotanterahiny intsony ilay fikasany, satria fotsiny hoe nanota i Adama?)

Isaia 45:18: “Izao no nolazain’i Jehovah, ilay Mpamorona ny lanitra, Ilay tena Andriamanitra, ilay Mpamolavola ny tany sy Mpanao azy, Ilay nanao azy ho mafy orina, ary tsy hoe tsy misy antony ny namoronany azy fa nataony honenana: ‘Izaho no Jehovah, ary tsy misy hafa.’ ” (Jereo koa ny Isaia 55:10, 11.)

Raha tsy misy maty intsony ao amin’ny tontolo vaovao, ho antonona ny olona rehetra ve ny tany?

Tadidio fa nitso-drano toy izao Andriamanitra tamin’izy nilaza ny fikasany momba ny tany: “Manàna taranaka, ary mihabetsaha ka mamenoa ny tany.” (Gen. 1:28) Andriamanitra no namorona ny olona ho afaka miteraka. Rehefa tanteraka àry ny fikasany momba ny tany, dia ho afaka hampitsahatra ny fiterahana izy.

Iza no homen’Andriamanitra fiainana mandrakizay eto an-tany?

Zef. 2:3: “Mitadiava an’i Jehovah ianareo mpandefitra rehetra amin’ny tany, izay mankatò ny didim-pitsarany. Katsaho ny fahamarinana, katsaho ny fandeferana. Angamba ho voafina ianareo amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.”

Sal. 37:9, 11: “Izay manantena an’i Jehovah no handova ny tany. ... Ny mpandefitra ... no handova ny tany, ka tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be.”