Teraka Indray ao Amin’ny Vatana Hafa
Famaritana: Finoana hoe teraka indray ao amin’ny vatan’olona na biby ny “fanahin’ny” maty. Tsy mampianatra izany ny Baiboly.
Raha misy olona na toerana sambany vao hitanao nefa toa efa fantatrao, midika ve izany fa efa nisy ianao taloha?
Efa nitranga ve ny hoe noheverinao fa olona fantatrao ny olon-kafa iray? Maro koa no efa sendra an’izany. Fa nahoana? Satria misy olona mitovitovy fihetsika na hoatran’ny kambana mihitsy aza. Koa na toa fantatrao aza ny olona iray mbola tsy hitanao mihitsy hatramin’izay, dia tsy midika izany hoe efa nisy ianao talohan’ny nahaterahanao ka tamin’izay no nahafantaranao azy.
Nahoana no hoatran’ny efa hitanao ny trano na tanàna iray mbola tsy nalehanao mihitsy? Efa nipetraka tany ve ianao taloha? Trano maro no mitovitovy firafitra. Toy izany koa ny fanaka amboarina any amin’ireo tanàna mifanalavitra be. Misy koa toerana mifanalavitra nefa mitovy be. Tsy mahagaga àry raha misy toerana na trano na olona mbola tsy hitanao mihitsy, nefa toa efa fantatrao.
Raha ampiasana hipnotisma ny olona iray ka milaza hoe efa velona tany ho any talohan’ny nahaterahany, azo inoana ve izany?
Toy ny hoe matory ny olona ampiasana hipnotisma, nefa afaka mahita sy mandre ary miresaka tsara. Tsy tompon’ny tenany anefa izy fa lasa mora baikoina. Betsaka no azo tovozina avy any amin’ny fitadidiany lalina any. Inona anefa no ao amin’ilay fitadidiany? Zavatra novakiny tao amin’ny boky, na hitany tamin’ny filma sy tele, ohatra, nefa toy ny hoe niainany mihitsy. Na, zavatra tena nataony taloha ela be ka hadinony. Mety hotsaroany indray ilay izy rehefa ampiasana hipnotisma izy, ka mety hihevitra izy hoe nataony tany amin’ny “fiainana hafa” ilay izy. Raha marina anefa
izany, nahoana no tsy mahatsiaro zavatra toy izany ny olona rehetra? Tsara homarihina fa mihamaro ny fitsarana tampony any amin’ireo fanjakana any Etazonia, no tsy manaiky ny fanambaran’ny olona ampiasana hipnotisma. Nilaza, ohatra, ny Fitsarana Tampon’i Minnesota tamin’ny 1980, fa “tsy misy manam-pahaizana afaka mamantatra raha marina na diso na nisy noforomporonina ny zavatra tadidin’ilay olona ampiasana hipnotisma. Tsy azo porofoina ara-tsiansa hoe marina ilay zavatra tadidiny.” (Fanjakana Miady Amin’i Mack, anglisy, 292 N.W.2d 764) Mety ho hevitra avy amin’ilay mpanao hipnotisma koa mantsy no holazain’ilay olona, ka tsy ho azo antoka intsony ny fanambarany.Miresaka ny amin’ny olona teraka indray tao amin’ny vatana hafa ve ny Baiboly?
Miresaka momba izany ve ny Matio 17:12, 13?
Mat. 17:12, 13: “[Hoy i Jesosy:] ‘Efa tonga i Elia, nefa tsy fantatry ny olona ka nataony taminy izay tiany hanaovana azy. Voatendry hijaly eo an-tanan’izy ireo toy izany koa ny Zanak’olona.’ Dia takatry ny mpianatra fa i Jaona Mpanao Batisa no noresahiny taminy.”
I Elia ve no teraka indray tao amin’ny vatan’i Jaona Mpanao Batisa? Nanontanian’ny mpisorona jiosy i Jaona raha izy no “Elia”, nefa namaly izy hoe: “Tsy izy aho.” (Jaona 1:21) Inona àry no tian’i Jesosy holazaina? Nambaran’ny anjelin’i Jehovah fa handeha eo alohan’ny Mesia “amin’ny risi-po sy ny herin’i Elia” i Jaona, “mba hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanany ary ny tsy mankatò ho amin’ny fahendren’ny marina, ary mba hanomana vahoaka ho an’i Jehovah, eny, vahoaka voaomana.” (Lioka 1:17) Nanatanteraka faminaniana àry i Jaona Mpanao Batisa rehefa nanao asa toy ny nataon’i Elia mpaminany.—Mal. 4:5, 6.
Miresaka momba izany ve ny Jaona 9:1, 2?
Jaona 9:1, 2: “Nahita lehilahy jamba hatrany an-kibon-dreniny izy [Jesosy], raha iny nandalo iny. Ary nanontany azy ny mpianany hoe: ‘Raby ô, fa iza no nanota, io lehilahy io sa ny ray aman-dreniny, no teraka jamba izy?’ ”
Nino ny Fariseo jiosy fa “ny fanahin’ny olona tsara toetra ihany no afindra ao amin’ny vatana hafa.” (Adin’ny Jiosy, Jaona 9:3) Fantatr’i Jesosy fa taranak’i Adama isika ka mandova takaitra sy tsy fahalavorariana. Nositranin’i Jesosy avy eo ilay jamba, mba hankalazana an’Andriamanitra.
anglisy, Josèphe, Boky Faha-II, toko faha-8, feh. 14) Nino izany koa ve ny mpianatr’i Jesosy? Tsia, satria tsy nilaza izy ireo hoe “olona tsara toetra” ilay jamba. Azo antoka fa nino ny Soratra Masina izy ireo, ka nahalala fa tsy manana fanahy tsy mety maty ny olona. Fantany koa fa mandova ota ny zaza raha vao miforona ao an-kibon-dreniny, ka nanontaniany raha nisy ota nataon’ilay zaza tao am-bohoka matoa izy teraka jamba. Tsy nilaza anefa i Jesosy hoe efa nisy tany aloha tany io lehilahy io fa teraka indray tao amin’ny vatan’ilay jamba, na hoe efa nanota izy tamin’izy tao am-bohoka. Hoy kosa i Jesosy: “Tsy io lehilahy io no nanota, na ny ray aman-dreniny.” (Inona no ampianarin’ny Baiboly momba ny fahafatesana?
Hoy ny Genesisy 2:7: “I Jehovah Andriamanitra namorona ny olona avy tamin’ny vovoky ny tany, sady nitsoka fofonaina nankao am-bavorony, ka lasa zavamananaina ny olona.” Tsy voalaza eo mihitsy hoe misy fanahy nampidirina tao amin’i Adama. Noho izany, rehefa nanota izy ka maty, dia tsy nisy fanahy niala tamin’ny vatany. Hoy koa ny Salamo 146:4: “Miala ny ainy, ary miverina amin’ny tany nakana azy izy, ka androtr’iny ihany, dia foana ny eritreriny.” Rehefa maty àry ny olona, dia maty tanteraka fa tsy misy zavatra mbola velona misaraka amin’ny vatany ka miditra ao amin’ny vatana hafa. (Jereo koa ny loha hevitra hoe “Zavamananaina” sy “Fahafatesana.”)
Mpito. 3:19: “Manam-piafarana ny zanak’olombelona ary manam-piafarana koa ny biby, ary mitovy ihany ny iafaran’izy roa tonta. Fa toy ny ahafatesan’ny iray no ahafatesan’ny iray koa.” (Mitovy amin’ny olona ihany ny biby rehefa maty. Tsy misy zavatra mbola velona misaraka amin’ny vatany ka teraka indray ao amin’ny vatana hafa.)
Mpito. 9:10: “Izay rehetra azon’ny tananao atao dia ataovy amin’ny herinao manontolo, fa tsy misy asa na eritreritra na fahalalana na fahendrena ao amin’ny Fasana, izay toerana halehanao.” (Mankany amin’ny Fasana ny maty, fa tsy mankao amin’ny vatana hafa.)
Inona no tsy itovizan’ny fampanantenan’ny Baiboly sy ny finoana hoe teraka indray ao amin’ny vatana hafa ny olona?
Finoana hoe teraka indray ao amin’ny vatana hafa ny olona: Rehefa maty, hono, ny olona iray nanao ny tsara, dia hahazo fiainana tsara kokoa ny fanahiny, ilay “tena maha izy azy”, fa mety hanjary ho biby kosa izy raha nanao ratsy. Ho teraka indray eto amin’ity tontolo ity ihany, hono, ilay olona, ka hijaly sy ho faty indray. Hitohy tsy misy farany, hono, izany. Izany tokoa ve ny hoavinao? Misy mino fa tsy ho afa-miala amin’izany ianao, raha tsy foananao tanteraka ny faniriana hampifalifaly tena. Tsy hanana faniriana sy fihetseham-po intsony, hono, ianao avy eo.
Baiboly: Voalaza ao fa na dia nanao ratsy aza ny olona iray tamin’ny lasa, dia havelan’i Jehovah Andriamanitra ny helony, raha mibebaka sy miova izy. (Sal. 103:12, 13) Tsy misy zavatra mbola velona misaraka amin’ny vatana rehefa maty ny olona. Toy ny torimaso lalina tsy misy nofy ny fahafatesana. Hisy ny fitsanganan’ny maty. Tsy hateraka indray ao amin’ny vatana hafa ny olona, fa hovelomina indray, ka ilay toetra maha izy azy taloha ihany no ho toetrany. (Asa. 24:15) Hiaina eto an-tany ny ankamaroan’ny olona hatsangana, aorian’ny handravan’Andriamanitra ity tontolo ratsy ity. Tsy hisy intsony ny aretina, ny fijaliana, ary na dia ny fahafatesana aza. (Dan. 2:44; Apok. 21:3, 4) Tianao ve ny hahafantatra bebe kokoa momba izany fanantenana izany, mba hahazoanao antoka fa ho tanteraka izany?
Raha misy milaza hoe:
‘Araka ny finoako, dia teraka indray ao amin’ny vatana hafa ny olona’
Azonao valiana hoe: ‘Manantena ianao fa ho tsara kokoa ny fiainan’ilay olona amin’ny farany, sa tsy izany?... Ho tianao ve ny hiaina ao amin’ilay tontolo voalaza ato amin’ny Apokalypsy 21:1-5?’
Na hoe: ‘Misaotra anao nilaza ny hevitrao. Efa nino an’izany foana ve ianao?... Inona no nahatonga anao hino an’izany?’ (Azo ampiasaina ny hevitra eo ambanin’ilay lohatenikely etsy ambony.)
Na hoe: ‘Efa niresaka tamin’ny olona mino an’izany aho, ary nahafinaritra ahy ilay resaka. Nahoana no hitanao fa ilaina ny hahaterahan’ny olona indray ao amin’ny vatana hafa?’ Azonao ampiana hoe: 1) ‘Tsaroanao ve ny tsipiriany rehetra tamin’ireo fiainanao taloha?... Raha tsy tsaroana izany, ahoana no hahafahana hanitsy tena ka hihatsara?’ 2) Raha milaza ilay olona fa tsara kokoa ny hanadinoana izany, dia anontanio izy hoe: ‘Heverinao ve fa mahasoa amin’ny fiainana andavanandro ny hoe very tadidy? Koa ho afaka hihatsara ve isika, raha isaky ny teraka indray ao amin’ny vatana hafa, dia hadinontsika foana izay nianarantsika teo aloha nandritra ny 70 taona teo ho eo?’ 3) Raha milaza ilay olona hoe izay tsara toetra ihany no teraka indray ao amin’ny vatan’olon-kafa, dia azo anontaniana izy hoe: ‘Nahoana anefa no miharatsy ny toe-piainana eran-tany?... Resahin’ny Baiboly hoe inona no tena hanatsara ny fiainana eto an-tany. (